Forum: fiovan'ny fitsipika momba ny xxx

1. hery ( 10/07/2006 06:03)
Raha mijery ny fitsipika ianareo dia hahita izao fiovana izao (ao amin'ny and. 3 teboka 9)

Azon'ny mpanoratra atao ny tsy milaza ny solonanarany rehefa mandefa hafatra. Mba hialàna amin'ny fisandohana kosa dia hofafaina izay hafatra soratan'ny namana tsy mitondra solonanarana kanefa misy sonia eo ambany, na soniany ihany izany na sonian'olon-kafa.

Eto amin'ny dinika forum.serasera.org dia afaka tsy milaza ny solonanarana isika. Hotohizana hatrany io mba ahafahan'ny tsirairay milaza ny heviny kanefa tsy te ho fantatra noho ny antony samihafa. Rehefa tsy milaza solonanarana anefa dia tokony tsy hilaza solonanarana tokoa fa tsy hametraka ny solonanarany ery ambany indray.

Koa heverina ho hafatr'olona misandoka avy hatrany, ka hofafaina, ny hafatra nosoratan'ny xxx kanefa mbola misy sonia ihany eo ambany.

Misaotra antsika rehetra.
Hery
novalian'i sarobidy ny 11/07/2006 06:54
2. xxx ( 10/07/2006 06:22)
Mankasitraka anareo nifampigafy sy nifampisandoka tao (raha ianareo no nahatonga io fiheveran-diso ho mpisandoka io, ary nanovana ny fitsipika) ^:^

Izao tsy azo atao intsony ilay fanaoko :cry: nefa izaho te hampiseho ps indraindray, fa tsy tiako koa ilay namana mpanenjika fotsiny ny ps-ko dia miteniteny ahy mitokana am'ze soratako fa tsy sahy miditra forum.

Oops, mbola saika nasiako sonia ndray kle :roll::-D:-D:-D
3. mamzelkely ( 10/07/2006 06:38)
micii hery :-*

za klou anisan le victime fisandohana mais bon ts de blem le izy fa sangy dôly reny fa refa ts entina hanaratsiana ftsn le izy de zay ny essentiel

fa na izany aza misaotra an'i hery naka ity precaution ity :D
4. dadabe ( 10/07/2006 07:00)
:evil::evil::evil: zelikelindoza izao no nahatonga an'io :evil:

:-D:-D:-D sangy izany a

zelikely sandoka
5. mamzelkely ( 10/07/2006 07:11)
oujyyyyy zelkelyndoza aôna :roll::-D:-D hay kay malahelo dadabe fa ts afaka misandoka anah trony :P:-D:-D

6. fasaly ( 10/07/2006 12:25)
ié! zàtra mpisandoka lotsa ka tratra i dadabe zao:roll::roll::roll::-D:-D

hummm! tsara beuh lay hevitra ry hery a! satria efa tratranzay ny tenanay ka ho anzay tsy mahalala de nino tokoa hoe ny tena no nandefa ny hevitra, raha izy miditra am xxx nefa mi signé ps n'oul!!!8):P
7. sarobidy ( 11/07/2006 06:54)
hanky va re !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2095