Tsy maintsy ateraky ny rano

1. mbelotavao ( 17/08/2006 02:49)
Hoy J.K (Jao3:5)
Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny fanahy dia tsy mahazo miditra @ fanjakan'Atra.
Ny resaka momba ny Batisa izany no tiako resahina eto satria izay mino sy atao batisa no ho vonjena.
Tokony MISITRIKA any anaty rano izany ny batisa marina e?
novalian'i prime ny 04/09/2006 10:32
2. Fiffi ( 17/08/2006 05:05)
mbelotavao:
Tokony MISITRIKA any anaty rano izany ny batisa marina e?
mbelotavao: inona aloha no tianao lazaina @ le hoe batisa marina ?Satria tsy mbola naheno zah hoe misy batisa tsy marina fa raha ny fahafantarako azy aloha de ny batisa de izay fomba hanaovanao azy hiany rehefa feno finoana enao ! T@ Jesoa natao batisa , tsy tany am-piangonana no nanaovana ny batisany fa ny antsika kosa any am-piangonana!
Tadidiko efa ela be zay , tsy katolika , tsy protestante fa inona moa izy zay fa nanatsika batisan'ny namako zah de ny an'ry zareo tena misitsika anaty rano .
Fa ny finoana hiany no mitondra an'io.


3. prime ( 17/08/2006 06:01)
Raha ny hevitro dia ny finoana no voalohany ary tena antoky ny famonjena... Ny batisa dia lehibe ihany koa satria sady antoka omen'Andriamanitra ny mino no famantarana rahateo (tombokase) hoan'izay voavonjy...
Ny ankoatr'izay dia fomba sisa...
Ny abtisan'ny fanahy aza mbola manana heviny lehibe koa... hatreo aloha...
4. prime ( 17/08/2006 06:01)
batisa azfd fa tsy abtisa, ifonana e...
5. Fiffi ( 17/08/2006 06:08)
prime: zay indrindra manko ! Tsy misy afatsin'ny finoana hiany no hahavotra anao!
6. LazaDaddy ( 17/08/2006 06:11)
prime> sao dia finoana fa tsy ifonana koa? :lol: Tsy dia misy lanjany amiko loatra ny "fombafomba" @ batisa satria "fombafomba" ivelany. Ny toe-panahin'izay manolo-tena ho amin'ny batisa no heveriko fa lehibe indrindra :)
7. prime ( 17/08/2006 06:42)
LD> (sa moa LazaRandria?!!!):-D
Ny mpino sahy manambara ny finoany ka manaiky hatao batisa dia efa dingana lehibe hiroso @ famonjena... ny asitrika rano sy tsy asitrika dia efa miditra fampianaram-pinoana ka hafa mihitsy no tokony itondràna ny adihevitra...
8. LazaDaddy ( 17/08/2006 06:48)
prime> io mba fohifohy fa tsy misongadina be ao @ annuaire e! :lol:
9. prime ( 17/08/2006 06:54)
hay anaty annuaire mihitsy an...:lol::-D:-D
azfd, mitady lasa hivily ny resako...:°)
10. miangalyandria ( 17/08/2006 07:27)
ary raha tato am-poko aho no vita batisa fa tsy teny ivelany dia tsy valable ve ?
11. LazaDaddy ( 17/08/2006 07:34)
miangalyandria:
ary raha tato am-poko aho no vita batisa fa tsy teny ivelany dia tsy valable ve ?
Raha mino tanteraka an'i Jesoa ve ianao dia ho vitanao ny hitazona izany ao am-po fa tsy zaraina @ hafa? :-*
12. prime ( 17/08/2006 07:38)
Ny hoe valable na tsia, tsy hisy afaka hiteny eto fa Andriamanitra irery no afaka hamaly izany... Fa ny lazain'ny soratra masina dia tsy maintsy eo imason'ny olona kosa aloha no anaovana batisa, satria tsy ilay olona manolon-tena ihany no mandray antoka fa ny manodidina eo koa dia vavolombelona hitan'Andriamanitra tompon'andraikitra mitovy @ ilay nanolon-tena... ka rehefa tonga ilay andro iray tsy misy afaka hiteny eo hoe an3, ingahy rainy no te-hivadika @ fanekena nataony sy ny batisa vita taminy... fa ho voaadina avokoa ny vavolombelona hoe dia inona no nataonao mba iverenany tao am-bala?...
13. diamondra27 ( 17/08/2006 09:07)
raha resaka batisa dia marina fa misy ny batisan'ny rano ary misy ny batisan'ny Fanahy Masina

Momba ny famonjena indray dia lalana TOKANA no ahazoana famonjena: de izay mandray an'i Jesosy sy manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ihany JAONA 14:6

ny zavatra hafa rehetra de fombafomba daholo , étapes lalovana miandalana satria izay ilay hoe: manara-dia an'i Kristy rehefa avy nanaiky an'i Kristy Jesosy
14. diamondra27 ( 17/08/2006 09:14)
hiditra @izay momba ny batisan'ny rano aho rehefa avy nandray an'i Jesosy Kristy le olona ...

Ny batisan'ny rano de midika fa symbole hoe: niara-nilevona tao anatin'iny rano iny ny otanao, ka manomboka eo ianao de olombaovao afaka mi-engager hanompo ny Tompo, nanenina t@ fahotana vitanao. Izay no mahatonga azy hoe: olondehibe no atao batisa= olona conscient @ zavatra hataony

Raha batisa (zaza)indray de fitsOfa-ndrano no ilazàna azy satria ny zaza mbola tsy afaka mandray engagement @iny izy atao batisa iny fa présentation @ fiangonana no ilazàna azy.

de izay no mahatonga ny katolika hanao confirmation sy ny sisa kominio solonela...fa tsy iny batisa iny ihany de ampy hahavonjy.

15. pissoa ( 17/08/2006 10:32)
de izay no mahatonga ny katolika hanao confirmation sy ny sisa kominio solonela...fa tsy iny batisa iny ihany de ampy hahavonjy.
:-D:-D:-D:-D:-D
16. prime ( 17/08/2006 10:45)
pissoa> :-D fa toa tolaky ny hehy b mihits e...:wink:
17. lila ( 17/08/2006 10:48)
amiko indray ny batisa dia antoka mahavonjy tanteraka satria io no tombokasen'ny zanak'Andriamanitra. zany oe raha olondehibe no atao batisa ny dikany dia manolontena izy, mandray ilay famonjena ho isan'ny zanak'Andriamanitra, raha zaza kosa izy no atolotra amin'ny batisa dia zanak'olona resy lahatra ka manolotra ny ankohonany ho an'Andriamanitra, fa avy eo ilay zaza tezaina araka an'Andriamanitra sy manamafy (confirmer) ilay fanolorantenany amin'ny confirmation rahatrizay tonga saina izy. mbola resaka lavabe io ra tena alalinina fa ny baiboly dia mangataka ny mino rehetra hatao batisa dia izy tenany sy ny ankohonany.
18. pissoa ( 17/08/2006 10:50)
prime - ka misy mampime dia mba tolaky ny hehy e :-D:-D:-D:-D:-D
19. prime ( 17/08/2006 11:07)
In le mampme e???:-D:-D:-D
20. diamondra27 ( 17/08/2006 11:11)
lila: ie lava be fa aza kivy mampahafantatra ilay izy ho an'izay mbola tsy mahalala e!
omena anao ny fitenenana
dia misaotra anao nanamafy etsy ambony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084