Inona no atao hoe Filoha-mpirenena e?

1. Herimiafina ( 09/06/2006 11:01)
Somary gaga aho fa mbola betsaka ny olona ny mandray ny atao hoe filohampirenena toy ny andriamanitra handatsaka mana avy any an-danitra.

Hanao fahagagana tsy toko tsy forohana ka hanafaka ny gadra na hamahana sakafo, hampanankarena azy tsy an'asa sy hamoaka ny havany gadra any amponja, hampidina frais-n'ny bus, hanome jiro sy rano maimaimpoana, sns

"Charité bien ordonnée, commence par soi-même".

Kiano kely aloha ity resako ity fa tsssss. :@
novalian'i marozevo ny 18/06/2006 23:01
2. papala ( 09/06/2006 12:16)
tsy hitako izay hokianina fa za aza mba gaga amin'ireo, manatena 4L isaky ny fianakaviana nefa izy mianankavy tsy miasa fa manjeninjeny fotsiny ?

Fa ny atao hoe Filoha-mpirenena dia tokony hanana CV ohatr'izao :
1)Olona Kristianina (satria ny Kristianina no betsaka indrindra eto Madagasikara)
2)Olona dynamique, (mailamailaka amin'izay hataony rehetra, mavitrika fa tsy mitoredretra, tsy farary)
3)Olona efa nanan-karena, fa tsy hoe tonga ho filoham-pirenena vao hanangon-karena. Io ilay mahafaty ny vahoaka Malagasy mihintsy!
4)Olona manana fahasahiana mitarika ny Malagasy ho @ fiainana tsara, Oh : mamporisika ny olona hiasa, satria ny hatsemboan'ny tavanao no hihinananao?
5)Olona mahay mifandray amin'ny ankolafin'olona rehetra : ambanivohitra, andrenivohitra, mpiasam-bahoaka, mpandraharaha, antitra, tanora,ankizy?
3. Simpona ( 09/06/2006 13:07)
Hmmmm.... le harena sisa tadiaviko de hilatsak za:°):°)
4. vale ( 09/06/2006 16:28)
:-D:-D:-D
5. Ragadona ( 09/06/2006 17:14)
Ka izay te ho filoham pirenena mihitsy hatramin izao no tsy misy afa-bela amin io fisainana io fa lalaovina amin io ny olona dia rehefa tonga eo amin ny fitondrana vao mitady fialana bala ... hohita eo ndray moa fa tsy hisy iray amin izay hilatsaka eo mihitsy na iza na iza ho sahy hamariparitra mazava tsara hoe inona no andraikiny fa hiova language daholo. Tokony mba hiova fomba fiasa ny gasy : enregistrerna daholo zay tenen ny candidats rehetra amin ny fifidianana dia refa avy eo manangana entité neutre iray hanao suivi ny fanantanterahan ilay candidat azy refa lany izy. Asiana contrats avoaka lalàna mazava tsara hamaritana ny andinindininy rehetra, ohatra hoe raha 10% no vitany ao anaty 2 taona dia ahoana, raha 50% ao anaty 3 taona dia ahoana .... Izany hoe tsy mila miandry 5 taona zany vao mitsara fa io andrasoandraso io no mampiombo aretina
6. tenagasy ( 09/06/2006 17:31)
Mankamamy ô!
Ary sao dia mba azo raisina koa ohatra ny hoe:
- olona nahavita zavatra mivaingana
- olona madio (tsy voarohirohy amina raharaha maloto)
- tsy anisan'ireo nanao tsy nahavita izany hoe teo no niala ka te hiverina indray
Dia aza tohina isika raha miteny koa aho hoe:
- olona tsy manao Pôlotika @ fomba malagasy!
Mirary soa!
7. avolenta ( 09/06/2006 18:33)
Ary lé tena ilaina indrindra no tena tsy mba hitako ao: mba nandala fianarana na dia kely fotsiny aza, ohatra hoe atram naha zatvolahy azy na 18 taona na azo itovizana koa am hoe BAC.
8. fijo ( 09/06/2006 18:47)
herimiafina,dia tena tsara fipetraka tokoa ity resaka iray ity.ny mahatonga izany,dia satria isika(gasy)voataiza tamin'izany.hany ka tsy mahalala intsony izay asa tandrify ityandrim panjakana iray ity.
9. Fiffi ( 10/06/2006 08:03)
heu.... amiko aloha de hoe inona no hatao hoe filoham-pirenena ?
-Olona tahaka ny olona rehetra hiany izy.

-heu... mahay politika , afaka mitondra firenena satria tsy zava-mora ny fitondrana.

-Olona nofidian'ny be sy ny maro mba hitondra sy hitantana ny firenena ary hajaina koakoa nohon'ny olona sasany.

-Fa tsy de aiko indray aloha zany hoe raisina tahaka an'Andriamanitra zany an!

fijo: sao kosa ny nahatonga an'izany hoe i Ra8 zao ohatra an! nanao izay nahafantaran'ny vahoaka malafasy rehetra hoe mpivavaka izy de zay no hanaovan'ny olona an'izany ?
10. jajaf401 ( 10/06/2006 10:36)
Ny famaritana ve no andrasan'i HM sa ny fepetra tadiavina aloha eh??
Hitohy, svp!
11. Herimiafina ( 10/06/2006 11:19)
Misaotra anareo namaly ny antso!
Izy io dia tsara fantaraina avokoa na ny famaritana na ny fempetra, satria dia mahagaga ahy mihintsy hatramin'izao rehefa miresaka aman'olona aho ny momba an'izy io e.
Misy ohatra ny milaza amin'ireo vahoaka fa raha i anona no lany eo dia hidina Ar100 ny frais bus.
Misy ny milaza fa hidina ny vidimbary.
Misy indray amin'ireo mitetika ny hilatsaka ho filoha no milaza hanavotra ny anona na ny atsy ananona na hampidina ny frais na hanome jiro sy rano maimaimpoana, sns.

Tsy dia ifanomezantsiny ilay izay fa eo amin'io famaritana io mihintsy no tsy mazava, na tsy ampy ny information, na meconnaissance le izy.

Ny nahita fianarana taty ampita aza dia mitompo tena fatratra toy ny tompon'ny fahalalana rehetra ka hiverina hody haka fahefana ka hanao fahagagana, sns.

Ny andaniny mandrevy be, ny ankilany mampanantena zavatra impossible.
12. jajaf401 ( 10/06/2006 11:21)
amiko aloha tsy izay rehetra mpanao politika de presidentiable eh! Fa mitady traikefa sy finiavana io;
Fa ny idiran'ny fanafahana gadra sy fampidinana saran-dalana, eny na ny famoronana asa dia efa andraikitra tsy miankina zany (facultatif) fa mifandray fotsiny @ responsabilité-any zay ary izy no tompony raha vao resaka fiainam-bahoaka @ ankapobeny zay.
Raha hiala zany kosa izy de miala adidy zay!
Fa ny tohiny ho hita eo! :-D
13. Herimiafina ( 10/06/2006 11:27)
Izy io Ra-jajaf401 dia ohatra fotsiny ireo resaka vary sy jiro sy rano, sns ireo.

Fa matetika ny olona tena mendrika ilay toerana tsy intéressé, tsy mahay mivarotra tena sy manao publicité tena tahak'ireo angamba no hitenenana azy e, satria le critère no mety mifanipaka tanteraka amin'ilay princiep-ny angamba e!
14. jajaf401 ( 10/06/2006 11:46)
Ekeko zay fa na eto amintsika Madagascar koa angeh lasa sarotra ilay mitondra eh, satria tsy vitan'ny Dirigeant fotsiny fa tsy maintsy miditra @ raharaha politika koa, ary ao no misy zavatra tsy faseho masoandro maromaro eto @ tany sy ny fanjakana!
Ary izay mihazakazaka @ ilay toerana no tena tsy halehany hoy aho!
15. papany ( 10/06/2006 11:53)
Ny atao hoe filoham-pirenena dia: olona sahy @ zay ataony;vonona hampandroso tsy misy hatak'andro "andraso andraso";mahay mampifandanjalanja ny rivotra iainan'ny besinimaro
16. jajaf401 ( 10/06/2006 12:04)
Ekeko zay fa na eto amintsika Madagascar koa angeh lasa sarotra ilay mitondra eh, satria tsy vitan'ny Dirigeant fotsiny fa tsy maintsy miditra @ raharaha politika koa, ary ao no misy zavatra tsy faseho masoandro maromaro eto @ tany sy ny fanjakana!
Ary izay mihazakazaka @ ilay toerana no tena tsy halehany hoy aho!
17. Fiffi ( 11/06/2006 06:16)

Inona no atao hoe Filoha-mpirenena
18. ainga ( 11/06/2006 08:35)
Manao ahoana daholo ô !
Ary raha ampiana ity fanontaniana ity koa ? \" Inona no atao hoe olompirenena (citoyen)\", izay heverina fa hahay mamakafaka sy HAHAY mifidy ?
19. mandrindra ( 12/06/2006 11:33)
[quote=Herimiafina]
Somary gaga aho fa mbola betsaka ny olona ny mandray ny atao hoe filohampirenena toy ny andriamanitra handatsaka mana avy any an-danitra.

Hanao fahagagana tsy toko tsy forohana ka hanafaka ny gadra na hamahana sakafo, hampanankarena azy tsy an'asa sy hamoaka ny havany gadra any amponja, hampidina frais-n'ny bus, hanome jiro sy rano maimaimpoana, sns

"Charité bien ordonnée, commence par soi-même".

Kiano kely aloha ity resako ity fa tsssss. :@
[/quot
ny filohampirenena dia izay mahatarika sy manana tetikasa mazava, sy azo tanterahina, hametraka drafitra ialana amin'ireo zavatra voatanisa ireo.
raha ny hoe ny mpitondra firenena irery no mahavita mazi mazi dia tsia. samy manana ny andraikina na ny mpitondra na ny ho entina. ny iray tsy mahavita raha tsy miezaka ny ankilany.


20. Fiffi ( 12/06/2006 12:30)
Herimiafina:

Somary gaga aho fa mbola betsaka ny olona ny mandray ny atao hoe filohampirenena toy ny andriamanitra handatsaka mana avy any an-danitra.
ka tsy hita kosa anie le manjoa an'ireo olona ireo eh! de mba manantena izy zany angamba hoe hajaina tahaka an'Andriamanitra ny filoha fa heu..hihiratra ny masoandro ? na hisy fahagagana ? fa na de zany aza d tsy maintsy hajaina kosa aloha ny filoha eh! izay ny maha-filoha azy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8788