Notanana ampon ja i David Rajon

1. ravatorano ( 18/08/2006 05:40)
Fanodinkodinam-bolam-panjakana
Notanana am-ponja i Davida Rajaon
Vola be tsy hita noanoa mitentina 6,2 miliara ariary no nahodinkodina teo anivon'ny tetik'asa Fid izay nitarika ny fitanana am-ponja ny tale jeneraliny teo aloha, Davida Rajaon.

Davida Rajaon, tale jeneraly teo aloha an’ny Fid.
Eny amin'ny fonjan'Antanimora ankehitriny ny talen'ny Fid (Fonds d'intervention pour le développement) teo aloha, Davida Rajaon. Raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana teo anivon'ity tetik'asa notantanany ity izay mitentina hatrany amin'ny 6,2 miliara ariary no nahavoarohirohy azy tamin'izany.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha rehefa avy nandalo famotorana teo anivon'ny zandarimariam-pirenena.
Anisany notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora niaraka taminy ihany koa tamin'ity raharaha ity ilay vehivavy iray mpiara-miombon'antoka aminy tao amin'ilay orinasa “Hexapor Madagascar” natsangany. Marihina fa olona enina izy no indray voarohirohy tamin'izao raharaha izao, natolotra ny Fampanoavana, omaly. Nahazo fahafahana vonjimaika ireo olona efatra ambiny.
Adiny folo ngarangidina no niatrehan'ity tompon'andraikitry ny Fid teo aloha ity sy ireo namany, ny famotorana azy. Nanomboka tamin'ny 8 ora maraina mantsy izy ireo no efa tazana teny anivon'ny Fampanoavana ary tamin'ny sivy ora alina vao vita tanteraka izany. Adiny iray talohan'io no niakarany teo anivon'ny mpitsara mpanao famotorana ary taorian'izay no nivoaka ny didy famonjana azy.
Raha ny vaovao azo manodidina ity raharaha ity dia avy amin'ilay zana-tetik'asa teo anivon'ny EPT (éducation pour tous) nentina nananganana sekoly sy ny trano fonenan'ny mpampianatra izay vatsian'ny banky iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny Fid no nahatarafana an'ity fanodinkodinam-bola ity.

Sekoly
Vola mitentina 33,6 miliara ariary no voalaza fa indray navoaka tamin'izany hananganana ireo sekoly miisa 1400 sy trano fonenan'ny mpampianatra 110. Ary dia hitan'ireo mpanao fanadihadiana taratra tao anatin'izany ny fahabangan'ny vola mitentina 6,2 miliara ariary.
Ny orinasa “Hexapor Madagascar” izay tsy hafa fa an'ity talen'ny Fid teo aloha ity ihany ary niarahany niombon'antoka ihany koa tamin'ilay vehivavy iray notanana am-ponja niaraka taminy, no nandray ny antoka tamin'ny fanatanterahana ny asa. Ary izay no nahatafiditra ity orinasa ity tamin'izao raharaha izao. Ankoatra ity vehivavy mpiara-miombon'antoka aminy mantsy dia anisan'ireo voarohirohy ihany koa ireo mpitantana ny orinasa na ny teo aloha na ny vaovao.
Teny anivon'ny Bianco no niainga ny fanadihadiana ity raharaha ity. Niampita teny amin'ny IGE (inspection générale de l'Etat) ary ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny “brigade spéciale” ao aminy no namarana azy.
Marihina fa ny 16 mey teo nametraka ny taratasy fialany tsy ho talen'ny Fid intsony i Davida Rajaon ary ny 18 mey izany no nankatoavina taorian'ny fivorian'ny filankevi-pitantanan'ny Fid.

Nirina Rakotoson
Date : 18-08-2006
l'express de madagascar
novalian'i dibbah ny 09/05/2008 16:07
2. ravatorano ( 18/08/2006 05:48)
Ho anareo izay tsy mahalala an Ingahy David Rajon dia efa minitry ny industrie,commerce,developpement secteur privé tamin ny mai 2002 - lasa chiueff of staff izy ny taona 2003 ary dia nihozongozona ny toerany taminireny resaka fividianana fiara anakiroa nolazaina fa hitondra ny vahiny tamin ny 26/06/03.Ny vola jolay 2003 izy no nandao ilay toerany ary dia notendrena indray ho DG ny FID (Fonfd d'Intervention pour le Développement) ary koa DG ny organe d'éxécution du programme gouvernementale izay ny Banque Mondiale no mamatsy vola izany ary dia efa nanao fialana moa iz*y tamin io ny 16mai 2006.

Source express de mada du 18/08/06
3. LazaDaddy ( 18/08/2006 06:23)
ny mahatorotoro ny foko dia izao:

raha tanana am-ponja daholo - tsy misy ankanavaka - izay manodikodim-bola rehetra, dia ho lasa fonja avokoa izay mety ho tranom-panjakana manerana ny nosy
4. miangalyandria ( 18/08/2006 07:05)
ka raha ny trondro vaventy no mba tratra maninona moa ry lazadaddy ! taloha anie toa ny mpangalatra akoho foana no nameno ny fonja e !
5. hery ( 18/08/2006 07:06)
Misy mitady hanan-karena tampoka kosa izy izany.
Nihaiky ny heloka nataony ve ranamana?
Ny olana amin'ireny koa mantsy dia na tsy ianao aza no tena nihinana ny vola dia responsable foana.
Tokony hojerena akaiky hoe nitombo tampoka ve ny hareny (nividy villa, tany sns)
6. LazaDaddy ( 18/08/2006 07:56)
miangalyandria:
ka raha ny trondro vaventy no mba tratra maninona moa ry lazadaddy ! taloha anie toa ny mpangalatra akoho foana no nameno ny fonja e!
Ireny tokoa ve ny vaventy? Noheveriko fa misy vaventy noho ireny :-$ Kanefa toa ho lasa fonja i Madagasikara iray manontolo raha toa ka saziana avokoa izay meloka o^o


7. Fiffi ( 18/08/2006 07:56)
gravy kosa aloha io fanodikodihana volam-bahoaka io an! Aiza moa no tsy hahantra ny firenena ?
Marina aloha io lazainao io ry Hery hoe na tsy ianao aza no responsable ! ka @ maha responsable azy de tokony izy no hitandro ny filaminana mba tsy hisian'ny ireny mpanodikodina ireny ! ka afaka tsara koh izy avy eo mampiseho fa tsy avy aminy ny halatra!
Fa raha tkoa ka nahazo trano tampoka teo de ao raha...
8. zefa ( 18/08/2006 08:26)
ny ahy zao ny mahamaika ahy sy faniriako de ny hoe tafaverina ve le vola sa efa voazarazara any @ reo tapaka sy namana satria raha migadra fotsiny izy de mangirifiry ny malagasy koa mangirifiry fa very vola
de 2be zao no mangirifiry nefa ny tanjona de ny tsy hisian ny fangirifiriana koa amiko de tokony tadiavina faran izay maika koa ny vola sao efa laasa rano
misy mantsy manodikodina vola izy sady efa mivonona ny higadra avy eo mitavana ny harena maloto avyeo
9. ravatorano ( 18/08/2006 09:59)
ny vola anie zany efa voazara e ary raha ny fahalalako azyu dia noho io antony io no nahatopnga an Ingahy Rajon david nanao demission tamin ny volana mai ka tsy haiko na izy no responsable na hoe nanao sonia anjambany tazmin ny namoahana ny vola na aohana.
Ny hoe nahavita trano na nitombo harena hafa aloha d tsy haiko fa ny siosio d toa hoe manana villa mlay b ono lery eny andoharanofotsy eny nefa azo hamarinina v fa noho io antony io no nahazahoany an izany
D maindry zé vavao manaraka momba azy io aloha fa ny ankamaroan ny mpandala ny politika sy ny nahafantatra an i ralery d tena gaga ary taloanjona hoe fa aoana kle satria lery mba olona nitokisana ihany sady anisan ny tanakavan ingahy raprezy !
:roll::roll::roll::roll:
10. eprom ( 18/08/2006 12:03)
Fanitsiana kely aloha amin'izay voalazan'ny Gazety : marina fa DG ny Fid lery saingy ny vola voahodina de ny volan'ny EPT ( volan'ny ministeran'ny fampianarana) izay misaraka tanteraka amin'ny volan'ny Fid ( vatsian'ny BM). PCA moa no andraikiny tao @ EPT no sady coordonateur national. Le sipa niara voatana taminy moa de tsy hafa fa sipany( nefa lery miseho ho sarotiny @ resaka sipa ampiasana, tssss...). Io no mpitantana ny hexaport izay azy roa ihany moa izany. Io hexaport io no mamatsy fitaovana ny EPT ary dia lasan'io daholo moa izany ny volan'ny Ept. Marihina moa fa trano prefabrique no ataon'ny Ept ka ny singa rehetra ( afatsy ny fototra simenitra) de afarana daholo ka io Hexaport io izany no mpanafatra. Ny zava misy moa izany izao de misy betsaka ireny trano namboarin'ny Ept ireny no tsy vita satria tsy tonga ny singa sasantsasany.
11. malalatinasoa ( 18/08/2006 13:47)
Ny henoko indray dia hoe resaka politika be ilay izy. Ary tsy izy irery no voarohirohy fa izy aloha no hita nanao sonia sy azo gadraina mivantana dia tsy maintsy miantoka. Tena lasa nanan-karena tampoka ve izy? ankoatry ny karamany izay tsy kely akory? sa aiza izao ireo vola be ireo, ny tahiry efa tsy azo kitihana rahateo?

Evidemment, ny atidoha ao ambadika nihinana ny vola tsy igadra mihintsy. Mbola any madagasikara mantsy isika izao. Manahirana izy ity.

12. xxx ( 18/08/2006 14:09)
Sô de mba tsy nahatanty intsony ny pression avy any amin'i Dada aloha lery @ faneriterena hoe "avoahy ny vola" de ni-démission; de tsy tantin'i Dada iny de hozizy hoe "elah zany miseho ho be loha tsy manaraka izay didiko? mahatantesa fa halentiko h@ farany"; tô betsaka ihany manko ny marchés azon'ny SAF/FJKM financer-n'ny FID izay ka asa....
13. Herimiafina ( 18/08/2006 19:26)
Tsy misy resaka ambadika politika ary tsy misy idiran'ny SAF/FJKM no sady tsy misy atidoha ambadika miketrika io raharaha io.
Izay manodikodina dia gadraina ary tsy asiana fanazavana ambadika na ampifandraisina amin'ny resaka fifidianana.
Tokony henjehina koa ireo entreprise fantome be dia be miara-mitsetritra tao ary nampiasa ny CV-nay mpianatra fahiny, un point c'est tout!
14. fijo ( 18/08/2006 19:45)
za dia tsotra ny hevitro,matoa misy fanadiadiana ,dia nisy zavatra tsapa,ka aleo ny fitsarana anao ny asany aloha,fa ho hita eo ihany izay tena nihinana
15. fens ( 19/08/2006 04:32)
De maromaro ny ohatra an'iny le! tsy handroso ihany ve isika ra ho foana ihany io e! (je rêve):roll::-@:-@
16. Fiffi ( 19/08/2006 08:05)
mihombon-kevitra @ io fijo!
17. eprom ( 19/08/2006 08:39)
Tsisy resaka Saf Fjkm io na resaka pôlitika raha ny fahalalako azy. Ny fitoriana mantsy de avy ao amin'ny Ept no niainga. Izany hoe nisy tsy nahatanty ny fomban'ny leiry tao de nitory ny farany. Mahalala ny aty vilany io mpitory io ka tena mavesatra ny dosie vitany.
Herimiafina > Sarotra be no ilazana hoe fantôme ireny orinasa ireny satria manana karatra sy voasoratra ara-panjakana daholo izy ireny. ( ept no resahiko an). Ny CV indray de tsy misy dikany raha tsy ampian'ny diploma ary de mampalahelo fa be tokoa no mampiasa ireny tsy fantatry ny tompony akory. Ny fanafodiny de izao : tsy azo atao ny manome ny diploma raha tsy efa voaray hiasa ianao.
18. toovs ( 19/08/2006 11:36)
ravatorano:

Fanodinkodinam-bolam-panjakana
Notanana am-ponja i Davida Rajaon
Vola be tsy hita noanoa mitentina 6,2 miliara ariary no nahodinkodina teo anivon'ny tetik'asa Fid izay nitarika ny fitanana am-ponja ny tale jeneraliny teo aloha, Davida Rajaon.

Davida Rajaon, tale jeneraly teo aloha an’ny Fid.
Eny amin'ny fonjan'Antanimora ankehitriny ny talen'ny Fid (Fonds d'intervention pour le développement) teo aloha, Davida Rajaon. Raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana teo anivon'ity tetik'asa notantanany ity izay mitentina hatrany amin'ny 6,2 miliara ariary no nahavoarohirohy azy tamin'izany.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha rehefa avy nandalo famotorana teo anivon'ny zandarimariam-pirenena.
Anisany notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora niaraka taminy ihany koa tamin'ity raharaha ity ilay vehivavy iray mpiara-miombon'antoka aminy tao amin'ilay orinasa “Hexapor Madagascar” natsangany. Marihina fa olona enina izy no indray voarohirohy tamin'izao raharaha izao, natolotra ny Fampanoavana, omaly. Nahazo fahafahana vonjimaika ireo olona efatra ambiny.
Adiny folo ngarangidina no niatrehan'ity tompon'andraikitry ny Fid teo aloha ity sy ireo namany, ny famotorana azy. Nanomboka tamin'ny 8 ora maraina mantsy izy ireo no efa tazana teny anivon'ny Fampanoavana ary tamin'ny sivy ora alina vao vita tanteraka izany. Adiny iray talohan'io no niakarany teo anivon'ny mpitsara mpanao famotorana ary taorian'izay no nivoaka ny didy famonjana azy.
Raha ny vaovao azo manodidina ity raharaha ity dia avy amin'ilay zana-tetik'asa teo anivon'ny EPT (éducation pour tous) nentina nananganana sekoly sy ny trano fonenan'ny mpampianatra izay vatsian'ny banky iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny Fid no nahatarafana an'ity fanodinkodinam-bola ity.

Sekoly
Vola mitentina 33,6 miliara ariary no voalaza fa indray navoaka tamin'izany hananganana ireo sekoly miisa 1400 sy trano fonenan'ny mpampianatra 110. Ary dia hitan'ireo mpanao fanadihadiana taratra tao anatin'izany ny fahabangan'ny vola mitentina 6,2 miliara ariary.
Ny orinasa “Hexapor Madagascar” izay tsy hafa fa an'ity talen'ny Fid teo aloha ity ihany ary niarahany niombon'antoka ihany koa tamin'ilay vehivavy iray notanana am-ponja niaraka taminy, no nandray ny antoka tamin'ny fanatanterahana ny asa. Ary izay no nahatafiditra ity orinasa ity tamin'izao raharaha izao. Ankoatra ity vehivavy mpiara-miombon'antoka aminy mantsy dia anisan'ireo voarohirohy ihany koa ireo mpitantana ny orinasa na ny teo aloha na ny vaovao.
Teny anivon'ny Bianco no niainga ny fanadihadiana ity raharaha ity. Niampita teny amin'ny IGE (inspection générale de l'Etat) ary ny zandarimariam-pirenena tamin'ny alalan'ny “brigade spéciale” ao aminy no namarana azy.
Marihina fa ny 16 mey teo nametraka ny taratasy fialany tsy ho talen'ny Fid intsony i Davida Rajaon ary ny 18 mey izany no nankatoavina taorian'ny fivorian'ny filankevi-pitantanan'ny Fid.

Nirina Rakotoson
Date : 18-08-2006
l'express de madagascar



fa maninona moa raha tsy tanana amponja fa asaina merimbola miaraka amin'ny saziny e. tokony asaina mivaro-pananana mihitsy izay tratra fa tena tsy rariny. avy eo ange ireny refa mivoaka ny fonja de de mbola manambola ihany satria izay vao avoakany ny vola nafeniny e. nga iny hapetrany any am banky. tsy maintsy afeniny iny aloha
19. malalatinasoa ( 19/08/2006 12:05)
Hoy ny Tribune de Madagascar
Après l’incarcération de Davida Rajaona

Frustration du camp présidentiel

Accusé de détournement de biens publics, l’ancien directeur général du FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) Davida Rajaon, est provisoirement détenu à la maison centrale d’Antanimora, depuis jeudi soir. Cette incarcération de l’ancien bras droit du chef de l’Etat Ravalomanana Marc (Chief of staff de la Présidence) et la condamnation à un an d’emprisonnement ferme de l’ancien directeur général des impôts et non moins conseiller fiscal de l’entreprise Tiko, Jonah Andriambololona, ont provoqué un remous au sein de la majorité présidentielle. Un haut responsable nous a confié hier que “personne n’est à l’abri d’une arrestation alors que nous avons reçu des ordres verbaux “. Crainte compréhensible dans le camp des partisans du régime. Car, bon nombre d’entre eux se sentent menacés et risquent d’être jetés un jour en prison. Le président n’hésite pas à se débarasser de ses proches après avoir accompli leurs “missions“.
Outre ces deux familiers, les Pety Rakotoniaina, Zazah Ramandimbiarison, Mamizara Jules, Général Andrianafidisoa...ont été remerciés par le locataire d’Ambohitsorohitra pour des raisons inconnues ou insuffisamment convaincantes. A l’heure actuelle, les “bons exécutants“ dorment sur le fil du rasoir.
19/08/06 - Alphonse M.



Enga anie ka hanao ny asany @ fahamarinana ny fitsarana. Ho meloka izay tena maloka rehetra, tsy misy fanavakavahana na kely na lehibe.
Indrisy fa toa hijanona ho nofy ihany anefa :(.



20. ninonati ( 19/08/2006 17:07)
Zay le sentimaka izay foana no mampiesona antsik\'eto foana . Rehefa voa aloha de manefa e raha hanao vinany foana ve ny vaventy na tsy hanana reflexe amin\'izay ataony kanefa tsy hadinina amin\'izany tsy ho gaigy ny mahazo ny vahoaka . Milay ihany aloha le hoe tsy misy izany tsy maty manota izany intsony e . Fa zanak\'iza na taranak\'iza nahavita soa ho an\'ny tanindrazana moa ry zalahy ireny no ho tsy maty manot\'e i Trimofoloalina aza anie anarana sisa e fa izay taranany tsy hita intsony. izay diso rangahy aleo hihitsy ary ny lesoka aleo harenina mba handeha le tena fiainam-bahoaka satria izay fitsinjovana ny vahoaka izay no tsy nisy teto ka nampijaly ny teto an-tanana e.Aza hadino ny tantara fa ingahy Tsiranana anie na dia be vinany aza nahalala ny ho an\'ny vahoak\'e =D:-@:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9547