Aministie Raharaha 2002?

1. hery ( 07/06/2006 10:52)
Manomboka mampiaka-peo mafy mihitsy ireo mpanohitra amin'ny tokony hisian'ny amnistie faobe tamin'ny raharaha 2002. Toa manangantsonia mihitsy aza hono ny senatera AREMA hanongana ny filohan'ny Senat satria tsy mety mandresy lahatra ny Solombavambahoaka izy sns...

Amiko, alohan'ny hilazana hoe resaka politika sa tsy resaka politika iny raharaha iny, ka alohan'ny hitenenana hoe gadra politika sns... dia tsara raha anontaniana aloha ny hevitr'ireo tena victimes tamin'ireny raharaha ireny.

Andao tsy horesahina ny resaka tetezana sy ny barazy satria "angamba" tsy tena victime-n'iny ny tsirairay (???) fa anontanio kosa ireo izay:
- Maty havana tamin'ireny fotoana ireny
- Naratra sy nitondra takaitra tamin'ireny fotoana ireny
- Very havana, tsy hita popoka tamin'ireny fotoana ireny.

Raha izy ireo no miteny hoe asio aministie fotsiny tsotra izao dia mety ho azo eritreretina ihany hoe aza raharahiana ny tetezana tapaka sy ny barazy sns...
novalian'i marozevo ny 13/06/2006 21:40
2. xxx ( 07/06/2006 11:32)
Tany Brickaville aho ny taona 2002. Tao anatin'ny raharaha mafana ireny. Nalain'ny milisy ankeriny daholo izahay (izay tsy teraky ny faritra atsinanana), nataon-dreo tao anaty lavaka be iray, ary isaky ny adiny iray dia mitifitra iray izy ireo. Nisy tamin'ireo milisy anefa nahafantatra ahy, ka niteny hoe namantsika io, nesorina tao aho, dia nalefan-dry 'zareo. Hatramin'izao tsy haiko ny niafaran'ny olona tao na nisy velona ihany na tsia.
Raha sanatrian'ny vava ka miditra amin'io resaka amnistia io ny fanjakana, dia izaho izao, izahay anisan'ny mpanohana ny fitondrana no hivadika "biby" voalohany. tsy vita mora ny ràn'ireo tsy manantsiny nalatsaka tsy ara-drariny.

Tovovavy iray, ni-violen'izy mianakavy tao, nofatorany dia nifandimbiasany. Torana ilay tovovavy rehefa avy nandalo teo izy mianakavy. Araka ny fitantaran'ilay zazavavy dia mbola virjiny izy talohan'io fotoana io. Tao Brickaville koa no nitranga io tantara iray io.
3. Herimiafina ( 07/06/2006 12:11)
Ka izay anie hoa e! Mahagaga fa misy toerana maro tsy misy fanjakana tsony e! Koa maika moa fa officialiser-na izay tsy fisian'ny justice izay.
Aleo izy hanao eo fa maromaro avao izay haiko hivadika biby izay e!
4. zakilinina ( 07/06/2006 16:28)
Izay afaka manao témoignage momba ny HOROHORO-2002 dia iangaviana hanoratra ato. Misaotra tompoko !
5. boubounezy ( 07/06/2006 17:44)
za alou tsy nanatsika ny 2002 fa ny 10aôut no tena natreako en tant que neutre za t@ io fa tena vhv zanaka AREMA no nitolona tany ary itako @ gazety ny ny sariny sy lé tongotsa nivadika be tapaka ny grénady nefa io vhv io vô nanambady 1an dé nana zanaka 9mois; maty tany ny mamany io zaza io ary zay anisany niandry ny fatiny fa kay voisineko izy io ary dé tena ontsa dé ontsa ny (l)ko t@zany.8-)8-)8-)8-)8-)8-)8-)8-)8-)ka ra ny efa nalou no averina eo dé aza mba manao otsany alika tsika alou e!....ary lé ramato "AREMA BE" mamany io vhv io sy bébéany io zaza tsy nanantsiny io dé nivadika mandrampatatiny ra ny filazany. dé mbola eo kou ny vadiny zé mba inn ny heviny??? kivy izy ka ra ny @ko manokanab alou aza asina REMA zany tsony eo e! ny 1 amanjeniko kou mba anisany mpilahatsa mafatsa(l) bé t@ reny haut ROUGE bas GRIS manao la marche vô maraina bé nanao vy very ny ainy na zay kou aza t@ mbola pupile kely sady bedy refa tsy manao repéty ny ny la marche ho any matso présidentielle nefa tsisy vokany akory na 1 aza. mbola toizako ny tantara @ manaraka...........:snif::snif::snif::snif::snif::snif::snif::snif::snif:







hery:

Manomboka mampiaka-peo mafy mihitsy ireo mpanohitra amin'ny tokony hisian'ny amnistie faobe tamin'ny raharaha 2002. Toa manangantsonia mihitsy aza hono ny senatera AREMA hanongana ny filohan'ny Senat satria tsy mety mandresy lahatra ny Solombavambahoaka izy sns...

Amiko, alohan'ny hilazana hoe resaka politika sa tsy resaka politika iny raharaha iny, ka alohan'ny hitenenana hoe gadra politika sns... dia tsara raha anontaniana aloha ny hevitr'ireo tena victimes tamin'ireny raharaha ireny.

Andao tsy horesahina ny resaka tetezana sy ny barazy satria "angamba" tsy tena victime-n'iny ny tsirairay (???) fa anontanio kosa ireo izay:
- Maty havana tamin'ireny fotoana ireny
- Naratra sy nitondra takaitra tamin'ireny fotoana ireny
- Very havana, tsy hita popoka tamin'ireny fotoana ireny.

Raha izy ireo no miteny hoe asio aministie fotsiny tsotra izao dia mety ho azo eritreretina ihany hoe aza raharahiana ny tetezana tapaka sy ny barazy sns...




6. marozevo ( 07/06/2006 19:22)
Marina tokoa fa tokony hanontaniana ireo famillen'ny victime. zava-dehibe io, nefa tsy tokony hambaniana koa ny fanapahana tetezana sy fanapahana poton-jiro. Izay tao Antsirabe tamin'ireny fotoana ireny dia nahatsapa ny ngidiny tokoa satria avy ao no tena loha nikotrika ilay fanapahana tetezana.
Ny fanapahana tetezana dia "crime contre la Nation", ka raha ireo no avela heloka dia hivadika biby koa izahay.
Saingy ahoana no hampitantsika ny hevitsika any amin'ny fitondrana ankehitriny. Zavatra tena maika tokoa ny hahafantaran'i President ny hevitsika.
7. Rainikarabo ( 07/06/2006 19:45)
Amnestia faobe hono no tadiavin-dry zalahy! midika ange zany fa mitaky famotsorana jiolahy ry zalahy AREMA sy ny forongony e. Dia ny sahala amin'-ndry Coutiti sy Balbine ve dia tokony havotsotra? nefa firifiry ny olona novonoin-dry zalahy ireny tany Nosy-be sy tany amin'ny faritra SAVA, ny tany Diego?Sady namono ireny no nampijaly no nampihorohoro.

Ny ahy dia tsotra fotsiny, Amnestie faobe dia midika fankasitrahana ny asa-ratsin'ny mpamono olona.
8. xxx ( 07/06/2006 20:53)
Ianareo no te hanao adalana koa izay vao hoe amnistie a amnistie, raha tsy vendrana ny olona koa.......
9. fijo ( 07/06/2006 20:53)
le olona voatana tamin'ireny aloha dia nisy karazany roa.
nisy ireo,nikotaba fa tsy namono na nandrava zavatra.ireny tsy olana raha homena famotsoran keloka,satria ireny le olona manaraka fotsiny.fa ireo lohandohany sy ireo nanimba zavatra ary nandatsaka aina kosa,dia tsy azo avotsotra mihintsy,satria raha izay no mitranga eo,dia ho lasa fanao io resaka io,ka atahorana ny hoavy.
10. Fiffi ( 08/06/2006 10:35)
ny tena nibaiko nampamono olona aza hatramin'izao mbola libra...
11. xxx ( 08/06/2006 11:10)
Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony...

Aiza ny maha-kristianina antsika rehetra?
12. Bonz ( 08/06/2006 12:05)
ka raha entina amin'izany ve ry xxx ny fiaraha-monina dia avela hanao ny ataony daholo izany mpanao ratsy rehetra eran'ny tanana? Fanjakan' Baroa zany no revin'i xxx ka samy manao izay saim-patany!

xxx> avelao ny RR-nao vonoin'olona, omeo koa ny fananao potehin'ny olona, avelao ny tranonao vakian'ny jiolahy,sns...dia avelao ny helony avy eo fa tsy fantany izay nataony.
13. jajaf401 ( 08/06/2006 15:48)
Ary mbola ho ela raha zany ny amnistie an!!!!!!!!
Fa isika in-1 tsy hifandrafy mandrakizay eh!
Sa manomboka zao ve??????????
14. xxx ( 08/06/2006 18:15)
Tsy resaka mifandrafy na fankahalana io fa resaka heloka, izay nanao heloka dia sazina, aza afangaro.
15. Achia ( 09/06/2006 06:53)
asa ra mba mijery ity sera2 ty ny mpanohitra sy ny mpitondra :wink:
16. hery ( 09/06/2006 08:15)
Achia> Misy dia misy ao kah ;-)

Fa na tsy misy koa aza dia lelalelao foana rehefa misy tsy rariny
17. avolenta ( 09/06/2006 09:41)
Bonz:

ka raha entina amin'izany ve ry xxx ny fiaraha-monina dia avela hanao ny ataony daholo izany mpanao ratsy rehetra eran'ny tanana? Fanjakan' Baroa zany no revin'i xxx ka samy manao izay saim-patany!

xxx> avelao ny RR-nao vonoin'olona, omeo koa ny fananao potehin'ny olona, avelao ny tranonao vakian'ny jiolahy,sns...dia avelao ny helony avy eo fa tsy fantany izay nataony.

ha hah ha ha ha ha ha ha ..........iny ndray ny tsitako


18. fijo ( 09/06/2006 18:50)
achia,misy mahita ny ato ka.fa ilay izy aloha mila dinihana tokoa,fa tsy azo atao am po fotsiny,satria misy zavatra azo aravona,fa misy kosa mila fihenjanana tokoa sao holasa fahazarana ka hanimba ny hoavy.
19. Achia ( 10/06/2006 05:01)
Ie tena mila mandinika tokoa indrindra ny mpanohitra fa tsy manohitra be fahatany fotsiny , ny mpanohitra mantsy @ zao no mangataka ny amnistie faobe ka ra ny fandinihako azy de ireo mpanohitra ireo mitsy le tsy mirahara ny mpiray tanindrazana @ satria tsy mba nojereny ireo namany maty sy nitondra faisana t@ fotoan'andro rehetra fa refa tsy mahazi seza de korontaniko io nefa refa atao eo tsy mahavita , ny gasy oa mbola ho ela vao handroso . Tsy fiarovako an -dRa8 ty fa naninona moa t@ i Deba nitondra teo efa 21 taona naninona no tsisy sahy nanao ohatrizao nataon'ny mpanohitra ankehitriny izao fa ito ol vao 4 taona monja defa mbay teo ataovy ny tetezamita lalana ve ho fihinana , aoka zay fa lava loatra samia mandinika , fa ra za lo ny mpanohitra de maka vola @ fanjakana aho hanaovako zavatra iray mba ho fanampiako azy
20. Fiffi ( 10/06/2006 08:07)
xxx: na Kristianina na tsy Kristianina , rehefa nanao heloka goavana , tsy maintsy misy ny sazy natokana ho an'ireny . Sa ve de ho avela @ zao fotsiny ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6422