mitandrema
1. bobone
(
02/10/2006 14:36)
Afo ny fitiavana ka raha miraparapa de may!
tahaka ny raozy mivelatra vao maraina , tsara , mahafatifaty; manitra , ka raha mahita izany ka tonga de mandray azy de tratran'ny tsilo noho izany de izao mahaiza mandanjalanja! mamakafaka lalina , aza sodoka @ endriny na ny hatsarany , fa mandiniha tena tsara , manaova analizy fa izao fiainana izao ange de efa betsaka ny fandrika mivelatra!
koa mitandrema e!indrindra ianareo tanora
na izay mbola mitady ny anjara !

novalian'i xxx ny 07/10/2006 11:48
2. mandrindra
(
02/10/2006 14:56)
na izany aza dia aoka tsy dia ho varina loatra mandinika sy mamakafaka fa sao dia hilaozan'ny omby miahaka eo.
5. diamondra27
(
02/10/2006 16:25)
bobone: misaotra akia a!:-*
mandrindra: fa tsy tena hoe: atao elabe ange le famakafakàna e!
mandrindra: fa tsy tena hoe: atao elabe ange le famakafakàna e!
7. dadasy
(
02/10/2006 18:46)
Mahafinaritra ahy le fomba fiadin'i salmo,somary toherina kely ny voalaza eo aloha de mitohy hatrany ny adi-hevitra. Mety ka, sady ny olona koa tsy ary hitovy hevitra avokoa...
8. zandrikely
(
02/10/2006 19:15)
io zany fiainaana daholo e , toiy ny zavatra rehetra dia mila mitandrina sy mijery , fa zay mbola tsy tratrany aloha dia tsara laza fa zay voa no tonga saina e
10. Kamoufle
(
02/10/2006 20:20)
mandrindra:
na izany aza dia aoka tsy dia ho varina loatra mandinika sy mamakafaka fa sao dia hilaozan'ny omby miahaka eo.
Tsy hoe hilaozan'ny omby mihahaka fa hoe " variana loatra mandinika sy mamalafaka ka sendra ny vody efa mipasaka."
14. andolanto
(
03/10/2006 07:11)
marina ny voalazan'i bobone. Mila fahamatorana ny fitiavana ka Aleo mandinika sy mamakafaka tsara aloha vao miroboka amin'izany sehatra izany satria zavatra kely foana no mahatonga azy ary zavatra kely tsisy dikany ihany koa dia maharava azy. Tsy kilalao noho izany ny fitiavana.
16. fiderana
(
03/10/2006 11:09)
Ny fitiavana dia fitiavana foana, fa ny fanambadiana ngaha no ndeha anakinana ilay fitiavana eto sa ahoana moa? raha izay dia mila mandinika tsara amiko, fa raha mba mifankatia fotsiny moa maninona, raha rava hatao ahoana, izay ilay hoe mifampizaha toetra fahiny ntaolo:-D:-D:-D:-D, rehefa tsy mety dia samy mody k'inona indray, aza asiana zaza fotsiny kosa aloha ê!,.......mbola hitohy.8):idea:
17. ninih
(
03/10/2006 12:10)
ny fitiavana aloha tsy azo hodiana fanina fa niainana hatrany @ fahazazana mintsy. tsy azo atao diso dôzy ko nefa fa @ antonony. de refa tonga lehibe de misy fitiavan'olondroa ka io hono tsy de azo atao ko ny fatra-pifidy sao de mahazo ny manganana eo e! tsy azo irotorotoana ko sao de lasa neny sy dada kely eo vao mifampitaiza @ kilonga e! aaleo izany de mijery sy manadihady @ fotoana retra mintsy @ fijery milamina nefa tsy tara.
18. kala
(
03/10/2006 12:38)
"tsy taitra tsy maika nefa tsy tara",
aza miezaka mandeha mafy be sao tratran'ny fitia voarara eo koa:wink:
tsy misy tsara noho ny mandinika sy mijery ny hasiana ny tongotra aloha vao mamindra ny amin'io fitiavana io ê!
aza miezaka mandeha mafy be sao tratran'ny fitia voarara eo koa:wink:
tsy misy tsara noho ny mandinika sy mijery ny hasiana ny tongotra aloha vao mamindra ny amin'io fitiavana io ê!
20. mandrindra
(
03/10/2006 14:15)
kala, rehefa tratran'ilay nilatsahambaratra, na coup de fooudre, tsy misy mijery ny hasiana tongotra izany vao mamindra fa tonga dia lasa izao
fiffi, kilalao daholo ny fianana ka. ny fahaizana milalao fotsiny no ilaina
fiffi, kilalao daholo ny fianana ka. ny fahaizana milalao fotsiny no ilaina