Milamina ny tany izany

1. rabaradaka ( 06/07/2006 11:02)
Asa na varinan'ny mondialy ry dadatoa sy nenitoa mpanao politika fa toa nanginina ratsy ry zareo. Toa milamindamin-dratsy izany ny tanàna. Dia ho hita eo moa ny tohiny.
novalian'i prime ny 13/09/2006 12:12
2. milamina ( 06/07/2006 11:52)
fa nahona za no lazain'ialahy fa ratsy ry baradaka???? :evil:
3. mandrindra ( 06/07/2006 12:02)
aza manaiky mihitsy ry milamina a:-D:-D:-D
4. prime ( 06/07/2006 13:14)
kay, kay, kay...!!!:-D
makà seza dia alaivo ny popcorn hoy ddb zay...:-D manomboka ny kômbaka...:°):-D
5. marozevo ( 06/07/2006 17:19)
Milamìna fotsiny ho'aho fa aza mi-kombaka izany. Ny an-kabeazan'ny tany izao milamindamina daholo afa-tsy France izay vao avy nandresy tamin'ny 1/2 finale. faly loatra ry zalahy sy ry zavavy, kay nohararaotin'ny tavaratra, ka nanjary korontana ny hafaliana. Aleo ihany premier tour de vita raha toy izany no vokatry ny fandresena.
6. fijo ( 06/07/2006 18:09)
milamina satria sady variana amin'ny mondialy ,no lany bala ry mpanakorontana
7. marozevo ( 07/07/2006 07:45)
Hita kooo
8. mandrindra ( 07/07/2006 07:58)
fa angaha moa ry zalahy nanana bala e? sa bala blanc no tany aminy
9. arson ( 07/07/2006 11:41)
ka tsisy ambara ko inona no ho lazainy eo e!
10. marozevo ( 07/07/2006 13:48)
Tsy bala blanc izany fa tena bala reelle, saingy tsy mahay mitana basy anie zalahy eh... entim-po fotsiny dia apoapoaka be fahatany, ka lany nony farany.
11. fijo ( 07/07/2006 18:56)
bala rora ny azy,dia ritra e
12. cutie ( 07/07/2006 22:26)
mety mbola miketrika zavatra hafa any ry zareo de mangina kely alou koa:-D
13. tsoupou ( 08/07/2006 11:40)
Marina izany Rabaradaka.
Jereo amin'izany ny atao hoe TOETRAN'NY MPANAO POLITIKA. Rehefa misy zavatra mahasondriana (mi-intéressé) an-dry zalahy, indrindra moa zavatra tsy misy dikany (tsy ny mondiale no tsy misy dikany an) dia tsy rarahiany ny fiainam-pirenena (lé tena mba katsahan-dry leirony hasondrotra hono e).
Izao anefa : Zavatra tsy misy dikany daholo no mameno ity fiainantsika ity, dikan'izany tsy ho raharahian'ireny mpanao politika gaigilahy ireny izany zany hoe fiainam-pirenena zany rehefa tonga eo ry leirony fa lé fiainana isan'andro ihany no ao an-dohany. Lé fiainana isan'andro zany nefa dia tsy inona fa LE SOSY BE E. Io no mahamaika an-dry zalahy hangonina atao any am-paosy.
Sa ahoana ??? ^^ Tsy sosotra am Rabaradaka a an fa soso-paty amin-dry leirony. Tena mba marina e :)
14. marozevo ( 08/07/2006 12:09)
Tsoupou > Iza ilay ataonao hoe "lerony".
15. fijo ( 11/07/2006 20:21)
samy mitady saosy,fa raha ny fiainam pirenena no entina mitady azy no tsy dia ekeko
16. prime ( 12/07/2006 09:36)
Lany ihany ilay popcorn mbola tsy misy kômbaka, tena tsssss!!!!:-D aiza i rabaradaka sy milamina teo e???:-D
Tsara ihany kosa aloha mba nisy trève fa manjary simba ireny mondial ireny e! sady tsy hisy mpihaino rahateo koa... Fa efa miverina izy izao an... Manomboka io ny vaky fonja, hoavy tsy ho ela ny vakitrano sy ny "kidnapping" isankarazany ary ny vono olona tsy fantatra... Izany no famantarana fa mihaakaiky ny fifidianana...:x
17. Achia ( 12/07/2006 17:06)
faminaniana avy aiza zany ry prime ?
18. fijo ( 12/07/2006 19:40)
faminaniana,miainga avy amin'izay efa nisy teo aloha io,ary marina
19. xxx ( 13/07/2006 16:40)
Rehefa nandinika hono wa ny dadatoan-dRabaradaka dia hitany fa na dia tapitra aza ny mondial dia mbola mangina ny tanàna. Eo moa ireo mpanao botolo, raha vao misy manipy hevitra kely dia tonga dia pepona. Eo koa ireo miresaka any ambadika, tsy ampy fofon'aina ka manao tsidi-pahitra... Mandry ve ny ao an-tanàna?
20. prime ( 18/07/2006 11:59)
Mailo ry zareo a, tena aoka ho mailo fa tsy vita mora io...
fijo:
samy mitady saosy,fa raha ny fiainam pirenena no entina mitady azy no tsy dia ekeko
mitovy hevitra tanteraka aminao ny tenanay...:@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1719