moa misy marina va?

1. ANARIM ( 12/09/2006 06:39)
tiako raha misy afaka manambara eto fa efa nahita, niaina, na nitrangana zavatra hafahafa (azon'ody hoy ny fitenintsika mahazatra azy) ka afaka izara amiko ny mety fitrangany, ny vokany, ny fomba nahasitrana azy. Amiko aloha dia Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra, nefa isika malagasy malaza ho mahay milalao ody : raha nahitana ody "gasy" nilevina tao antrano, nahitana fiovana be teo @ fiainantokantrano satria toa "azon'ody", Raha any amin'Andriamanitra no vahaolana, ampy ve ny vavaka, sa mila manantona olona manokana (mety antsoina hoe fitaovan'Andriamanitra)ka manao karazana exorcisme sns sns... ...
izarao izay mba efa niainanao na itanao sns dia misaotra mialoha
novalian'i prime ny 20/09/2006 09:09
2. Fiffi ( 12/09/2006 06:54)
Raha ny ody aloha de tsy hitako izay hidirany @ Andriamanitra an!
Raha nisy "miracle" niseho t@ olona iray , sitrana soamantsara ohatra ny marary sitrana fa nandeha tany Lourdes na toerana hafa , raha mino an'Andriamanitra le olona fa nohon'ny fitahiana'Andriamanitra no nahasitrana azy , tsy hitako izay idiran'ny ody @ zany fa finoana sy ny fivavahana no ilazana azy.
3. ANARIM ( 12/09/2006 08:13)
misy ary efa manerana an\'i madagasikara ankehitriny ny asampifohazana, ary ireny \"mpiandry\" ireny rehefa \"miasa\" dia misy ny sasany miteny oe \"misy ody milevina atsy na aroa mila dorana sns sns\" . Tsy misy ifandraisany amin\'Andriamanitra ny ody hoy Fiffi. Amiko le ody dia avy @ devoly, asa re, aleo atao oe mety fitaovan\'ny devoly sns, ary izay voany d voany (miankina @ finoana ananan\'ny tsi-1-1), ary tsy mampifandray an\'Andriamanitra @ ody zà fa manontany oe azo ekena ho fitaovan\'andriamanitra hanasitranana va ny \"mpitaiza\" na izay voambolana ilazana azy, fa en tout cas dia misy acte atao hita maso sns ataon\'ilay olona io, ankotry ny fitenenany oe \"dia mahereza mivavaka (amin\'Andriamanitra)\"
4. barry ( 12/09/2006 10:52)
Ny ody dia avy @ devoly mihitsy ;fa zao no fanafodin'ireny raha mahita ody dia dorana na ariana any @ maloto oh wc ;dia mivavaka ianao manao hoe:rohasina @ anaran'ny Jesosy ny asan'ny devoly sy ny ody ratsy zay nataony teto;fa tsy dia tsara ny mandeha any @ mpitaiza satria ireny koa ndraindray vao maika mampitombo ny asan'ny devoly;ny an'olona ary reny ody reny d asina tongolo gasy hono na asina hena kisoa d tsy mandaitra
5. barry ( 12/09/2006 11:02)
Ny mpitaiza dia don avy @ zanahary na ireny razana taloha na vazimba na kalanoro snssns;dia tena mahita zvtr tokoa ny mpitaiza;mahay mitsabo ;satria reo mipetraka aminy d tsy avy @ Andtra fa avy @ ireo voalaza teo ambony ireo;Dia mody ampiarahany vavaka kely d tafaroboka ao ianao ;nefa tena samy hafa ny "asan'Andtra" sy ny" mpitaiza" ka mahaiza manavaka azy tsara
6. ninih ( 12/09/2006 11:38)
tena hafa kosa aloha izany Andriamanitra sy ny ody (omen' ny mpitaiza sy ireo karazany hafa ireo)izany e! fa raha tena manana finoana tokoa de Andriamanitra no ody tsara indrindra.
7. ANARIM ( 12/09/2006 12:07)
ninih:

tena hafa kosa aloha izany Andriamanitra sy ny ody (omen' ny mpitaiza sy ireo karazany hafa ireo)izany e!


ninih : tena hafa aona fa tsy azoko tsara azafady
8. ninih ( 12/09/2006 12:55)
Ody (le avy @ ireo mpitaiza sns a!)izany anie matetika avy @ hery tsy an' Andriamanitra e! fa Andriamanitra manana ny vahaolany tena lafatra izay.
9. prime ( 12/09/2006 15:43)
Sarotra ny hitantara azy ity ry anarim an... sao d tokony mbola ronono no resahina d tonga d ventin-kanina no arosonao?...:lol: mba fanontaniana ny ahy iny fa tsara ilay lohahevitra dia mazotoa e...:)
10. cutie ( 12/09/2006 20:59)
azon'ody ahona alou le izy ry anarim
tsy mazava
lasa narary ve le oul sa lasa voa ny ody fitia :-D:-D:-D sa nanin ?
de in koa le dikan'le ody ???
11. Zina ( 13/09/2006 03:57)
Amiko le ody dia avy @ devoly, asa re, aleo atao oe mety fitaovan'ny devoly sns,


ianao ihany dia afaka namaly azy
12. majesty ( 13/09/2006 04:28)
fa angah d tsy maintsy mitady mpiandry vao afaka handroaka devoly e,rehefa mino enao na ny tendrombohitra aza ange mihetsika e
13. ANARIM ( 13/09/2006 05:50)
cutie:

azon'ody ahona alou le izy ry anarim
tsy mazava
lasa narary ve le oul sa lasa voa ny ody fitia :-D:-D:-D sa nanin ?
de in koa le dikan'le ody ???



asa re na ody fitia, fa en tout cas raha ny voalazan'ilay "olona" namoaka ilay "ody" dia hoe ny tanjon'ilay olona namely ity tokantrano ity tamin'ny alalan'ny "ody gasy" dia ny hampisaraka azy mivady sy ny hampikorontana ny fiainan'ireo zanany. Le « ody » koa matoa mbola nofonosako tao anaty « » dia satria mety samy manana ny famaritany azy, fa teto dia noraisiko arak’io naverin’i Zina io !

Zina : izaho dia manana ny fotokevitra ijoroako amin’ny lafiny ara-pinoana, fa ny fanontaniako eto dia oe « efa nisy ve olona niharanjavatra « nasian’olona tamin’ny ody gasy izany », na tsy niharany fa efa nahita « cas » idem @ io, mba liana zà ny hahafantatra izay fomba nataon’ilay olona nahatafavoaka azy tao anatin’ny fangejan’ilay « ody » azy ! Ary koa dia ny hoe aminareo izay afaka mizara amiko ny hevitrareo dia mitombina ve ny hoe olona , aleo andeha atao hoe «tratran’ny mosavy » dia manantona olona manana « pouvoir » manala ny herin’ilay mosavy mangeja, kanefa io olona io dia sois disant « fitaovan’Andriamanitra » ary ilay ody dia « fitaovan’ny devoly »
Asa raha mazava sa izaho mihitsy no tsy mahay mamoaka ny tiako ambara ? ? ?

Majesty : tsy hoe andeha hitady mpiandry, ary teto @ ity cas ity dia tsy nanantona mpiandry aloha hatreto! Io naveriko etsy ambony io ny fanontaniako ! Dia aiza ho aiza ilay atao oe « raha mino dia mahafindra tendrombohitra » satria tsoriko amin’ialahy fa tsy évident le izy !

14. cutie ( 13/09/2006 12:03)
asa re na ody fitia, fa en tout cas raha ny voalazan'ilay "olona" namoaka ilay "ody" dia hoe ny tanjon'ilay olona namely ity tokantrano ity tamin'ny alalan'ny "ody gasy" dia ny hampisaraka azy mivady sy ny hampikorontana ny fiainan'ireo zanany

hay ve efaka zany le ody :roll::roll::roll:
de iza le namoaka an'le ody, mpiandry sa ny mpanao ody ??
15. barry ( 13/09/2006 12:10)
io dia efa resaka niseho teto io ody io;ka lay izy aloha rehefa tratrany dia tena tsy mety tonga saina mitsy ilay olona;na teneninao ary hoe:ela ve voan'ny ody e! d tena tezitra be izy ;ary tena tsy azonao ahodina mitsy ny lohany;fa reny ody reny misy fetrany ;ka raha vao tady lany hery ilay fanafody zay vao manomboka tonga saina ilay bandy;za aloha efa nahita fa tena mijaly mitsy ilay bandy hanaovan'ilay sipa azy;manaraka zay hataony rehetra ;na hita fa efa ratsy aza d atao faona;d ny olona aty ivelany sy ny fianakaviana no malahelo indd fa ny reny;hoe tena mijaly ny zanako!!d tsy misy azo atao fa izy moa voan'ny ody d tena tia ;ary rasipa manao sipa hafa any ambadika;tsy tsapan'i lery na dia ny mpiraitapo aminy aza no mitantara ;d tsy mino izy;
16. cutie ( 13/09/2006 12:15)
tsy mino an'zany ody zany za :roll::roll::roll:
17. ANARIM ( 13/09/2006 13:13)
cutie = tsy mino
majesty = tsy mino
barry = apparement mino fa tsy haiko na efa nahita na tsia, raha efa nahita dia azonao zaraina eto ny experience???
misaotra aloha hatreto
cutie : efa nanao genre exorcisme zareo ary teo no nahitana ireo karazana zavatra marobé nilevina tao antrano sy navoaka avy any anati'ny kibon'ilay renimpianakaviana, tsy haiko oe iza le olona nantoniny, fa ny fantako dia oe mpamosavy reconvertie, zany oe olona efa mpilalao "ody" taloha ary lasa mpivavaka amin'Andriamanitra (mino zà fa le Andriamanitra voalaza ao anatin'ny Baiboly kristiana ho ny Telo izay Iray io Andriamanitra ivavahany io raha ny fahazoako ny tantara)
18. cutie ( 13/09/2006 13:18)
Anarim, mety refa tena mahita za sy miaina ao anatin'zany ody zany vo mino hihihihihihi.
19. majesty ( 14/09/2006 04:21)
Raha mino fa mi-existe zany devoly zany d tokony hino kou fa afaka miasa amin'ny fomba rehetra izy na amin'alalan'ny ody io na zavatra hafa,
anarim:za efa nahita trangan-javatra ôtran'izany lazainao izany aman'jatony ary efa nanatri-maso ny fi exorciséna azy(za manko curieux zay ihany)fa ny azoko lazaina fotsiny dia ny hoe bdb ny zavatra mitranga izay saro-takarina eto à ty zao tontolo izao ity fa dia aleo mangina fotsiny fa tsy te hitsara an'reny olona reny aho.
20. ANARIM ( 14/09/2006 05:49)
au bout du compte zany misy le azon'ody, d ze mba efa nahita d mba izarao hoe ahona no nahasitrana le olona tratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9225