Raha hofaty aho!
21. vale
(
06/09/2006 16:05)
Fiffi:
Mampatsiaro ahy ny hiran'ny Mahaleo hoe
Ny fasako ataovy eo an-drefan-tanana
Ataovy mikasika ny ila-kamory
Soraty eo ny tenin'ny fanantenana
Tsy maty aho akory fa mbola matory
Ny moron'ny rano voleo volotara
Ka jerijereo aza avela ho maina
Tarafo eo aho fa tsinjonao tsara
Tsy hiala eo aho raha tsy efa maraina
Fiffi::wink:jereo koa izao ity hiran'i mahaleo ity koa? mahagaga ahy hoe tsy zatra mahare an'izany ny gasy kah!!
22. vale
(
06/09/2006 16:11)
Simplex: nefa koa misy an'ilay hoe ny hafatry ny maty tsy azo dikaina an, dia ahoana izany?:lol:
23. soanja
(
06/09/2006 19:36)
pissoa:
Soanja, justement io no tiako hahatongavana. Raha izaho manokana, dia tsy nifidy ny haha-be eritreritra sy hampalahelo ny olona "tiako" (amin'ny zavatra tsy dia manan-danja loatra, amiko) na mbola velona aho (hoe marary angaha Pissoa) na rehefa maty aho (hoe sao tsy sambatra izy fa tsy tanteraka le flirony kely be dia be) :roll:
Fa maninona no hahabe alahelo ol e. Ianao angaha tsy mahatoky ny fitiavan'ny havanao anao no miteny an'izany?
Fantatro ny zavatra angatahiko ary tsy mangataka valala tsy antanana akory aho fa efa mipetraka daholo ny lamina.
Manan-danja amiko tokoa io matoa milaza mialoha aho saingy ny hahantanterahan'io kosa tsy ho fantatro dia izay no tsy hi-forcer-ko zavatra. Fa izay tanteraka dia tanteraka fa tsy hanagatra aho na hoe hampitondra alahelo ny havako raha tsy tanteraka io. Rehefa mahafantatra ahy tsara i Pissoa dia tsy mipetraka intsony ireo zavatra sao de sns ireo.
Possible koa anie ka maty any an-dranomasina tsy hita ny vatako mangatsiaka e na may tany anaty avion nipoaka eny ambony. Be ny possibilite tsy hahatanterahan'io fa ny mba faniriako kosa azoko lazaina tsara satria ry zareo manana ny faniriany koa.
Ny fanontaniako die hoe kolotsainatsika ve izany. Dia tena kolontsainantika tokoa rehefa nandinika aho izao mahaita ireo valintenin'ny namana ireo satria tadidiko tokoa i papanay niteny hoe ary aho entina ary izao no atao rehefa tonga izay fotoana izay. Dia izay tokoa no tanterahina.
24. pissoa
(
06/09/2006 19:56)
Soanja:
Fa maninona no hahabe alahelo ol e. Ianao angaha tsy mahatoky ny fitiavan'ny havanao anao no miteny an'izany?
Ny reaction-dry zareo naheno an'io (izay ianao ihany no nilaza azy tamiko fa zah tsy nanatrika) no nampiseho fa naha-be eritreritra na nampalahelo azy ianao ka. :-D:-D:-D
Soanja:
Dia natahoatra be ry mamanay sy ny havako fa maninn aho milaz an'io?
Soanja:Izany tokoa ve? Sao dia hoe
Fantatro ny zavatra angatahiko ary tsy mangataka valala tsy antanana akory aho fa efa mipetraka daholo ny lamina.
Possible koa anie ka maty any an-dranomasina tsy hita ny vatako mangatsiaka e na may tany anaty avion nipoaka eny ambony. Be ny possibilite tsy hahatanterahan'io fa ny mba faniriako kosa azoko lazaina tsara satria ry zareo manana ny faniriany koa.Noho izany tsy mbola eo an-tanana mihitsy le valala :-D:-D:-D
Soanja:
Manan-danja amiko tokoa io matoa milaza mialoha aho saingy ny hahantanterahan'io kosa tsy ho fantatro dia izay no tsy hi-forcer-ko zavatra. Fa izay tanteraka dia tanteraka fa tsy hanagatra aho na hoe hampitondra alahelo ny havako raha tsy tanteraka io.
Ianao no miteny an'io eto ... fa ilay hafatrao ve misy miteny hoe Raha sendra tsy tanteraka io dia aza manahy fa mbola sambatra ihany aho? Ahitsio any amin-dry zareo raha tsy nisy :-D:-D:-D
Soanja:
Ny fanontaniako die hoe kolotsainatsika ve izany.
Avereno vakiana aloha fa sao tsy io fotsiny ny fanontanian'i Soanja. :-D:-D:-D
27. booboo
(
07/09/2006 07:44)
Ianao no miteny an'io eto ... fa ilay hafatrao ve misy miteny hoe Raha sendra tsy tanteraka io dia aza manahy fa mbola sambatra ihany aho? Ahitsio any amin-dry zareo raha tsy nisy
miombon-kevitra tanteraka !
Soanja > Eritrereto ihany io tenin'i Pissoa io. T@ fianakaviako mantsy efa nisy raharaha beeee fa nametraka hafatra ilay olona fony fahavelony. Nampisavoritaka ny fianakaviana ilay izy satria ny sasany te-hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny raha, ny hafa mahita hoe manahirana ny velona zany raha atao aby, ny sasany nalahelo fa nigidraka ny fianakaviana sns.
28. naritsimba
(
07/09/2006 07:48)
safidy io tahaka ny manao didim-pananana ihany e, na iza na iza afaka manafatra tahaka an'izao ihany koa.
tsy hitako izay olana e!
tsy hitako izay olana e!
29. pissoa
(
07/09/2006 08:33)
Feheziko kely angamba ny hevitro.
Tsy haiko na fomba gasy na tsia io manafatrafatra io. Safidy koa io, ka samy manana ny safidiny ny tsirairay.
Fa rehefa manafatra, raha izaho, dia mifidy ny hafatra hampiadana sy hampihavana ny velona (Ohatra: didim-pananana raha ilaina, na io misy miteny hoe omeo ny taovako fa aza misalasala raha ilaina hamonjena olona sns) fa tsy hafatra hahabe-eritreritra azy fotsiny nefa tsy hisy akony tsara fa vao maika hampalahelo azy.
:-*:-*:-* daolo.
Tsy haiko na fomba gasy na tsia io manafatrafatra io. Safidy koa io, ka samy manana ny safidiny ny tsirairay.
Fa rehefa manafatra, raha izaho, dia mifidy ny hafatra hampiadana sy hampihavana ny velona (Ohatra: didim-pananana raha ilaina, na io misy miteny hoe omeo ny taovako fa aza misalasala raha ilaina hamonjena olona sns) fa tsy hafatra hahabe-eritreritra azy fotsiny nefa tsy hisy akony tsara fa vao maika hampalahelo azy.
:-*:-*:-* daolo.
32. soanja
(
07/09/2006 23:45)
Rafotsy:
vale:
Rafotsy: hay ve fomba avy aty ivelany io eh(lay manafatrafatra eh:wink:) fa izaho manko dia nihevitra fa fomba malagasy satria ny raiko dia nanao ohatran'io koa, aza omena tsiny fa izay no hitako koh!:wink:
Tsy manomé tsiny aky aho ry Vale !
Heveriko fa fomba avy aty ivelany satria aty no misy assurances obsèques , azo dorana ny faty na atao don !
Any Dago manko , araka ny fahatsiarovako , dia halevina ao @ fasan-drazana , dia izay !
Fa ny ahy ny Papako sy ny Mamako tsy miray fasana dia izay no nahatonga ahy hoe miaraka @ i Papa aho no halevina !
Soanja : azafady aky fa toa manimba ny sujet ndry aho a !
Rafotsy a, mbola tsy nanimba sujet indry hatramin'izay kah. :-*:-*:-*
33. fijo
(
08/09/2006 22:45)
io arakaraky ny fomba fijery azy ihany ka.tsara le manafatra mba hiomanan'ny olona raha tonga ny tokoa.saingy ndry ve tsy mahatsiaro fa manome alahelo olona??????
tsy fomba gasy mantsy ny mandoro faty.
tsy fomba gasy mantsy ny mandoro faty.
34. soanja
(
09/09/2006 00:06)
Izay ny ilazana azy mialoha amin'izay efa voamboatra ny sainy. Ry mamanay aloha tsy niteny hoe tsy mety sns. Tsy mora amin'ny Malagasy ny mihainoa izany saingy mahalala izay tokony ataony raha sanatria ka misy io fandaozana io. Ka ny ahy ilay hampisy olana mihitsy no ialako. Sarobidy amin'ny Malagasy ny famadihana. Ary tsy manome tsiny azy ireo aho raha mbola manao izany ry zareo satria izay no netindrazana ka manaja aho ary mamonjy sy manao adidy momba an'io foana. Saingy ny tenako tsy dia tiako anaovana azy io loatra. Dia izay no nahatonga ny faniriana nolazaina mialoha.
35. fijo
(
21/09/2006 21:48)
misy koa anie tsy dorana fa milaza fotsiny hoe za aza avadika e.dadanay izao tsy tia avadika.dia ao izy.
36. soanja
(
22/09/2006 23:14)
An an le manidina sy eny ambony rivotra foana eny no mahafinaritra ahy. De rehefa afaka tsara ny foko de mipetraka amin'izay tiako hipetrahana aho. Izay no maha lavenona azy.