Aministie Raharaha 2002?

21. marozevo ( 10/06/2006 08:39)
Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony ????

Midika izany fa olona adaladala izy,matoa tsy mahafantatra fa tsy mety ny mamono olona, manapaka tetezana, manao herisetra amin'ny vehivavy...

En tout cas, ny fanamelohana any am-ponja tsy midika hoe lolom-po, fa fampiharana ny fahamarinana. Na mpivavaka toy inona aza, ka mamelamela foana ny olona nahavita heloka, dia tsy manaja ny rariny izany.

Ndao ho'aho hatao ren'ny mpitondra ankehitriny : Filoha, gouvernemanta, depioté sns izao dinika ataontsika izao. Inona no fika ?
22. jajaf401 ( 10/06/2006 11:32)
Efa fantatry ny filoha sy ny ekipany zany ary efa nosazina ny meloka jiaby izay azo nosazina, fa ny angatahana dia ny famelan-keloka, zany akory tsy voatery faobe an! fa raisina fotsiny ilay cas de dinihina cas par cas, izay azo avela dia avela fa zay namono olo de aleo aloha hoany; izay no tanjona @ amnistie,
angambany hoy aho an!
23. Rainimaharavo ( 10/06/2006 12:49)

rehefa avy namaky ny ankabeazan'ny valiteny momba ny famelan-keloka aho dia izao fotsiny :
tamin'ny fisehoana ampahibemaso teny amin'ny TROCADERO any Paris dia tsy nitsahatra ny lelalela hoe : rehefa tafaverina amin'ny fitondrana izahay dia mahatantesa valin-kitsaka.
Aiza ho aiza amin'izany ilay hoe : FIHAVANANA sy FAMELAN-KELOKA TADIAVINA?

Izay fotsiny no lazaiko. Asa izay hevitrareo.
24. jajaf401 ( 11/06/2006 06:11)
Tsy rariny kosa zany eh!
Raha marina zany ary raha tena ao am-pony nilazany izany de tsy ho vita ny tantara,
Ty koa anie mbola ajakan'ny antitra ny politika Gasy zay no manahirana eh, hany ka misy polemika hatrany,
Tsy ny fandrosoana no eritreretina fa valy faty no andaniana andro, hummmmmmmmmmmmmmmmm
RAHARAHA E E E! :-D:-D:-D
25. Fiffi ( 11/06/2006 06:18)
Rainimaharavo: taiza ary ohaviana kay no nisy an'io ?
26. Rainimaharavo ( 11/06/2006 17:11)
io zava-niseho io dia teo amin'ny place TROCADERO ao Paris tamin'ny sabotsy 02 avril 2005. sendra teo koa tamin'io fotoana io ilay "garde-corps" an'i Ra8 voaroaka andro vitsivitsy talohan'io, ilay rangahy mpanao karaté sa inona koa moa. Nanao tsidi-pahitra nitazan-davitra. Ny akaman'ny TIM dia nitokana nitondra ny sora-dehibe hoe Mahavita azy Ravalomanana.
Ny Mpanohitra tetsy andaniny dia namely ny hoe : Gadrao Ravalomanana, mahatantesa valin-kitsaka, Mpangalatra Ravalomanana, tsy maintsy migadra sy lasa sesitany daholo ireo mpitondra amin'izao fotoana izao ireo...hajanoko ny resaka sy esoeso hafa fa ireo no tena nivaingana. Amin'izao fotoana izao dia tsy maty voalavo an-kibo ny ankamaroan'ireo olona teo amin'ny place Trocadéro ireo. Eto an-tanindrazana ny vitsivitsy amin'izy ireo ary mikendry ny hanao zavatra tsy manjary na maharesy izy na tsy maharesy amin'ny fifidianana hoavy izao. Tamin'io fotoana io (2 avril 2005) dia nisy olona iray (Malagasy) naka sary ary hoy ilay rangahy iray avy amin'ny mpanohitra hoe : à quoi sert la photo, ce n'est pas bon de prendre des photos...naka sary ihany anefa ilay rangahy. Nisy "radio malagasy" teo naka feo sy nametraka fanontaniana tamin'ny sasantsasany. Nandeha tamin'ny radio capricorne ny resaka nalainy teo. Tsy misy dika vilana ireo fa marina daholo.
Raha toa ka tena hisy ny FAMELAN-KELOKA dia tokony hilaza ampahibemaso ry zareo hoe teny diso tsy mba kabary ireny...nefa toa manonofy aho.
Asa re!!
27. marozevo ( 11/06/2006 20:26)
Ohatra iray ihany io tany France io, fa mbola maro noho izany ny any Madagasikara.
28. zakilinina ( 12/06/2006 20:42)
Izay kandidà mpanohitra sahy milaza fa tsy maintsy melohina ireo namono olona tamin'ny 2002 dia mety hahazo isa ambonimbony. Kanefa aho manahy fa tsy ho hainy izany ! Ilay tenim-bodongerona ihany no miloaka avy ao ambavany.
29. marozevo ( 13/06/2006 21:40)
Inona ilay teny bodongerona ? Iza ilay "izy" ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3951