bevohoka tsy manambady

21. Fiffi ( 10/10/2006 20:46)
tsy misy afats'iohoa ny vaha-olana an !
22. booboo ( 11/10/2006 06:38)
Ny @ hoe tsy hanan-dray ny zaza, araka tenin'i tsy tadidiko fa ao ambony ao hoe, efa bobaka beee ny raha monoparental zao donky...

Ny @ vavan'ny fiaraha-monina sy ny tariny, iny ndray klou dia hisy foana e

Normal raha matahotra ianao, na izany aza, efa tsara ny fahasahiana nanapa-kevitra ny hitondra vohoka ilay zaza. Tsy ho mora ny miandry anao, dia zay no tsara hiresahanao @ ray aman-dreninao klou hanohana anao ara-tsaina dia hanampy anareo ara-pivelomana avy teo mandra-paha...

Sahia fa zay sahy maty ihany hono no mifono lamba mena.

23. diamondra27 ( 11/10/2006 07:22)
indraindray dia misy ny lhl mbola tsy vonona @ maha-rainjanaka azy. Donc aza omena tsiny avy hatrany izy. Fantaro hoe: ao anatin'izay sokajy izay ve izy sa tsia?
Na dia ao anatin'io sokajy io aza izy, rehefa teraka ianao dia hanantona anao foana izy indray andro any.
Efa vita io, de miandry de mangataka fanampiana à droite à gauche de vita e!

Tsy ianao irery no toy izao. Matahotra fotsiny @ voalohany fa rehefa tonga io dia mandeha ho azy eny le maha-reny ny reny; ny zeste sy ny sisa.
24. nydiary ( 11/10/2006 07:48)
za ane azo lazaina oe vonona iany ( mipetraka fona ko alo le doute h@zao é) fa le RAD no probleme-ko zao, za koa vavimatoa d ohatran'ny oe manome lesona ratsy ho an'le zandriko vavy, sns é

nanao echo za maly d natoron'ny dokotera oe, io le aina hafa ao anatinao, d faly ery ah nahita le izy na d tsy mbola ary tsara aza,

misaotra hatrany @torohevitrareo namana rht, za koa mandalo eto fona reef manirery ka!
25. loula ( 11/10/2006 08:34)
Miarahaba anao hatrany,

Ny fandalovanao tsy maninona loatra, fa toa tsy mety @ izao toerana misy anao izao ny manakaiky loatra ny ordi, ny photocopieur... etc ...
Bon courage!
26. nydiary ( 11/10/2006 08:57)
zany v?

nefa ny asako d eo am-pototry ny ordi fona, secretaire mpitendry machine tsinona ko... sady mipetraka lava koa,

27. booboo ( 11/10/2006 10:45)
le RAD no probleme-ko zao, za koa vavimatoa d ohatran'ny oe manome lesona ratsy ho an'le zandriko vavy, sns é


Lesona ratsy manakory ? tsy fantatrao zay any an-dohany any sy ny fahitany anao fa ianao fotsiny no mampijaly saina mieritreritra zao loza aby aby zao. Miresaha klou, aza andrasana ho hita ny kibo na zany aza, @ rad-nao dia hitanao zay atao avy teo e
28. xxx ( 11/10/2006 19:37)
zao e! tsy diso akory reo rht voalaza teo ary isaorana ny namana rht namaly sy nnoro hevitra ampitiavana an'i nydiary saingy izao :
esory ao anatinao ny tahotra hilaza à RAD satria raha niaraka t@ sipanao enao moa ve nanana tahotra ny ho bevoka sa de nentin'ny revy fotsiny ka zay alehany any? ka amiko matoa enao nanaiky nanao firaisana aranofo t@ olona de tokony ho efa vonona hizaka zay rht miseho aoriana.
Faharoa, ataovy anatra @ fiainana any aoriana zao manko anao zao ary raha vavy ny zanakao de atoroy azy tsara rhf rahatrizay tonga @ taona ananany fitiavana koa izy.
Fahatelo, araka ny nambara teo de tsy misy afa-tsy ny fanakinana ny fiainana @ Atra sy ny firaisana @ Jesoa Kristy no vahaolana mahomby indd hahatafitana @ fiainana : vakio Baiboly Jaona 15 andininy 7.
Maherreza, tongava soa na ho koto na ho kala de manaova mora.
29. caprio ( 11/10/2006 23:25)
Mahereza fa aza kivy zany fa zao hiany hianao no mahatsiaro sahiran-tsaina fa rehefa teraka sy lehibe ny zanakao dia hoatran,ny nofy manadalo sisa io olana misy eo @nao io ary amafisiko indray ny tenin'ilay namana iray teo we zao de efa teneno ny RAD fa aza endrasana ela zany.de mahereza ary Atra anie anampy anao sy anoro hevitra anao ho fanampin'izay rehetra voalazanay eto
30. ikalakintina ( 12/10/2006 09:20)
marina daholo zany: ny ray amandreny anie mety eo izy no tezitra ect.....fa tsy hanary anao mitsy izy ireo, en plus ianao miasa, raha momba ireo zandrinao aza atao olana fa efa hanatra sahady ho azy ireo ny zava misy fa tsy oe ohatra ratsy ho azy ianao!, satria za de nananjoky vavy matoa voa tahaka ny nahavoa anao izao, efa mianatra ho mpitsabo eny ankatso izao le zaza, mafy ny nanjo an le zokinay fa niotra izy, moa ny ray amandreny na miteny aza tsy manary anao mahereza e!
31. HESHA ( 18/10/2006 12:32)
ny mametraka ilay safidy sy ny fandraisana ilay fanapahan-kevitra no manahirana fa rehefa tena mandeha ny fanatanterahana mahafinaritra be ilay hoe hiteraka.
Ny RAD na dia miseho ho masiaka aza andavanandro miova "total" rehefa resaka zafikely zany fa aza matahotra mihitsy. Ianao rahateo efa miasa donky tsy hoe hiankin-doha aminy a 100% fa le fifanampiana si fijerijereny no tena ilainareo mianaka kely.
Dia ny lehilahy kou am voalou tsy manaiky ho "ray" avy hatrany ny sainy fa mila fotoana, indraindray vetivety amam-bolana monja, indraindray rehefa teraka ny zaza ka hitany, indraindray rehefa miantso dada mihitsy izy vao mahatonga saina azy... ka ho hitanao eny ihany fa raha tsy dia efa tena faran izay ratsy angaha izy nefa ...ianao niaraka taminy ve dia tena izay tokou no nieritreretanao azi ?
Ny avalinao ny vavan ny manodidina dia tsotra, ianao no naniry ny zaza satria efa vonona ny ho amin izany.
Toy izany no niainako tam zanakay voalou fa tsy dia atao mahataitra fa fomban-javatra e
32. mimich ( 18/10/2006 14:13)
NyDiary> efa niresaka tamin'ny RAR aman-dreny sns ve ianao de nanao ahoana ny tohiny , liana aho

Tsy manan-kambara intsony fa efa saika voalaza n'ny teo aloha ny hevitro.

ny hany holazaiko angaha dia mamerina ny fampaherezana nataon'ny namana teo aloha. tsy misy tsy diso izay mandia amin'ny tany , fa ny mivary lavo no ratsy indrindra noho izany mitràka fa "ady sy tolona ny fiainana ka zara ho an'izay manam-piniavana handresy"
33. mimich ( 19/10/2006 08:51)
oh nahatazana an'i nydiary teto za teo de mba nanantena hoe mety ho nanoratra teto izy izay nilaza ny mety ho tohin'ny tantara (fifampiresahana am RAR sns) sa efa nivaha avokoa ny olana????
de mba omeo ny vaovao farany ny namana na izany aza ee satria anisan'ny nanome fankaherezana sy toro-hevitra tsara anao reo. zay fa dia mahereza ee
34. xxx ( 19/10/2006 12:18)
nydiary:

bevohoka aho 2mois mahery, ny rain-janako nefa tsy te ahalala anay tsony, ny analako ny zanako ary no asesiny amiko, tsy nanaiky nefa aho fa tazomiko ny zaza, kivy nefa aho ankehitriny refa mieritreritra ny hoavinay mianaka, ndrindra fa ny zazakely hoe tsy hanan-dray, ny fiaraha-monina koa toa mahamenatra, ny ray aman-dreny sy ny fianakavina etsy an-daniny, toa olana maro b no miandry ahy.

tsy itako ze atao, kivy aho, mangataka toro-hevitra aminareo aho,

le izy alo mbola tsisy mahalala afa-tsy ny tenako sy ny dokotera sy ny rain-janako iany, ampio re fa ketraka an.


Handefa hafatra ho anao za fa za koa tratrana cas ohatra anao io! Aza alàna fa mitondra fahasoavana be io! courage.
35. sheki ( 19/10/2006 14:18)
Mahereza ary miresaha haingana amin'ny RAD fa ireo no tena andry azonao hianteherana. misy vehivavy fantatro izay 18 taona izy tamin'ny bevohoka tsy novadiana bandy, nolalaoviny fotisny ary nony bevohoka dia nipitsika izy. Ankehitriny anefa noho ny vavaka nataon'io kala io dia lehibe ny zanany ankehitriny ary nanambady lehilahy hafa tsara lavitra noho ilay bandy izy. Ento ambavaka ny fiainanao dia hitanao fa hiova tokoa. Fidio tsara manomboka izao izay lehilahy hiarahana....:-*
36. kanto10 ( 25/10/2006 23:56)
mampalahelo ahy ilay tantara, tsy mahita holazaina aho anefa fa mirary soa ary hivavaka ho anao hahita vahaolana zay tsara sy mendrika indrindra,mitrakà ary aza kivy, matokisa fotsiny ihany fa be ny efa nandalo teo amin'ny toeranao nefa tafavoaka daholo, zay an dia mankahery o
37. randria2 ( 29/12/2006 19:35)
Mahereza fa aza esorina zany e, milay foana io. Ny ray amandreninao ve tsy ho tezitra @ voalohany , fa tsy hisy bebe sy dadabe hanary ny zafikeliny zany e, en plus ianao vavy matoa, sady ianao koa manana ny antom-pivelomanao. Mahereza ry namana a !!!:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3093