FOOT afrikanina misy lesoka !!!!

1. lemenakely ( 14/06/2006 06:44)
Raha nijery ireo match izay nilalaovan'ireo equipe afrikanina(COTE D IVOIRE, GHANA ,ANGOLA, TOGO) @ ity mondiale 2006 ity dia misy lesoka ny fomba filalao :maro ireo tirs non cadrés ,dia ny gestion de buts no tena lehibe indrindra ry TOGO efa nanana 1 but à 0 face à la COREE dia sady nahazo carton rouge ,nefa ny BRESIL dia 1 à 0 no nahareseny ny CROITIE ary hainy ny nigerer ny avantage..i TUNISIE sisa no mbola tsy nilalao fa dia resy avokoa ny équipes africaines hatreto ..à bon entendeur salut!!!
2. lapino ( 14/06/2006 07:00)
I Tunisie indray handresy an'i Arabie Saoudite ka! :)
3. ravakamalala ( 14/06/2006 07:00)
Raha ny hevitro momba an io dia mahay foot ny afrikanina fa mbola miady amin ny ngeza akia izy a! tsy mitovy ny niveau hoy aho, satria tsy mitovy ny fitaovam-piadina, sy ny moyens ananan'izy ireo.

fa ny tena nahafinaritra hy dia ilay paozin ny togolais tamin ny nahafaty an lé baolina voalohany iny! tena latsaka mihitsy aho teo ampijerena azy.=))=))
4. ravakamalala ( 14/06/2006 07:01)
fa na izany aza matoa tafiditra ho isan ny mpilalao mondial ve tsy efa gaigy ihany izany e? mety mbola mila ezaka fa atao ahoana e, tsy maintsy mandady alooha vao mandeha kou!
5. Fiffi ( 14/06/2006 07:16)
croatie mpanao cinema fotsiny !!!
6. ronaldo09 ( 14/06/2006 08:58)
Marina aloha fa misy ny lesoka eo amin'ireo ekipa afrikanina ,voalohany I Cote d'Ivoire:Hita fa tena zakany tsara ny Argentins saingy eo amin'ny famaranana no tsy ampy ary ny misongadina avy hatrany fa tena tsy misy ny teknika eo amin'ny Afrikana fa ny fizika no ampiasaina hitan'ny argentins izay lesoka izay ary io no lavaka nandreseny ny Ivoiriens.
I Angola:Tsapa fa tena tahotra ny an-dry zareo ,jereo tsara ange ilay baolina matin'i Pauleta fa eo ho eo amin'ny 15 metatra no elanelana misy an'i Figo sya ilay vodilaharana nefa dia fitaka an-jazakely no nampiasain'i Figo dia very tanteraka ny anao lahy ary mora tamin'i Pauleta ny nampiditra ilay baolina avy any amin'i Figo.
Ganha :Hita fa sans complexe mihitsy ny lalao nasehony ary fantaro fa ny Italiana raha vao izy no mahafaty aloha dia sarotra ny mandresy azy satria fiarovan-tena sisa no ataony ary miandry valim-panafihana fotsiny izy ,miteny avy hatrany fa raha vao nanao hadisoana i Kufour (lah.4) dia mora amin-dry zareo ny nampiditra ilay baolina.
I Togo no nanana chance handresy saingy ny olana dia ilay karatra mena azon'ilay kapiteny-ndry zareo izay nampiova tanteraka ny fizotran-dalao moa i Adebayor tsy nahita hirika koa teo ami'ny fampidiram-baolina.
Tunisie androany :Mino aho fa zakany ny Arabie Saoudite fa tadidio fa hanala ny lesoka nisy t@ 2002 ny Saodianina fa tsy hindry baolina hiditra ao anaty haratony fotsiny.
Eto dia miarahaba ny Bresilianina aloha nandresy na dia eo aza ny fanakianana nataon'ny mpitia baolina kitra fa tsy nahafa-po ny lalao nataony ,Bresil eo amin'ny lalao voalohany dia sahirana foana vao mandresy ohatra 1998:Bresil#Ecosse(2-1),2002:Bresil#Turquie(2-1)ary ity farany Bresil# Croitie (1-0).
Fehiny :i Cote d'ivoire izao no hitako ho lasa lavitra na eo aza ny faharesena nanoloana ny Argentins
7. Ragadona ( 14/06/2006 09:28)
Somary nisy disadisa kely ry zareo brezilianina ka tsy mbola tena nampiseho lalao raitra. Mbola hi regler an izay izy fa hohita amin ny manaraka. Ireo samy fanta-daza manko no indray nalahatra ka tsy maintsy misedra olana (toa ny cas n i Real de Madrid ireny). Jereo fotsiny ny réaction n'i Ronaldo tsy nety nanao n'inon'inona teo ambony kianja ary dia nasorina avy eo...
8. mandrindra ( 14/06/2006 10:39)
efa nisy fivoarana ny kitra afrikana raha atao ny fanoharana amin'ny roapolo taona lasa.
voalohany, eo amin'ny lafiny tanjaka sy hery, rah io no jerena dia efa afaka mifanandrina amin'ny ngezalahy ny afrikana.
faharoa, ny lafiny teknika, fomba fitondrana sy fandraisana baolina, fomba fangalana toerana eo ambony kianja ..., efa maro ny mpilalao afrikana no mahafehy saingy rehefa atao ny salan'isa dia mbola misy elanelana kely amin'ny kalaza.
fahatelo, ny lafiny taktika, eo amin'ny fampiakarana ny baolina dia mifandanja amin'ny kalaza. hita taratra fa efa misy endridalao mazava atolotry ny ekipa afrikana tsy mikoropaka intsony mamoka baolina. eo amin'ny famaranana dia tsy dia ny lafiny taktika loatra no hitako tsy mety fa ny tsy fahampian'ny teknika individuel no hita matetika. ny lesoka taktika dia ny fiarovana. somary mitoredretra izany ry zalahy ka tsy mahavita ny marquage na ny tsotra indrindra aza. ohatra ilay baolina matin'ny italaina, pirlo, dia olona 5 metatra miala ny surface ve dia ary amin'ny 20 metatra no défenseur voalohany. dia saika naverin'ny italiana fanindroany iny fa mbola diso marquage ry zalahy. soa fa nisy réaction haingana nivoaka ny surface dia tsy afaka nanao bis i pirlo.

ragadona, tsy hoe tsy nampisaho lalao raitra ny breziliana fa tsy afaka naneho satria tsara ny fanindrina naton'ny milieu de terrain kroaty. raha vao mankany amin'i kaka na ronaldinho ny baolina dia efa mpilalao krôaty roana telo no miaratonga amin'ny baolina. i ronaldo indray efa fomba filalao ny mihitsy ny tsy mihazakazaka. ny an'i lery dia accelelration 3 na 4 ao antin'ny match iray no taony sady izy tsy mba hanenjika baolina izany.
9. bilakarenjy ( 14/06/2006 16:12)
Tsy midika mihitsy hoe :ireo efa kalaza no tsy maintsy handresy .Tadidio tsara fa boribory io baolina io ary zavatra tsy ampohizina no miseho sy mitranga eo fa dia aleo atao hoe :tombatombana daholo ireo saingy mbola misy ilay misitery ao ambadika ao toy ny TCHEQ izay isan'ny ekipa tsy azo folahina ry zandry ary anisan'ireo namolaka ny bresiliana tamin'izany andro izany fa saingy noho ny ady an-trano tao aminy dia tsy re laza ny TCHEQ ,tao koa ny YOGOSLAV izay mitovy amin'ny TCHEQ koa .
Tsy ho hainareo mihitsy hoe : Ho lasa aty afrika indray ny amboara .Zavatra mety hitranga izany fa tandremo . Dia ho hita eo ny voka-dalao e!.Resaka ampiadiana ny ahy fa tsy hoe manatsikera be fahatany a!.Aleo ny baolina no hiady e!.
10. mandrindra ( 15/06/2006 06:02)
ny hoe ho lasa any afrika ny ambora dia tena mety hitranga izany fa tsy mbola amin'ity taona ity aloha e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2349