mpanao politika

1. fijo ( 19/05/2006 20:55)
Nisy zavatra tena nanaitra ahy ,raha namaky gazety "trbune" aho androany.
voalaza tao,fa misy "senatera TIM" manomboka tsy mankasitraka ny lehiben'ity andrim panjakana ity,satria:"tsy alefa mba manao ission aty andafy"
raha izay no mba tanjona nilatsahana sy hidirana ao,dia tsara ngamba ny miala,fa tsy hitsangatsangana no aao ao.
novalian'i prime ny 30/05/2006 03:42
2. vale ( 19/05/2006 22:14)
:-D:-D:-D
3. soanja ( 19/05/2006 22:47)
Tsy azontsika sainina mihitsy ny hetahetan'ireo mpanao politika ireo rehefa hirotsaka izay izy. Ao ny sasany hahazo sipa manja be ary mety ho be dia be, ao ny sasany hanisy piscine eo an-tokotany amin'ny trano lafatra be, ity moa izany te hiampita ranomasina.
4. fijo ( 20/05/2006 03:08)
izany hoe le toerana ambony fa le tena tanjona ambany mirefarefa amin'ny tany.
5. Fiffi ( 20/05/2006 03:47)
mba hafahafa indray zany an! io ve no kandranina ? de haninona aty nefa hono ? fa mission inona ? raha toa ve ka tena misy ny hanilana azy ny hanaovany mission aty , tsy efa natao ve zany ? fa de tsy mankasitra ? :roll: ka maninona izy ary no tsy mi-demisionina de tonga aty fotsiny ? heu.......... nefa moa raha izany de tsy hahazo tombontsoa eo satria ny fanjakana no hiantoka ny rehetra eh ?
6. rasah ( 20/05/2006 05:55)
tsy mahagaga raha izany ny fihetsikin'ny politika malagasy, ny tombontsoany no jereny voalohany
7. Rainikarabo ( 20/05/2006 06:56)
tsy ny fakanesana any andafy no tena zava-dehibe aminy fa ilay hahazo "indemnité". Raha toa ka manao mission any ivelany mantsy dia misimisy ihany "indemnité" raisina.
8. Fiffi ( 20/05/2006 07:03)
ie ! sady misy indemnisation no ny fanjakana daholo no miantoka ny sakafo , ny hotel , ny transport , ny billet sns... hitsangatsanganana !
9. piste ( 20/05/2006 11:34)
Tsy ny mpanao pòlitika ihany no manana toetra mirefarefa toa io fa ny ankamaroan'ireo mitana toerana ambony na ny mpitantana orinasa.
Tena mbola ela mihitsy iska vao handroso
10. Achia ( 20/05/2006 16:22)
eeeeh ho any andafy e ! te hanao bizina ngamba ngarainy ko :°)
11. fijo ( 20/05/2006 21:00)
de asa ry zareo,fa raha izay no tanjona tena aleo miala fa tssssss
12. marozevo ( 21/05/2006 07:53)
Iza hono aloha izy io eh ? sa tsy azo lazaina.
13. Fiffi ( 21/05/2006 13:09)
hummmm ! iza tokoa ?
14. tangalamaitso ( 22/05/2006 05:10)
Mba anontanio hoe ilay gazety namoaka ny lahatsoratra! Ry zalahy koa ange indray indray somary manitatra ihany e! Fa raha tena marina aloha izany, dia mampalahelo ihany e! Efa manakaiky koa moa izao ny fifidianana, ka samy mitady izay fomba rehetra hanaratsiana ny mpifaninana ary hanatsaràna ny an'ny tena. Tandremo sao fanina isika an!
15. lamie ( 22/05/2006 07:36)
misy mpamadika palitao koa ao zany an!asehoy marina ny lahatsoratra e!
16. poupousa ( 22/05/2006 09:53)
Ary sô de mbola nisy tsy nitaingina avion mihitsy kosa ary:D
17. ravatorano ( 22/05/2006 09:53)
io d efa resaka nandeha koa tao amin ny antenimieram pirenena tao.Mitady handeha mission zalah ho any andafy nefa tsisy vokany ho an ilay vahoaka izay representény akory ny alehany any fa hirozy fotsiny no bobaka atao any d tena izay anie ilay mahatonga antsika malagasy hahantra e
18. mandrindra ( 22/05/2006 14:04)
ka ry zalahy anie na eo antoerana aza tsisy vokany izay asany e. inn moa no tena mba asan'ny senatera ? ilaina ny parlemanta 2?
19. Achia ( 22/05/2006 17:41)
miandry saosy isambolana e sy ny tambikarama e heheh fa nga zany tsy asa ?
20. marozevo ( 22/05/2006 19:48)
Za koa aza efa naheno (asa na marina na tsia), fa misy depioté tsy mahay teny Frantsay akory, hono. Koo inona moa no tokony hataony any an-dafy raha tsy mahay teny Frantsay akory izy? Enga anie mba ho tsy marina izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2096