Ho an'ny gasy andafy!

1. kitjo ( 18/10/2006 18:28)
Nahafinaritra ahy namaky azy fa asa ianareo

http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=2444
novalian'i Fiffi ny 29/10/2006 20:51
2. fijo ( 18/10/2006 19:14)
dia tena marina tokoa ireo voalazany ao ireo an.antsika no misaina fa izay le izy e
3. vale ( 18/10/2006 19:33)
Kijto! zava-marina dôly tokoa ny voalaza ao, fa tsy ny rehetra kosa no manao an'io hoe tiana ihany ka atositosika io:?, diso ry zareo t@ io!:wink:
4. simplex ( 18/10/2006 21:11)
Tena mahafinaritra kosa na ny namaky azy aza.

singanina manokana:
lexpress:
Gasy tsy mikasika toaka an-tanindrazana manjary mahita mamy amin’ny Rhum Dzama “10 ans d’âge” rehefa manirery an-tanin’olona.


coup de gueule hoan'le bandy akama iray zay.;-)

:-*:-*

5. Fiffi ( 18/10/2006 21:14)
humm..
6. fijo ( 18/10/2006 21:20)
simplex za ve?ny ahy dite ihany ka
7. simplex ( 18/10/2006 21:34)

fijo,

gasy k manja ony ee :-D:-D

le bandy nandefasako an'io tsy mamaky forum nefa :°);-):-*
8. fijo ( 18/10/2006 21:36)
kiiiiiiii,ao ary fa alaiko ny anjarany e
9. vale ( 18/10/2006 23:57)
,,,simplex ngah enao tsy manja?!!
10. Fiffi ( 19/10/2006 06:04)
11. little ( 19/10/2006 07:49)
Zany tokoa moa? marina daholo marina ireo saingy refa hoe ndao hody de tsy mety ny gasy hody ary zary hadino daholo ireo embona sy tsiaro rehetra ireo fa toa mahery ny sinton'ny fofon'andafy. eny na dia ilay teny hoe "andafy" fotsiny aza dia efa zavatra ho an-dRamalagasy. Atsipy hono ny tady eny an-tandroky ny omby ary ny teny ao am-pon'ny mahalala.Ho ahy io , ho anao, ho atsika.
12. Fiffi ( 19/10/2006 08:25)
little:
Zany tokoa moa? marina daholo marina ireo saingy refa hoe ndao hody de tsy mety ny gasy hody ary zary hadino daholo ireo embona sy tsiaro rehetra ireo fa toa mahery ny sinton'ny fofon'andafy.
aiza koh no misy an'zany eh ?


13. lolabe ( 19/10/2006 08:48)
aza miala ianareo any andafy any fa marina daholo io voalaza io.
14. booboo ( 19/10/2006 09:48)
Eka ouz

Fiffi > hita kosa fa marina zany e ...ara-pahasalamana, niveau de vie fotsiny ohatra = fofon'andafy, dia booobaka no tsy mety hody intsony. Tsy ratsy ange izany sady tsisy omen-tsiny fa fiainana aby izany...
15. sonwin ( 19/10/2006 10:48)
ie fianana aby 'zany fa na tsara za le fofona hono, mamy ny mody ka dia lasa izao fa hipody koa refa vita 'ze atao
16. adidy ( 19/10/2006 13:27)
Ny ahy ny mandreraka ahy dia io journaliste io rehefa manoratra dia somary tsy maintsy manaratsy foana ny gasin'andafy!!Tsy maintsy misy frapy krana kely foana!!!::evil:
17. mandrindra ( 19/10/2006 14:05)
marina ny ankamaroan'ny voalazan'ny mpanoratra. saingy tao mitovy hevitra amin'i adidy aho fa tsy resaka fanamarihana toe-javatra fotsiny no avoakan'ny mpanoratra fa miampy felaka malefaka izany.
dia hihezaka ny hamaly azy aho araka izay mba kely haiko amin'ny maha malagasy ahy aty antany lavitra.

Eeeee ry akama, eee ry lery, eeee ry cherie, fa raha tsy mandeha mijery sy mihaino ireny mpnakanto ireny izahay aty ampitandranomasina aty dia iza hono no mba hampahalala ny "bankira" sy ny "teny" malgasy???? sa dia tsy natao hivoaka izy ireny fa natao hijanona ao madagasikara fotsiny ihany?? sa koa rehefa malagasy monina aty ivelany dia tsy tokony hihaino sy hiventso ny hiran'ny fahazazany amin'ny tenindrazany fa handeha hihaino hira frantsay na anglisy na moldave?????

rehefa mba mandalo aty lafrantsa ianareo na any suisse any dia mitondra mofogasy sy ramanonaka fa aza ny avy madagasikara no entina mivoaka. fa maninona e??????? tsy izay mampiavaka ny toerana iray no entina rehefa miala ao fa ho zavatra hafa indray e. sa rehefa miala any madagasikara ka ho aty frantsa dia vin de bordeaux no ho atao voandalana. izahay anie na tsy mipetraka ao madagasikara aza dia mbola kibondranon'anana foana aza e.

ie, dia reharehako ihany koa ny mampiseho aty ivelany fa mahay asa-tanana ny mpiray tanindrazana amiko. ka aiza ny olana???? raha mividy asa-tanana malagasy ny malagasy mipetraka aty ivelany, asa ho an'iza izany?????

fa i rangahy mpanoratra io moa tena tia an'i madagasikara ve? ny olona rehetra monina an'i madagasikara ve tena tia an'i madagasikara? ary inona moa no atao hoe tia tiana tenenina eto? mba nahavita inona moa no avy hatrany dia mitsara sy milaza fa fitia varavarana????
18. tisera ( 19/10/2006 17:19)
mandrindra >>>=D=D=D:-*:-*:-*
19. fijo ( 19/10/2006 21:56)
samy marina daholo,fa ity mifampitsikera ity no ratsy.
marina tiokoa fa maro ny olona nody no lasa mitsikera ny aty.ny aty koa misy ny manaratsy be fahatany ny any.
maninona kay raha mifanaja ,fa safidy anie io e
20. Fiffi ( 20/10/2006 05:47)
little:
hadino daholo ireo embona sy tsiaro rehetra ireo
io voalaza io no hataoko hoe tsy marina zany an!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.982