bevohoka tsy manambady

1. nydiary ( 10/10/2006 08:51)
bevohoka aho 2mois mahery, ny rain-janako nefa tsy te ahalala anay tsony, ny analako ny zanako ary no asesiny amiko, tsy nanaiky nefa aho fa tazomiko ny zaza, kivy nefa aho ankehitriny refa mieritreritra ny hoavinay mianaka, ndrindra fa ny zazakely hoe tsy hanan-dray, ny fiaraha-monina koa toa mahamenatra, ny ray aman-dreny sy ny fianakavina etsy an-daniny, toa olana maro b no miandry ahy.

tsy itako ze atao, kivy aho, mangataka toro-hevitra aminareo aho,

le izy alo mbola tsisy mahalala afa-tsy ny tenako sy ny dokotera sy ny rain-janako iany, ampio re fa ketraka an.
novalian'i randria2 ny 29/12/2006 19:35
2. Fiffi ( 10/10/2006 09:31)
:evil::evil: inona koa aza zany hataon'io bandy miaraka aminao io ? :evil: may ny hahazo fahafinaretana nefa mitsaoka adidy avy eo :evil:
Ary raha lazaina azy tsotr"zao hoe ho any @ RAD-nao zah hoe hilaza ny vao2 ?
3. Aino ( 10/10/2006 10:12)
raha toaka moa ianao ianao vonona ny hiady any izay ho avy dia mahereza avy hatrany aza kivy fa ao anatiny mangidy no ahitana ny mamy, eny na dia ny mangidy aza ho hiaretanao ato anatiny taona vitsivitsy ka dia mahereza.
fa izao tsara ianao raha manantona ny ray aman-dreny nao ka manambara sy mintantara izay marina rehetra, mba hamora ny ho avy avy eo, fa araka ny tsy hilazanao azy mialoha no hamavesatra izany eo anatrehany famille anao!! eny na dia tsy ho mora aza ny hilaza any izany. dia mahereza.:-*:-*
4. xxx ( 10/10/2006 11:03)
Marina ny an'Aino,mahafinaritra rehefa tsy hivarilavo hanalazaza ianao e!sady fahotana eo anatrehan'Andriamanitra izany,rehefa hitanao izy fa tsy mivakiloha dia aza manambitamby azy intsony raha toa ka efa fantany ny zava-manjo anao,ny R.A.D aloha dia tsy maintsy tokony hampafantarinao na inona na inona fa tsy misy hahavita anao afa-tsy izy ireo ihany,dia manarak'izay dia hapetraho amin'Andriamanitra ny zava-manjo anao fa izy ihany no hamaha ny olanao,aza miala aminy,ary aza manari-toky fa Andriamanitra anie hampahery anao Mandrakariva .Mahereza...
5. andry08 ( 10/10/2006 11:06)
ny famille monoparentale anie efa be di be e!
Mahereza dia velomy fa zanakao io!
Ny henetra ve no andeha hanaovana ny zavatra tsy mety toa ny famonoana sy ny sisa!
Tadidio fa aina io!
6. simplex ( 10/10/2006 11:16)

lesona hoan'ny vehivavy:

- fidifidio ny bandy iarahana surtt hanaovana firaisana.
- preservatifs :°)

firy taona enao ??

Ity aloha dia tsy misy "recette" azo omena hoe izao no vahaolana e. Ny tena tsara ary tokony hataonao haingana indrindra dia ny mampahafantatra ny RAD. Fahendrena ny fitazomana an'ilay zaza an, ary fahendrena ihany koa ny mampahafantatra ny RAD. Marina fa tsy maintsy ho diso fanatenana ry zareo ary miomana enao @ izay fa na izany aza ireo no tokony hiankinanao voalohany refa tsy alehany ilay rain-jaza.

Mety hoe handatsa izy eny fa hanao teny maharary aza, akory atao fa olombelona ihany izy ireo. Enao moa efa resy, hanala ny fony fotsiny izy fa tsy hanindry ny efa lavo akory. Aza matahotra.

Manomboka eto d tokony ho matotra @ izay enao. Tsarovy fa anao ny zaza, enao no tompon'andraikitra voalohany @ azy. Aza endrasana hoe hisy olona hanampy anao @ fanabeazana sy fitaizana azy. Misy zavatra maro fanaonao taloha tsy maintsy hajanona noho io zaza io. Arakarak'izay "reaction" an'ny RAD-nao fa dia efa mivonona ny hiady irery @ famelomana azy. Adidinao io ary aza asiana nenina ny natao rehetra...

D mahereza fa izany no fianana. Miarina refa solafaka :-*

:-*:-*
7. Bethebest ( 10/10/2006 11:27)
Quelques suggestions :
- informes tout ce qui est censé être au courant et sois ouverte aux dialogues;
- saches que tu en es la première responsable, ne regrettes pas les actes, assumes l'entière responsabilité;
- une éventuelle aide sera la bienvenue mais surtout, n'attends pas les autres, c'est ton devoir
Et la dernière mais pas la moindre, n'oublies pas de prier.
Mes amitiés sincères!
8. hasinando ( 10/10/2006 11:38)


Marina daholo ireo voalaza ny namana rehetra ireo fa ny teniko kely aminao dia hain'A/Tra ny zavatra rehetra.Fantatro fa ao anatin'ny adin-tsaina ianao,nef amatoa ianao nanampan-kevitra ny hitazona ny zanakao dia tsarovy fa mila milaza @Rar ianao ,tsy ho vitanao irery io na eo aza ny mety ho ambom-ponao manoloana ireo teny mandratra ho henonao @manodidina saingy tsarovy fa fitsaran'olombelona ihany zany.

Mahereza !
9. caprio ( 10/10/2006 11:48)
nydiary:misaotra anao aloha tsy nanao foana nanala ilay zaza,fa mbola nanana hery hiany hianao hitady hevitra aty @nay,tsarovy fa tsy vaha-olana mintsy ny manala an,io zaza io fa mety hitondra nenina ho anao manadrakizay raha manala io zaza io hianao,ary ezaho ny manadino ny olana rehetra eo @fiainanao fa manomboka izao dia miezaha mibanjina ny fiainanareo mianaka,izaho manoratra dia tena tia ankizy ary malahelo be za refa maheno olona manala zaza izany,ary ny we tsy manan-dray dia tsarovy fa indray andro any dia tsy maintsy hitady ny zanany io sipanao io ny torohevitro aloa dia aza alefa any @izany manala zaza izany ny sainao fa raha misy manahirana anao dia anotanio izahay eto @serasera fa vonona mandrakariva anampy anao ary tsy hianao irery anie no tratran'izao fa maro e,ary ny we henatr,olona dia aza atao mahakivy anao fa io zanakao io dia ambony nohon,ny zavatra rehetra eo @fiainanao
10. hantajoasy ( 10/10/2006 11:55)
tena malahelo be andry akia za, tsy afeniko anareo koa fa za koa d'efa nandalo t@ izany nefa ny faiainana akia mila courrage fona akia an! aza kivy ary aza terena hanambady anao izy sao horatsy ny fiafarana ,tezao akia ny zazakely fa miankina aminao ny hoavi'io zaza io ,tena otrany indry io mintsy ny problemeko roambifolo taona lasa izay nefa de milamina soa amntsara ahoa amin'izao ary efa manambady sy niteraka roa tafaran'io
11. soleil ( 10/10/2006 12:07)
tena mankahery anao tanteraka aho ary midera anao noho ny nasahianao nitaiza sy hanabe io zaza ao an-kibonao io

tsy misy anampiana sy analana ireo zay voalaza ny namana rehetra fa marina avokoa , ary ny fiaraha-monina lazaiko anao de manana anjara fitenenana sy fitsarana foana na mety na tsy mety ny natao fa dia ankino amin'Andriamanitra mandrakariva ny ho avinao ,mivavaha dia mahereza

lazaiko anao fa tsy ny miteraka tsy manambady ihany no misy henatra eo amin'ny fiaraha -monina , betsaka ny toe-javatra maha-menatra ( zaza maditra , fianakaviana lasa adala , fisaraham-panambadiana sy ny sisa , fiainana mikorosy fahana sy ny maro tsy voatanisa ) fa aza atao sakana sy bahana ao an-tsaina zany , de aza manenjika ny rain-janakao na rahoviana na rahoviana fa aleo an'Andriamanitra ny famaliana azy fa ataovy tanjona ny hoe tsy maintsy tafita ianao sy ny zanakao

de amafisiko eto koa hoe manatona mifanakalo hevitra amin'ny RAD fa izy ireo ihany no afaka manampy sy mamonjy ,

zay fa mahereza
12. diamondra27 ( 10/10/2006 12:19)
efa voalazan'ny namana eo ambony ireo aholo ny tokony hatao.
Fanampiny: nainina hidona na inona hiantra dia izao an! aza manala zaza izany. Jereo le dinika nataoko ao @ fivavahana ao momba an'i ANNE http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m45238d3c5e248

ny tsy manana aza mitady, ianao nahazo indray ve dia hanala. Aina io, na dia ao anaty ao aza.Koa manomboka izao dia mifonà,ary mivavaha @Atra dia sois sincère avec Dieu fa Izy no afaka hanampy sy hitahy io zaza io, hanoro hevitra anao.Laao izy fa tia ilay olona ianao fa ilay lhl no niala taminao.Assumer-o ny responsabilité-nao na adolescente ianao na efa olondehibe.Mankanesa @ireny dispensaire ireny na PMI na Planning familial ireny dia izy hanoro hevitra anao.
Zanakao io, tiavo izy, kolokoloy izy fa hiva miandalana eny ny hevitrao sy ny olona.
Tsy maintsy misy ny choqué, be resaka , fa ne regarde pas à droite à gauche; fa ny fiainanao atrehana; ze mahasoa anao atao. Dia manomboka izao dia aza manaonao foana, fa raha mbola mamerina fanindroany an'io indry de efa tsy izy kosa izay fa hadalana.
Raha voa indray mandeha tahaka izao dia tokony handinintena tsara mba tsy ho lavo intsony, tsy maimaika refa misy bandy mikoty fa sao de oe: tiko be madama sy ny zaza de revo ao nefa ze ahazony anao fotsiny no tadiaviny.
Fantan'i kofy tsara izao ny faiblesse-nao de mitandrema.
Zay fa courage
13. adidy ( 10/10/2006 12:29)
Aiza kay no misy anao any Dago sa ivelany?Fantatro mantsy fa mafimafy kokoa ny lanjan'ny FM any fa dia mahereza! Fahasoavana be ny zazakely! Na inona ataonao any aoriana any na mafy tsy maintsy sedraina, mahazo ilay tsiky keliny iny dia resy tanteraka, tsy voavidim-bola na voninahitra ary hery be ho anao na ny haheno azy mihetsiketsika kely manao coucou ao anaty kibo!
Firo any ny rainy rehefa mandreraka:^)
Dia teneno ny Rreny, neninareo aloha resahina moramora fa fon-dreny koa ny azy! Ny dada tsy maintsy manao masiaka foana fa avy eo izy no roboka voalohany @ zazakely, indrindra raha mitondra ny anarany ny zafikeliny.
Raha te-handefa hafatra @ ankizy dia manorata, raha sendra malahelohelo:-*
14. nydiary ( 10/10/2006 12:31)
misaotra anareo maro b sahady namaly ahy sy nampahery ahy, raha ny taonako alo d 21ans, le ilaza @RAD alo tena mampatahotra ahy mafy é. nefa tsy maintsy ho ataoko iany,
za koa mantsy tsy d manana namana azo itokina mba itantarana ny manjo ka izay koa no maatonga ahy ho eto @ty serasera ty mba itadiavako hevitra sy amborahako ny olako.
mahatsiaro mba maivamaivana kely aho mantsy zao nahazo fampaherezana sy torohevitra avy @nareo ka misaotra indrindra ary manantena ah fa mbola ho eto iany nareo mba iresadresahako.
15. Bethebest ( 10/10/2006 13:12)
Il faut pas hésiter d'en parler à tes parents, il n'y a jamais de bon moment pour le faire, le plus tôt sera le mieux.
Il y a des temps où le ciel est sombre mais sois patiente, après la pluie, il y aura sûrementle beau temps.
Courage!
Sincère amitié
16. loula ( 10/10/2006 13:28)
Miarahaba anao eto e!
Soa anie fa nisy ity serasera ity, mba hifanakalozana hevitra e! hitantarana ny mavesatra.
Izao e! adidy tsy mantsy ataonao ary hafaingano, f'aza ela a! teneno ny RAD_nao, eto ambavaka ny fiainanao fa hivaha moramora io ary mety hanampy anao ry zareo. Andramo ange e!
Raha ny vavan'ny olona? Ny havana? Ny mpiara_monina? Aza valina fotsiny, fa mahita lazaina foana ireo na ratsy na tsara manjo anao.
Efa roa ianao izao, fa tsy iray ary ny olona mitondra vohoka mila milamintsaina.
Tehihaona aminao zah, fa tsy vitako eto ny resaka tiako atao.
Bon courage!
17. diamondra27 ( 10/10/2006 13:41)
tandremo sao mifika sigara nefa bevohoka an
18. ninimalala ( 10/10/2006 13:48)
Tsy de holava resaka aho fa zao an, "ny zanaka no fanomezana tsara indrindra avy amin'Andriamanitra" Maro be tsy hita isa ankehitrio ny olona mitady zanaka, avelao zay tsy tia tsy ho tia fa nomen'Atra izany fanomezam-pahasoavana izany enao ka de ho lavinao indray va re e ? Tsy miombo-kevitra aminao aho raha toa ka anda io zaza io enao.
Mirary soa
19. Fiffi ( 10/10/2006 20:45)
ka hoe tsy handaha an'io zaza io ange izy eh!
Fa zay fotsiny ny solution mba hitako an!
-Heloka eo hanatrehan'Andriamanitra ny fanalana zaza sady tsy manan-tsiny io zaza io ka raiso ny handraikitrao de lazao ny RAD-ny ny marina rehetra !
20. titis ( 10/10/2006 20:45)
tsy maintsy matanjan-tsaina akia a!marina fa tsy mora ny hilaza izany @ RAD ,fa efa dingana lehibe aloh ny tsy nanalana an'io zaza io ,sady adinoy ny lasa fa ny ho avin'io zaza no atrehina .
Zay aky fa de mahareza h@ farany a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5164