James Bond midera an-dRavalo?

1. hery ( 23/06/2006 14:26)
Ary ny vazaha indray no mahita ny fiezahan-dRavalo hanatsara ny toekarena malagasy... sa hoe valalan'amboa?

http://www.lagazette-dgi.info/index.php?option=com_content&task=view&id=9232&Itemid=30

- « Madagascar sort de 30 ans de cauchemar et il y a des gens qui ont envie de changer les choses, comme le président qui est un homme extrêmement dynamique. On ne peut pas sortir Madagascar de sa situation sans avoir ce niveau d’énergie, cette capacité à prendre des risques même s’il se met beaucoup de gens à dos, tous ceux qui profitaient de l’ancien régime. Le président veut changer Madagascar et ouvrir le pays à son environnement régional et recherche des investisseurs qui vont faire bouger les choses comme les Mauriciens qui ont la réputation de ne pas être des enfants de chœur »
novalian'i prime ny 25/10/2006 14:56
2. Fiffi ( 23/06/2006 15:01)
Maro ny Malagasy mahita tsara ny fihezahan'i Ra8 , saingy tsy maintsy misy hiany koa ny tsy mba mety faly mihintsy. Io hiany ange no mba nolazaiko hoe vao firy taona izy no nitondra nefa tsy mba ireo zava-bitany no jerena fa de variana fotsiny @ fitsikerana eh!

Ny ahy koa ny tena nahaliana ahy dia io voalaza io hoe "+ Le pays a-t-il fini de payer les erreurs du passé ?"
3. sareraka ( 23/06/2006 15:30)
koa atao mahagàga ve raha ny affaires hifanaovan'izy mirahalahy ireo!
4. Robert ( 23/06/2006 15:44)
Jereo anie ity Sareraka, affaires inona indray no atao-dry zareo?
Mba ekeo aloha hoe mba miezaka Ra-8. Na de mbola tsy nahazo 4-l daholo ny malagasy rehetra.
5. sareraka ( 23/06/2006 15:57)
KOA MANINONA NO ANY LA REUNION izy no milalao angoridao rovitra sy manasoaso an-dRAVALOMANANA fa tsy eto @ tanàna raha lehilahy?
6. Fiffi ( 23/06/2006 16:33)
hery:
Ary ny vazaha indray no mahita ny fiezahan-dRavalo hanatsara ny toekarena malagasy...
io aloha dia tsy azo lavina satria tena marina fa tena nisy ny zava-bitany ary tsara.
Io ve ry sareraka dia tsy mba hitanao koa ?


7. sareraka ( 23/06/2006 16:51)
KOA MANINONA NO ANY LA REUNION no mibarareoka toy ny ondry hanoto fa ts eto @ tanàna e? valio io ra fiffi a
8. hery ( 23/06/2006 17:11)
Izany koa ve dia anontaniana? :-)

Ka mandalo any La Reunion izy no nisy nanontany fa tsy rehefa mandalo ao Madagasikara. Rehefa mandalo ao Dago izy dia anontanio fa dia holazainy tokoa ny marina.
9. dadabe ( 23/06/2006 17:12)
:^):miam:aleo aloha haka pilasy fa hisy kombaka milay ihany eto raha izao no mitohy a o^oo^o
10. fijo ( 23/06/2006 17:21)
bedada an,tsy hiady amin'ny tsy mahita lavitra letsy ny sasany an,misy mantsy toa ny soavaly misy tampy maso,tsy mahita afatsy ny eo aloany.ka avelao izy hitana izay fomba fijeriny izay.
11. cutie ( 23/06/2006 19:25)
:-D:-D:-D:-D
12. jajaf401 ( 24/06/2006 13:04)
Raha demokraty tsika de mbola lasa lavitra noho io ny resultats;
Ny antony dia tsotra : tsy niainga t@ ady seza aloha, de tsy nanampin-davaka nohadiana t@ ady politika ary koa tsy lany andro t@ nanarina fihavanana simba t@ firenen-kafa !!!!
Fa na dia zany aloha mba efa misy nidera eh, ary olo iray ihany (Ra 8 ) no niderainy an, aiza ary ny malagasy 18 000 000 tsy nisy voalaza koa ??????
13. sareraka ( 24/06/2006 20:02)
dadabe:

:^):miam:aleo aloha haka pilasy fa hisy kombaka milay ihany eto raha izao no mitohy a o^oo^o



AHOANA MOA NO HISY KOMBAKA? izaho eto dago ny sasany any italie ny sasany any amerika ny sasany any frantsa!
14. Fiffi ( 25/06/2006 05:10)
jajaf401: raha afaka fanadinana ve ianao , iza no ho derain'le mpampianatra ? ianao sa ny fianakavianao ?
15. rabaradaka ( 25/06/2006 05:15)
Dadatoa sareraka a ianao zany ange toa mitady hanohitra an-jambany fotsiny e, efa hita zao fa marina ny nambaran'ny dadatoa hery dia mbola ahitana resabe ihany, misaotra dadatoa hery sy fiffi fa tena milay ny voalazanareo a.
16. prime ( 28/06/2006 09:58)
hery:
Ary ny vazaha indray no mahita ny fiezahan-dRavalo hanatsara ny toekarena malagasy... sa hoe valalan'amboa?
tsy hoe valalan'amboa kosa aloha fa ny zava-misy no maneho fa Ra8 no zanaky ny BM sy ny FMI mahafatra-po indrindra aty afrika e! ka izay lazain'i JB dia tsy dia ahoan'ny vahoaka loatra intsony manoloana ny fahasahiranany isan'andro...:lol:
17. ramialy ( 02/07/2006 11:45)
za alou faly e, t@ ty in1 mitoraka ty no nisy lohahevitra hoe mba efa mivoatra i mada, hatrizay dia ratsy foana, mahantra, mijaly ny gasy sns :cry::cry::cry:
18. prime ( 04/07/2006 11:28)
Ilaina ihany ny mihaino karazana feo maro mba ahalalàna ny marina ; midera JB satria hita mivaingana ny vokatra dia izay aloha no andraisana azy...
19. MCZ ( 05/07/2006 12:28)
za alony dia misy hevitra hiombonako @ sareraka , resaka fotsiny io hataony vaza io fa ny afera ndry zareo sy Ra8 ny maha fatifaty andry zareo ao , tsy azo lavina fa nahavita be izy nohon'ireo taloha alony ééé , sopapa irao lazaiko zavatra marina satria anisany mba mpampiasa vola eto dago ny tenanay , raha vao hanokatra orinasa eto antoerana enao na mpivahiny io na tompotoerana dia tsy maintsy miaraka miasa @ groupe ny ra8 ,izy tsy maintsy manana action ao @ orinasa nao .
Ka tsy haiko wé inona no tena izy fa mapiheritreritra ihany raha hoan'y mpandraraha malagasy satria lasa mihena ny benef hihihi.
Raha mandroso ny toekarena eto dago tsy haiko miakamidina no fahitako azy , fa zao koa raha misy orinasa presenténa @ mpampindra mbola dia ny orinasa TIKO no loharaharana haseo voalohany izay vao ny zone franche, ireo ihnay fa ny orinasa sasany tsy ao anatiny lisitra .
Fa zao za mbola hividy an'i ra8 ihnay @ ity héhéhé nadia tsy mety havokany aza ny taratarsy momba ny zavatra ataoko :-D :D
20. HESHA ( 06/07/2006 10:17)
Tsy azo lavina mihitsy fa misy ny zava-bita, io no jeren ny ol any ivelany fa ra ny oe iza no tena ao ambadik le zava-bita, action ny ra8 iany no betsaka tao ve sa tsia, toa tsy rarahin ny BM zany na fantany aza.
nefa marina ko ny sareraka ra manda izy satria ny ol ange tena miaritra ny mafy am zao e, zany hoe efa leo ny mitabataba de aleo mangina, atao aona ko fa diso tetika ny sasany tamn iz reny. Tsy te hamerina le sitting eny am 13 mai tsony hono, anontanio ange e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5149