Fahalalam-pomba

1. hery ( 03/06/2006 08:29)
Zavatra miverimberina foana ity zavatra lazaiko ity... angamba tsy dia misy lanjany loatra ho an'ny sasany kanefa mba ilaina ihany koa averiko indray.
Resaka fahalalam-pomba ilay izy.
Inoako fa mba anisan'ny gaga koa ianareo rehefa mandray hafatra tsisy arahaba, tsisy veloma sns... Teny vitsivitsy monja eo alohan'ny hafatra sy teny vitsivitsy aorian'ny hafatra anefa no ilaina dia ampy. Imbetsaka mihitsy aho no maharay email toa izao

"ahoana izahay no tsy mahatafiditra sary?"

na hoe

"tena tsy mandeha ny radio"

io fotsiny tsisy arahaba, veloma, sonia sns... na dia hoe fantatra amin'ny email aza. Olona tsy mbola fantatro akory fa mieritreritra fotsiny hoe manana zo hanontany.
Koa hoy aho hoe tsy mi-compliquer fiainana mihitsy akory ny manampy teny kely hoe "Manahoana" na "Salama" na "Akory" ery ambonin'ireo hafatra ireo. Mety mba mahafinaritra an'ilay mpamaky azy ny hafatra.

Teny atsipy eny am-pon'ny mahalala hono e. Dia teneno koa aho raha sendra tsy mety :-)
novalian'i Fiffi ny 13/06/2006 19:30
2. fasaly ( 03/06/2006 09:09)
zà kou aloha choké kely ihany mahazo hafatra otrreny e! marina na de atao aza hoe virtuel tsy mifankahalala fa tena misy tokoa io toe-javatra ray io fa de hatao ahoana ! zay ny fomba fahaizany miaina sy misersera amn'oul ka de tsy mahita ambara:roll:
3. ainaheri ( 03/06/2006 10:38)

Marina zay lazain'i hery zay fa misy ol nateraka
tsy ahalala fomba mihitsy angamba,fa noheveriny ohatra ny fiainany ao antranony ny fifandraisany
@ sarababembahoaka!! Fa za nisy fotoana nanontany zvtr an'i hery tsy tadidiko na nanao bezoro sy misaotsa,tsy tadidiko tsony!! fa ra tsy nanao d ialako tsiny be indrindra!!
4. Fiffi ( 03/06/2006 11:10)
indrisy !! tena marina mihintsy io lazain'i hery io .
asa re fa de hadino tokoa ve io fahalalam-pomba io ?
Tokony hiheritreritre hiany isika fa ny zaza aza hampenarina ny fahalalam-pomba , @ fomba ahoana moa ireo ankizy no hahay an'izany raha isika olondehibe indray no tsy mampiseho ho modely ?
5. ds ( 03/06/2006 12:08)
... dia ny teny kely monja
feno hatsaram-panahy
nisy hevitra mafonja
ka nitondra HERY ho ahy...
6. vale ( 03/06/2006 12:46)
ilaina dia ilaina ny fifanajàna e, izay no mbola mahasamihafa antsika malagasy @ hafa angamba, ilay fahendrena nankaiza?? sady efa mangataka zavatra ve no mbola tsy miarahaba, 8O, raha izaho kosa aloha no tratran'izany mba choké ihany e, fa asa!:o
7. Lalah ( 03/06/2006 13:00)
Ny tena marina amin izy ity tokony, asiana mampiditra infos daholo zay rehetra te hiserasera dia amin izay mbo manana respect an ny hafa, fa ny sasany manko manararaotra hoe tsy misy mpahalala de manao ny tsy tokony hatao. Mba sosokevitra ihany iny, fa aza atao mahatezitra an
8. vale ( 03/06/2006 13:13)
ié, marina mihintsy izany, ny ao @ mombamomba ny an'ny sasany izany dia banga be fa ny ps ihany no eo, dia aiza no tsy hanararaotra!:D mmmmh!
9. Fiffi ( 03/06/2006 13:42)
ds:

... dia ny teny kely monja
feno hatsaram-panahy
nisy hevitra mafonja
ka nitondra HERY ho ahy...
zany an ? :)


10. dongadonga ( 03/06/2006 19:14)
andao rangah asiana lalana mifehy ato aa sa ahoana hoy ianareo:!:
11. vale ( 03/06/2006 19:16)
12. Herimiafina ( 03/06/2006 23:44)
Tena tsy tadidiko raha efa nanao tahak'io aho fa dia mametraka ny fialantsiny raha sanatria nisy olona nataoko izany.

Na dia izany aza aloha dia apetraho foana ny fahalalampomba ry zareo an. :roll:
13. Fiffi ( 04/06/2006 04:52)
iza anefa no tsy efa nanao an'izany ? sainy ny mampalahelo fotsiny de efa samy olondehibe zao daholo nefa heu....
14. agoago ( 04/06/2006 05:56)
Mahafinaritra ny mahita ny olona mahalala fomba na ny manao azafady sy misaotra fotsiny aza.Ny ahy ny olona tsy tsaraiko @ endrika ivelany mihintsy fa @ hatsarampanahiny,fahalalampombany, sy ny fahaizamiainany.
Aza valiana izay tadiaviny rehefa tsy mahalala fomba ry Hery a, tonga dia valio hoe mba mahalala fomba azafady!
15. Fiffi ( 04/06/2006 06:13)
agoago:

Aza valiana izay tadiaviny rehefa tsy mahalala fomba ry Hery a, tonga dia valio hoe mba mahalala fomba azafady!
hihihihi koh hoe aza valiana ry hery nefa ve mbola valiana hiany hoe " mba mahalala fomba" ?


16. lanto ( 04/06/2006 07:07)
Ny olona manao toy ireny tsy tokony hanantena valiny mihitsy.
17. Fiffi ( 04/06/2006 07:15)
marina zany an!
18. diamondra27 ( 04/06/2006 07:26)
no comment
19. fasaly ( 04/06/2006 07:48)
Fiffi:

iza anefa no tsy efa nanao an'izany ? sainy ny mampalahelo fotsiny de efa samy olondehibe zao daholo nefa heu....


zà klou tsy maintsy miarahaba de manao veloma kosa e! tsa mbola niditra tsy mandona sy lasa tsy manidy trano zany zà :roll::-:wink:
20. boubounezy ( 04/06/2006 08:38)
za kalongany tsy mbola nanao anizany maintriny refa mba misy anotaniko e! fa tena trara iany ny fampatsaivana satsy tsitako zé maratry anizany "fa falalampomba"^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.598