fianarana mitendry

1. ravakamalala ( 25/09/2006 12:55)
Ahoana ny hevitrareo momba ny fianarana mitendry zava maneno amin ny alalan ny cd rom sy boky. Fomba mahomby ve raha ohatra ka tena arahina finiavana sy fahazotoana mazava ho azy!

Misy efa nanao izany ve ianareo? Misaotra mizara hevitra.
2. booboo ( 25/09/2006 13:05)
ié zà manao an'io na eo aza ny mpampianatra. Ilay feo heno avy @ cd rom na cassette manampy ny sofina @ gadona sy ny feon'ilay hira tendrena na tsofina. Ny boky kosa manampy ny maso @ resaka notes na clé hitondrana ilay raha fotsiny aza.



3. xxx ( 25/09/2006 13:15)
Amiko tsy ampy na mandeha miadana loatra raha boky fotsiny , raha tsy hoe olona tena autodidacte angaha. Tsara kokoa raha misy olona manampy @ base , na hahafahana manao échange kely raha toa ka tsy manana mpampianatra
4. dadasy ( 25/09/2006 20:00)
amiko rehefa eo ampelatanana ny fitaovana tiana hianarana (gitara na orgue ohatra) ary koa ao ny finiavana hianatrfa sy ny fitiavana ilay izy, fa tsy misy manery, de hay foana io. Tsoriko fa za de nahay nitendry gitara, tsy nisy nampianatra, fa de nijery boky fotsiny ary nihaino hira, nefa aza mivadika ny fitazonako ny gitara satria kavia aho.
5. lapino ( 25/09/2006 22:55)
ravakamalala:
Ahoana ny hevitrareo momba ny fianarana mitendry zava maneno amin ny alalan ny cd rom sy boky. Fomba mahomby ve raha ohatra ka tena arahina finiavana sy fahazotoana mazava ho azy!

Misy efa nanao izany ve ianareo? Misaotra mizara hevitra.

Za mamporisika aloha e! :wink:
6. mandrindra ( 26/09/2006 08:07)
support ahafahana mivoatra ny boky sy ny cd rom fa ilaina ny mpampianatra ny fototra.
izaho manokana aloha dia sady naka mpampianatra aho no nanaraka boky nandritry ny enimbolana. dia rehefa azoko ny fototra dia boky sy cd ary fifampizarana amin'ny namana mahay mitednry izao no ataoko
7. ravakamalala ( 26/09/2006 15:04)
ka ilay maka mpampianatra somarry lafolafo. efa nianatra kely tam mpampianatra aloha aho (solfege ) tany dago fa tsy mbola tena lasa lavitra.
mba azoko fantarina ve ny boky sy cd rom nampiasain i mandrindra sy dadasy?

Misy koa olona miteny hoe ilaina ny fananana "oreille musicale"(?????) rehefa tsy manana an io dia tsy ho lasa lavitra mihitsy!!! :?
8. booboo ( 26/09/2006 16:04)
ravakamalala > gitara koa no ianaranao ?
9. fijo ( 26/09/2006 22:21)
za mianatra "misy mpampianatra"fa ny olana dia izao.mahay aho raha misy note eo,fa raha mikaroka fotsiny dia tsy mahay.ka io hilako olona mahay hafa hanampy ahy
10. booboo ( 27/09/2006 07:08)
mitovy olana tsika sy Fijo. Efa nanaraka ny toro-hevitr'i Mandrindra t@ indray mandeha iry fa eeeeeeeeeeeeee :^):^)
11. mandrindra ( 27/09/2006 09:04)
ravakamalala, ny ahy aloha gitara no ataoko.collection coup de pouce ny ahy no novidiako, miaraka amin'ny cd, ary natokana ho an'ny débutant. fa toa misy isaky ny zavamaneno io collection io. mbola eo ampieritreretana indray aho ny hividy an'ilay cd rom "guitare pour les nuls".

fijo, booboo, izaho koa toa anareo ihany fa mihezaka mitendritendry eny ho eny fotsiny aloha. ny andramako dia manaraka hira, dia basse fotsiny aloha no tendrena. dia izay naoty hita amin'ny basse no velabelarina arpège na frapy. fa ilay sofina aloha tena tsy any mihitsy na sasana isan'iandro aza.
12. fijo ( 27/09/2006 21:36)
mandindra ,ka za koa manao an'io note isaky ny corda io mitady.dia misy aloha mba hitako e.fa misy tena mila vonjy vao mety.lapino koa hafaka manampy tsara fa izy resahana
13. bilakarenjy ( 22/11/2006 18:56)
rehefa ao aminao ilay talenta tia mitendry sy mihira dia ho hainao mora foana ireo.
Za dia tsy nahay nitendry sy nihira fa tao @ fianakavianay hatrany @ dadaben\'ny dadaben\'ny dadabe tany aloha tany dia efa nisy mpitendry sy mpihira ka hatraty aminay zafy tsy haiko intsony .Dia mijery ny fitendriny zava-maneno eo za dia avy eo mamerina azy ,fa saingy tsy mahay solfa kosa aloha fa tonga dia copy no renao na rangotina io na tendrena na velesina na tsofina .Voatenin\'ny Dadanay mihitsy za fa tokony hianatra solfa ,fa lasa mifangaro ilay cle amiko rehefa @ farany .
Tsara ihany ny hanananao ny CD-ROM sy ny boky fa ny talentanao no tena mitondra azy .
Rehefa betsaka ny fihainoanao ny hiran\'ireo artista dia mandeha ho azy ny fitiavanao hamorona hira sy hitendry .
Fa misy tia mihaino fa tsy tia mitendry na mihira satria izay no talentany .
Miainga @ hira fototra aloha ianao dia miroso tsikelikely avy eo .Ny hira fototra haingana indrindra dia ireny BLUES ireny na ROCK LENT .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6052