Famaizana na discipline tsara na tafahoatra

21. sakaizakely ( 28/11/2006 13:57)
Soanja> mba sambany aho no maheno an'io méthode Montessori io dia nojereko ambangovangony fa misy eto Frantsa mantsy.

Araky ny fahitako azy dia mifanaraka hevidebe ihany amin'i Dr Fitzhugh Dodson satria izy koa dia miteny hoe "tout se joue avant 6 ans", izany hoe alohan'ny faha-6 taona no tena mila stimuler-na tsara ny intellect n'ny ankizy hisokaran'ny sainy be indrindra. Eo no tena ilana ny rad disponibles manome ny maximum sy mampianatra activités betsaka ny zaza.

Ilay Montessori moa izany dia tena programme scolaire fa ny ahy dia bricolage fotsiny ihany. Mi-intéresser ahy tokoa ilay méthode fa ho dinihiko tsara. Ny zanako aloha manao zavatra betsaka ihany miaraka amiko fa raha azoko ampiana an'io dia ataoko angamba. Misaotra anao nampianatra ;-):-*
22. soanja ( 28/11/2006 15:20)
Sakaizakely raha misy iLana fanampiana dia vonona tanteraka aho fa io no tena imatematesako amin'ity fiainana ity (Fanabeazana ny ankizy amin'ny fomba feno :Education of wholeness) . Ka raha ny vazah ve no isahiranana de ny zaza gasy indray ve no atao ankilabao. Saingy ny tsy mampitovy azy ny anay aty sy any France dia ny anay American Montessori izay, fa ilay hitanao mety International Montessori, misy itovizany na iray ihany ny philosophie fa ny methodes no samihafa ny fampiharana azy. Mahereza hatrany amin'ny izay atao. Soanja.
23. sakaizakely ( 01/12/2006 14:14)
Soanja,

Araky ny fahitako azy dia méthode d'apprentissage izy io fa tsy méthode éducative. Te hahafantatra misimisy mikasika an'io aho raha azonao fa tiako hameno ny efa ataoko. Asanao ve izany izy io sa io no itaizanareo ny zanakareo ? Tsy haiko koa raha efa mananjanaka Soanja.

Montessori France ilay hitako fa tsy ho haiko ny manavaka azy @ montessori amerikana. Misy toerana na site internet azo ividianana fitaovana ve ohatra fa ilay hitako tsy misy ? Ilay fampianarana vakiteny izao no iriko ho azo aloha. Misaotra anao mialoha.:-*
24. soanja ( 02/12/2006 16:46)
sakaizakely,

Aloe fa hanoratako manokana indry an. Zay mihitsy izao ny recherche ataoko. Fa afaka mandalina tsara isika ka.
25. booboo ( 03/12/2006 18:28)
zarao eto ihany na izany aza eeeeeeeeee ! mahaliana lé raha na tsy mahita bla bla bla atokona aza ny tena :°)
26. soanja ( 03/12/2006 19:22)
Ok Boobooo a,

Lavabe le izy fa zay afoheziko araka izay azo atao.
Ny filozofia Montessorian dia tsy natoa any andakilasy ihany fa amin'ny fiainana andavanandro koa.
Ny fianarana Montessori zany dia tsy natao ho amin'ny saina ihany fa ho an'ny fiainana iray manontolo (education of wholeness) zany hoe fianarana ny fiainana ary manomboka hatrany ambohoka ka mandrapikipin'ny maso.
Any ampinarana dia toy izao ny fiaingan'ilay fampianarana: avy amin'ny azo tsapain-tanana ka mankany amin'ny tsy azo tsapain-tanana zany hoe material to abstrait. Ka anisan'ny mamolavola ny zaza ny dia ny Fitiavana omena azy (love, care and security) ,ny environnement iainany (milamina , feno respect ny biby sy ny hafa) ary ny asan'ny fanahy (spiritual education)tafiditra ao anatin'io ny Peace Education izay indreketako na any ampinarana na any antsekoly dia mpiharina daholo ireo. Tsy ny vokatra no zavadehibe amin'ny Montessorian fa ny process. Zany hoe tsy ahita grade na noty na ankizy ianao fa nanaovany azy no zavadehibe. Creative thinking ary initiatives to life. Tsy voadikako amin'ny teny gasy azafady. Mety hoe fomba fianarana manadihady ary mahay mandray andraikitra.
Any antsekoly izany dia mitovitovy ny any antrano ihany ny fipetraky ny andro iray (daily routine)ary ny zava-drehetra dia tsy tongatonga ho azy fa nisy nisahirana no tonga eo aminao koa mahaiza mankasitraka. Betsaka ny Elites aty US no nianatra tamin'io Methode io ary ahitana fiantraikany be tokoa amin'ny fiainan'izao tontolo izao.
Raha mbola misy fanontaniana de apetraho fa vonona aho hamaly. Misaotra
Azo resahina ny disciplina amin'ny manaraka
27. sakaizakely ( 03/12/2006 21:21)
Misaotra betsaka Soanja fa tena feno tokoa ny fanazavanao sady mahaliana tanteraka.

Tena iriako arahina io filozofia io, saingy kepoka aho mahita ny vidinjavatra @lay izy. Izay zavatra tiako rehetra mahatratra 150-300 $. Tsy natao ho an'ny be sy ny maro tokoa izy izany.

Ndeha hikaroka boky mikasika an'io ihany aloha sao mba misy azo horaisina na tsy mividy fitaovana aza.

28. soanja ( 04/12/2006 01:53)
Sakaizakely,
Izay no mampalahelo ahy momba ity fampianarana ity. Dia natao tokoa ho an';ny zanaky ny mpanana saingy tadidio fa azo ampiharina tsara io na dia tsy amin'ny fitaovana novidiana any aza. Zany hoe afaka mamorona indry mitovitovy amin'io nefa mety sy tsara ary mora.
Ny hany hafatro fotsiny dia rehefa manamboatra ilay fitaovana dia ezaho mba ho natoraly daholo ny zavatra entina anamboarana azy satria izay koa mantsy no isan'ny filozofia ao anatiny.
Ny tiako resahina dia miainga amin'ny zavatry ny natiora ny matieres ampiasaina hananganana ilay fitaovana amin'izay mahatsapa fifandraisana amin'ny natiora ilay zaza ary afaka mankasitraka ny natiora amin'ny fanomezany ilay fitaovana.
Ianao zany dia mpanelanelana fotsiny amin'ireo fa tsy mpampianatra no ho fiantso anao.
mahereza hatrany amin'ny fitaizana sy ny fanabeazana.
29. sakaizakely ( 08/12/2006 22:17)
Soanja,

Manohy mamakafaka mikasika ity fomba iray ity aho ary mahafinaritra tokoa. Jerevako @ ebay sao dia misy mivarotra okazy ny fitaovana sasantsasany ohatra.

Ny mikasika ilay fitaovana fianarana mamaky teny no tena tadiaviko aloha hanombohana. Te hanararaotra be ny mbola mahazaza be kiry te hahafantatra sy mazoto mianatra aho ampianarako azy zavatra. Izaho aloha dia tena mazoto be miara-milalao am'zareo. Misy itovizany ihany ny principes na kilalao tsotra aza. Amporisihana ry zareo hikitika tanana izay azo tsapaina rehetra.

Sorena ihany aloha ny tena mahita ny vidin'ny fitaovana e ! Frustrée mihintsy izaho io fa te hividy zavatra maromaro.

Hono ho aho ? Ny fiantraikany aty afara, inona ohatra ? Manao ahoana ireo zaza notezaina tamin'io ? Lasa kalazalahy be ve ? Tafita daholo ? Epanouis tsara sns ??? Misy olo-malaza fantatra fa nianatra tamin'io ve fantatr'i Soanja ?
30. soanja ( 09/12/2006 05:09)
sakaizakely:

Soanja,

Manohy mamakafaka mikasika ity fomba iray ity aho ary mahafinaritra tokoa. Jerevako @ ebay sao dia misy mivarotra okazy ny fitaovana sasantsasany ohatra.

Ny mikasika ilay fitaovana fianarana mamaky teny no tena tadiaviko aloha hanombohana. Te hanararaotra be ny mbola mahazaza be kiry te hahafantatra sy mazoto mianatra aho ampianarako azy zavatra. Izaho aloha dia tena mazoto be miara-milalao am'zareo. Misy itovizany ihany ny principes na kilalao tsotra aza. Amporisihana ry zareo hikitika tanana izay azo tsapaina rehetra.

Sorena ihany aloha ny tena mahita ny vidin'ny fitaovana e ! Frustrée mihintsy izaho io fa te hividy zavatra maromaro.

Hono ho aho ? Ny fiantraikany aty afara, inona ohatra ? Manao ahoana ireo zaza notezaina tamin'io ? Lasa kalazalahy be ve ? Tafita daholo ? Epanouis tsara sns ??? Misy olo-malaza fantatra fa nianatra tamin'io ve fantatr'i Soanja ?


Andraso aky jereko raha mahita occas aho dia teneniko indry na vidiako de alefako any amindry.
Izay aky no mampalahelo tokoa fa dia lefo velona ny vidin'ny fitaovana. Ny antony mantsy dia sarotra simba be ireo rehefa vita sady tamin'ny nanamboarana zay nandalo fikarakarana be dia be. De rehefa mampiasa azy le zaza dia toy ireny mikarkara zavtra eny ambony alitara ireny mihisty. Misy ceremony be toa hoe hivavaka ireny mihitsy.:-D:-D
I Bill Clinton izao no anisany fa betsaka tsy votanisa eto raha ny rehetra nivoaka avy tao.
Ny fiantraikany rehefa lehibe dia

-Mahalala ny hasarobidin'ny zava-drehetra ilay olona ka tia mankasitraka izay zavamisy sady mitandrina foana.

-Miezaka manaparitaka ny atao hoe fandraisana andraikitra ka raha misy zavadoza mitranga na voina na tahak'izay dia ny olona mivoka avy ao no tena mandray andraikitra tsy misy ohatr'izany. Matetika dia lehibe na fikambanana ONG ireny na zavatra goavana be toy ny UNICEF sns

-Mahalala fa IRAY isika rehetra mipetraka eto ambonin'ity planeta ity ka miezaka mikarakara azy tsara sy mitahiry ny zavaboary sarobidy: biby sy ny natiora. The Cosmic Education.

-Mahatspa fa misy afom-pitivana miredareda ao anatin'i tsirairay ka io no mampifandray ny rehetra hifankatia sy hifanasoa (I honor the light in you). Io no antsoinay hoe Andriamanitra na fanahy ao anaty ka anjaran'ny tsirairay mampiseho izany hoe modely ho an'ny hafa amin'ny fiainana andavanandro. Maria Montessori dia Katolika ka ny zavatra voiziny no nampianay hanantanterahana ny vision-ny. The Peace Education.
Saingy,Izahay dia mankahala ny ady ary matetika manao politika daholo mba hanovana ny tsy rariny amin'ny fiainana.

- Matetika dia mahAy mikarataka ny zaza Montessorian ka intelligent kokoa izy raha oharina amin'ny hafa satria vao kely dia efa nampafantarina izany ny atao hoe FIAINANA. Ary tsy mijanona mianatra ny olona Montessorian fa mandra-pahafatiny dia mianatra foana zavabaovao hanomezany fahafaham-po ny filan'ny sainy fa tsy voatery entiny hitadiavam-bola akory. Fa raha misy izany dia hanasoavany ny hafa izany fahaizany izany.

Mahereza hatrany aky mikatsaka ny tsara, indrindra fa ho any taranaka any aoriana.

31. sakaizakely ( 09/12/2006 21:55)
Soanja,

Misaotra anao mialoha @ fanampiana sy ny fitsinjovana ny samy gasy fa tsy ho hadinoana izany. Mifanaraka foana isika avy eo raha toa mahita occasion ianao.

Hita tokoa fa tena mandalina fisainana ianao raha izao fomba firesakao izao, sambatra izay zanakao sy olona mifanerasera aminao. Vitsiana ny olona mahaliana sy be fandalinana toa anao izao ary mahafinaritra ny mitafa aminao.

Raha mahita boky mikasika an'io méthode io aloha aho dia tsy misalasala intsony e ! ny ahiako fotsiny ry Soanja mikasika ny fianarana mammaky teny, tsy mitovy ny fomba fanoratana amerikana sy frantsay. Ny "sh" ohatra tsy mi-existe aminay. Tsy maintsy mitady methode mifanaraka @ teny frantsay aho.

Milaza aminao ihany aho raha mahita. :-*:-*:-*
32. soanja ( 12/12/2006 01:32)
Sakaizakely> Ampitiavana hatrany aky a. Misaotra andry koa nahatsapa fa zavadehibe ny fanabeazana.
Manoratra manokana aho raha vao mahita irika moramora. :-*:-*:-*:-*:-*:-*
33. sakaizakely ( 17/12/2006 22:15)
Soanja,

Namakafaka aho ary nahita sekoly aty @ manodidina aty. Misy tena lycée international malaza be mihintsy ary io no tena iriako saingy voalohany dia mbola tsy mahalala ny vidin'ny sarampianarana mihintsy aho. Manaraka koa dia lafobe ny vidina trano any satria akaiky an'i Paris. Tsy ho araka io. Misy ny école primaire aty akaikinay ary betsaka ny olona mahalala sy mandefa ny zanany any. Fa ny olana dia tsy maintsy manohy any Bailly raha te hanohy collège sy lycée. Ny olana manaraka koa tsy maharaka ny programa any amin'ny sekoly publika ny ankizy raha toa avadika (raha tsy afaka manohy Montessori noho ny fahalavitan'ny sekoly ohatra) satria ny tsara dia tokony ho tohizana hatrany amin'ny baccalauréat ilay fomba fampianarana.

Be no mbola ho dinidinihana fa milaza aminao ny vokatry ny fitadiavana ihany aho rehefa misy vaovao.
:-*Soanja
34. soanja ( 18/12/2006 07:33)
Ok Sakaizakely a.

Fanamarinana fotsiny dia hoe maharaka tsara ny ankizy rehefa mifindra ecole publique ka raha manomboka grade 1. Vaomaika izy ara manana fahalalana mihoatra noho ny hafa. Efa misy survey momba izany be dia be aty aminay.
satria mbola any amin'ny preschool ny zaza dia efa mahalala izany geography, siansa, math ary language sns izany ary base matanjaka mafotaka be no ananany miaraka amin'ny critical thinking goavana be. Voa miaraka amin'ny namany vaovao izy dia tonga dia hita fa mamirapiratra marina e. Satria tia mandray andraikitra sady leader tanteraka.
Mahereza aky a. Ny preschool ihany no tena base tsara indrindra ananan'ny zanakao ao amin'i Montessori fa raha toa moa ka manambola indry ahafahana manohy Lycee,Universite dia izay no lafatra.
:-*:-*:-*:-*

35. sakaizakely ( 18/12/2006 23:03)
Soanja,

Nifampiresaka tamina mpampianatra aho androany dia milaza ry zareo fa raha eto Frantsa dia tsy compatible ny system 2. Raha nanomboka montessori ka mifindra collège publique dia tsy maharaka hono satria samihafa be ny programa dia very ilay zaza. Mety mitombina ihany io ary ny Montessori dia tsy reconnu ho an\'ny Vaomieran\'ny fampianarana. Rehefa manao bac ohatra dia tsy maintsy candidature libre.

Tsy mitovy ny fandraisan\'ny fiaraha-monina eto frantsa sy any Etats-unis ny montessori ary betsaka ireo milaza fa secte izy io dia manatsatso daholo ry zareo. Mino anefa aho fa ny tsy fahalalana no mahatonga izany. Betsaka ny olona miahiahy sy tsy matoky.
Raha ny reko momba ny sarampianarana any @ preschool dia mety ho azoazo ihany. Mitombo ve izany izy io rehefa miakatra grade ny mpianatra ? Izay no tena mampanahy ahy.

Dia mbola mamerina fisaorana andry ry Soanja nanokatra ny saina mikasika azy ity. :-*

36. sakaizakely ( 18/12/2006 23:06)
Aty tsisy oniversité fa rehefa vita lycée dia na manohy any ivelany, na miditra université fa maharaka tsara ireo université malaza be na koa grandes écoles. Izay aloha no henoko
37. soanja ( 19/12/2006 06:46)
Tsara aky zany. Aza manahy fa raha vao ampy base : preschool, elementary ny zanakao amin'i Montessori defa ampy izay ny baggage-ny ho entina miatrika le tena ady goavana. Mahereza hatrany. Izao izahay vao manomboka manao ny conception ny graduate schools ka mamdrapahatongan'izay mety efa vonona hiditra ny zanakindry fa aza manahy. :-*:-*:-*
38. sakaizakely ( 26/12/2006 16:17)
Miarahaba an'i Soanja tratry ny noely aloha e :-*

Izahay nangasihasy fa nahita ny sarampianarana aty. Ilay sekoly hitako moa montessori ny pre school dia mitohy international izy rehefa kolejy sy lycée. Manomboka 6000 euro/year ny sarany ho an'ny zaza 1 telo efatra taona. Tafakatra 7200 euros/year rehefa miditra lycée.

Tsy arakay izany fa dia mijanona @ sekoly poblika ihany no azo atao. Miezaka fotsiny hanampy azy ireo hampivelatra ny sainy @ fandehandehanana mijery toerana maro samihafa rehefa tsy mianatra iny.

Izay ny vaovao taty fa dia mamerina fisaorana anao nampahafantatra zavatra.
:-* :-*
39. soanja ( 27/12/2006 09:44)
Tratry ny fety ny Noely sy taombaovao 2007 koa aky Sakaizakely .:-*:-*:-*:-*

Tena mampalahelo ahy tokoa aky ny fijeriko ilay ecolage. Indrindra moa ny aty aminay. Nefa resaka lavabe raha io moa no tena resahina eto fa dia izao aky ny torohevitro hoe raha mahita boky sy fitaovana indry dia mbola azondry ampianarina izay azondry hampitaina aminy ny zanakindry momba an'io Montessori io. AZA KIVY AKY A.

Izaho koa moa raha mahita fitaovana dia hilaza amindry.

Firy taona avy moa ny zanakindry sao mba afaka mandefa lesona vitsivitsy azondry ampitaina aminy aho.

Tsy misy fisaorana aky fa dia mahereza hatrany. Soanja.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5271