Fanamarihana kely

1. havanan ( 21/08/2006 15:15)
Manahoana daholo,
Misy mihevitra ny olona sasany eto fa hoe mpanaraka isan'andro ny resaka eto @ forum angamba ny rehetra na koa mihevitra fa afaka ny hanketo isan'andro ny reehtra na koa angaha ohatry ny hoe ianareo any ivelan'ny madagascar ihany no mifampizara zavatra eto, fa tsy mba misy eritreritra hoe izahay aty mada anie ka liana amin'ireo zavatra lazainareo e,
Jereo anie ny zavatra nolazain'i Miangalyandria tamin'ny 02-08 -2006 e.
Tsy haiko ny hafa fa raha izaho samirery dia tsy mbola nanandrana izany salade yaourt izany, fa vao izao no hanandrana ny karazan-tsakafo vaovao hita avy eto amin'ny serasera.
Miangalyandria: koa aza atao hoe efa mahazatra izany fa ity hafa indray ... re rey olona o.
novalian'i vale ny 30/08/2006 21:27
2. Fiffi ( 21/08/2006 16:01)
havanan:
ianareo any ivelan'ny madagascar ihany no mifampizara zavatra eto, fa tsy mba misy eritreritra hoe izahay aty mada anie ka liana amin'ireo zavatra lazainareo e,
:roll::roll: zany ve akia ? anjekaky ooo :{:{:{ nefa ange ity serasera ity de natokana ho antsika Malagasy tsy misy fanakavahana sy eran-tany an!
Zah kosa aloha de liana @ zavatra rehetra lazain'ny rehetra na aiza no misy azy na aiza an! :)


3. Fanja1 ( 21/08/2006 17:28)
aza hakasarotana wa ty fiainana fa alaivo mora fotsiny, sera² ho any malagasy erantany, hifampizaran'ny rehetra na aiza na aiza misy azy fa tsy we ho any dago rery na ho an'ny any ivelany rery. Ny eto tsiki de ampy:-*:-*
4. pissoa ( 21/08/2006 18:18)
Fanja - raha naka sarotra kosa angamba izy dia tsy nataony hoe Fanamarihana kely ny lohanteny fa nataony zavatra hafa kokoa e :-*

Misy fahamarinany ny tenin'i Havanan. Tsy resaka sakafo fotsiny - fa amin'ny ankapobeny mihitsy.

Ohatra:

# Hita any anaty dinika any ny hoe ka izy aza tsy niverina intsony koa (i pissoa efa niteny an'io :oops::-D:-D:-D) - nefa ilay dinika kay vao ny omaly no napetrany, ary izy tsy afaka mandalo androany.

# Ny fivadiky ny resaka. Misy miteny hoe efa nazava efa ela be ny resaka ... misy nefa tsy afaka nahita raha tsy 2 andro tao aoriana.

# Ny resaka sakafo efa noteneniny io

# sns.

Tsy hita hifanomezan-tsiny nefa satria tsy isan'andro ny tsirairay (na ny eto isan'andro - na ny eto tsy isan'andro) no mahatsinjo ny olona rehetra. Mety mahatsinjo ny tena sy ny sasantsasany, fa tsy mahatsinjo ny olon-drehetra.

Dia aleo atao hoe ezaka no atao e - dia :) ony.
5. mandrindra ( 21/08/2006 18:30)
pissoaaaaako, miombokevitra aminao aho eeee:wink:
6. xxx ( 21/08/2006 19:14)
misy resaka fialonana kely koa angamba ao anatiny zany hoe ny avy aty an dafy afaka mijery isan andro fa ny any dago tsy afaka! tsy haiko aloha??
7. Fiffi ( 21/08/2006 19:15)
:) de ampy !
8. booboo ( 21/08/2006 20:10)
dia asio motika @ zay aza fefa mitsikitsiky aby zany
9. soanja ( 21/08/2006 23:11)
havanan:

Manahoana daholo,
Misy mihevitra ny olona sasany eto fa hoe mpanaraka isan'andro ny resaka eto @ forum angamba ny rehetra na koa mihevitra fa afaka ny hanketo isan'andro ny reehtra na koa angaha ohatry ny hoe ianareo any ivelan'ny madagascar ihany no mifampizara zavatra eto, fa tsy mba misy eritreritra hoe izahay aty mada anie ka liana amin'ireo zavatra lazainareo e,
Jereo anie ny zavatra nolazain'i Miangalyandria tamin'ny 02-08 -2006 e.
Tsy haiko ny hafa fa raha izaho samirery dia tsy mbola nanandrana izany salade yaourt izany, fa vao izao no hanandrana ny karazan-tsakafo vaovao hita avy eto amin'ny serasera.
Miangalyandria: koa aza atao hoe efa mahazatra izany fa ity hafa indray ... re rey olona o.


Mazava be mihitsy ny tenin'i havanan. Tena matetika tokoa dia varimbariana amin'izany izahay aty an-dafy hoe "efa samy mahafantatra an'io sakafo io daholo na io resaka io daholo" fa marina ny an dry fa na izahay aty koa aza indraindray tsy mahafantatra satria samy hafa koa ny tany misy sy ny fitenenana, indrindra moa ny anaran-tsakafo. Amin'ny manaraka izany dia ezahina tadididna foana hoe efa mpihinana an'io ve isika tany Mada na hoe misy an'io karazan-tsakafo io ve any sns.
Ny teny dia atsipy amin'ny manam-panahy e. Misaotra mampatsiahy.


10. vale ( 22/08/2006 00:34)
havanan> :)za kosa aloha dia mahatsiaro foana hoe internet ity ka hita maneran-tany , ary an,ny malagasy rehetra n'aiza n'aiza, fa ny teniny miangaly andria aloha tena tsy azoko zay tiany lazaina :roll:fa azafady, fa zah manokana alou raha mangataka re7 eto tsy hoe re7 gasy ihany na vazah ihany e, ianareo mba mipetraka any antoerana any aza no tena ilaina eto indray2 @ resaka sakafo satria manina ohatra dia tsy maintsy ny tena no manao vao mba mihinana e, satry tsy misy ny afaka vidiana!

Ary mba tsikaritro koa nefa maninona hoa tsy mba misy mangataka re7 vahiny ny avy any mada sa ve ratsy be lay izy? ny tanintsika anie nosy e, nefa asa?,, :)aza atao matezitra mintsy fa nyahy aloh zay hitako fa tsara de hianarako e:roll:, na gasy io na vahiny, ary sanatry tsy hoe manadino hoe an,ny aty ivelany izany ihany izay aty (za manokana aloh an) internet ty hoa ka mitombina hoe samy maneho ny heviny eto dôly ny malagasy avy @ vazan-tany 4, fa aza mieritreritra be izany, zay aloha ny amiko manonkana an!:)

Dia ahitsiko kely kosa xx miteny hoe mialona, fa ny aty ivelany etc, afaka miditra e, na,,,,, satria tsy niteny an,zany kosa izy e!!
>>na aty ivelany aza de mcar tsy hadino zany aloha e in ny aleha eto:lol::-D:-D:°), ary tsy hitako ze ialonany @ zany reh re ol fa mba misedra problema koa anie ny ol aty ka asa eh,moramora angaha zany ol hoe mipetraka @ étage tsy manana tokontany e, na koa hoe rotoroto lava etc,, angaha rehefa hoe andafy dia hoe tongalafatra? misy foana ny mety sy tsy mety n'aiza, n'aiza koh! mba te hitaingina ny sôvalin'antsirabe ohatra, aty nefa tsy mora fa any mpanana zany, ets:cry::cry::cry:
11. andry08 ( 22/08/2006 12:19)
Amiko dia tsy misy olana ny @ io satria maka izay mety hatao sy izay tiana ka na dia hasehon'ny olona aza fa misy zavatra hafa vaovao koa maninona raha manandrana raha misy ny fahafahana manao toa izay hoe r7nareo any na aroa, ary ny yaourt anie ka nisy any dago e!
Marina fa tsy hoan'ny olona aty ivelany ihany ny serasera fa aza dia sendoatra toa io! Mifampizara ny olona ka na dia herin'andro ao aoriana aza vao hita dia mahafaly! Tsiky dia ampy!:):):)
12. Fiffi ( 22/08/2006 18:00)
zah kosa aloha de tena tsy mba nahatsikaritra an'zany lazainareo zany an! sady @ fomba ahoana moa no hahafantarana hoe avy aiza le olona ? sa ve tondé andeha hijery ny momba azy aloha alohan'ny hamaliana ny dinika ? :roll:
13. Rafotsy ( 23/08/2006 06:41)
Vao nijery ny message n'i miangaly aho , fa tsy hitako loatra ilay blem , satria ve izy niteny hoe danone sy grany ? Io ve ilay izy aloha sa zah no diso ?
Azoko izy raha manomé marque satria sure aho fa efa nanandrana t@ pomme hafa na yahourt hafa izy , ary hitany fa ny grany sy danone no tsaratsara kokoa ary mizara fotsiny izy mba tonga isika aty aoriana dia mba hanao ny milafatra !
14. andry08 ( 23/08/2006 11:51)
Mandray izay takatra re e!Tsotra sady tsy manindrona na mankarary re e! Fifandraisana anie no hatao e! Misy ny mizara dia misy ny mandray izay tandrify azy.
:):)
15. vale ( 23/08/2006 12:12)
Rafotsy ah, toa tsy lay resaka grany na danone mihintsy fa namaky koa aho dia lay hoe "tsy haiko ny hafa na" io no mety nahatonga an'i havanan nahatsikaritra "hevitre hafa" :?:
16. Rafotsy ( 23/08/2006 12:46)
vale:

Rafotsy ah, toa tsy lay resaka grany na danone mihintsy fa namaky koa aho dia lay hoe "tsy haiko ny hafa na" io no mety nahatonga an'i havanan nahatsikaritra "hevitre hafa" :?:


Dia tsy haiko marina aky izany ! Fifanakalozana marina anie ny eto ka raisina izay mahasoa e ! Hanao recherche aza atao !:-*:-*:-*
17. vale ( 24/08/2006 00:04)
Tongasoa alou Rafotsy:D:-*:-*, nahafinaritra ve ny vakansa? ka izay indrindra manko, za aloha an, dia tena manararaotra mihintsy manontany izy tsy fantatro eto e, zara aza misy site gasy toy izao koh, dia raha misy re7 vahiny koa dia manontany aho koh, araraotina ny fahazoana fahalalàna fa tsy tokony asiana eritreritra hafa zany, asa??? mety misy ngamba ve matin-kambo ohatra ny hizarainy re7 eto? na koa te hizesta, ny ahy aloha raha misy mila fanampiana ka mba ao @ le kely haiko dia valiko izy e, normaly zany, ary za koa anisan'ny mpangataka, donky raha vao afangaro frime na zvt hafa lay izy dia izay no manafin-tohana ny hafa!(l)
18. Rafotsy ( 24/08/2006 06:16)
vale:

Tongasoa alou Rafotsy:D:-*:-*, nahafinaritra ve ny vakansa?


Misaotra aky a ! Nahafinaritra tsara na dia bé orana sy nangatsiaka aza e ! Voatery nividy coupe vent e !:-D :-D :-*
19. vale ( 24/08/2006 14:37)
:-D:-D:-D:-*:-*
20. dadin ( 28/08/2006 07:18)
sali, ianareo vehivavy ireto tena mpanasaro-javatra mihitsy, mba avereno vakio ny resaka napetrak'i havanan, ary jereo tsara koa ny nolazain'i miangaly andria, ao amin'ny lohahevitra : salade yaourt.
Ianareo ihany milaza fa natao ho an'ny gasy rehetra izy ity, donc samia manao ezaka rehefa manoratra eto mba tsy toy ny miresaka @ olona 2-3 ianareo. Indray2 ny resaka eto dia toa miafara @ resak'olon-2 na 3, toy ny hoe resa-pianakaviana koa aza no iafaran'ny dinika. Hafahafa ihany e, samia mandinika o!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4797