Tsy maintsy ateraky ny rano

41. mbelotavao ( 30/08/2006 17:43)
Ny fomba fanatanterahana ny Batisa mihitsy no tiako resahina hatrany amboalohany fa raha ny hevitry ny batisa dia zavatra hafa indray.
42. Achia ( 30/08/2006 19:53)
ka io efa voalaza io ny hevitry ny batisa ko . Fa hono hoa ry prime mino aho fa ianao koa de mitsipaka ny fanaovana batisa ny zaza ra araka io voalazanao eo ambony io satria ny zaza dia tsy mahay manota . Le fanantanterahana ahoana moa no tian'ni mbelo lazaina e sao de hoe tsimaintsy @ anaran'i Jesosy fa raha @ anaran'i RAY ZANAKA FANAHY de tsy izy
43. prime ( 31/08/2006 09:16)
Achia> Taloha aho no nanana fijery fa tsy mety ny fanaovana batisa ny zaza... fa raha vakiana ny Salamo faha51 dia tsy misy marina na dia iray aza, na dia mbola vao torontoronina ao an-kibo aza ny zaza hoy ny soratra masina... izany hoe mila mibebaka avokoa... Mba andramo tokoa anie e, zazaleky roa ampiarahina mipetraka e, dia asio kilalao 1 na biberon 1 eo afovoany, fa mifandramatra ireo... efa ao anaty mihitsy ilay ota sy ny filàny...
Ka eo ilay tsy itenenako intsony satria hatr@ nahafantarako fa ny famoràna koa dia endrika taloha nanehoana ny batisa (mbola tsy nisy mantsy izany teny izany t@ izany) dia na tsy mino aza, dia nodidian'Andriamanitra tsy maintsy natao raha vao atao hoe lehilahy tao ankohonan'i Abrahama (tombo-kase @ nofo mihitsy ny maha an'Andriamanitra an'ilay olona)... Ka mety tsy ilay fibebahana no fototra raha ny zaza no resahina, fa ilay fanoloran-tenan'ilay RAD hanome an'Andriamanitra an'ilay sombin'ny ainy ho Azy ka hijoroany vavolombelona ny hahatonga an'ilay zaza ho zanak'Andriamanitra... Marina fa tsy mahalaza ny mahabatisa azy ilay tsodrano nomena ny zazakely nataon'i Jesosy, fa misy fotony ara-tsoratra masina ihany ilay fanaovana batisa zaza...
Ny hoe mety izany na tsy mety, dia tsy manan-kevitra aho satria asan'Andriamanitra izany... fa rehefa ankasitrahany ny zaza iray dia ny RAD sy ny vavolombelona ary ny fiangonana nijoroana no hadinina @ iny any aoriana...
44. prime ( 31/08/2006 09:21)
Mbelo> Izaho hoy aho mitovy hevitra aminao...
Fa izaho kosa tsy hiteny hoe diso ny an'ny hafa (tsy miroboka)... dia izay no nazavaiko tao ambony tao...:wink:
45. rabeflorian ( 31/08/2006 10:08)
Efa ela aho no tsy nadray anjara t@ ny resaka teto ka tsy arako ny ady hevitra.Ny tiako mba ho lazaina dia izao:voalazan'ny soratra masina fa tsy maintsy ateraky ny rano sy ny fanahy isika vao mahazo miditra ny fanjakan'ny lanitra ka raha ny fandraisako azy dia zavatra roa samy hafa ireo dia ny ateraky ny rano sy ny ateraky ny fanahy.
ny adino matetika dia sarinteny (image) no ampiasain'ny mpanoratra ka tsy tokony ho raisina arabakiteny fotsiny fa tokony ho takatra ny hevi-dalina fonosin'ny teny.Raha ny fandraisako azy dia ny rano midika ny fieken-keloka sy fibebahana ka anekena fa Jesoa Kristy no "Zanak'ondrin'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao" araka ny nanambaran'i Jaona mpanao batisa Azy;. Ny Fanahy kosa dia mifono ny hevitra fampihavanana vaovao amin'ny alalan'ny ran'I jesoa Kristy izay nalatsany ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana.
Ny hoe ateraky ny rano sy ny Fanahy izany dia ny finoana sy fanekena fa Kristy natao batisa mba hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao ary maty teo amin'ny hazo fijaliana mba hanefana ny tambin'ny otan'izao tontolo izao.Efa nanaiky sy nanambara izany finoako izany aho ary matoky fa efa nateraka indray ka manana anjara amin'ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay any amin'ny fanjakan'ny lanitra.Raiso ho antsika rehetra izany finoana izany dia any isika mihaona avokoa. Sa tsy izany ?
46. prime ( 31/08/2006 11:03)
Mbelo:
Amiko ry Prime ny fomba fanatanterahana ny Batisa dia antoky ny famonjena mihitsy satria izay no nambaran’i J.K eto.Raha jerena ny Mat2:13-17 dia avy tany Galilia J.K no nandeha nankany @ onin’ny Jordana (lavidavitra ihany anie izany e!) ary mba hahatanteraka ny fahamarinana izay nolazainy sy ho modely ho ahy sy ho anao dia nidina tao @ rano izy ary niakatra teo @ rano.Dia mbola ho sahintsika koa ve ny hiteny fa fombafomba ivelany ihany izany ohatra nomen’J.K izany?
Mbelo> Nambaranao mantsy fa tena antoka mihitsy amin'ny famonjena ny olona ny batisa aroboka rano... dia raha mahatsapa ianao, tsy sanatria maivana ny manao batisa ka aroboka anaty rano fa kosa ny fototry ny batisa no tokony ifantohana fa tsy ny fomba fanatanterahana azy...
Ny hoe antoky ny famonjena ny olona mihitsy, dia hafa ny hevitro, asan'Andriamanitra ilay izy ka raha izaho aloha tsy afaka hitompo teny fantatra mihitsy hoe ny olona rehetra tsy aroboka anaty rano @ batisa izany dia tsy ho voavonjy satria diso ny ataony...:wink:
47. Achia ( 02/09/2006 06:59)
efa nolazaiko ihany tery ambony fa ny rano dia fanadiovana na fanasana ka ny batisa zany raha ny tena heviny dia tsimaintsy rano no hanaovana azy ary mila misasa daholo ny vatana rehetra donc atsoboka zeny ; ny @ zaza indray dia zao marina ny tenin'i prime oe ny zaza na mbola kely aza dia efa misy manana toetra efa manana ny azy sy maka ny an'ny hafa ny zaza nefa tsy mahalala fa fahotana izany zvt ataony izany . Fanolorana anga no azo lazaina ireny zaza entina hatao batisa any ampiangonana ireny fa tsy batisa velively satria ny batisa dia fanolorantenan'ny ol iray hibebaka ka vonona hanaraka an'ATRA
48. prime ( 04/09/2006 10:32)
Achia> mitovy hevitra aminao aho raha izay voalazanao izay fa ny fanamarihana ambarako fotsiny dia, raha ny batisan'ny fibebahana, batisa rano no lazainao dia mitombina... fa mbola misy koa ny batisan'ny fanahy, fanambaràna feno sy antoka tanteraka fa Andriamanitra mihitsy no maneho izany @ mpanompony... ary matetika izany dia tsy misy asa tanterahina @ rano na dia kely aza...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0901