mba apio

1. xxx ( 12/07/2006 06:40)
manahoana daholo isika rehetra

izaho izany dia manana probleme zany hoe tsy dia tena probleme be makaiza fa ilako torohevitra avy aminareo

izao aza ilay olana:

izaho dia miaraka amin'a olona iray efa ela dia ela, tao anatin'izay fiarahana izay anefa dia nisy tovolahy nifanena tamiko ary lasa namako, taty aorina anefa dia nikaoty ahy io lehilahy io fa izany hoe tsy nanaiky niaraka taminy aho dia nijanona ho mpinamana be izahay, ny probleme anefa dia izao nolazaiko tamin'ilay miaraka amiko fa nikaoty ahy ilay bandy io hany ka noferan'ilay miaraka amiko tsy hiresaka aminy intsony aho, nefa mbola nikiry ihany niresaka tamin'ilay bandy zany hoe mbola nijanona mpinamana taminy aho. ary ts nolazaiko azy fa noferan'ilay sipako ts hiresaka aminy intsony aho.

ankehitriny anefa dia ho atao mariage ilay namako ka hi-inviter anay roa, dia eo amin'izay no mipetraka ny probleme satria tsy misy fotoana nahafahako nilazana tamin'ilay namako hoe tsy navelan'i... hiresaka aminao intsony anie izaho, nefa tiny mihitsy aho hanatrika io mariage-ny io efa nagatahany atao temoin aho fa nolaviko izany noho io resaka io fa izany hoe zavatra hafa no excuse nolazaiko azy (nandaiga aho izany ) izaho ko anefa te hande amin'ny mariage-ny satri namako be izy

ekeko hoe fahadisoako hatramin'ny voalohany ilay resaka satria tokony niteny azy aho hoe tsy avelan'i... miresaka intsony tsika, nefa tiako izy ho namako satria izy no efa nahalala ny fiainako hatrizay hatrizay.

ny fanotaniko dia izao: inona no tokony ho lazaiko amin'ny sipako refa tonga ny invitation ny marigen'io namako io? satria aho matahotra mafy so dia ho tezitra amiko ny sipako hoe "ianao nadainga tamiko" (izay mety hitranga mihitsiny) nefa ko tsy foiko ilay namako satria efa akaiky amiko loatra izy.

dia mba omeo torohevitra re misaotra
novalian'i sarobidy ny 26/07/2006 08:15
2. sechat ( 12/07/2006 06:59)
Raha izaho aloha dia teneniko aminy mazava fotsiny hoe nahazo invitation @ mariazin'ny namako tsika dia ahoana handeha sa tsy handeha. Rehefa miteny izy hoe tsy handeha dia resahako fotsiny ilay iray hoe tsy afaka mandeha satria izao no antony etc...Raha tena namanao izy tokony tsy ho tezitra @zany.
3. pissoa ( 12/07/2006 06:59)
xxx:
inona no tokony ho lazaiko amin'ny sipako refa tonga ny invitation ny marigen'io namako io?
Teneno fotsiny izy hoe hanambady i (tsy haiko ny anarany) ka nasainy isika hanotrona azy. :)

Raha izaho i xxx, dia teneniko tsy misy fisalasalana ny momba io mariazy io sy ny maha-mpinamana anao sy ilay namanao.

Mety ho tezitra ny sipanao, fa na teneina androany izany ny tenenina rahampitso dia ho tezitra izy ... Ka tsy aleonao tenenina androany dia milamina ny sainao.

PS: Ankoatra io dia mi-gagner zavatra be dia be ianao amin'io resaka io raha miresaka tsotra aminy. Hofantatrao amin'io ny fahatokisany anao (izay heveriko fa somary kely taloha - raha tsy izany izy tsy mandrara anao tsy hiresaka amin'ny namanao), sy ny dikan'ny hoe manao mariazy aminy (raha tianao ho fantatra).
4. sarobidy ( 12/07/2006 07:04)
Tsory aminy ki ny marina aaaaaaa!mino a fa tsy haninona izy raha lazainao aminy ny marina.Namanao nge izy fa tsy rafilahiny akory e!
5. MTN ( 12/07/2006 07:19)
raha tsy taperinao amin'izao io dia hitaohy foana. Ambarao anazy roa ny marina. Fa amin'ny fomba misaina tsara anefa an.
6. cutie ( 12/07/2006 13:21)
ny ahy koa de zay, tonga de tsory ny marina
7. Silo ( 12/07/2006 13:44)
Tsory aminy akia ny marina, hoe hatao mariazy ilay namanao, de asainy ianareo roa, Fa mino aho fa raha bandy malalaka saina tsara izy de tokony tsy ho sarotiny @ izany, ary eo @ io izy vao tena hatoky relation nareo sy io namanao io;
8. Herimiafina ( 12/07/2006 15:04)
Tsotra dai tsotra ny fika amin'izany!
Tonga dai tsorina ny marina dia izay alehany alehany, tsy misy afatsy izay mba hampilamintsaina.
Raha mbola hanao be saina be ao ihany nefa tsy afaka mihemotra mantsy dai vao maika hanenjika ra-conscience.
Vao izay aza ny lainga natao efa jereo sahady ity henjiky ny eritreritra, maika fa mbola handainga fanampiny ihany tsy vao maika tsy hahita tory intsony.

Soit toi mitsotra, soit toi miafy tsy manatrika mariazy sy mikaly be any e! :wink:
9. sechat ( 13/07/2006 12:12)
Dia nanao ahoana ihany hono izy tao e?
10. tsoupou ( 13/07/2006 13:59)
Araka ny teninao aloha dé tena diso mitsy enao nilaza t@ oe efa nikaoty anao lé namanao io taloha.
Dé zao no mba sosokevitro sy xxx a (mba ovay akia io xxx io a) :
- Mahaiza aloha mi s'impose amlé olontianao, raha izao sahady enao dé hanao ze retraretra teneniny na mety io na tsy mety dé ho very enao rehefa hiditra am zany atao hoe tokantrano zany,
- Zavatra tsy dé misy dikany loatra koa zany hoe nikaoty zany e, enao nge tsy nanaiky e, sa ahoana ???
Teneno azy zay.
Dé mahereza
11. sarobidy ( 26/07/2006 08:15)
Miombon-kevitra am tsoupou koa aho ny amin'io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1634