Raha hofaty aho!

1. soanja ( 05/09/2006 11:09)
Ity no mba hafatro tamin'ny havako tamin'izaho niala tany Dago farany.
"Raha maty aho dia aza manahy fa sambatra aho izay.
Dia ho ny Laveniko no tsenainareo eny amin'ny avion, ka aza mitomany fa sambatra aho izay fa tonga aty akaikinareo.
Mba afafazo ery an-tendrombohitra fitazatazanako mahatazana ny lalana mankany Fianarantsoa. Mahatazana renirano mahafinaritra sy havoana hafa ary lohasaha ilay toerana, sambatra aho izay fa aza manahy.
Ary farany dia sambatra aho fa nanana anareo rehetra tia ahy sy notiaviko.

Ahoana ny fahitanareo an'io resaka io fa mba te hanomana ny sain'ny RAD -ko sy ny havako aho fa lavitra tokoa mantsy ny tany aty ary be ny raha hita sy mety hitranga.
Tsy hoe marary ho faty akory aho na misy atahorako saingy omaniko ny sain'ny rehetra fa ho avy io indray andro any. Dia natahoatra be ry mamanay sy ny havako fa maninn aho milaz an'io? Tsy fomba fisainana gasy tokoa io e? Fanomanana ny tsy azo hodivirana. Miandry ny komantera-nareo zany o?
Zah akory tsy hoe depressed an. Azoko atao hoe afapo aho raha samy velona.
novalian'i soanja ny 22/09/2006 23:14
2. Fiffi ( 05/09/2006 11:56)
soanja:
Mba afafazo ery an-tendrombohitra fitazatazanako mahatazana ny lalana mankany Fianarantsoa. Mahatazana renirano mahafinaritra sy havoana hafa ary lohasaha ilay toerana, sambatra aho izay fa aza manahy.
soanja: zany tokoa angamba no lazaina hoe samy manana ny tiany io ! Fa raha zah manokana aloha de ireny hoe hafafazo etsy sy eroa ireny ny lavenona tena tsy lasako mihintsy an! Raha ohatra hoe anao ilay tanana de hoy aho hoe mety ny fanaovana azy . Satria manko tsy ianao irery no handeha eny @ toerana io fa ny olona rehetra nefa misy io lavenona io ka...(heritreritra ny ahy iny an!):)
Tsy aiko raha hoe ny gasy tsy manao an'izany na tsy miteny an'izany ! tsy midika koa ny filazana ny fepetra mba niriana hatao anao rehefa lasa ianao !
Zah aloha de tena nanao ary miteny an'io foana an! indrindra rehefa mba misy zavatra mahalasa ny saiko lavitra zay !
Ohatra fotsiny hoe mihaino mozika klasika manja be zay zah de iny zah miteny hoe rehefa maty aho de aza hadino ny mandefa an'ity mozika ity an! (efa natao mihintsy ny lisitra)
Misy koa ohatra ny fangalana assurance efa ela dia ela hoe raha maninona maninona zah de io assurance io no mikarakara ny rehetra ! Zany hoe amiko aloha de tsy TABOU mihintsy io fa prévention !

Ny fahafantarako azy akia de tsotra fotsiny an! mety nynataondry satria aloha zah koa de nanao an'io . Raha ny fianakaviana indray hoe homanina ? heu...mandeha ho azy fotsiny akia io fa sao manko mampijaly ny fianakaviana hiheritreritra an'io foana isakin'ny mahazo vao2 avy @ ndry ?


3. Rafotsy ( 05/09/2006 12:02)
Io aky fomba avy aty ivelany io manafatrafatra io !
Ary mbola tsy zatra ny any @ ntsika ka izay no mahalasa fisainana azy ireo !
Zah koa efa nametrapetraka : zah tsy tiako ny incinérer na , zah koa naka assurance rapatriement de corps ary eny @ fasana misy ny Papako aho no tiko hapetraka !
Raha afaka hanavotana olona ny organes ko sasany dia omeko tsisy problème mihintsy !
Efa mahafantatra izany daholo na ny vadiko na ny zanako na ny havako akaiky rehetra na ny havambadiko !
Zah mahita io resaka io tsara , indrindra raha manana volontés particulières , satria tsy miara mipetraka ka tsy dia nisy loatra ny fotoana niresahana e !
Zah koa tsy dépressive akory an !:-*:-*:-*
4. soanja ( 05/09/2006 12:22)
Le tany aloha taniko. Ny rivotra indray tsy ferana izay itondrany azy saingy mino aho fa tsy maloto noho ny rivotra maloto ao Dago ny laveniko. Lavitra tanana ilay izy ary renirano no ery ambany.
5. vale ( 05/09/2006 12:45)
Rafotsy: hay ve fomba avy aty ivelany io eh(lay manafatrafatra eh:wink:) fa izaho manko dia nihevitra fa fomba malagasy satria ny raiko dia nanao ohatran'io koa, aza omena tsiny fa izay no hitako koh!:wink:

Soanja:ny fahitàko an'io aloha dia tena tsara e, satria lavitra azy ireo ianao ka vao mainka aza mba mampandry ny sain,zareo ny filazanao fa sambatra ianao eny fa na dia ny lavenona aza sisa no ho tonga any @ ry zareo rehefa tonga zay fotoana izay eh,(samy ho any doly tsika koh!:wink:), fa marina fa mampalahelo ihany noho ny hoe mba hitan,ny havana ny vatanao mialohan,ny handaozanao ny tany, ka rariny raha niteny an,ilay hoe afafazo eny @ tendrombohitra etc,, mba hahafataran,ireo havanao koa fa sambatra ianao raha tanteraka ireo!!
zay ny mba fijeriko azy:)
6. Rafotsy ( 05/09/2006 13:05)
vale:

Rafotsy: hay ve fomba avy aty ivelany io eh(lay manafatrafatra eh:wink:) fa izaho manko dia nihevitra fa fomba malagasy satria ny raiko dia nanao ohatran'io koa, aza omena tsiny fa izay no hitako koh!:wink:




Tsy manomé tsiny aky aho ry Vale !
Heveriko fa fomba avy aty ivelany satria aty no misy assurances obsèques , azo dorana ny faty na atao don !
Any Dago manko , araka ny fahatsiarovako , dia halevina ao @ fasan-drazana , dia izay !
Fa ny ahy ny Papako sy ny Mamako tsy miray fasana dia izay no nahatonga ahy hoe miaraka @ i Papa aho no halevina !
Soanja : azafady aky fa toa manimba ny sujet ndry aho a !
7. diamondra27 ( 05/09/2006 13:39)
soanja: ny hevitro nà maha gasy ny gasy dia manaja ilay olona ary ma
8. diamondra27 ( 05/09/2006 13:51)
azafady fa lasa ho azy le hafatra.
ny hevitro dia:@ mahagasy ny gasy dia manaja ilay olona Ary manatanteraka ny fanirian'ilay olona maty ny fianakaviana. Raha izay tokoa ny dernier souhait-nao dia hazavao azy tsara fotsiny dia tsy maninona io na dia hoe: tsy zatra @izany aza ny gasy.

Asa na tena tsapanareo tokoa aloha izany hoe: resaka fahafatesana izany na tsia?

Matetika dia tsy te-hiasa loha @izany ny olombelona nefa lalana tsy maintsy aleha izany na ho ela na ho haingana.
Mba saintsaino ihany re ry namana fa amiko manokana dia izao no fotoana mafy nolaloviko satria au lieu de manao vacances sambatra dia nihodidim-pahoriana maro aho(fianakaviana akaiky). Miezaka ny manadino sy mivavaka , kanefa mahita izao dinika eto izao indray dia mifoha ilay fahoriana.
Dia lasa ny eritreritro hoe: izany tokoa moa ny fiainana an! kanefa dia ilaozan'ny olona miady, manao ratsy isankarazany(guerre isankarazany)fa tsy mifankatia na miezaka manao soa ny hafa...

soanja: courage dia ambarao izay tianao dia rehefa tonga any izy manatanteraka.Ny aina tsy mifametra
Na izany aza dia miambena mandrakariva
9. vale ( 05/09/2006 14:47)
rafotsy misy an,reo koa anydago kah! fa ilay hoe manafatrafatra ny tiako tenenina ange eh!!!
10. jentilisa ( 05/09/2006 15:01)
mety tokoa ny manafatra ka! tsy hitako izay olana! izaho moa efa niteny ihany fa raha maty aho dia aleoko kokoa dorana toy izay alevina...
11. Fiffi ( 05/09/2006 15:43)
soanja:
Le tany aloha taniko. Ny rivotra indray tsy ferana izay itondrany azy saingy mino aho fa tsy maloto noho ny rivotra maloto ao Dago ny laveniko. Lavitra tanana ilay izy ary renirano no ery ambany.
soanja aann! tsy hoe resaka maloto akia ny tiako lazaina @ io an! fa hoe heritreritra ny ahy hoe misy toerana ohatra ka nafafy teo ny lavenona nefa toerana fandehanan'ny olona rehetra de io no lazaiko hoe tsy lasako aloha le izy an!
kay andry zany le toerana ka tsy hitako mihintsy hoe aiza ny olana an!
diamondra: io akia de efa nolazaiko io hoe "prévention" no hatao satria samy tsy maintsy handalo @ io daholo ka raha zah manokana kosa aloha de efa nanao zay tokony hatao rehetra rehefa tonga io fotoana io an!


12. pissoa ( 05/09/2006 16:18)
Soanja:
"Raha maty aho dia aza manahy fa sambatra aho izay.
Dia ho ny Laveniko no tsenainareo eny amin'ny avion, ka aza mitomany fa sambatra aho izay fa tonga aty akaikinareo.
Mba afafazo ery an-tendrombohitra fitazatazanako mahatazana ny lalana mankany Fianarantsoa. Mahatazana renirano mahafinaritra sy havoana hafa ary lohasaha ilay toerana, sambatra aho izay fa aza manahy.
Ary farany dia sambatra aho fa nanana anareo rehetra tia ahy sy notiaviko.


# Mety tsy ho sambatra tampoka ve i Soanja raha misy tsy tanterahiny ireo?
Valiny: tsy fantatro, fa raha izaho dia fatantro fa tsy miankina amin'ireo ny fahasambarako rehefa maty aho.

# Mety tsy ho tanteraka ve ireo?
Valiny: Eny. Ny androany ihany no hitantsika, fa ny hoe rehefa maty i Soanja dia tsy mbola fantantsika ... Sao ho tsy azo aleha intsony ilay toerana sns

# Mety hanenjika ny eritreriny na hampalahelo azy ve ny tsy fahatanterahin'ireo rehefa maty i Soanja?
Valiny: Eny tokoa moa izany!

# Mety misy vokany hafa?
Valiny: Na hanazava eo aza i Soanja hoe tsy maninona aho fa salama tsara, dia miasa ihany ny sain'ny olona tia anao hoe fa maninona ary i Soanja. Marary angamba izy fa manafina sns.
13. Fiffi ( 05/09/2006 16:45)
Mampatsiaro ahy ny hiran'ny Mahaleo hoe

Ny fasako ataovy eo an-drefan-tanana
Ataovy mikasika ny ila-kamory
Soraty eo ny tenin'ny fanantenana
Tsy maty aho akory fa mbola matory

Ny moron'ny rano voleo volotara
Ka jerijereo aza avela ho maina
Tarafo eo aho fa tsinjonao tsara
Tsy hiala eo aho raha tsy efa maraina
14. simplex ( 05/09/2006 19:51)
soanja:

Ity no mba hafatro tamin'ny havako tamin'izaho niala tany Dago farany.
"Raha maty aho dia aza manahy fa sambatra aho izay.
Dia ho ny Laveniko no tsenainareo eny amin'ny avion, ka aza mitomany fa sambatra aho izay fa tonga aty akaikinareo.
Mba afafazo ery an-tendrombohitra fitazatazanako mahatazana ny lalana mankany Fianarantsoa. Mahatazana renirano mahafinaritra sy havoana hafa ary lohasaha ilay toerana, sambatra aho izay fa aza manahy.
Ary farany dia sambatra aho fa nanana anareo rehetra tia ahy sy notiaviko.


* ra vao avy novakiana ilay izy de tsapa fa "emotion", milaza hoe tsaroako ato am-poko ianareo fa aza manahy. "Normal" be io satria na enao koa ary halahelo hoe handao ny RAR nahitana masoandro, ny fianakams ary ny namana retraretra. Tsy fantatra ny hoavy, asa mety tsy hotafaverina intsony. Izay no mahatonga an'ilay hafatra alefa mialoha hoe na aiza na aiza misy ahy, tsy aiza tsy akory fa eo anilanareo foana ny foko ka aza manahy fa na maty aza aho efa teo anivonareo foana mandrakariva.

* ra t@ enao niala tany Dago io no noteneninao, tena misy "chance" hoe efa betsaka no nanadino anireo teny ireo, afatsy ny olona vitsivitsy izay tena "proche".

* Ny tokony ho izy any @ vadinao enao no milevina ka aza tonga de mametraka hoe eto alevina na aroa fa miteraka ady eo @ fianakaviana izany. Tandremo fa misy fianakaviana tena mafy loha be hoe manaraka azy ny vadiny na hoe teny farany ary. Efa hoe foza lahy natakalo foza vavy kosa ve de mbola atao hoe avereno ny fozanay :°):D:D

* aza matahotra fa izay mahasoa ataon'Andriamanitra. Ra misy ny atao, azonao atao ny mandefa teny mamy, feno fitiavana any @ dry zareo. Firarian-tsoa sns. Tsy voatery hoe eny @ "aeroport" ihany manko no ilazana ireny teny ireny. Na SMS kely fotsiny aza de efa ampy hahatsiarovany anao...

Tsiky dia ampy e,;-)

:-*:-*



15. Zina ( 05/09/2006 21:24)
jentilisa [ Valio ] 05-09-2006 17:01:02
Lohateny : Re : Raha hofaty aho!
mety tokoa ny manafatra ka! tsy hitako izay olana! izaho moa efa niteny ihany fa raha maty aho dia aleoko kokoa dorana toy izay alevina...


ie marina mihitsy io lesy a amin'izay mba tsy mandana vola firy ry zareo... Izy ary any efa mba mahantra...

Dia ho ny Laveniko no tsenainareo eny amin'ny avion, ka aza mitomany fa sambatra aho izay fa tonga aty akaikinareo.

Soanja a ie ataovy mihitsy ka mety...legaliseo ko anefa ilay hafatra an...
16. malalatinasoa ( 05/09/2006 23:37)
Tsy hitako aloha ny olana @ ilay hoe manafatra. Izahay manontany ny RAD hoe inona ny tianareo farany ho atao aminareo.

Fa mety ilay hoe ianao andeha manafatrafatra angamba no nampahalasa ny sainy. Ohatry hoe manao veloma tsy ifankahita intsony no nandraisany azy.

17. soanja ( 06/09/2006 03:29)
Simplex> Ka izay indrindra anie ry Simplex e any amin\'ny vadiko indrindra no hitranga izany rehetra izany satria mandalo eo daholo izay ho any Fianarantsoa, izay mba faniriako saingy araky ny efa voalaza hoe foza lahy atakalo fozavavy, tsy misy azoko atao fa resim-pitiavana aho. Dia nividy tany tsy lavitry ny fasan-drazany izahay. Izahay moa izany tsy mamadika dia tena naleonay niataka sao hoe izao sy izao eo. Mety koa ilay hoe dorana satria amin\'izay tsy hisy intsony ilay resaka aiza no halevina sy ny hoe famadiahana sns. Ireo fasan-drazana ireo dia idirana foana ny fahitako azy sady anaovana joro lava dia tsy misy filamin-tsaina ihany ny matory ao raha ny fahitako azy. Amin\'izay mba ho mopera vaky damozana samy miala isika ry zanako, fa fahatsiarovana an\'i Soanja sisa raha misy. Saika hadinoko koa fa nampiako hoe ny antsasakin\'ny laveniko dia ambolena hazo iray mety midoroboka be dia asiana banc eo akaikin\'ny ka afaka mipetraka eo izay olona reraky ny fiakaram-be miakatra amin\'ilay tendrombohitra avobe. Ny vadiko efa maharaka an\'io tsara dia efa voasoratra sy votombokasem-panjakana, fa tampoka tamin\'ny fianakaviako ny nilazako an\'io dia gaga be ry zareo.

Pissoa> io hafatro io dia tsy misy guarantee n\'inona n\'inona fa izay no mba faniriako. Fa izay hanaovana ahy rehefa lasa ahy dia mety avokoa, tsy ananako control intsony izany. Ny hany fantatro fotsiny dia fantatro ny vadiko ary matoky azy mandrakizay aho dia sambatra aho.
18. Fiffi ( 06/09/2006 06:15)
gaga be ry zareo satria ny gasy ohatran'ny hoe tsy tia miresaka fahafatesana zany indrindra ny resaka hoe rehefa na raha maty aho .
19. pissoa ( 06/09/2006 07:04)
Soanja, justement io no tiako hahatongavana. Raha izaho manokana, dia tsy nifidy ny haha-be eritreritra sy hampalahelo ny olona "tiako" (amin'ny zavatra tsy dia manan-danja loatra, amiko) na mbola velona aho (hoe marary angaha Pissoa) na rehefa maty aho (hoe sao tsy sambatra izy fa tsy tanteraka le flirony kely be dia be) :roll:
20. vale ( 06/09/2006 16:02)
fiffi::-w ,mahagaga ahy izany:roll:,dia nefa be mihintsy ny gasy reko miresaka an'io !! na any @ boky na any @ tantara @ radio,,,:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1378