HILATSAKA INGAHY PIERROT RAJAONARIVELO!!!!

21. majinikakely ( 31/05/2006 05:09)
nanamafy ny mpisolovavan Ingahy Pierrot rajonarivelo fa mbola tsy voaheloka izy fa mbola any amin ny cour supreme ny raharaha mikasika azy rehetra noho izany afaka tsara milatsaka izy ary ho recevable ny filatsahany ho fidiana
za manokana aloha tsy hino miitsy hoe ho ry Pierrot sy ry ra8 no hanao deuxième tour zany eh fa hanao inn eo zany ry lahinbiriko sy ny kompaniany ireo satria raha ry zafy et consorts tsy hanohana an i Pierrot miitsy ary rha ny arema rery tsy tafa ho deuxième zany tsony !
Kozy é fa d hahita isika
miandry tsika d hahita ary enga anie samy ho velon aina soa amntsara avokoa e !
22. prime ( 31/05/2006 07:27)
Recours kosa angamba no nataony any @ cour suprême e, satria tsy mahafa-po azy ny didim-pitsaràna navoaka teo. Izany hoe mifanohitra mihitsy @ eritreritr'i majinikakely ny zava-misy : mandrapivoakan'ny didim-pitsaràna vao2 dia ny farany no mihatra aloha. Ny farany nefa manameloka azy, efa fantasika ny momba izany e.... Ka meloka izy fa tsy hoe izay rehetra manao appel na mampiakatra dia madiodio aloha... diso be izany, ny didim-pitsaràna farany hatrany no mihatra aloha.
Amiko aloha sarotsarotra ihany ny hahafahany hilatsaka raha tsy hoe atao ihany ilay amnistie e, nefa ny momba izay dia tsy ho possible loatra raha ny fandehany @ izao...
23. tangalamaitso ( 31/05/2006 11:21)
Ny fahafantarako azy koa, dia voaheloka ingahy Pierrot RAJAONARIVELO. Ny mahasarotra ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ilay famontsoran-keloka dia izao: ny tsy fampiharana azy, dia hiteraka fifankahalàna tsy misy farany. Ny fampiharana azy indray dia toa ohatry ny mamporisika ny sasany indray hanao ny tsy mety satria fantany fa ho avotsitra ny helony rehefa avy eo. Mila lanjalanjaina tsara izany ny fanapahan-kevitra raisina. Mbola ho sarotra an!
24. prime ( 31/05/2006 13:31)
Tena marina izany. Izay indrindra. :)
25. tenagasy ( 31/05/2006 19:07)
Mankamamy hatrany ô!
Tangalamaitso: tsindriana tsara izany fa tsy dia any @ tombana loatra no nandrosoana ny resaka tsetsy aloha fa mifandraika indrindra amin'ny ivon'ny dinika dia ny hoe: mahalala ny lalàna sy ny zava-misy izy (raha tsy izay efa nody na dia ho andro vitsy monja ihany aza), ka toy ny karazan'ny don-tandroka ihany sady lojika rahateo koa moa ny fanambarana filatsahana. Saingy na izany aza (ary izay no tiako havoitra tery aloha mikasika ny fanadihadian'ny gazety hoe) misy "ahotra" tsy takona afenina miseho lany arakaraky ny ihetsehana.
Hadihady moa no atao fa tsy misy fombana olona!
Mirary soa!
26. FABIOJAX ( 01/06/2006 23:58)
Za indray aloha tsy raharahako na milatsaka na tsia
ingahy PIERROT fa ny ahy manokana sy ny an'izay efa
niresaka t@ko sy nahita maso dia efa tsy te haheno
intsony ny hoe::-D:-D:-D:-sa:?:
27. prime ( 02/06/2006 09:09)
Dia ahoana izany ny "miasa miaraka no fahombiazana...":lol:
28. marozevo ( 03/06/2006 21:58)
Hono ho'aho aloha eh... Mba azonareo azavaina ve ny atao hoe amnistie fa izahay tsy mahazo. Ny tsy azo dia izao, ny amnistie ve manafaka ilay olona ao am-ponja fotsiny, sa mandio ny dossier'ny koa ? Izany hoe manafoana ny heloka fa tsy manafoana ny didy ? Asa na azonareo ny taiana hanontaniana.

Miankina amin'izay manko ilay hoe flatsahan.dranona na Ranona.
29. Fiffi ( 04/06/2006 06:06)
raha ny momba ny amnistie lalana gasy aloha de tena tsy fantako fa raha aty frantsa de http://maitre.eolas.free.fr/journal/index.php?2006/05/26/352-l-amnistie-de-guy-drut ohatra io an!

Fa manala ny heloka izay nataony fotsiny fa indraindray tsy manala ny droit-ny , zany hoe mi-dépendre @ cas tsirairay io .
30. xxx ( 04/06/2006 13:26)
:roll::roll: ngah moa ny amnistie tsy hoe famotsorankeloka e:roll: de tokony ho tafa ao daholo izany ny resaka rehetra .

fa izany hoe , i ravalo anie manompo sampy e, nanao pakta t@ satana (hoy pasitera Andriamanjato Richard)dia ho sarotra ho antsika (olona tsotra) ny hanala azy eo , raha tsy sitrapony ny hiala eo (=Ratsiraka-2)
31. prime ( 06/06/2006 07:18)
Ie famotsoran-keloka tokoa no dikany raha ny fahafantarako azy. Tapaka ny didy farany nihatra dia afahina madiodio na mahazo fanenan-tsazy aloha izy na mbola tany am-ponja na tsy tany intsony, ka miverina "vierge" mihitsy ny "dossier" mikasika azy... satria ilay heloka nataony mihitsy no foana na nohamaivanina...
Dia toa misy karazany izy io, misy ilay "sous forme de grâce présidentielle", misy ilay amnistie "votée" any amin'ny antenimiera, dia toa misy koa mbola karazana "amnistie présidentielle" ohatr'io voalazan'i Fiffi io...
Tsara "juriste" mihitsy angamba no mitondra fanazavàna....:)
32. marozevo ( 07/06/2006 20:06)
Misy teny nanaitra kely ilay "nojerena tato" na dia ohatra ihany aza :

1- La grace n'efface pas le délit ! (mitovitovy amin'izay).
2 - Mari-pototra araky ny lalàna ilay famotsoran-keloka, fa tsy rariny eo anatrehan'ny Firenena sy ny vahoaka.

Ohatra ihany iny, hoy i Fiffi, nefa misy azo tsoahina mihitsy.

Dia ahoana izany ry Pierrot ? ra- Merci ? ry Denis be ? ry Tsaranazy ? ry Nga mairen'Antsirabe taloha ?
Na hisy aza ny famotsoran-keloka dia tsy ho afa-bela eo anatrehan'ny hasin'ny Tanindrazana ianareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.605