HILATSAKA INGAHY PIERROT RAJAONARIVELO!!!!

1. victime101 ( 27/05/2006 07:22)
Hilatsaka ho fidiana filoha ingahy PIERROT RAJAONARIVELO @ 03 décembre vaovao hita ao @ tribune androany io.Maro noho izany ny fanontaniana mipetraka eny ambavan'ny maro ka voalohany @ izany ny hoe
-ho eken'ny mpitondra ankehitriny ve ny filatsahany?
faharoa manarak'izany
-raha ekena ny firotsahany mazava ho azy izany fa i RA8 sy izy no hanao ny fiodinana faharoa raha lany ra8 hanao ahoana ny réaction ny raha i PIERROT no lany hanao ahoana ny réaction'i RA8 sy ireo mpomba azy?

Ny toe-karena malagasy izay efa azo lazaina fa marofy efa tsy salàma no ho sanatria in1 ve ho lasa takalon'aina pôlitika,ny hamisavisaina ny ratsy hiavian'ny soa ary ny hanongoana ny maty ny hatahorana ny handevenam-belona
novalian'i marozevo ny 07/06/2006 20:06
2. Fiffi ( 27/05/2006 07:47)
victime101:
Hilatsaka ho fidiana filoha ingahy PIERROT RAJAONARIVELO @ 03 décembre
-ho eken'ny mpitondra ankehitriny ve ny filatsahany?

-raha ekena ny firotsahany mazava ho azy izany fa i RA8 sy izy no hanao ny fiodinana faharoa
hummmm ! nefa anie izy voaheloka eh ! mazava ho azy ahoana hoe izy sy Ra8 no hanao ny fiodinana faharoa ? ahoana moa nohahafantarana an'izany dien'izao ? betsaka ireo hilatsaka , tsy misy mbola mahafantatra na iza na iza no ho lany ao koh!


3. ainafitia ( 27/05/2006 08:46)
Ra za manokana alou de tsisy ilàna an'i pierrot.Ahoana moa ny fomba hitondrany an'i madagasikara nefa izy tsy masina antaniny fa manao sesitany ny tenany any ampita any.Aiza no hahitany ny fijalian'ny mponina any ambanivohitra be any? Ny mpitondra eto antoerana az tsy mahita ny eto ka vao mainka izy any lavitra any. Ar zany mitsy no mahatonga le mpanohitra hangataka le famotsora-keloka faobe de amzay mba ho mora ny hilatsahan'ingahy pierrot mora foana.Mampime enao r'ingahy Pierrot!:-D:-D:-D:-D:-D=))=))=))=))
4. Fiffi ( 27/05/2006 09:00)
:-D:-D:-D sao de heverina fa azao hatao angamba ny fitondrana par procuration ???? :-D:-D:-D:-D:-D
5. Simpona ( 27/05/2006 10:06)
raha ekena ny firotsahany mazava ho azy izany fa i RA8 sy izy no hanao ny fiodinana faharoa

Tena mbola tsy sür io amiko, mbola mivadibadika io hatram fifidianana.
Sady mety mbola hisaka anie ny fanjakana e
6. Fiffi ( 27/05/2006 10:29)
tsy mitombona koa aloha io an! izy sady olona voaheloka no tsy mipetraka any dago akory ka ho lany ahaoana ?
7. Rainikarabo ( 27/05/2006 16:33)
io ange ilay nolazaiko tatsy ambadika tatsy hoe manao forcing ilay rangahy io e. Fantany izy fa tsy madio eo anoloan'ny lalàna, nefa milaza hirotsaka ihany.De refa tsy mahazo amizay izy dia milaza fa matahotra azy ny fitondrana ka manao izay tsy hirotsahany.
Amiko manokana anefa, ny gazety no manome azy ho favoris fa raha ny zava-misy no jerena amin'ny saina tsy miangatra dia tsy ho favoris izy satria hiparitaka be ny vaton'ireo tsy mankasitraka an-dRa8.
Io TDM io koa no vao maika hampidina ny vatony :-D
8. xxx ( 27/05/2006 16:59)
Tsy azoko, nga moa izy afaka milatsaka?
Teo ampelatanany ny fahefana nefa dia resy dia lasa nandositra.
9. tenagasy ( 27/05/2006 23:09)
"xxx":Teo ampelatanany ny fahefana nefa dia resy dia lasa nandositra.
Iny indray no tsy hitako!:roll: Izany hoe nomena fahafahampo hanao tsy nahatosika ka efa voaaingan'ny sasany vao hoe handeha lavitra izy izany fa mikisakisaha hanaovako azy!;-)
Na izany aza azo lazaina hoe (azafady an) "suite logique-n'ny Position" noraisiny sy narovany h@ izay izao fanambarany "hilatsaka" izao. Afa-baraka izy raha tsy nanao izao! Asa moa anefa fa ny gazety izay heverina ho akaiky azy indrindra ihany no efa mahita ny hoe mety hipetraka eny @ Rova hono Ny Filoha Ravalomanana! Rova izay tsy vita raha tsy afaka roa taona mahery! Izany hoe efa resy lahatrana @ izay ho filoha amin'izany fotoana izany ry zareo.
Farany: somary mifandraika amin'ny dinika naroson'i "fijo" tatsy aloha: raha azoko tsara ny fandehany, ny TDM voaasa @ 29 Mai, ny AREMA kosa tsia?!?:roll:
Mirary soa!
10. dadabe ( 28/05/2006 04:47)
fa inona moa no olana raha toa ka hilaytsaka izy e? raha mahatoky tena ny kandinda anakiray fa ho lany dia tokony tsy misy atahorany izay kandinda hirotsaka eo , fa raha misy kandinda eliminena indirektement dia misy fahatahorana kely ao izany .Misy lalana velona eto madagasikara , ka raha ohatra misy olona meloka , dia tsy adala akory ireo mpitsara ireo ka hamela ilay olona efa hita meloka mbola hiriaria ihany , manjary mahita sy mitsara alohan'ny tompony (lalana ) isika :roll:
11. Stone ( 29/05/2006 01:05)
Tsy afaka milatsaka izy hoy aho!
12. xxx ( 29/05/2006 01:10)
Tsy afaka milatsaka i Pierrot nohon'ny antony efa fantantsika, satria tsy ho-recevable ny demande-ny.
Tsy i Zefa akory no mitondra @izao ry zalahy fa olon-kafa fetsy kokoa noho iza n'iza. Mba realiste!
13. tangalamaitso ( 29/05/2006 04:39)
Efa tafiditra tanteraka ao anatina adi-hevitra politika mikasika ny fifidianana isika izany. Aleo anefa mitandrina tsara ihany fa tsy maimaika hanombana izay mety ho voka-pifidianana. Mbola vao eo amin'ny dingana filazàna firotsahana mantsy isika izao, fa tsy mbola tonga any @ hoe inona no fandaharan'asan'izy ireo sy izay tetika entina manatanteraka izany fandaharan'asany izany. Ary inona koa no mety ho tombony ho an'y tsirairay hahafahany mandresy @ fifidianana. Aleo hita tsara daholo aloha e! Sady mbola misy tsy niteny t@ fomba ofisialy akory ange hoe hilatsaka e! Sa ahoana?
14. dadabe ( 29/05/2006 11:04)
:lol::lol::lol:
15. marozevo ( 29/05/2006 19:39)
tangalamaitso > na izany aza, aza dia miandry ny fotoana farany loatra ka--- Ho antsika tsy dia olana fa maro ny olona mila omanina aloha be. Io no iray amin'ny politikan-dRatsiraka taloha manko, ataony lako tampoka dia na ny candidat na ny vahoaka dia tsy masaka tsara amin'ilay fifidianana, dia raofiny fotsiny ny vato.
16. Achia ( 30/05/2006 07:18)
za ko zao hilatsaka :°)
17. tangalamaitso ( 30/05/2006 11:54)
marozevo > Ilay fahamaizantsika "hanombana ny voka-pifidianana" no anaovako hoe: aleo mailo. Fa raha ny fanomanan-tsaina hiatrika ny fifidianana kosa dia efa azontsika hatao dieny izao. Ny fanadihadiana ny manodidina ireo olona tsirairay efa nilaza hirotsaka izany, dia azontsika tsara hatao dieny izao. Fa ny hiteny kosa hoe i anona na i anona no ho lany eo dia ohatry ny lasa aloha loatra ny fijeriko azy. Sa ahoana hoy i marozevo.
18. mandrindra ( 30/05/2006 12:14)
Achia:

za ko zao hilatsaka :°)


fa i achia koa angaha efa nomelohin'ny fitsarana ?
19. marozevo ( 30/05/2006 12:40)
tangalamaitso > Marina tanteraka....

Hilatsaka hono i Achia ! lasanao ny vatoko, saingy mety ho ny ahy irery ka tsy afaka ny handray ny caution 125 millions ianao. Sa moa 25 tsy tsaroako tsara.
20. tangalamaitso ( 31/05/2006 04:22)
Fa iza moa i Achia? Mahaliana an!!!!!!!!!!!!!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2496