Inona no atao hoe: politika?

1. diamondra27 ( 15/10/2006 07:54)
Samy manana ny politikany daholo ny firenena rehetra. Miovaova araka izany pays izany anefa ilay hoe:politika.
Tsara ho fantatra izany ny atao hoe: "politika" alohan'ny hirosoana lalindalina kokoa.
Iza no afaka hamaly?

Misaotra.
novalian'i fijo ny 18/10/2006 20:09
2. lemenakely ( 15/10/2006 08:28)
ny atao hoe pôlitika dia pô misolitika.zavatra ratsy nefa ifandrombahana
3. sipagasy ( 15/10/2006 08:33)
zavatra ratsy ve ny fikatsahana hampandroso firenena 1?????? mmhhhhhhh
4. diamondra27 ( 15/10/2006 12:59)
lemenakely::)
5. Fiffi ( 15/10/2006 13:39)
aleo aloha hiheritreritra tsara alohan'ny hamalina fa sao de miteniteny foana eto ! :oops::-D
6. raygasy ( 15/10/2006 18:17)
sarotra faritana aloha amiko ny Politika e!nefa tsy ny olona rehetra dia mety ahay azy io e!fa ny politika ho an'ny olona efa mandroso zao dia ny handroso hatrany ka tokony mihezaka ny tsy mbola mandroso oh......
7. akama2006 ( 16/10/2006 11:38)
ny politika dia fitaovana entina mametraka lamina sy didy iarahana miaina aminy faritra iray misy sokajin'olona iray na maro miara miaina!

fa io dia arakaraky ny fandrosoana sy ny fipetraky ny tsirairay io,satria ny fomba fijery ny poltika dia arakaraky ny fisehony sy ny fahzahony olona iharany sy mampiasa azy!ho any afrika sy madagasikara sy ny latino dia hafa noho ny firenena lazaina fa mandroso izy io!

raha tsy natao hivelomana ny politika mainy tany mandroso ,ny any mada sy ny tany mahantra natao hivelomana izy io!

diso ary hita ny vokany ny filazana fa rehefa be vola ny olona hilatsaka na koa hoe voky dia tsy hangalatra insony!: :-D ,aza mino izany fa taingina izany!

matoa manao politika dia misy programa hevrina hampandrosoana izay mifanaraka aminy filany olona ao amny sy ny ho enti manao!raha toa ka milaza ny hanao tranobe ny mpanao politika iray nefa ny entimanana eo aminy fireneny ahavitana trano bongo,dia izay le demagogie,toa ny 4l isantokantrano( ra8) na paradisa sosialista ny boky mena!

izany no lesoka efa tarazo nadritra ny 1972, fa ny mampalahaelo ary mahatonga ny gasy ho cas hafa noho ny hafa dia tavela any aminy rindra ny taonjato faha 19 sy 20 ny malagasy ,tara siekla izany e!ka tsraa raha politika mifanaraka amin'izay no atao !izany hoe ny mpitondra dia toa ny ray amandreny,ka ny fiainana rehetra dia io fitondrana io no mandrindra azy! toa izay milaza ho demokrasia nefa dia sady tsy izay no tsy mahafeno ny fepetra no atao!

izao no antony!ny politika gasy dia alliance sy fanovana palitao no ataony!na iza io na iza,eny fa dia i ra8 aza!karoy dia ho hitanao! raha resaka clan sy fihaviana no politika atao dia tsy mety aminy poltika amin'izao taonjato izao!izay politika mampitovy ny olona rehetra ao aminy ary ny lalana velona dia mihatra fa tsy mifidy olona!ny olona dia afaka milaza ny tsy mety ary manan zo ny haneho izany tsy misy fepetra sy tohana!
ny zava misy dia raha i rabe avy any atsimo no milaza zavtra dia ny mitovy aminy rabe sy izay lazaina fa mitovy fihaviana aminy rabe no voakasika!tsy politika izany fa clanika! ka ny fanontaniako aminareo eto dia ny hoe inona moa no maha ratsy ny federation ny province,satria tsapa fa tsy ho tanteraka rahampitso ny décentralisation tiana atao!ary raha federation izany ihany dia tsara raha raisina ny tena ére géographique sy influence marina izay mety hampandroso fa tsy topographique fotsiny no atao!

misaotra !
8. diamondra27 ( 16/10/2006 14:09)
akama2006: mazava tanteraka e!
9. fijo ( 16/10/2006 14:39)
akama"......raha tsy natao hivelomana ny politika any amin'ny tany mandroso,ny an'ny mada sy ny tany mahantra natao ivelomana izy."
diso be io voalaza io.i chirac tsy mbola niasa atramin'izay niainany,fa politika foana no nataony.nefa lazaina fa manana vola be mipetraka any japon izy izao.
ny mpanao politika any USA dia pro fa tsy amatera toy ny any amin'ny tany mahantra.
izany hoe aty io dia tena asa atao hivelomana ary mahavelona mihintsy.

"diso ary ita ny vokany ny filazana fa rehefa be vola ny olona hilatsaka,na koa hoe voky dia tsy hangalatra intsony."
tena marina io voalaza io.jereo ry Bush sy ny ekipany.
10. akama2006 ( 16/10/2006 15:34)
tsy hoe tsy hivelomana arabakiteny no tiako hiavina fa ,ny hoe ny politika no atao hozatra ny fanana harena!

raha i chirac aloha dia mpanao politika izy fa rehefa eo aminy fitondrana izy dia tsy lasa manana action betsaka sy tompona orinasa betsaka ,toa ny bush!ary niasa ho any fanjakana izy!(1967:secrétaire d'Etat aux Affaires Sociales chargé de l'emploi, ...)nanagna ny anpe etc,izany hoe nitondra vahaolana teo aminy mponina,vaha olana politika fa tsy vola zaraina! aminy toerana sy andraikitra ataony moa dia mikarama izy fa ny karamany no hivelomany!bon betsaka ny halatra nataony milamina izay ny malasa dia ny frais de bouche n'izy mivady 4000f ptit dej ,..fa na ny emploi fictif hanenjehina azy aza anie ka olana aminy fitadiavana sosy tsy ho azy loatra fa ho any rpr fahiny e!! amin'izay sehatra izay no hilazako hoe tsy natao hivelomana ny politika aty !ohatra rehefa tsy nahazo vato intsony fa nidina ny coteny pcf(comunista frantsay) dia nihala i dehue ,fa tsy nikiry mijanona, i jospin raha niala tsy ho sg ny ps tsy hoe lasa pcf na ump,na udf fa nijanoan ho olona tsotra,mahazo ny vola mifanahaka ny asa nataony izy fa tsy misy mihoatra izay!

tsy haiko raha azonao no tena tiko lazai^na!
misaotra
11. diamondra27 ( 16/10/2006 15:53)
:-w:-w

Chirac zany v manao business any japon ve zany dde bush tena efa pro?
lasa tsy arako tampoka.
12. akama2006 ( 16/10/2006 16:29)
diamondra!
tsy ny business anie no ratsy e!fa ny fanararaotana ny fahefana ananan hampanakarena!io no tsy mety satria ny lalana natao ho any rehetra fa tsy ho an'olombitsy akory na iray!

raha manome facilite de payement ny banky ho azy ohatra satria izy hoe i chirac dia azony olona torina io banky io satria manao traitement de faveur ,ary i chirac mety ho henjehina aminy trafic d'influence!raha misy resaka vola ao dia izay ilay hoe usage de biens sociaux satria ny president ny fanjakana no mandoa sy mikajy ny vola laniny fa tsy izy teneny donc,tsy maintsy aminy anarany gvt frantsay ny zavtra ataony fa tsy aminy maha chirac azy!!izay ilay hoe raha eo aminy fitondrana izy no manana dia tsy vita mora!ary izay no tsy hitovizany tany mahantra sy manana,ny manana henjehina ny mpitondra mpanodina fa tsy avela hilaba fotsiny!
misaotra
13. rakaroka ( 16/10/2006 20:33)
Fihevitra tokoa ity "sujet" apetrak'i Diam ity:
Tsapako fa samy manana ny amaritany ny antsoina hoe politika tokoa ny tsirairay fa amin'ny ankapobeny 'ngamba dia karazana paika na "astuce" mba itondrana ny fiainana ny politika!...
Ny olana amin'izy ity dia be ny mihevi-tena tena katraka sy fetsy amin'izany tsy am-pahafantarana loatra ny hafa sy izay zava-misy marina: Ny fizotran'ny tantara, ny lalàna mifehy ny tontolo,
ny fifamatoran'ny zava-misy isan-karazany!
14. rakaroka ( 16/10/2006 21:21)
Misy havana, namana, nianatra "science politique":
Variana aho hoe fa 'ngaha hianarana dia raha mivoaka amin'izany ve misy débouché?...Raha ny marina aloha
tsy very mandeha tokoa ilay havana nanao izany ary nahatsapako aza fa misy fahalalana ilaina hananana
hoenti-miatrika ny fiainana!...
15. prime ( 17/10/2006 13:16)
rakaroka> nilatsaka v aloha ilay olona nolazainao hoe katraka sa tsia e... efa mikatona mantsy izao ny filatsahana fa toa olona, na efa fantatra eo @ lafiny politika, na eo @ lafiny toekarena, na eo amin'ny lafiny fivavahana ireto nilatsaka... ary ireo izay tena hoe vao2 dia hita sahady fa tsy izy avokoa satria "opportunistes" fotsiny, sady mbola tsy nanao politika no tsy mpanao politika fa dia tsy hay hoe inona no antony nilatsahana (na dia fantatra aza hoe inona tokoa?)...
akama> marina ny ambaranao... nefa tena asa toy ny asa rehetra mihitsy koa ny fanaovana politika ka na mihary amin'izany aza tsy misy fahadisoana mihitsy... ny mikasika ireo mpitondra frantsay natao ohatra dia fantatra fa aza dia mitoky amin'izay hita maso e... "iceberg" io ka tsy ilay hita maso no izy fa ilay kibo be miafina ao ambany ao...
Iza no "règlo" noho i Mittérand fa ny nahafatesany no ela dia nipoitra avokoa ny zava-miafina rehetra...
16. akama2006 ( 17/10/2006 16:21)
prime> asa ny politika marina izany fa,FA miasa ho any vahoaka fa tsy ny vahoaka no miasa aho azy!

izay fotsiny no nuance kely ,fa marina ny voalazanao hoe iceberg ny mpanao politika hafa no asehony ary hafa no ambadika!

FA koa ny tany mandroso henjehina izy ireny mba hamoaka ny efa lany fa ny tany mahantra, tsy maty manota!helmouty kola aza firy taona aty aoriana voahenjika;eny fa na dia maivana azy ny sazy ,ny crédibiliteany zero satria namitaka ny olona ho entina!ary dia na izy ireny miala ,misitaka ny politika ,fa sty mikiry ho eo ihany ,na miaiky ny heloka nataoany ary atsipiny mpanohana azy!tsy misy resaka fihaviana sy anarana fa ny zavamisy no hitsarana!

izay ny mahafinaritra ahy ny slogan iray hoe NY ASA VITA NO HIFAMPITSARANA!

misaotra!
17. mikavao ( 17/10/2006 17:01)
Raha alaina ara-bakiteny ny hoe politika (avy amin'ny teny grika (polis = cité + tikein= gérer na gouverner) dia azo hadika tsotra hoe:

Fahaizana mitsinjara na mandamina ny fiainan'ny olona monina eo an-tanàna.

Raha izany no famaritana ankapobeny dia anisan'ny tena zavatra TSARA izany ny politika. Ny fitambaramben'ireo lamina sy ireo sokajin'olona samihafa napetraka hampanjary izany lamina izany no maha-izy azy ny politika iray ka azo faritana amin'ny fiteny hafa hoe: projet de société na projet politique.
Ny fanararaotana amin'ny fahefana azo sy ny fiviliana maro noho ny tombontsoan'izay mitantana no hitan'ny olon-tsotra tsy ao anatiny amin'ny fiainana andavanandro hany ka maharatsy tarehy na mampaloiloy avy hatrany ny resaka mikasika politika eo amin'ny firenena iray.
Mahay mitantana sy mandrindra ny fiainan'ny olona eo amin'ny TANANA nomena hiadidiany ve izay voafidy ho amin'izany toerana mahatsiriritra izany?
Io no fanontaniana azo atao amin'ny tsirairay, na ao anaty fitondrana izy na ivelany isak'izay misy fitondrana mijoro.
18. rakaroka ( 17/10/2006 17:34)
Tsara mihitsy ny namaritan'i Mikavao ny famaritana "fototra" ny antsoina hoe politika! tsy ahalasa izany ho polifika araka ny fanodinan-kevitra!
Ka eo indrindra no mahasarotra ity fifidianana ity!
19. rakaroka ( 17/10/2006 17:38)
[quote=prime]
rakaroka> nilatsaka v aloha ilay olona nolazainao hoe katraka sa tsia e... efa mikatona mantsy izao ny filatsahana fa toa olona, na efa fantatra eo @ lafiny politika, na eo @ lafiny toekarena, na eo amin'ny lafiny fivavahana ireto nilatsaka... ary ireo izay tena hoe vao2 dia hita sahady fa tsy izy avokoa satria "opportunistes" fotsiny, sady mbola tsy nanao politika no tsy mpanao politika fa dia tsy hay hoe inona no antony nilatsahana (na dia fantatra aza hoe inona tokoa?)...
Tsy amin'ireo lé olona...tsy hoe tsy fahavononana fa fakàna position!
20. fijo ( 17/10/2006 22:01)
akama ,araka io voalazan'i prime io,dia misy foana ny afenina.azoko tsara le tianao lazaina ka,fa tsy dia tena ekeko,satria maro no zavatra itako ataon'ny mpanao politika aty frantsa.
ry bush koa anie izy eo io,vao miha manangona e."amin'ny resaka solika"ary ny minisitry ny raharahambahiny aza dia lasa lehibeana orinasa maro any US.vaovao itako tamin'ilay reportage nataon'i moor io.ka izay no ilazako hoe,samy manao aby ireo,fa misy mahay miafina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.037