Famaizana na discipline tsara na tafahoatra

1. soanja ( 08/10/2006 18:55)
Inona hozy nareo ny famaizana tsara indrindra sy mandaitra ary tokony tohizana foana amin'ny ankizy maditra sarotra tenenina iray zaza 3- 10 ans ohatra. Dia inona no atoa hoe famaizana tafahoatra loatra ka tsy dia tsara atao. Inona no mety fiantraikan'io amle zaza mitombo any aoriana. Misaotra mialoha.
novalian'i soanja ny 27/12/2006 09:44
2. fasaly ( 08/10/2006 19:56)
ny mikikika aminy lava alou tsy tsara e! de ny mikapoka lava ihany kou! manjary lasa agressif(v)e kely eny kou izy. Sady manjary tsy mandaitra tsony lay izy raha zàtra izy de tsy ho rarahiany tsony:wink:
ny fanafaizana azy de privé-na am zavatra tiany izy ohatra raha tia mijery tv de tsy mahazo mijery lay dessin animé kely iny raha maditra ohatra tsy haiko
na tia milalao anlay jeux kely iny de tsy omena azy raha maditra e!
3. Fiffi ( 08/10/2006 21:57)
Ny mikapoka aloha de zavatra tsy de tena tsara loatra an!
Ny fandrarana @ lalao tiany arak'io nolazain'i fasaly io zao no hitako fa tena mety tsara !
Raha ohatra ka manomé "argent de poche" ndry de tsy omena izy ! lazaina azy hoe tsy hahazo an'io ianao raha ....
Privéna koa ny fivoahana miaraka @ namany ! Tsy azo hatao mihintsy le hoe manidy azy ao @ chambre-ny fa vao maika izy hanao adalana ao !
4. mandrindra ( 09/10/2006 15:07)
tsy misy ny tsara indrindra na tafahoatra. fa miankina amin'ilay zaza, ny RAR sy ny zavamisy manodidina azy io.
5. soanja ( 10/10/2006 00:40)
Ny time out no tena malaza aty aminay mantsy. Dia asaina miala eo aminlay zavatra ataony ilay zaza dia asaiana mipetraka toerana irya mandritra ny 5mn-20 mn miankina amin'ny taona. Dia ny lehibebe tena grounded mihitsy zany hoe tsy mahazo mampiasa telephone na milalao na mivoaka miaraka amin'ny manana sady tsy mahazo argent de poche rahateo mandritra ny une semaine. De tahakizay ihany. Ka ny any Dago no tiako ho fantatra hoe mboal mikapoka ve ny Rad sa efa mba tsy manao anzany intsony? De misy fiantrakainy ve ny fiovan araha tsy mikapoka intsony izy. Ary inona no sazy raha tsy mikapoka intsony izy. Rha ohatra ka tsy mbola manana ilay nintendo sns ry zareo fa dia mbola kalesa toy ny mahazatra no kilalao.
6. LazaDaddy ( 10/10/2006 01:30)
soanja:
Inona hozy nareo ny famaizana tsara indrindra sy mandaitra ary tokony tohizana foana
Ny FITIAVANA


7. mandrindra ( 10/10/2006 09:08)
izaho aloha mbola mikapoka
8. Fiffi ( 10/10/2006 20:27)
zany an ? aza masika kosa eh! :)
9. booboo ( 11/10/2006 11:15)
inona no atoa hoe famaizana tafahoatra loatra ka tsy dia tsara atao

Angamba, ny teny mahery loatra ilay manambany azy ireny...Ny fihatraikany, mety hoe lasa tsy dia mahatoky tena loatra izy rehefa hanao raha...

10. belaza ( 14/10/2006 07:58)
"zanaka tiana tsy hitsitsiana rantsakazo" mba jereonareo anie ny zanabazaha e(ankapobeny an) tsy azo kapohina, avy eo manao ny ataony rhf lehibebe mamono raiamandreny mihitsy ny sasany, satria tsy natahotra ny Rad fony mbola kely. tsisy ohatriny kapoka fa kosa le faritra kapohana no jerena tsara
11. Fiffi ( 14/10/2006 14:57)
belaza: miankina @ fomba nitezaina ny zaza hiany kosa aloha io an!
Ny zavatra hita aty ivelany aloha de na dia RAD aza ny tena de tsy mahazo mikapoka zaza fa nasiana lalàna mihintsy io ! ary raha sanatria ka misy RAD mikapoka de efaka tsara mihintsy ny ankizy hitory ny RAD-ny !
12. sakaizakely ( 26/11/2006 00:36)
Soanja,

Hoatra ny lazain'i Lazadaddy io, ny fihainoana ny zaza sy ny fitiavana ihany dia ampy @ fitaizana.

Saingy ny mampalahelo dia betsaka no tsy mahay mampiatraika izany @ fanabeazana ka sendra olana, dia izay vao hoe inn no atao ? dia kapoka sy fanasaziana no atao be dia mihevitra izy izay fa izany no fanabeazana.

Kanefa tokony ho dinihina koa ny antony mahatonga ny ankizy tsy hanoa. Misy antony foana izay azo fakafakana sy ihodinana ary raha rehefa manana faharetana ny rad dia tsy ilaina na ny mitrena kely akory aza.

Saingy mila fisainana sy fiezahana be ny fanabeazana tsy mampiasa famaizana. Diso betsaka loatra ny olona tsy vonona ny hanao izany.

Tsy misy zaza nateraka haditra fa ny fitondrana azy sy ny zavatra iainany (environnement) no mahatonga azy haditra. Izay aloha ny ny eksperiansa-ko manokana
soanja:

Inona hozy nareo ny famaizana tsara indrindra sy mandaitra ary tokony tohizana foana amin'ny ankizy maditra sarotra tenenina iray zaza 3- 10 ans ohatra. Dia inona no atoa hoe famaizana tafahoatra loatra ka tsy dia tsara atao. Inona no mety fiantraikan'io amle zaza mitombo any aoriana. Misaotra mialoha.



13. sakaizakely ( 27/11/2006 21:32)
Aza faizina izany ny ankizy ka.:cry::cry::cry:
14. ari.malala ( 28/11/2006 06:26)
za nanao an'io hoe tsy mikapoka fa miresaka io, fa tato aoriana tena tsy nandaitra intsony fa vao nainka naditra ilay zanako ok! 7taona izy izao, fa tena mafy sofina lozan-tany! io mijery TV io ihany no mahamay azy, sadytysmetymanao raharaha, be famaliana be... tena vaka ny saiko hoe atao ahoana izy...
15. soanja ( 28/11/2006 06:45)
sakaizakely:

Soanja,

Hoatra ny lazain'i Lazadaddy io, ny fihainoana ny zaza sy ny fitiavana ihany dia ampy @ fitaizana.

Saingy ny mampalahelo dia betsaka no tsy mahay mampiatraika izany @ fanabeazana ka sendra olana, dia izay vao hoe inn no atao ? dia kapoka sy fanasaziana no atao be dia mihevitra izy izay fa izany no fanabeazana.

Kanefa tokony ho dinihina koa ny antony mahatonga ny ankizy tsy hanoa. Misy antony foana izay azo fakafakana sy ihodinana ary raha rehefa manana faharetana ny rad dia tsy ilaina na ny mitrena kely akory aza.

Saingy mila fisainana sy fiezahana be ny fanabeazana tsy mampiasa famaizana. Diso betsaka loatra ny olona tsy vonona ny hanao izany.

Tsy misy zaza nateraka haditra fa ny fitondrana azy sy ny zavatra iainany (environnement) no mahatonga azy haditra. Izay aloha ny ny eksperiansa-ko manokana
soanja:

Inona hozy nareo ny famaizana tsara indrindra sy mandaitra ary tokony tohizana foana amin'ny ankizy maditra sarotra tenenina iray zaza 3- 10 ans ohatra. Dia inona no atoa hoe famaizana tafahoatra loatra ka tsy dia tsara atao. Inona no mety fiantraikan'io amle zaza mitombo any aoriana. Misaotra mialoha.






Tsy mazava amiko le hoe fihainoana zaza sy ny fitiavana. Mino aho fa samy tia ny zanany ny ankamaroan'ny Rad fa hoe na maditra aza ve izy ka miteny ratsy ohatra de henoy ihany? Ahoana lay hoe fitiavana? hoe na mangalatra vola aza ve de tiako foana na mandainga? inona no ataonareo rehefa maditra ka manao an'io ny zaza fa raha resaka fitiavan sns izany efa tsy vaovao aloha izany amiko fa mino aho fa manampitivana daholo isika ka na ny mikapoka aza dia tia ny zanany ihany. Fa inona no mandaitra? Misaotra mialoha.

16. tisera ( 28/11/2006 08:18)
:? amiko aloha raha tena ditra lasa lavitra (mangala-bola izany ohatra) dia tena mila hazavaina amin'ilay zaza hoe nanao ratsy izy ka noho izany dia voatery tsy maintsy hanome sazy azyny tena : kapoka na koa famerana azy tsy hilalao eo @ ordi na tsy mahazo mijery télé sns... Sazy am-pitiavana ange izany mba hananana ny tsara é! fa dia manahirana aloha é!
Ary hono hoa e: sao mba misy manoro hoe ahoana ny hatao raha te-hamaky ireo dinika ao @ reny serasera fa tsy mety tafiditra mihitsy aho!:) misaottra mialoha é!
17. sakaizakely ( 28/11/2006 09:26)
arimalala> amiko an, mikapoka tsy midika hoe mi-eduquer. Tsy hoe koa rehefa tsy mikapoka dia tsy manao fitaizana. Matoa ilay ankizy naka iny lalana iny dia nisy gorobaka azony nitsofohana tao. Ny fitaizana mila fahamailozana (vigilance) foana 7j/7 ary mandrampahalehibe io.

Nena koa tia mijery télé ohatra, ary raha avela hanao ny ataony dia toy ny ankizy rehefa hijery télé foana tontolon'ny andro. Fa dieny mbola kely izao dia efa zariko hoe épisode 1 fotsiny dia avy eo manao zavatra hafa. Vita ny épisode dia tapahanao ny télé satria important aminy koa ny fanarahanao ny teninao. Nena dia izy ihany no avelako mamono azy. Mampihomehy fa indraindray izy sady mitomany fa mbola te hijery no lasa ihany manindry ny off. Dia tambatambazana hoe "fantatro ianao fa mbola te hijery, fa za efa nampilaza taminao. Rahariva indray mijery".

Avy eo izy asaina manao zavatra hafa, mila occuper-na manao desssin, mamaky boky, mihaino hira na koa milalao. Antsika rad koa ny mampianatra sy manazatra andry zareo hi-s'intéresser amina activités hafa mba itiavany mi-varier ny zavatra ataony.

Momba an'ilay hoe mafy sofina ilay zaza, dia satria izy izany no lasa sefo, fa ianao very ny autorité maha ray amandreny anao. Nefa tokony enao no mandidy. Mila avadika izany ny rasa. Betsaka ny boky mikasika ny autorité parentale manoro hevitra ny rad, tena nahitako tombontsoa. Raha tinao dia omeko anao ny titre.
18. sakaizakely ( 28/11/2006 10:09)
Soanja

Fihainoana = écoute compréhensive
Fitiavana = amour + respect de l\'enfant

Miala tsiny aminao fa amiko ny sahy manangatanana amina zazakely tsy mifandanja hery aminao dia tsy midika fitiavana izany fa abus d\'autorité + lâcheté. Misy moa ny manaiky an\'izany, tsy maninona, fa amiko tsy azoko ekena izany ary tsy ataoko. Nefa tsy manana problème d\'autorité aho @ zanako.

Ny voalohany nanombohako nieritreritra mikasika an\'io dia boky iray nomen\'ny Leche League ahy hoe \"POUR UNE PARENTALITE SANS VIOLENCE\". Dia talanjona tokoa aho hoe hay ity midaroka zaza ity azo ialana, fa tsy hoe rehefa mikapoka ihany no atao hoe mitaiza. Namaky boky bediabe aho mikasika an\'io. Dia nampihariko arabakiteny daholo izay novakiko ary tena misy vokany.

Ny tena votoatiny moa izany dia fihainoana (écoute) sy firesahana (communication) satria ny tanjona dia ny compréhension n\'ilay zaza.

Hoy ianao hoe miteny ratsy izy. Raha zaza 3-4 taona, phase de découverte io, dia azavaina aminy fa tsy fiteny izany. Ny ahy ilay 3 taona 1/2 tamin\'ny niditra nianatra dia nanao an\'ilay \"caca-boudin\" azony tany ampianarana tany. Noteneniko izy hoe teny maloto izany tsy tiako izy hiteny azy. Mbola namerina ihany, dia nalefako any @ wc satria any hoy aho ny famoahana ny maloto. Dia lasa tany izy, navelako hiteny mafy tao dia faly ery t@ voalohany fa vetivety dia leo satria tsy nataoko hahataitra. Naverimberiko matetika io isaky ny mamerina ilay caca-boudin izy. Tsy hoe vitan\'ny mandrara fotsiny, fa manazava koa. Tsy nobedesiko mihintsy izy fa alefako fotsiny any @ wc. Izao izy tsy miteny intsony satria hitany fa tsy taitra aho mantsy.

Raha zarina vao kely ny ankizy dia mino aho fa tsy handalo amina phase sarotra mikasika an\'io rehefa lehibe izy.

Tsy hoe olomasina akory ilay zaza fa mila manao ekperiansy ihany izy ahalalany ny fiainana. Tsy tokony ho raisina ho ditra izany fa ezahina ny ahalalana ny antony nanaovany azy mba ahafahana manoro azy ny tokony atao.

Mangalatra ilay zaza ? Inona no antony angalarany ? Fitsiriritana ? Défi ? Malhonnêteté ? Mila miresaka aminy mamakafaka ny antony. Mila azavaina aminy ny tsy mampety ny fihetsiny, tsy tokony hamerina intsony. Matoa izy mamerina dia tsy nandaitra ny torohevitr\'ilay rad. Tokony mandinika koa ilay rad hoe nahoana no tsy mihaino azy ilay zaza. défaut d\'autorité ? laxisme ? parents absents ? manque d\'affection ?...

Misy antony daholo ny fihetsiky ny zaza rehetra.Un enfant bien dans sa peau et heureux = équilibré. Dia tsy mila manao izao ditra be isankarazany izao. Fa raha toa miverimberina ilay ditra dia misy antony avy amin\'ny lehibe mitaiza azy io.

Tsy haiko ny hiteny anao hoe inn no fitaizana efficace. Fa araky ny boky nosoratan\'i Dr Fitzhygh Dodson \"How to parent\" nahatsapako zavatra betsaka mikasika ny mahazavadehibe ny rôle parental @ mbola vao kely ilay zaza. L\'importance d\'un bon début pour une vie saine et équilibrée entre enfants et parents.

Raha tsara fanombohana dia tsy hisy olana rehefa lehibe ny ankizy. Diso optimiste be ve za zany ?
19. soanja ( 28/11/2006 11:30)
Sakaizakely> Tena tsara be aky zany fa io fomba fitaizandry io no principe arahiko ka. Zah mantsy Montessorian de izay ny anay fa te ahahafatantra aho hoe ahoana ny an'ny hafa.

Tsy solution mihitsy ny mikasi-tanana zaza amiko fa vao maika manome azy hoe mety ny violence.

misaotra andry nanazava azy tsara fa aloe manko mazava toa io fa tsy vitan'ny teny tsotra fa mila miaraka ain'ny formule le izy amin'zay mazava ho an'ny rehetra.:-*:-*:-*:-*

20. sakaizakely ( 28/11/2006 13:22)
tisera

Marina fa ilaina faizina rehefa manao ny tsy mety. Fa tsy tokony ho kapoka mintsy. Ferana ny zavatra tena tiany nefa koa azavaina aminy ny antony anasaziana azy, ary tsy atao @ kitakita fa atao resaka tony ahitany tsara fa déterminés ny rad ary koa hahatsapany fa rariny (juste!) ny sazy mihatra aminy, satria raha sazina ampahatezerana dia vao maika braqué ilay zaza dia tsisy vokany ny fanasaziana azy.

Fa na inona na inona no ditra na tsy mety ataonjanako, eny na sanatria manao mamoafady mamono olona aza ohatra, dia ho tiaviko foana mandrakizay izy. Tsy anjarako ny hitsara azy fa an'ny lalàna izany. Fitiavana ihany no anjarako ary adidiko izaho reny no mieritreritra ny nahatonga azy hanao ny tsy mety. Nisy tsy ampy izany ny fitaizana nataoko.

Raha te handeha @ dinika manokana (reny serasera ohatra) dia tsindrio ilay link dia mila misoratra anarana mangataka autorisation amin'i Hery.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2862