Ny Andro fitsarana: Ny lanitra sy ny Afobe (Islam)

21. marozevo ( 05/07/2006 21:42)
Tsy hevitr'i Allah izany io, fa hevitr'i Mahomet eh... Aoka isika mba ho rèaliste kosa eh...
22. soanja ( 06/07/2006 00:50)
marozevo:

Tsy hevitr'i Allah izany io, fa hevitr'i Mahomet eh... Aoka isika mba ho rèaliste kosa eh...

Saika hiverina teto aho hanitsy ilay teniko hoe :Muhammad kay no tiako resahina. Fa dia marina tokoa ny volazanao. 8)8)8)


23. prime ( 06/07/2006 13:19)
soanja> Eny ho'aho, fa inona no mahalasa saina anao ny amin'ny namoronany ny vehivavy? :lol:
24. marozevo ( 06/07/2006 17:40)
Aiza i ann ?
25. soanja ( 06/07/2006 18:09)
prime:

soanja> Eny ho'aho, fa inona no mahalasa saina anao ny amin'ny namoronany ny vehivavy? :lol:


Dia izay tokoa fotsiny ve no nanamboarana anay. Tena mafy izany. Sao mba misy fika ary ankoatran'ny fandidina(surgery) hanovako ny ahy dia miditra ao amin'ny paradisa mitsikitsiky aho.

26. marozevo ( 06/07/2006 18:29)
Ho an'ny Silamo anie izany fa tsy ho anao eh...
Malagasy ianao, ary Kristianina, asa aloha na katolika na Protestante, tsy olana izany akory. Tsarovy ny tantara sy ny hajan'ny vehivavy eo amin'ny tantaran'ny Fiangonantsika : Rasalama - Victoire Rasoamanarivo. Raha manenina amin'ny maha vehivavy anao ianao dia toa manome tsiny an'Andriamanitra nahary tongotra aman-tànana anao.
27. soanja ( 06/07/2006 22:40)
Io indray Marovezo fa tsy mahalala sangy. Tena afapo amin'ny mahavehivavy ahy mihitsy aho re :D:D ry Marovezo ary tsy te ho lehilahy mihitsy fa indrindra indrindra dia tsy io paradisa io no tanjoko fa raha io ihany aleko ihany mijanona amin'ity tany ity.8)8)8)
28. marozevo ( 07/07/2006 14:30)
Ka toa tena nanohina fo ilay fitarainanao ao ambony ao koa...

tena mafy izany
29. soanja ( 07/07/2006 15:02)
Raha mitaraina aho ry Marovezo dia feo avy aminay vehivavy rehetra fa tsy avy amiko rehetra. Saingy mba zah fotsiny no eto e. Tena soa aloha fa misy anao hahatsapa izany fangirifiriana izany amin'io lafiny io ihany an.8)8)
30. dadabe ( 07/07/2006 15:51)
hummmm marina izany !
31. marozevo ( 07/07/2006 18:46)
Fa angaha misy lafiny hafa koa ?
32. soanja ( 07/07/2006 22:39)
Misy lafiny isan-karazany ny fiainan'ny vehivavy ary mila vehivavy ianao vao mahatsapa izany. Misaotra anao nanontany aloha na izany aza.:D:D
33. dadabe ( 08/07/2006 04:45)
:D:D:D:D tohizo ry Soanja a, mahaliana ilay izy
34. Achia ( 08/07/2006 05:58)
Ra ny fandinihako ilay voalazan'ni soanja ery ambony ery @ ilay paradisa de otrany oe mivadibadika zany ny filazan'Andriamanitra satria hy izy hoe: Izaho no lalana sy fiainana ary fahamarinana tsy misy mankany @ Ray afatsy @ alalako , de ahoana zany ny Silamo nefa tsy mino an'i Jesosy ho zanak'Andriamanitra sy ny fitsanganany t@ maty , nefa ra tena mino an'Andri amanitra izy tsy hino ve izy hoe i Jesosy anie ka natsangany t@ maty , tsy mbola nisy nahavita izany aftsy io Andriamanitr'i Abrahama io ihany
35. soanja ( 08/07/2006 15:40)
Achia, Mila miverina mamaky tanteraka ny lesona nomeko teto rehetra ianao vao tena hahazo ny ankamaron'ny zavatra resahina aty aoriana. Tsy masiako akory aho fa miteny fotsiny amin'izay ianao maharaka tsara.8)
"Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary ny Fiainana" dia tenin'i Jesoa Kristy ilay Andriamaintra tompoantsika sy ianao raha Kristianina ianao. 8)

I Muhammad dia tonga efa taty afaran'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra. Taona 570 taorian'ny nahafatesan'i Krsity izy no teraka tany Mecca.
I Mahomet na Muhammad dia niteny hoe tsy andriamanitra i Jseoa fa Mpaminany fotsiny, izay mitovy amin-dry Adam, Abraham, Isaaka, Jacob, Moizy, Josefa sns tsy voatanisa. Mitovy amin'ireo i Jesoa aminy saingy ny tsy nampitovy kely azy fotsiny dia I Jesoa aminy dia mbola hiverina aty ambonin'ny tany satria Mesia toy ny eritreretintsika ihany. Alohan'ny ahatongavany anefa dia ho avy ny anti-christ amin-dry zareo io an, Silamo ry zareo, zah Kristianina, hanakorontana ny tany ary hampihena ny fahenoana ny Qur'an sy ny fahalalana ny hafatr'i Allah. Dia efa nambarako tany aloha tany ny sign hilaza fa efa akaiky ny farandro. Fa rehefa akaiky dia akaiky izany dia hisy lehilahy iray hoy finoana Silamo ihany na olona vitsivitsy hoy ihany ny silamo sasany ho tonga ary ny anaran'io dia "Madhi" ka io no hilaza ny fahatongavan'i Jesoa toy ny nilazan'ny Jean Baptiste ny fahatongan'i Jesoa ihany hono.
Ka rehefa tonga i Jesoa dia hamono ny kisoa, handringana ny hazao fijaliana sy ny rehetra ary hofaty dia halevina eo akaikin'i Muhammad.
Vita dia hitsangana amin'ny maty ny olona rehetra ary hotsaraina tsiraiaray avy tamin'ny zavatra nataony tety an-tany. I Jesoa na Muhamamd tsy afaka manatsara ny nataon'ny olona iray fa ny tsara nataony ihany no hanavaotra azy. Avy eo misy ny paradisa sy ny helo.

Io no fihevitry ny Silamo ary anjarantsiak ny mandinika.

Amiko mamy sy tia ahy Jesoa ary velona ao anatiko. Izy no safidiko fa Andriamanitro.
36. Achia ( 08/07/2006 19:45)
Zaho kory tsy manome tsiny an'Andriamanitra fa ry zareo silamo no mety tsy nahazo ny tiany hambara fa mba misy hanontaniako kely nao marina ve fa ny silamo dia dia tsimaintsy mamono kristiana betsaka mba ahazoany ny paradisa na koa oe olana hafa finoana @ ?
37. soanja ( 09/07/2006 03:29)
Misy tokoa ny atao hoe Jihad ary anisan'ny fototra mahasilamo io. Ny fandraisan-dry zareo samy silamo azy no samihafa miankina amin'ny mpampianatra sy izay mpifehy na mpitondra fivavahana ao. Fa aoa anaty Qur'an tokoa aloha dia izay manao martiora na mahafaty tsy mpino na mivadika amin'ny finoana dia mahazo ny paradisa tokoa. Saingy miezaka manamboatra sy mandamina an'io ny Silamo tia fandriam-pahalemana ka nato ilay izy ho fihoarana na fampiharana fa tsy misy violence. zany hoe toy ny fitoriana teny sns ihany amin'ny hafa momba ny Islam.
38. dadabe ( 10/07/2006 02:41)
hummm manomboka mafana le resaka , dia tsy misy olona miditra firy intsony .azo lazaina fa efa resaka avo lenta ity anao ity ry Soanja =D.

tiko be le fandalinana satria misy hifandraisany sy hitovizana @ ilay boky farany ao @ baiboly =apokalypsy , ilay hafatra farany netin'i Kristy ho an'ny olombelona rehetra ety ambonin'ny tany , nefa io boky io mihitsy no tena maro mpankahala :(:(
Ray o!mamelah ny helony fa tsy fantany izay ataony...
39. soanja ( 10/07/2006 17:52)
Dadabe alefaso ary ny resaka. Misy koa ve ny Jihad amin'ny Kristianina? inona avy no no tokony atao amin'izany mba tsy handratra ny hafa nefa mafonja kokoa.
40. dadabe ( 10/07/2006 21:20)
Soanja a, aleo hoa manokatra dinika vaovao sao dia lasa hors sujet eto isika zany a, asio dinika sao dia kekeriko eo ndry a:wink::-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0777