gadraina sa tsy avela hiverina any madagasikara??

1. mandrindra ( 19/10/2006 13:11)
efa resaka mandeha eto foana ny mikasika an'i pierrot. ho an'ny milaza fa mpanakorontana i pierot no hitodihan'ny fanontaniana.
aminareo iza, na inona no mety ahatonga korontana bebe kokoa : olona gadraina ao madagasikarara sa avela hivazavaza ivelan'i madagasikara satria tsy avela hiverina any?
novalian'i manantsoa ny 21/10/2006 11:54
2. mandrindra ( 19/10/2006 13:14)
fanamarihana : izaho dia tsy mpanohana antoko pôlitika, na mpitondra, na mpanohitra, na mpisabaka, na olona mpifaninana amin'ny 3 desambra. sady tsy mpanao pôlitika mihitsy. fa mba miezaka mijery sy manaraka ny zava-misy fotsiny.
3. hery ( 19/10/2006 14:08)
Tsy tsaroan'i Mandrindra ve fa i Ratsiraka na dia nanao ny nataony sns hatramin'ny 1991 dia lasa prezidà indray nony niverina?
Efa fay an'iny angamba ny mpitondra... dia aleo hilamina any ivelany any ireny mpitondr taloha ireny. Ny malagasy mantsy mora manadino izay. :-)
Ary io mihitsy no tetehandry zalahy ireny hatao. Hitany hoe mandefindefitra ny gasy dia iny izy mijaikojaiko...
4. mandrindra ( 19/10/2006 14:29)
hery, hors size an. mivoaka ny fanontaniana na dia misy fahamariana kely aza ilay fomba fijery
5. sonwin ( 19/10/2006 15:16)
mora ho azy ny miketrika korontana refa tonga any mada izy. Amin'izay mba raikitra ilay hoe "avoahay Pierrot". Dia ny mpomba azy hiezaka hanakorotana, de refa raikitra ny korotana dia ho foana ny fifidianana, dia refa foana ny fifidianana dia tsy maintsy hoe tetezamita, dia io tetezamita io no tanjon-dry zalahy fa tsy 03 Des akory. Asa anefa....
6. fiderana ( 19/10/2006 15:52)
raha izaho aloha, dia izao no mba hevitro, ny fiverenan'i PIERROT na tsia eto tsy blem amiko, fa ny hahatonga ny korontana , ka hampiemotra indray ny firenena no tsy tantiko, zah tsy pros TIM na pros AREMA na mpanohatra, fa toheriko kosa ny endrika rehetra ka mahatonga korontana eto @ firenena Malagasy, ka raha tsy tafaverina eto i Pierrot, tsy blem ko izany, ny blem-ko dia izao,mila milamina ny vahoaka, mila mivelona ny vahoaka, mila salama ny vahoaka,mila mivelatra araka ny maha olona ny vahoaka , tsy misy manambany ny zo ananan'i Mr Pierrot RAJAONARIVELO mihitsy fa raha tena tia tanin-drazana izy dia, fantany tsara ny mety ahatonga korontana na tsia eto @ firenena, sady en plus izy anie voambara fa anisan'ireo malagasy mba manam-pahaizana ê!, ny hogadra indray, ny rehatra izay nanao ny tsy nety, aleo mizaka izay vokatry ny nataony, fa tokony tsy hifidina tavan'olona io na harena na voninahitra, na haja, fa samy olom-pirenena ambanin'ny lalana daholo.noho izany raha te hiverina izy tsy hitako izay blem fa samia mahay mandanjalanja daholo tsy ahatongavan'ny korontana fa mampihemotrany fianam-pirenena izany.
7. fijo ( 19/10/2006 19:25)
hery ,solafaka kely marina an,tsy ao le valiny.
io voalazan'i sonwin io no mitombona.
izao no tadidio.raha olona tsy ao mada no mikiakiaka.lany foana eo ny feony,fa tsy misy akony io any amintsika.
faharoa,raha aty ivelany izy,sahirana ny menavozona amin'ny famatsiana vola.
ary raha any an tanana izy ,ka gadraina,dia mora ny mamorona korontana noho io figadrany io.sady manjary mila mpiambina misimisy atokana hiaro ny misy azy,nefa ireo tokony anao zavatra hafa.
noho izany aleo izy hikiakiaka aty,fa milamina kokoa ny any amin'izay
8. Zina ( 20/10/2006 02:46)
Zany mihitsy ka aleo any ivelany any fa hanadala ny saim-bahoka fotsiny.
Ny zavatra mahagaga ahy raha ohatra izy innocent tsy nanao na inn na inn naninn no tsy niverina tany Dago erin-taona alohan'ny fifidianana?
9. papala ( 20/10/2006 10:52)
efa tokony tany @2003 tany izy no nigadra fa nandositra, ka zao akaiky fifidianana zao vao hanakorontana ? de avelao izy any ivelany any e!!:arrow:
10. fijo ( 20/10/2006 22:49)
ka izay le hoe polita korontana ko.
11. manantsoa ( 21/10/2006 11:54)
ho an' ilay namorona ny sujet.
Tsy eto Madagasikara ihany anie no misy mpanao politika mijanona any ivelan' ny tanindrazany ary " mivazavaza " kanefa tsy miafara amin' ny korontana e!
Izany hoe ilay mpanao politika malagasy mivazavaza io mihitsy izany no tena mpanakorontana ary manahy sahady ny namana nametraka fanontaniana .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0671