moa misy marina va?

21. JOCH ( 14/09/2006 19:18)
Ohatran'ny ahoana izany hoe azon'ody de ahoana no hahafahana aminy. Izany hoe le cas hitan'i Mirana de mampanontany tena azy hoe ity tokoa ve ilay atao hoe azon'ody de aiza no lalana hivoahana amin'ity?
Le azon'ody de miseho amin'ny endriny marobe.
Ao ny mivoaka amin'ny alina, ao ny manaiky sy manatanteraka izay lazainy sy asain'ilay tompon'ody hatao, ao moa no tonga de ireny hipetrahanjavatra ireny(fanahy hafa ankoatry ny fanahin'ilay olona) de tena hitanao mihitsy hoe ny vatan'ilay olona sy ny feony sy ny momba azy ety ivelany fotsiny io fa ny ao anatiny de efa nisolo"personalité", misy ndray tonga de marary tsy ahitampanafana mihitsy, de mbola misy maro fa izay alou no voalazako.
Raha liana ianao de tohizako amin'ny manaraka ny resako rehetra fa misy zavatra tsy maintsy halehako tampoka izao.
22. ANARIM ( 15/09/2006 05:25)
joch : misaotra d "anarim" fa tsy "mirana" :P d miandry ny tohiny aho zany
majesty : amiko dia tsy misy natao hifampitsara isika na dia iray aza fa lay experience mihitsy no tiako raha mba zarainao amiko
23. naritsimba ( 15/09/2006 07:49)
Ity tranga t@ olona iray tena akaiky ahy t@ taona 1970 tany no nitranga taminy izy io:
Nisy aretina nahazo azy ary dia efa teo ambavahaonan'ny fahafatesana izy no nisy niteny hoe:manantona an'Ingahy RABETSY (izay no anaran'ilay olona nitsabo azy) fa vitany
Toy izao ilay trangan'aretina: nisy zavatra nanempotra azy teo @ ambavafony, ary dia isaky ny mihetsika ilay izy dia sempotra tsy avy miaina izy, netina tany @ Hopitaly fa tsy nisy vokany ny fitsaboan'ny dokotera. Rehefa nanantona an'i Rabetsy dia vao nojereny dia hoy izy: Misy zavatra manentsina ao @ ambavafonao ao fa aleo esorina haingana io fa mbola betsaka ny ao anatin'ny tenanao ao, dia nalana ny akanjo ary dia notrohany avy any inona hoy ianareo: hodi-kisoa no tao, rehefa nanontaniana ny renin'ilay zaza sy ny raibeny dia hoy zareo, namonjy famadihana izahay ary dia tena tia mihinana hodi-kisoa io zaza io. izay no nahavoa azy hoy ilay Rabetsy fa nasian'olona izy, fa aleo esorina daholo izay mbola tavela.
Hatramin'izao dia mbola hitako @ tenan'io olona io fa misy tahakan'ny faritra nodidiana t@ Lame izany t@ faritra nanalana ireo zavatra ireo.

Ny azo tsoahana @ io izany dia hoe: Misy ny manao fanafody hanimbana olona fa misy kosa ny manao izany ho fanasitranana.
Tadidio ange fa i LIOKA izay nanoratra tao @ Testamenta vaovao ka Dokotera e! taiza izany ny Faculte nianarany t@ zany andro izany? tsy maintsy hoe ny fomba fitsaboana t@ izany andro izany no nampiasainy. nampiasa fanafody ho fanasitranana fa tsy ho fanimbana sanatria.

Misaotra eh!
24. prime ( 15/09/2006 11:40)
naritsimba> ody#fanafody... izay ihany... fa mazotoa...
25. Achia ( 16/09/2006 06:56)
naritsimba a ! sao de mbo rabetsy ihany no ao ambadiky ny retraretra fomban'ny mpamosavy mantsy izany fa zavatra efa nisy mantsy izany fa satana ihany de afaka mamoaka satana jereo nge Matio 12/26 e !
26. rakaroka ( 16/09/2006 22:47)
Ny "acteur" ato amin'ny resaka serasera dia na Atra, na Satana, na Devoly, na Jesoa. Tsy ireo ihany anie ny "tontolo" e.
Ilay ody koa: tsy ny nandalim-pahaizana pharmaceutique ihany no nomen'Atra saina mandinika sns: fa ny razam-be sns.. tsy nanana ny moyen afaka
ni-convaincre anao fa misy reméde isan-karazany efa napetrak'Atra eny ho eny!
Misy tsy vitan'ny vavaka angamba matoa mamonjy dokotera ny maro na misy ilana azy ireny dokotera isan-karazany ireny tsy voatery miraratra diploma fa
izay vécu nahasoa no ampihariny!
Ohatra ny manala matoatoa amin'ny trano iray: tany Mcar aza aho misy trano tsara tarehy tsy misy mipetraka fa hoe misy angatra: misy fombafomba atao fa tsy fivavahana loatra no maharoaka izany! ary aty aza misy fianarana miatrika izany!
Ka lava Be tsy ary ho voatanisa amin'ny antsipiriany
fa izay aloha!
27. ANARIM ( 18/09/2006 07:34)
misaotra fa nisy nosainina avokoa ireo voalaza, mbola mitohy ny kozy ho an'zay mbola mazoto an!
28. prime ( 18/09/2006 13:14)
Efesiana 6:12 no zava-miafina amin'io...
29. ANARIM ( 19/09/2006 05:42)
prime : misaotra fa voavaky, rehefa nidina hatreny @ andininy faha 13 zà d nahita oe "koa raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra mba hahazoanareo manohitra amin'ny andro mahory..." d apetrako ndray ny fanontaniana hoe aminao manokana, raha ny lafimpiainana tena iainana ankehitriny no resahina, dia aiza oaiza sy inona no fiadiana azo eritreretina ho voalaza eto?
30. prime ( 19/09/2006 15:19)
Rehefa tohizana d aleo tohizana ary, Efesiana 6:14-18...
Ireo no fiadiana omen'Andriamanitra fiady amin'io, na taloha na mandrak'ankehitriny :
- misikina fahamarinana ny valahana
- mitafy ny rariny ho fiarovan-tratra
- mikiraro fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana
- mitàna ny finoana ho ampinga, ahazoana mamono ny zanatsipika mirehitra rehetra alefan'ilay ratsy
- mandray ny famonjena ho fiarovan-doha
- mandray ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy
- mivavaka mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana
- miambina amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra...
Ireo no voalaza fa fiady sy fiarovana azo lazaina fa mahomby indrindra (raha alaina sary tsotsotra dia toy ireny armures de combat ana-chevalier hiady ireny)... ka mila fanazaran-tena ireo fa tsy mety ho azy amin'izao, nefa koa raha vao misy hirika hitan'ilay ratsy fa tsy ampy dia eo izy no manovokovoka milako ary tsy mamela mihitsy...
31. ANARIM ( 20/09/2006 06:12)
hihihi, klou handinika kel zà aza! misaotra e!
32. prime ( 20/09/2006 09:09)
Mazotoa e...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4454