Bibilava lehibe any Didy

1. Solitikabe ( 12/10/2006 04:35)
Asa ianao raha nahita bibilava lehibe. Fa ao amin'ny henihenin'i Didy dia misy bibilava lehibe izay tsy fahita firy. Ka lazain'ny olona fa io no tompon'ny Rano ao Didy. Fony mbola tsy nahita aho dia tsy nino, saingy nahita dia mitantara. Saingy lany ny fakantsary ka tsy nahazo sary aho.
Tena lehibe ilay izy, ary miloko mavo mara mainty. Noheveriko fa irony mandotra lehibe irony, saingy lava loatra ary mety inefatra ohatry ny mandotra lehibe raha ny fahitako azy.
Toa natahotra daholo ny olona tamin'izay, tao ny sasany nilaza fa hisy loza hitranga, tao ny milaza fa tsy mitrangatranga foana io fa ao raha. Ary dia ny ampitson'io dia niverina nitanjozotra teny ny olona nanao fanatitra, sy fanalana ozona.
Raha misy mandeha any dia eo Atsimon'i Didy no misy io toerana io.
2. Fiffi ( 12/10/2006 05:47)
mbola lehibe noho ity ve ? http://www.onnouscachetout.com/forum/index.php?showtopic=11152
3. malalatinasoa ( 12/10/2006 05:54)
Aiza ho aiza ny Ambohijanahary izany misy bibilava godana be zany?
Vo avy any didy mantsy aho fa tsy mbola naheno an'io resaka io mihintsy. Misy itandremana fa somary matahotra fadiranovana bibilaksa mantsy sao torana am-pandehanana any :cry:.
4. papala ( 12/10/2006 06:15)
solitikabe>aiza no misy an'izany Didy zany ?
5. little ( 12/10/2006 07:25)
Ka lasa nifindra any Didy ( Tsiroanomandidy) ndray zany zao lay tany Madirovalo ve? sa ahoana?
Mba ela koa zany "voyage"n'lery zany avy any Madirovalo kle! de teny andalana ve lery de tsy nisy nahatsikaritra mihitsy hoe hifindra monina?
Ka io anie ry Solitikabe arak'ilay hira e, " zay mahita tsy mahazo manambara" nefa enao io zao "tsy naharitra fa nitantara t@ olona"
tsy hoe akotry an! hira fotsiny ihany iny e! mety voky be re izy hatramin'ny hatanorany de maroroka e!
6. vale ( 12/10/2006 09:31)
hummmmm :? mampatahotra izany! fa sao dia anaconda kosa anefa? sa ve dia tena lava be? ireny anie ka lava be sady ngodabe eh:roll::)
7. ikalakintina ( 12/10/2006 09:38)
ita wa ry vale za matahotra an reny!:(
8. vale ( 12/10/2006 11:43)
:-*:-* ikalakintina zà kou:(
9. Solitikabe ( 13/10/2006 02:12)
Fiffi an, ngeza loatra kosa ireo asehanao ireo, saingy raha nahita ilay python tao Tsimbazaza ianao, dia somary mitovy lanja amin'ireo ilay izy.
Malalatianasoa, nga ianao nitokana ilay sekoly tao Ambohijanahary? Fa Ambohijanahary andrefana, eo Anosivola no mivily kely 200 metatra dia io Ambohijanahary. Fa ilay izy, dia mianatsimo mihintsy ianao, mandalo ny tananan'i Didy ary tonga eo Ranomena.
Papala, i Didy dia tanana any Atsimo atsinanan'Ambatondrazaka, ka eo Ankazotsaravolo, toerana alohan'ny idirana an'Ambato, ka miala kely an'i Manakambahiny, no mivily miankavanana.
Little, Ilay tany Madirovalo aloha tena mba saika nojereko ihany, saingy tsy nety tonga tany aho fa teo Andranomandevy no niverina.
Mazotoa daholo eh
10. Bakobako2 ( 13/10/2006 21:26)
Solitika , python angamba zany e , satria fony kely zany zay de nisy ko teo Avaradrova teo akaikin'ny
Cinema Rabadista teo , eo am rond point ,misy an'iny rano mandé mizotra mankany am PC15 iny eo , eo am lalana mankany Andranomely iny, dia mitovy am zany fitantaranao azy zany no fisehonjavatra, fa efa taty ariana a mhita an'reny python eny am parc reny de tadidiko lay izy fa misy azy zany iny faritra iny.
11. Solitikabe ( 14/10/2006 03:37)
Ka ny Python ange tsy mipetraka any anaty rano, raha tsy diso aho eh. Izay fotsiny no hitako hoe tsy naha python an'ilay izy, sady eto amintsika tsy misy io biby io
12. kalapisa ( 24/10/2006 10:05)

aiza marina no tena misy an'ilay izy e?io bibilava io ve ka tsy (anaconda),zay mako ny bibilava farany geza be ndrindra.
13. tslem ( 25/10/2006 11:52)
Fiffi:

mbola lehibe noho ity ve ? http://www.onnouscachetout.com/forum/index.php?showtopic=11152


lé nasehon'i fiffi tena mampataoatra be ;hay v misy biby ngôdabé ôtran'iny é,aza manao ratsy tsony ry reto a!tsy mitrangatranga ho azy reny kah
14. tovolahy007 ( 01/11/2006 04:18)
Mbola betsaka ny zavatra misitery ra oa Didy ao.Izany dia noho io Ala be mbola hita ao io hatramin'izao.Mbola hita oa iany koa le vato be izay tazomina faroratra hany ka tsy mipetraka @ tany fa ilay faroratra iny no mitazona azy .
Tany iany koa no nahitana ireo lakamena mivady izay nentina nakarina tao Antananarivo ny vavy t@ mbola androny fahapanjaka fa saingy nangalariny Anglisy izy io ary tsy hita zay misy azy hatramin'izao fa ny lahy dia mbola ao Didy ao @ zao.
Dia izay ndray ary aloha e.
15. bilakarenjy ( 22/11/2006 18:04)
ny hitako indray dia ilay indray alina izay t@ iny lalana mankany Didy iny mihitsy .Vaky kodiarana ny fiara nitondra anay dia nijanona nanolo kodiarana tao anaty haizina be tao fa tsy misy poteau mantsy ny lalana .Tampoka teo anefa nisy hazavana niseho tokony ho 50 metatra miala anay tao anaty bozaka maina tao ,fa tsy azoko vinanina ilay toerana fa mangadihady be .Taitra daholo ny olona ka niteny hoe :misy olona mipetraka angaha ety .Dia nanantona teny @ ilay hazavana ny lehilahy sasany kanjo nisy niteny hoe : aza mankeny fa misy bibilava mamoka diamondra ao ka ho, loza ny ahazo antsika eto .Nisy ny nijanona nisy koa ny nandeha fa tsy tonga teny @ ilay toerana akory ireo lehilahy dia tsy hita ilay hazavana .
Mahagaga mihitsy ireo zavaboary ao Ambato ireo ka !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2549