Sa reraka ?

1. marozevo ( 15/06/2006 23:06)
Ao amin'ny "candidat favori" ao misy olona roa miresaka, mampihomehy....

Misy misandoka ho lahiniriko... Nefa mampiady foko sy firazanana... Iza angaha no naniry an'izany.

Misy misandoka ho Sareraka. Mangina hono fa izy hiresaka...

Misy misandoka ho petsambava... Ny vahoaka sesefan'ialahy melia bleu...

Ny OLP somary nampiana kely dia mety satria tsy anarana malaza.

Sy ny sisa....


Izany ve no tena RESAKA politika ?

Sa reraka ny Malagasy ? Sa reraka isika ?
novalian'i marozevo ny 24/06/2006 08:46
2. soanja ( 16/06/2006 02:12)
Marovezo a, anao ny safidy. Mihaino fotsiny isika dia anjarantsika ny mandanjalanja hoe mitombina ve izany sa tsia. Izaho aloha tsy azon'ny ilay fanasana atidoha intsony e. Mijery mazava ihany no ady eo dia manadihady avy eo maka fepetra. Toy ny voankazo an'ala anie ity serasera ity e ary mila mahantaty soka.
3. Fiffi ( 16/06/2006 04:34)
marozevo:
Ao amin'ny "candidat favori" ao misy olona roa miresaka, mampihomehy....

Misy misandoka ho lahiniriko... Nefa mampiady foko sy firazanana... Iza angaha no naniry an'izany.

Misy misandoka ho Sareraka. Mangina hono fa izy hiresaka...

Misy misandoka ho petsambava... Ny vahoaka sesefan'ialahy melia bleu...

Ny OLP somary nampiana kely dia mety satria tsy anarana malaza.

Sy ny sisa....


Izany ve no tena RESAKA politika ?
INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?


4. sareraka ( 16/06/2006 05:49)
ka manam-bava tsy maintsy miteny ry zareo ah.. ary misy ny tsy mety hitanay matoa izahay miteny ?
raha ianareo ireo no mahazo tombo-tsoa avy any @ RAVALOMANANA dia zonareo ny miaro izany fa izahay kosa mahita ny tsy mety dia tsy maintsy miteny ary maninona koa moa raha tenenina hoe izay mpomba an'i RAVALOMANANA ihany no membre ato @ ity site ity e .Mbola tanora saina daholo ny olona ato tsy mbà mitovy ny any @ wanadoo ohatra!!!
5. diamondra27 ( 16/06/2006 06:20)
'za tsy manao politika aloha e! nefa 'za membre

fa raha hanao politika de inona no angatahina sy andrasana aminao

Mety hilatsahaka ihany aho raha toa ka.... mila olona mampandry ny tany sy mampilamina ny fiainana ka misy ny enti-manana ny @izany
6. Fiffi ( 16/06/2006 07:02)
de mandana aza any @ wanadoo no mimenomenona raha izany raha toa ka hitanao fa tanora saina ny ato.
7. Fiffi ( 16/06/2006 07:04)
sareraka:
.Mbola tanora saina daholo ny olona ato tsy mbà mitovy ny any @ wanadoo ohatra!!!
ka inona kay no hataonao ato raha izany ?


8. mandrindra ( 16/06/2006 07:18)
hoy i marozevo :
Ao amin'ny "candidat favori" ao misy olona roa miresaka, mampihomehy....


tsara rehefa mihomehy i marozevo ka :D
9. Achia ( 16/06/2006 07:42)
SOLELAKA :wink:
10. Fiffi ( 16/06/2006 08:37)
any @ wanadoo any !!
11. prime ( 16/06/2006 10:59)
Fa inona no very any @ wanadoo any e????!!! :-D
Ratsy angaha moa ny tanora saina??? Sa tokony ho antin-tsaina vao afaka miresaka???? :-w:-P:-D:-D
12. Fiffi ( 16/06/2006 11:24)
sareraka:
.Mbola tanora saina daholo ny olona ato tsy mbà mitovy ny any @ wanadoo ohatra!!!
prime: io hono eh! de hoy aho hoe de mijanona any @ wanadoo-ny any !!


13. prime ( 16/06/2006 11:38)
Eka sheka!!!:@
14. Fiffi ( 16/06/2006 14:50)
15. marozevo ( 16/06/2006 19:59)
wanadoo > Io ve no raviravizina sy hilazana fa any no matotra...
Conseil ny ahy... efa niditra kely tao indray mandeha fa loza no ao... Ohatran'ny tsy teo aho... ento aho rey tongotro.

Raha hijery adim-poko aranranga ianareo dia ao amin'ny wanadoo...
Raha te-hianatra teny ratsy... wanadoo
Rehefa maty eritreritra ka hiteny ratsy eo imason'olom-pady dia any amin'ny wanadoo...
Izany ny wanadoo

Raha izany no izy aleoko tanora fanahy lalandava ato amin'ny SERASERA
16. mandrindra ( 16/06/2006 20:07)
marozevo, mijanona eto amin'ny serasera fa misy mamoihomehy eto ô; sady ozizy ilay patrô be ato hoe :D dia ampy anie e
17. marozevo ( 16/06/2006 20:14)
:) ity no izy fa tsy ity :D kosa eh...

Eto amin'ny serasera hatrany... ary mba rahoviana no hisy fety sy hetsika ho an'ny serasrra aty ivelany le aza ah ?!!
18. mandrindra ( 16/06/2006 20:21)
efa misy fiantsoana ry amin'ny dinika mikasika ny fety sy fihaonana ka
19. marozevo ( 17/06/2006 12:58)
Ahoana ny "fijerena eto" an'izany antso izany?

20. Fiffi ( 18/06/2006 18:05)
marozevo: ity zao misy anakiray an! http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4487fdf9c690c de ity koa misy anakiray!http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4483407823c03
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081