Jesosy nanao fahagagana

1. caprio ( 19/10/2006 22:47)
Araka ny voasoratra ao @baibolin-tsika dia ny nanova ny rano ho divay no fahagagana voalohany naton'i Jesosy,tsy haiko anefa izay fahamarinany fa nisy namako
arabo zay ary tena mahalala ny tantaran'ireny mpaminany rehetra ireny izy ka nilaza tamiko fa ny baibolinareo hoy izy dia tsy ahitana ny tantaran'i Jesosy betsaka ao anatiny fa nohafohezina ,ary hiarahan-tsika manaiky kosa angamba fa marina io satria
tsy ary voasoratra ao daholo ny tantarany vao teraka ka mandram-pialany teto an-tany ary Jesosy moa amin-dry
zareo dia mpaminany ary nilaza mihintsy ity arabo ity fa tena mpaminany natanjaka indrindra izy fa ry zareo moa tsy resy lahatra we zana-kandriamanitra Jesosy.Ka ny tiako ho zaraina @min-tsika eto araka ny voalaza'io namako io dia i Jesosy vao teraka enim-bolana(6mois)dia
efa nahay niteny, ary rehefa hovonoina daholo ny zazakely rehetra araka ny didin'ny mpanjaka dia lasa nitsoaka i maria sy josefa nitondra an'i Jesosy ary rehefa teny an-dalana izy dia nivahiny tao @ fianakaviana iray ary nanan-janaka kely koa io fianan-kaviana io ka io zazan-kely io dia marary hoditra ka rehefa avy nosasan'i maria i Jesosy dia mba natsobok'ilay reniny tao anatin'ilay rano avy nanasana an'i Jesosy ilay zanany ary gaga ny rehetra fa tonga dia sitrana ilay zaza.Ireo zany dia anisan'ny fahagagana nisy teo @fiahinan'i Jesosy tamin'izy mbola zaza araka ny voalazan'ilay namako koa anjaran-tsika ny misain-tsaina
novalian'i prime ny 14/11/2006 10:56
2. Fiffi ( 20/10/2006 05:30)
mpaminany matanjaka nefa tsy resy lahatra hoe zanak'Andriamanitra Jesoa ?
3. prime ( 20/10/2006 08:46)
Efa tsara rehefa mino fa mpaminany Jesosy... Izy efa niteny fa "...minoa ny asa..." na dia tsy mino Azy ho Mesia aza...
Ary izay no tsy itenitenenantsika foana mikasika ny finoana hafa satria samihafa ny andraisan'Andriamanitra ny tsi11... Izy efa niteny fa mafimafy kokoa no hitsaràna antsika milaza ho mpino Azy.
4. miangalyandria ( 20/10/2006 14:03)
Ié : io tenin'i Prime io, ny ahy izao rehefa anontaniana aho dia Jehovah foana ary Jehovah ihany no Andriamanitro, ny sasany kosa mamaly hoe Jesosy no Andriamaniny. Dia manaja izay eken'ny fon'ny tsirairay raha te-hiteny dia maneho ny heviny sy ny fahitany ny zavatra fotsiny. Hevitro aloha iny.
5. xxx ( 20/10/2006 20:09)
Raha tsy diso koa ny fahatadidiako ny tantara dia toa hoe iny zaza nosasaina taorian'i Jesoa iny hono no iray tamin'ireo niara-nofatsihana tamin'i Jesoa tao antampon'i Karandoha ....
6. caprio ( 20/10/2006 21:46)
xxx:zay mintsy ilay izy ,satria jiolay koa ny Rain'io zaza io ary nanafatra an'i maria sy josefa io Rain'io zaza io we mba asaivo tsarovanio zanakareo io ity zanako ity rehefa lehibe kanjo io zaza io taty aoriana ilay jiolay
iray niara-nifantsika t@ jesosy ary ilay noteneniny we anio no hiaonako @nao any am-paradisa
7. miangalyandria ( 21/10/2006 05:18)
hay mahaliana kosa izany tantara izany, tohizo hoe !
8. vale ( 21/10/2006 13:48)
caprio: raha ny ttara tsy feno aloha mety hitombina:wink:, ny hoe Jeso, dia Tsy zanak'Atra fa mpaminany tsotra ihany ny ahy indray dia izao: efa betsaka ihany ny arabo reko niteny an zany koa, fa tsy hampiova ny finoako, ny an-dry zareo ny Mesiany vao handrasina satria Jeso tsy hekeny ho Mesia, ny ahy efa tonga ary efa nanolotra ny ainy mba HANAVOTANA ny olona. Samia fts mitazona tsara ny finoany!:)
9. vetsoko ( 21/10/2006 15:03)
aiza ny finoanao fa izay izany ny version'ilay arabo!!!LASA misalasala ve ianao? sa lasa tsy mino?mbola version hafa be dia be anefa:ny jiosy,ny romana,ny athée.....fa AIZA NY FINOANAO?
10. cristal ( 23/10/2006 08:15)
(l)(l)(l)Tano ny finoana fa aza mety ho viravirainy sasany refa resy lahatra ianao dia tokony tsy hanisan'ireo mihemotra isika FINOANA,FINOANA HATRANY dia miambena sao hitovy amin'ny arabo eo an!"Zay mino no ho vonjena fa izay tsy mino kosa dia ho melohina" za tsy namorona an!(l)(l)(l)
11. prime ( 23/10/2006 12:38)
caprio> misy documentation v zany lazainao zany sa hitanao t@ fiction isankarazany?
12. caprio ( 23/10/2006 22:26)
Mba samia mamaky tsara daholo kosa aloha fa za tsy niteny mintsy we resy lahats'ilay arabo za ,fa mba mitantara anie za e!fa amiko jesosy dia miavaka @mpaminany rehetra na dia izy teraka tsy avy @ firaisana ara-nofo iny fotsiny aza dia efa ampy ampiorina ny finoako ary za mino fa zanak'Atra i jesosy.Ylay miaramila iray aza vaky vava rehefa nofantsiana jesosy dia hoy izy we (Marina tokoa fa zanak'Atra ity lehilahy ity)
13. vale ( 25/10/2006 02:00)
Caprio: manja kah:), fa ny ahy ilay arabo alou no tena nasiko kritika de kou mba manararaotra manimpinipy teny kely ihany hoe tano ny finoana, satria sao misy mamaky ilay tantara de hiova indray ny finoany @ maha- kristiana azy:°):wink:(fa tsy enao an :))
14. prime ( 25/10/2006 12:21)
Ny resaka tsy misy documentation à l'appui ohatr'izao d tsara ihany ny ilazàna azy fa "fiction", ka rehefa fiction d afaka maminavina avokoa ny olona rehetra ny mety ho zavatra nitranga izay tsy misy maharatsy azy tsy akory satria mampanita-tsaina... fa eo amin'ny lafiny finoana d tsy d ilaina loatra satria ny olona mamaky itony dinika itony dia mety hisy handray izany ho tena zava-marina izay mety tsy mitombina akory...
15. caprio ( 25/10/2006 22:21)
prime:tsarovy fa ny manampy zavatra ratsy ao @baiboly no tokony tandremana fa sao dia mampiova ny finoan'ny hafa,fa ny manampy zavatra tsara kosa na dia tsy misy porofo mazava aza dia mety ampitombo ny finoana.Hoatra fotsiny zao enao mitantara we i jesosy hono dia nanova ny saka ho bitro,de inona zao no maharatsy an-zany fa vao maika aza mitombo ny finoan'ny sasany
16. prime ( 26/10/2006 13:03)
:wink::-D:-D hafa kely indray iny...:)
17. caprio ( 27/10/2006 00:21)
prime:mety hiteny enao angamba we tsy azo atao ny mitantara zavatra tsy marina(mandainga) kanefa misy ny lainga mety mahasoa ny olona ary ny marina mety hitondra fahafatesana mintsy aza satria misy ilay teny we ny marina rehetra tsy mba filaza, ka omeko ohatra iray enao:Raha misy olona iray enjehan'i polisy ka hitanao ny nidirany tao @ trano iray,dia tonga ilay polisy milaza @nao fa io olona io dia tsy maintsy hotifirina fa efa im-betsaka no nitsoaka ny fonja ka mametraka fanontaniana @nao ilay polisy we:hitanao ve ny nalehan'io olona tadiavinay io?dia hilaza ny marina ve enao sa tsia? satria ny filazanao ny marina dia fahafatesana ho an'io olona io ary raha mandainga hianao dia tsy ho faty io olona io koa anjaranao ry prime no mamakafaka we hatraiza no fetran'ny filazana ny marina,koa zay no hilazako @nao we na marina io na fiction araka ny heritseritrao eny fa na lainga aza dia tsarovy fa mety ahasoa ny pamaky io ary tsy mba mahafinaritra an'i prime ve ny maheno we jesosy enim-bolana dia efa nisy teny nolazainy t@ maria koa asakasakao fa raha iza aloha dia nandainga t@ilay polisy e
18. prime ( 30/10/2006 08:58)
caprio> misaotra anao...
Tandremo fa misy anarany ilay antsoina hoe "rain'ny lainga...", ka izay rehetra lainga dia manohitra an'Andriamanitra avokoa...

Misy tokoa fiteny hoe "ny marina rehetra tsy filaza", fa tsy tenin'Andriamanitra izany fa an'izao tontolo izao... ny fomba filazàna ny marina no misy endrika maro fa tsy azo saronana lainga vely2 ny marina na inona antony na inona antony fa lasa manota amin'Andriamanitra...

Hoy indrindra Jesosy tamin'ireo fariseo nanendrikendrika azy,
"Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')]" Jaona 8:44
dia hoy koa Izy araka ny lazain'i Paoly apostoly : "Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika." Efesiana 4:25
"Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]" Matio 15:19
19. Achia ( 31/10/2006 17:58)
ary prime zany nge mizara sakafo mavesatra mitsy e !:-D:-D:-D
20. prime ( 02/11/2006 11:02)
achia> enao an...:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.091