tsy hainay ny hangina

1. cmbolatiana ( 02/10/2006 11:22)
Manao ahoana daholo ô
Mba mitady ny tonon'ilay hira hoe "Tsy hainay ny hangina"ao amin'ny fihirana fanampiny reto izay mba manana fa mampientanentana be io hira io a
Misaotra mialoha
:wink:
novalian'i fiderana ny 06/10/2006 14:17
2. Fiffi ( 02/10/2006 12:15)
manana maromaro hiany aho fa tena io ve ny titra ? na mba hasio tonony kely de jereko raha hananako . Manana ny boky fihirana manko aho .
3. ninih ( 02/10/2006 12:29)
asio tonony kely marina aloha hijerevana azy e!
4. fiderana ( 02/10/2006 12:32)

tsy hainay ny hangina
Ka tsy hankalaza ny avo
Nameno fitahiana
Ka tsy mba namela ho lavo

Ref:
Ka dera ry Ray
Sy saotra no hatolotro anao
(Tompo, raiso anao)(2em et 3em voix)
Ny fo tena faly loatra
No entinay midera anao.

" hoatran'ny mba io ilay izy Fiffi raha tsy diso aho, fa ahoana moa no handefasako azy miaraka @ feony any @ i cmbolatiana", kamo be aho miheno sady mandika, fa izao koa anie, to tsy dia lafo loatra ilay fihirana fanampiny ê!


5. Fiffi ( 02/10/2006 13:13)
fiderana: handefaso hafatra izy :)
6. fiderana ( 02/10/2006 13:35)
Fiffi: efa mba nandefasako hafatra izy, fa tsy mahazaka ilay ao, fa 750ko fotsiny nozakany, ilay hira efa 2.3Mo, dia tsy nety, asa raha mahita fika iray ianao mba hilazao aho, maba mahita ihany aho mantsy eto, misy hoe jereo eto , mba tena mavesatra ilay raha azo vakiana tsara. izay no tsy haiko, ka mila fanampiana ê!
7. Fiffi ( 02/10/2006 20:28)
fiderana: ka efa namaly anao ve aloha izy ? de raha tsy mety ny eto de raha manaiky izy de azonao halefa via mail io kah! hatao mp3 de mety tsara ! :):-*
8. ari.malala ( 03/10/2006 06:11)
tsy hainay ny hangina
Ka tsy hankalaza ny avo
Nameno fitahiana
Ka tsy mba namela ho lavo

Ref:
Ka dera ry Ray
Sy saotra no hatolotro anao
(Tompo, raiso anao)(2em et 3em voix)
Ny fo tena faly loatra
No entinay midera anao.
Ny sainay tsy ampy hahalala
Ny fatran'ny fitiavanao
Ka raiso ry Tompo malala
Ho fankahasitrahana Anao ry Ray
Ka dera ry Ray...

Tsy hainay adinoina
ilay fara fitiavano Ray o
Fa maty novonoina
Ny Zanakao hamonjy anay

Ka dera ry Ray
Sy saotra no hatolotro anao
(Tompo, raiso anao)(2em et 3em voix)
Ny fo tena faly loatra
No entinay midera anao.
Ny sainay tsy ampy hahalala
Ny fatran'ny fitiavanao
Ka raiso ry Tompo malala
Ho fankahasitrahana Anao ry Ray
Ka dera ry Ray...
9. fiderana ( 03/10/2006 08:48)
Avotra soamatsara izany ianao cmbolatiana, dia misaptra ny namana ari.malala, koa zah, fa ny hakamona no tsy nahavitako nandika ilay tonony, sady tsy misy koa eto amiko, fa hira fihirana fanampiny 1 sy 2 ary 3,dia hobio no mba ato anaty ordi-ko, handaniko ny androko eto, sady mihaono no miasa no mba mijery vaovao ato @ serasera ê!
10. ninih ( 05/10/2006 08:32)
mafinaritra le fifanampiana e! :-* :-*
11. cmbolatiana ( 05/10/2006 10:51)
Dia misaotra betsaka an'i arimalala tamin'ny tonokira, misaotra an'i Fiderana koa torak'izany.
miala tsiny fa somary tara vao nanokatra hafatra fa somary sahirana
Dia misaotra ny rehetra e
:-*
12. ari.malala ( 06/10/2006 12:40)
Tsisy fisaorana re e :) mihirà finairtra e!
13. fiderana ( 06/10/2006 14:17)
misaotra an-tsika isika izany ê!:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0071