Raha mahatratra ambodiomby (1)

1. hery ( 26/06/2006 09:58)
Eritrereto hoe ao anaty bus ianareo na ao anaty taxi-be (na aiza na aiza). Dia misy bandy miditra dia mipetraka (na mitsangana) eo akaikinareo. Dia rehefa mandeha elaela dia hitanareo ny tanany (somary afeniny) misikotra zavatra ao anaty poketran'ilay ramatoa eo aloha.
Raha nareo no tratran'io dia inona no ataonareo?
novalian'i Fiffi ny 29/06/2006 17:05
2. xxx ( 26/06/2006 10:08)
hery:
Raha nareo no tratran'io dia inona no ataonareo?
ra sareraka za mety nataoko oe ravalo no naniraka mpangaro-paosy :-D:-D:-D:-D:-D


signature: ambany fisainana :-D:-D:-D:-D:-D
3. fasaly ( 26/06/2006 10:28)
petafako tery ny tanany ary tsoriko tsotra zao hoe mpangalatra...........8:?
4. Fiffi ( 26/06/2006 11:12)
[quote=hery]
Raha nareo no tratran'io dia inona no ataonareo?/quote]raha zah aloha no tratran'izany tonga de mikikakika hoe "mpangalatra !! mpangaro-paosy re olona aaaahhhhhh!!!"


5. Samoana ( 26/06/2006 11:19)
Reflexe @ maha-olombelona sy @ mahalehilahy ny tonga dia miaro ilay ramatoa.
Izaho efa tratran'izany tamina galerie marchande. 5 lahy tanora no tonga dia namingana mpamafa trano vavy efa ho 60 taona (reglement de compte angamba). Tsy nijery ny manodidina-izay marobe- aho fa tonga dia nanakana an-drizalahy tsy hidaroka ilay Ramamabe.Tsy hitako intsony ny totohondry nahazo ahy avy ao an-damosina nampitsirara ahy t@ tany sy ny daka namely ny tongotro. Miracle no nahatafantsangana ahy nitsoaka niantso vigile....izay nananatra ahy tsy hidikiditra intsony hono satria jomaka efa fantatra @ tanàna ireo 5lahy ireo:twisted:!!!! Hay efa hitan-drizalà t@ caméran'ny supermarché ny fandehan-javatra. Efa lo ny tanàna e! Taty Andafy no niseho io tantara io fa tsy Dago
6. hery ( 26/06/2006 11:30)
xxx> Fa tsy natao dakana kangourou ve :-) (Mahita ny miafina ny Ray)
7. Rafotsy ( 26/06/2006 11:31)
Za efa tena tratra mihitsy ! efa ho + de 15 taona angamba ( donc mbola tsy be ny violence sy ny insécurité ) , hariva avy niasa vers 17h , handray métro , nisy bandy kely 3 na 4 angamba dia ni bousculer ny ilay ramatoa dia ny iray nangarona ny kopetra , za taty aoriana nahita tsara , dia hoy aho niteny mafy: attention , madame , à votre sac ! Ilay fiteniko toa lasalasa hoazy fa tsy nieritreritra mihitsy aho !
Nidina ry zareo aloha ny station manaraka satria niteny mafy hoe : sale nègresse , dia nisy ranga mainty namaky gazety , dia nibanjina azy ireo sady nitsangana izy nanakaiky ahy ! Fa natahotra be aloha aho pendant des mois satria ry zareo mety mahatadidy ahy , sady eo foana aho no mandray métro !
Fa lasa resaka be tao anaty wagon aloha para pidiko e ! Ary nahazo 19 t@ ny rehetra aho ! Fa dadany be ilay tahotrako , ary angamba aho tsy hamerina intsony !
8. pissoa ( 26/06/2006 11:44)
Raha aty amin'izao de zah tsy hanao na inona na inona :oops: Sady haiko fa raha hitan'le ramatoa le olona, dia tsy hanao na inona na inona izy fa omeny manontolo ny poketrany :roll::-D:-D:-D
9. Fiffi ( 26/06/2006 12:01)
pissoa: fa ahoana akia ? de sady mangalatra ve ry zareo no tsy hiteny na inona na inona fa vao maika omena azy indray ny poketrany ? anjekaky ooo:{:{:{ ny ahy aloha tonga de mivazavaza be zah an! "vonjeo reh olona fa mpangaro-paosy io aaaaahh ! :-D:-D:-D
10. Herimiafina ( 26/06/2006 13:04)
hery:

Eritrereto hoe ao anaty bus ianareo na ao anaty taxi-be (na aiza na aiza). Dia misy bandy miditra dia mipetraka (na mitsangana) eo akaikinareo. Dia rehefa mandeha elaela dia hitanareo ny tanany (somary afeniny) misikotra zavatra ao anaty poketran'ilay ramatoa eo aloha.
Raha nareo no tratran'io dia inona no ataonareo?



Tsara ihany ny miteny, saingy ny olana dia indray andro izay nisy ramatoa tonga dai nihoraka raha vao nahita zavatra toy iznay dai notatahan'ilay bandy ny lame orony midina manaraka ny molony. :roll:

Ny tsara dai ny miteny mangina izay eo akaiky rehetra tsy atao remarken'ilay mangarompaosy, dai rehefa maro dia miray hina. :wink:

11. vale ( 26/06/2006 15:56)
Hery: raha ao anaty bus aloha dia teneniko fotsiny hoe madama à tandremo ny paoketranao,, fa satria fantatro fa tsy hafaka hitsoaka ilay mpangalatra hihi), ary na dia maro aza tsy hihoatra ny 2 na 3 ry zareo, raha eny an-tsena indray dia izay olona hitako fa matanjaka bitsihako mangina mba hiharo ilay rtoa, na koa tonga dia miantso ny polisy mangingina aho rhf tsy misy afaka manampy ahy:)!!
12. sareraka ( 26/06/2006 15:58)
Raha olona mpanankarena toa an-dRAVALOMANANA no misy mangaro-paosy dia hoy aho hoe makà fa izay ao am-paosiny ao moa ampaha firin'izay milliara voaodiny!

Fa raha sanatria ka olona efa sahirana kosa dia mendrika ny dorana @ lasantsy !

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
13. Fiffi ( 26/06/2006 16:29)

TSY MISY MARINA IZANY !!! ry sareraka aaahh!!
14. vale ( 26/06/2006 16:32)
Andray kosa ry sareraka8O!! tsss
15. Fiffi ( 26/06/2006 16:48)
mampalahelo le fisainana eh! olombelona ve de andeha ho dorana lasantsy ?
16. sareraka ( 26/06/2006 16:56)
edrey!!! zava-nisy izany fa aza mody gaga eo ! izay mpangaro-paosy tratra tao aloha kely tao dia dorana velona @ lasantsy na petrole na bozaka .Teny ANALAKELY ,pochard ,tsaralalàna iny !!!

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
17. titis ( 26/06/2006 18:51)
Raha mahatratra aho aloha dia tsy sahy hiteny fa sao dia izaho indray no hifotoran'ny rambony eo,sady rehefa ela notoratorahana izy tsy maintsy tratra foana dia aleo ny hafa no hanao azy!sady tanana efa zatra mitsotra ,tsy afaka ny hivonkina intsony!
18. vale ( 26/06/2006 18:57)
tsy mety izany mandoror olona izany eny fa na dia namono olona aza izy oh, hoento any @ fitsarana izy dia hosaziana! ny ambiny ny ray ao ambony mahalala izay hatao @!!!
19. marozevo ( 26/06/2006 21:10)
Naodin-dRavalomanana hoe eh !... Efa loza loatra ilay fankahalana olona marina e... Efa mazava izao fa "Ramatoa" no ohatra atolotr'i hery, dia mahita hevitra hanodinana resaka foana ry sareraka.
Amiko tsy misy vidiny intsony izay hevitra atolotr'i Sareraka rehetra eo.

Iverenana ny resaka tena izy. Raha izaho indray no sendra izany, sady efa tena nitranga tokoa teo anelanelan'i Bologna (It) sy Milan, dia ataoko izay hahafantaran'ilay Ramatoa fa misy maka ny entany. Raha sendra mifanatrika aminao ilay Ramatoa dia jereo ny masony dia avy eo atodiho any amin'ilay bandy indray... dia ho fantany ny tianao ho lazaina. Raha sendra tsy mifanatrika indray kosa aloha tsy hitako ny fika.
20. Fiffi ( 27/06/2006 04:27)
sareraka:

edrey!!! zava-nisy izany fa aza mody gaga eo ! izay mpangaro-paosy tratra tao aloha kely tao dia dorana velona @ lasantsy na petrole na bozaka .Teny ANALAKELY ,pochard ,tsaralalàna iny !!!

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
ka io nolazainao io ry sareraka hoe ka inona no tsy marina @ zany ? satria ianao zany no nandoro an'le olona ka de....


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7042