Fandokafana be loatra!

1. Herimiafina ( 09/08/2006 19:05)
Maro ny zavatra ilana ny "fandokafana", toy ny zavatra tsara vita ny tanjona tratra, ny qualité, sns.

Tandremo anefa fa ny fandokafana be loatra mitarika ny olona hanaovana azy tsy hivoatra intsony.:wink:

NB: Misy hevitra maro fonosin,ny teny hoe mivoatra fa tsy izay no loha-hevitra eto tsy akory

novalian'i Fiffi ny 13/08/2006 12:25
2. Fiffi ( 09/08/2006 19:41)
arakin'ny fitenena hoe "dokafy hanitsa-t..
3. Herimiafina ( 09/08/2006 19:47)
hihihihihi:-D

Maro ny olona fantatro no tratran'izy io e!
Ny fandokana omena azy mantsy no niheverany fa tonga amin'ny farantampony izy. :wink:
4. mandrindra ( 09/08/2006 21:29)
na ilay fandokafana aza anie dia efa misy isankarazany e. ao ny doka manakahery, ao ny doka arahinaeso mody misafelikla izany.
5. cutie ( 09/08/2006 21:35)
:-D:-D:-D:-D
raha fandokafana @zavatra marina de milay 8)
6. pissoa ( 10/08/2006 06:22)
Herimiafina:
Maro ny zavatra ilana ny \"fandokafana\", toy ny zavatra tsara vita ny tanjona tratra, ny qualité, sns.

Tandremo anefa fa ny fandokafana be loatra mitarika ny olona hanaovana azy tsy hivoatra intsony.

NB: Misy hevitra maro fonosin,ny teny hoe mivoatra fa tsy izay no loha-hevitra eto tsy akory


Miankina amin\'ilay hoe be loatra (be loatra manakory?) :roll::-D:-D:-D fa amiko mantsy ny teny ho mandoka mihitsy dia efa mifono exageration amin\'ny zavatra nataon\'ny olona dokafana.

Matetika koa ny fandokafana dia
# na vokatry ny tsy halako bika sy tiako tarehy :-D Tsy misy hoe marina ve ny antony nandokafana na tsia, fa rehefa tiana ilay olona dia marina ho azy izany (Cf forum serasera :-D );
# na vokatry ny halako bika tsy tiako tarehy ... io ilay tenenin\'i mandrindra hoe fanesoina olona (Cf forum serasera ihany koa :-D ).

Amin\'ilay tranga voalohany, dia tena poizina ny fandokafana, na tsy be loatra aza. Amin\'ilay lafiny faharoa kosa, na mamparary fo kely dia miteraka complexe - na miteraka challenge dia mampivoatra foana.

:roll::-D:-D:-D
7. vale ( 10/08/2006 12:01)
Misy indra ry reto olona mila dokafana fa tena tsy mahatoky tena a, de izay no mampihezaka azy a!:-D
8. Herimiafina ( 10/08/2006 14:08)
pissoa:

Miankina amin\'ilay hoe be loatra (be loatra manakory?) :roll::-D:-D:-D fa amiko mantsy ny teny ho mandoka mihitsy dia efa mifono exageration amin\'ny zavatra nataon\'ny olona dokafana.


Eto mihintsy ilay fahasamihafana tiako hiaviana! Ilay hoe "be loatra" sy ilay "lainga noho ny halako bika tsy tiko tarehy".

Io faharoa io dia zavatra hafa mihintsy satria miaro fialonana na tsy fitiavana kanefa mandoka. Tsy any ny sujet tiako hiavian fa any amin,ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana.

Ny hoe be loatra dai miverimberina: raha zatra mahazo doka ny zaza iray hoe mahay dia mety hampihena ny fiezahany hisondrotra kokoa izany.

Hafa mantsy ny tian'i pissoa hambara ireny idnray amin'ny sehatry ny fiara-monina andavan'andro, izay fandokafana avoakan'ny saina be fotsiny (calcul) satria misy tanjona tratrarina ao : mila 19 hoy isika, fandokafana izay tsy voatery marina fa hampifalifaliana ilay olona tiana hihaino.
9. Herimiafina ( 10/08/2006 14:09)
Izay no antony nametrahana ity ato amin,ny fanabeazana! :wink:
10. cutie ( 10/08/2006 14:10)
Ny hoe be loatra dai miverimberina: raha zatra mahazo doka ny zaza iray hoe mahay dia mety hampihena ny fiezahany hisondrotra kokoa izany.

tsy manaiky an'zany za
tsy vo maika ve io mamporisika azy :roll:
11. cutie ( 10/08/2006 14:11)
fa le dikan'le fandokafana eto ve tsy we" being appreciated" @zavatra nataonao :roll:
12. Herimiafina ( 10/08/2006 14:30)
Fankasitrahana indray no mety handikana an'iny, variante-n'ny fandokafana fa tsy mahafehy azy manontolo kosa.

Toa lasa resabe mivilana izy izany fa tsy mifantoka intsony amin'ny hevitra voalohany napetraka klé. :-D
13. cutie ( 10/08/2006 14:33)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 10-08-2006 19:10:20
Lohateny : Re : Fandokafana be loatra!
Voalaza teo :
Ny hoe be loatra dai miverimberina: raha zatra mahazo doka ny zaza iray hoe mahay dia mety hampihena ny fiezahany hisondrotra kokoa izany.

tsy manaiky an'zany za
tsy vo maika ve io mamporisika azy
14. Herimiafina ( 10/08/2006 14:37)
Vao maika io retsy mamporisika azy tokoa, saingy toy ny neurone sy ny nerf ihany misy ny antsoina hoe seuil d'exitabilité, ka rehefa tratra io dai tsy mitombo intsony (tsy misy effet intsony ny doka) fa dai mihevi-tena ho andriamanitra amin'izay ilay olona dia mitombona ampitoerana.

Izay ilay hoe be loatra aminy, mampihoatra io seuil d'effet superieur io raha amin'ny lafiny psykolojika.

Ny doka dai tokony hatao kelikely hatrany, ary avela ho lefy ny effet-ny doka voalohany vao aroso ny faharoa.
Fa raha asesisesy dai mifanampy ny effet-ny dai mahatonga any amin'io asymptote horizontal izay tsy azo ioharana io intsony. (courbe de tetanos).
15. cutie ( 10/08/2006 15:22)
zany moa izy io
soa fianatsa:-D
16. Herimiafina ( 10/08/2006 15:24)
Tsara tarehy anie i cutie izany e, sady tovovavy soa no bikana! :-D
17. cutie ( 10/08/2006 15:26)
de ahona koa
ary tonga de be loatra izy zany
nga tsy asesisesy :-D
18. Herimiafina ( 10/08/2006 15:30)
Raha asesisesiko dai manjary tsy manamboatra volo intsony i toi dai lasa ratsy be, hehehehe:-D
19. cutie ( 10/08/2006 15:32)
fa nga tsy we raha be loatra njay de lasa tsy manamboatra volo tsony za :-D
20. Herimiafina ( 10/08/2006 15:39)
Tsara be ny volonao, manendrika anao be ilay akanjo emanmena kely iny, ilay fohy hatrany ampoto-pe, ny fe konkou mkoa misy aderadera tsara rahateo.

Eeeh, be izao ny mpitsiriritra anao o? Eeeeh, sioka tokana avy aminao izao dia mety folo no manantona o?

Raha milatsaka fidina Miss ianao dai lany avy hatrany.

hehehehe:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4842