Ny Andro fitsarana: Ny lanitra sy ny Afobe (Islam)

1. soanja ( 30/06/2006 00:20)
Ny Silamo dia mino fa ny zavatra rehetra dia noharian'Atra ary izy no misatra azy ireo koa. Misy fiafarana izao tontolo izao, ny andron'ny fitsanganana amin'ny maty, ny fotoana hitsarana ny olombelona ary ny toerana andefasana azy avy.
Ireto avy ny fisehoana rehefa akaiky ny farany:
Anas:" 1- hihena ny fahafantarana ny finoana (zany hoe noho ny fahafatesan'ireo mpitondra fivavahana mahay ny finoana)
2- Hisy tsy firaharahana na tsy fahaizana ny finoana ary hihabetsaka izany.
3- Hisy ny firaisana ara-nofo tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy.
4-Hitombo isa ny vehivavy ka vehivavy 50 ho an'ny lehilahy iray. Hadith 1:68 Sahih Al-bukhari

Nisy koa ny niteny hoe: "Hotsemboka be ny olombelona ka ny hatsembohany dia lasa lalina be mameno 70 cubits ambanin'ny tany ary hiakatra mandrapaha tonga eo ampoton-tsofin'ny olona sy ny vavany." Hadith 8:354

Ny andro fitsanganana amin'ny maty dia hitaraina ny Silamo fa i Adama, I Noe, I Abrahama,i Moizy ary i Jesoa dia mila mitsangana eo anoloana i Allah ka hilaza ny zavatra tsy vitany izay voatery napetraka tamin'i Mpaminany farany i Muhammad. I Jesoa koa dia hilaza ny tsy fahafahany nilaza ny Silamo ho an'i Muhammad. Ny resak'i Muhammad amin'i Allah dia ho heno ary hanaiky azy i Allah.
Rehefa simba daholo ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany dia hitsangana amin'ny maty ny olona avy amin'ny feon'ny Trompetra ary eo amin'ny toerana iray no hisy ny fitsarana. Hisokatra ny bokin'ny Natao ary hisy ambaratongany ny fitsarana.
Ny Sunni nilaza fa rehefa tonga ny fiverenan'i Jesoa amin'ny maha Messia azy dia hopetehiny ny hazo fijaliana, hovonoiny ny kisoa rehetra ary ho faty izy ka halevina eo akaikin'i Muhammad. Nisy koa ny filazana fa ho avy ny anti-Christ ary i Messia no hanapotika azy.

Ny Paradisa: Izay Silamo nanaraka ny tenin'i Allah dia manantena ny paradisa. Ny Quaran sy ny Hadith dia milaza fa tsarabe mihitsy hono izao paradisa izao ary tsy misy ota na aretina sy feno fahafinaretan'i vatana. Ny Silamo dia hofaly hahita an'i Allah isanandro. Ao koa ny milaza ny fahafinaretan'ny nofo (sexual delights). Ny lanitra dia misy ambaratongany ka misy ny rano mangatsiatsiaka sy ny vehivavy virjiny mahafatifaty miandry eo. Quran 55, na 37:43 na 52:20 sns. Ny Silamo ihany no hiditra ao amin'ny paradisa fa ny Olon'ny Boky (ny Jiosy sy ny Kristianina) dia tsy ho tafiditra ao mihitsy. Ny miaramila sy ny martiora dia hanana ny toerany manokana. Niteny ny Profeta fa" Ny paradisa dia hanana ambaratonga zato ka ny an'i Mujahidun na ireo lehilahy niady ho an'ny Allah dia hifanelanelana ka ny ambaratonga iray amin'ny iray dia toy ny tany sy ny lanitra ny halaviny. Hadith 4:40 tsara loatra hono izany toerana izany ka na ny Martiora aza dia mbola te hiverina aty amboNin'ny tany indray hamono maromaro amin'ny anaran'i Allah Hadith 4:42
Misy koa ny paradisa izay feno volafotsy sy volamena amin'ny toerana iray ka ny sisn'ny trano iray dia hisy vadin'ireo na vehivavy hafa ka afaka mifaly amin'ireo ny miaramila saingy izy kosa tsy ahita ny tarehin'i Allah. Hadith 6:374 ka ny tradition sasAny miresaka fa veivavy vaovao ireo fa tsy ny vadin'ireto taloha intsony ary hisy ny hatanorana sy fifaliana mandrakizay.

Ny Afobe kosa dia toerana maimbo sy mirehitra afo tsy miato. Nisy tradition nilaza fa betsaka no vehivavy no hiditra any amin'i Helo noho ny lehilahy. Niteny ny Mpaminany hoe" Nitsangana teo amin'ny vavahadin'ny afo aho ka ny betsaka indrindra niditra tao dia ny vehivavy." Hadith 8:363 Nisy aza tradition nilaza fa ny vehivvay iray dia hiditra ao amin'ny afobe satria namatotra saka nefa tsy nanome azy hanina sy tsy namela ilay saka hihinana ireo mpandoto ny tany. Hadith 4:337

Ka ny tena tanjon'i Silamo iray dia ny mba havela amin'ny fahotana rehetra ary hiditra amin'ny fanjakan'Atra. Na izany aza anefa dia tsy voatery ny soa natao no ahafahana miditra ao fa ny famelan'Atra.

2. xxx ( 30/06/2006 00:58)
hatsikana sy lalao angamba ny soratanao ry saonjo ra azoko tsara
hitaraina ny Silamo fa i Adama, I Noe, I Abrahama,i Moizy ary i Jesoa dia mila mitsangana eo anoloana i Allah ka hilaza ny zavatra tsy vitany izay voatery napetraka tamin'i Mpaminany farany i Muhammad.
aleo imehezana fotsiny :-D:-D:-D:-D:-D:-D
Ny Quaran sy ny Hadith dia milaza fa tsarabe mihitsy hono izao paradisa izao ary tsy misy ota na aretina sy feno fahafinaretan'i vatana.
ny quaran sy ny hadith ko milaza fa anambady virijiny 79 ry zalahy any amin'ilay "paradisa foroniny", ary himamo divay :-D:-D:-D:-D itako ry lerony faly be mapiorohoro sy mamono olona @ attaque suicide.

3. dadabe ( 30/06/2006 04:40)
xxx hita mihitsy ianao hoe tsy mahay soratra masina (baiboly):D

ireo zavatra nolazain'i Soanja ireo dia saika hita ao @ bokin'ny apokalypsy ao @ baiboly Kristianina avokoa

misaotra an'i Soanja fa misy hodinihina ireo e
4. pissoa ( 30/06/2006 05:34)
Way kosa izany bedada kle. Ngah moa i xxx niteny hoe tsy ao ireo? (elah tsy mahay teny gasy ;-):-D:-D:-D )

Dia sady hoe hitsangana hotsaraina koa ve izany i Jesoa ry Bedada hoe izao no tsy vitany (araka ny Baiboly resahinao? ) :roll: (Raha mety hanimba ny sizen'i Soanja dia valio any amin'ny hafatra fotsiny io fanontaniako io)

Fa mahaliana ahy hoe marina ve sa tsia io tenenin'i xxx io
ny quaran sy ny hadith ko milaza fa anambady virijiny 79 ry zalahy any amin'ilay "paradisa foroniny", ary himamo divay
5. xxx ( 30/06/2006 05:35)
dadabe> hafa kely indray zany baibolinao zany ra miteny oe nisy asa tsy vitan'i jesosy de napanaovina an'i mohammed. :-D:-D:-D:-D
aleo imehezana ihany :-D:-D:-D:-D
6. soanja ( 30/06/2006 12:06)
Isan-karazany ny zavatra hita any amin'ny paradisa ka efa nofintiniko amin'ireto tary ambony hoe "Ny Quaran sy ny Hadith dia milaza fa tsarabe mihitsy hono izao paradisa izao ary tsy misy ota na aretina sy feno fahafinaretan'i vatana. Ny Silamo dia hofaly hahita an'i Allah isanandro. Ao koa ny milaza ny fahafinaretan'ny nofo (sexual delights).
7. prime ( 30/06/2006 12:16)
soanja> :-D
8. soanja ( 30/06/2006 12:19)
Prime a io no voalaza ao ka no ho momehezanao fotsiny aho. :wink::wink::wink:
9. prime ( 30/06/2006 12:43)
Hay valabe sy tsimandrimandry izany no miandry ny silamo any am-paradisa??? :-D:-D:-D
10. soanja ( 30/06/2006 12:49)
Tena tsy misy ohatr'izany.
11. xxx ( 30/06/2006 12:52)
=)) =)) =)) =))
12. prime ( 30/06/2006 13:06)
:-D:-D:-D
13. marozevo ( 30/06/2006 21:34)
Soanja > Tohizo ny zohin-kevitrao fa aza mety havilin zalahy kaaaaa
14. soanja ( 30/06/2006 22:10)
marozevo:

Soanja > Tohizo ny zohin-kevitrao fa aza mety havilin zalahy kaaaaa


Ny ahy anie fanazavana fotsiny fa nieritreritra aho hoe efa tonga eto ny tompon'ilay finoana ka tsy aleontsika amin'izay manaraka izay omeny eo. Sa ve mety ho samihafa ny fomba fijerinay? Fa raha misy fanontaniana dia hapetrako aminy dia hitantsika eo raha tena mahavoavaly izay zavatra tiantsika izy. Ny ankamaroan'ny zavatra tiako hampitaina mantsy dia efa vitako daholo hoe inona ilay finoana ary inona no tanjon-dry zareo ary ahoana ny fomba ahatongavana amin'izany.
Aza misalasala anefa raha mbola misy fanontaniana manitikitika ohatra momba ny divorce na zavatra hafa tahak'izay fa mbola afaka mamaly ihany aho ka.
Na izany na tsy izany dia misaotra antsika rehetra nanaraka. I Yassir no manome ny lesona momba ny Islam any amin'ny www.blaogy.com.
marovezo, saika hanome anao indray ilay kipetapetaka iry aho, hay kay tsy azo atao intsony. Have a nice weekend.


15. marozevo ( 01/07/2006 21:11)
Attention anh... Tsy azo atao izany an-kipetapetaka izany.... Matin-dRanavalona aho marina eh... aoka moa eh..

fa entre pas... tsy hitako ilay asain'i soanja "jerena eto" fa zavatra hafa no hitako ao. Misy resaka coupe du monde.. 3964... tsy azoko. Anisan'ny endrim-pinoana koa izany, nefa voaporofo anio 01 jolay fa diso ilay 3964.

nanaitra ahy ilay resaka "vehivavy" voalazanao any am-piandohana. Misy transposition psychologique be mahatsiravina ao, raha alalinina kely ny tantaram-panambadian'i Mahomet. Endrika mysosine...
16. ann ( 02/07/2006 10:29)
fa hono hoa:
mino ve nareo fa ny lalana rehetra dia nolazain'i J KRISTY[as] avokoa?
17. soanja ( 02/07/2006 23:05)
marozevo:

Marovezo niteny hoe: "Attention anh... Tsy azo atao izany an-kipetapetaka izany.... Matin-dRanavalona aho marina eh... aoka moa eh.."

Aza matahotra ianao Marovezo, hitany foana anie raha ianao no nanome fa tsy ianao akory no nanoem fa ziaho dia mbola ho tezitra ve izy?

Ianao koa niteny hoe : "fa entre pas... tsy hitako ilay asain'i soanja "jerena eto" fa zavatra hafa no hitako ao. Misy resaka coupe du monde.. 3964... tsy azoko. Anisan'ny endrim-pinoana koa izany, nefa voaporofo anio 01 jolay fa diso ilay 3964."

Ity izany no tena izy http://silamogasy.blaogy.com/post/294/1332

"nanaitra ahy ilay resaka "vehivavy" voalazanao any am-piandohana. Misy transposition psychologique be mahatsiravina ao, raha alalinina kely ny tantaram-panambadian'i Mahomet. Endrika mysosine..."


Indraindray aho manontany tena hoe: inona tsara ary no programan'i Allah tamin'izy namorona ny vehivavy fa tena lasa fisainana be mihitsy aho.



18. marozevo ( 03/07/2006 07:31)
ann > Fa iza moa no nilaza taminao fa ny lalàna rehetra dia nolazain'i Jesoa Kristy avokoa ?
19. prime ( 04/07/2006 05:34)
soanja> inona no mahalasa saina anao??? ny namoronan'i allah azy??? ianao ihany no efa namaly azy...:-$
20. soanja ( 05/07/2006 14:40)
Tsy ny fihevitr' Allah no fihevitro. :D:D:D raha ny resaka vehivavy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7525