Vody ondry ve sa ala-fady?
1. xxx
(
10/07/2006 00:58)
Fa mitovy ve ireo eee.
Mba mila fananjavana kokoa hoan'ireo efa nandalo teo. Ary raha mbola tsy mieritreritra ny hivady ve de ahoana?
Misaotra indrindra.

novalian'i naritsimba ny 28/07/2006 06:26
2. mamzelkely
(
10/07/2006 06:45)
ts haiko alou fa ny fahalalako ny vody ondry zany we fanaterana vody ondry dia fanambadiana gasy izay atao alouan fanambadiana kristianina :roll:
3. mi
(
10/07/2006 08:33)
:arrow:Raha ny fahalalako azy aloha de ny vodiondry de fangataham-bady: sahala @ fiancaille izy @ vazaha. Ny fomba fanatanterahana azy eto dago no samy hafa araka ny fomba isam-paritra, sy ara piaraha-monina; faharoa de karazana tapi-maso ihany koa izy io ho an'ny mpiray tampo ary fangatahana tso-drano @ ray amandreny. maro ny dikan'ny vodiondry fa santionany ireo.:roll:
:arrow:Ra mbola tsy mieritreritra ny hanam-bady dia tsisy tokony anaovana izany, Ra ilaina dia aleo ianao miseho @ ray aman-dreniny fotsiny de ampy. :oops::oops:

4. sarobidy
(
10/07/2006 08:58)
Vodiondry -alafady : ôtran'ny tsy mitovy reo ko.
Raha araky ny fanazavan'ny bebeanay aloha t@ androndry zareo hono tsy mbola nisy mariazy zany fa vodiondry no atao.Ny olona efa vita vodion-dry hono dia olona efa mpivady ara-dalàna @ maha-Malagasy ny malagasy.Fa fanamafisana fotsiny izy ankehitriny nasiana soratra eny @ fanjakana sy ny mariazy eny ampengonana.
Tsinontsinona sy manao² fôna hono ny mpifankatia anankiroa raha sahy mifampitaritarika eny nefa tsy vita² n'inna²,namafisin'ny Ntaolo zany t@ alalan'ty fitenenana ty oe Mitari-bady tsy vita vodiondry ka tondroin'ny olona molotra.
Fa ny ala fady ôtry ny tsy de haiko loatra kah

5. MCZ
(
10/07/2006 12:00)
Sarobidy> humm nanazava tsara kozany bebenareo zany hihihi.
Fa ny ala-fady angambany io ilay nisy zavatra tsinety natao dia manao ala-fady

6. Herimiafina
(
10/07/2006 12:12)
Ny vodiondry dia ao anatin'ny procedure fangatahana, hanaterana cadeau ilay RAR nitaiza ilay joba ho fanonerana ny lany nitaizana azy na ratsy taiza izy na tsara taiza.
Ny Ala-fady indray dia toa ceremonie manokana hatao raha toa ka olona tsy tokony nifampivady ireo ampakarina, ary efa tsy afaka sarahana intsony fa mety hoe efa niara-mandry na bevohoka, sns.
izay ny fahalalako azy fa asa na diso indray izaho na tsia, izaho mantsy toa diso foana hono. :wink:

7. adidy
(
10/07/2006 18:39)
Fanampiny ny an'i Herimiafina: ny ala fady dia afaka atao @ fisehoan-javatra isan-karazany, fa tsy voatery hoe ao @ fanambadiana: ohatra hoe nanota fady toerana iray, na nandika fady fomba amam-panao: ohatra nihinan-kisoa nefa tsy tokony hanaovana izany ilay toerana, na raha eo @ lafiny fanambadiana manambady olona tsy tokony ho vadiana fa fady dia izay no manao ala fady .
Ny vodiondry dia fanambadiana malagasy , natao hifankahalalan'ny fianakaviana roa tonta, natao hanomezam-boninahitra ny rafozana, fampafantarana ireo hivady ny adidy sy andraikitra miandry azy

8. xxx
(
10/07/2006 19:04)
Misaotra antsika rehetra...
Mety hotafa-latsaka iany izany za, raha miditra @ io. eny ee fahasoavana daholo aloha izany rehetra izany.

9. cristal
(
11/07/2006 08:20)
(l)(l)Salama daholo!
Raha ny tokony ho izy dia ny ala fady dia any amin'ny fotoana anaovana ny fisehoana satria misy ny Ray niteraka,ny anadahy sy ireo olom-pady maro,ka mba ahafahana miresaka fitiavana an'ilay zanaka vavin-dry zareo dia manome vola na zavatra,ohatra toaka hoan'ny zaodahy,zay vao afaka miseho ho miaraka imasom-bahoaka.
Ny vodiondry indray dia;ny fanomezana haja ny fianakaviana rehetra mihintsy,tany aloha dia tena vody ondry no nomena fa noho ny fivoaran'ny zava-nisy dia lasa vola ihany koa,zany hoe valim-babena raha atao @ teny tsotra,avy eo dia afaka mifampitondra eo anivon'ny fianakaviany avy ny roa tonta satria efa vita vodiondry.Eo no teraka ilay hoe mpifamofo zay ataon'ny vazaha hoe fiansay.Fa niova daholo ireo taty aoriana ka tsy dia haiko intsony e!Mahaiza mifanaja!

12. Robert
(
11/07/2006 19:12)
Raha azoko tsara izany tokony hanao fisehoana (ala-fady) any @ Fianakavian-Drazazavavy izany vao mahazo mifampitanana etsy sy eroa ny mpisipa (raha tokony hoizy). Hay ve. izay izany ry zareo aza handino ny fomba-drazan-tsika...
Fa ny vody ondry izany efa tena miditra lalindalina kokoa.

14. Mifenty
(
12/07/2006 14:18)
o robert a, ra arahina doly zao retraretra ze d tsy andé ty fiainana ty.
jereo fotsiny né ny ao am baiboly e
"ary no izany dia
1-handao ny rainy sy ny reniny ralehilahy,
2-ka hikambana amin'ny vadiny
3-ary ho nofo iray iany izy roroa" genesisy ngamba io
fa am zao efa lozan toetr'andro io
matetika 3-2-1 ny miseho
Inn ny natonga anzany??
Ny PMU satria am PMU na de zoridira (désordre) aza mahazo iany.
hihihihihi

16. Herimiafina
(
12/07/2006 15:06)
Araho ihany ry zareo ireo fomba ireo an, sap mantsy dai tsy hilevina fasandrazana refa dangy avy eo an!
Enjehin'ny heritreritra, tsy mahita tory fa nohozonin'ny ray amandreny be. gravy iny an :wink:

17. Robert
(
13/07/2006 03:31)
Mifenty> Inona ny tsy hampandeha ny fianana @ fanaovana fomba izay hita fa tsy ratsy akory, manome haja Fiankaviana..
Tokony arahina foana ny fomba malagasy hita fa tsara, ny efa tsy mety moa de izay...

18. tsoupou
(
14/07/2006 07:37)
sarobidy:. Izay no iz amiko, fa efa nihanandroso moa ny andro, ny fandrosoana tiana halaina, ny fomba taloha tsy tiana napetraka dé lasa rehefa hanambady dé lasa misy protocole be otran'iren inn reny : sava ranon'ando (???), tampi-mason'anadahy, alavolo fotsy, fisehoana, vodiondry, sns sns ...
tsy mbola nisy mariazy zany fa vodiondry no atao
Mbola tena pire ary rehefa lé fianakaviana manaraka fomba ntaolo be reny, za efa nahita mitsy tany maevatanàana tany.
Andramo dé itanareo e, tantarao ny vokany refe avy eo.
19. pissoa
(
14/07/2006 07:47)
Raha ny fahaizako azy indray dia arakaraka ny faritra izy io taloha, izany hoe samy manana ny fombany sy ny fomba niantsoany azy. Ny tao Iarivo ohatra izao tsy nanao tapi-maso izany, dia ny faritra sasany tsy nisy vodiondry izany, sns (asa aloha fa izay no fahalalako azy, dia mba ahitsio aho raha diso).
Fa isika taty afara angamba no naheno hoe misy izany tapi-maso izany, dia misy izany vodiondry izany, sns, dia samy noraisina sy natao daholo ilay izy. (Tsy ratsy akory io amin'ny ankapobeny raha ny hevitro, fa hoe lasa be protocole hoy i Tsoupou :-D:-D:-D )