ny ainga

1. johnny ( 08/05/2006 16:24)
akory aby,

sao mba misy mahalala ny tononkiran'i Ny Ainga le hoe "kôzy vré" nareo sy le hoe "fanantenana" na koa hoe "tsy hoe tsy fitia...". efa nitady tato aho fa tsy misy ato na iray aza. miaraka amin'ny tondrom-peo raha mety.

misaotra betsaka!
novalian'i pissoa ny 18/05/2006 17:28
2. hery ( 09/05/2006 06:00)
Andao atao tsikelikely aza e.

Fanantenana (Ny Ainga)

Tsy hoe tsy fitia no nahatonga anay
Hamoy ireo tiana sy ny hafaliana an-tany
Tsarovy fa misy ny avo noho ireo
Dia ilay zato heny ety sy ny any am-paradisa

(tohizo indray hoe)
http://radiovazogasy.com/?rub=radio%2Fplaylist&karoka=ny%20ainga%20fanantenana ao amin'ny Radiovazogasy

3. ari.malala ( 09/05/2006 06:08)
ndraso alo fa tohiziko io refaveo fa mbola miasa kely za zao.
4. Fiffi ( 09/05/2006 06:47)
ari.malala: hummm ! :):-*:-*:-*
5. ari.malala ( 09/05/2006 09:11)
tena ts tafa mints fa ts ao mints le fitadidiana kle! :-D ndraso alo fa alefako io rariva e
6. Fiffi ( 09/05/2006 09:43)
ari.malala: :-D:-D ataovy akia zay mety an! :):-*
7. hery ( 09/05/2006 09:50)
Tsy hoe tsy fitia no nanainga anay

Diso ilay nosoratako tery amin'ny voalohany
8. ari.malala ( 09/05/2006 10:27)
Tsy hoe tsy fitia no nanainga anay
Hamoy ireo tiana sy ny hafaliana an-tany
Tsarovy fa misy ny avo noho ireo
Dia ilay zato heny ety sy ny any am-paradisa

Tozoy hatrany ny lalanao
Mba ho zary hafaliana ooooo an an an
Lanjao ny fijaliana
Iareto am-pifaliana
Hanosika hatrany ny vavaka atao
Tsy tsapan'ireo mihevitra fa adala o
Ireo manantena ny hasambarana


Tsy hoe tsy fitia no nanainga anay
Hamoy ireo tiana sy ny hafaliana an-tany
Tsarovy fa misy ny avo noho ireo
Dia ilay zato heny ety sy ny any am-paradisa


Ho feno hafaliana fiadanana hatrany
Ny aizina ho zary hazava ooo an an an
Hanjary lohataona ny andro ririnina
Sikino hatrany ny fanantenana
Tsy tsapan'ireo mihevitra fa adala o
Ireo manantena ny hasambarana
Tsy tsapan'ireo mihevitra fa adala o
Fa soa hoazy no nahatonga izany

Ny Ainga

Dia mihirà finaritra daolo e :)
9. chipie1 ( 10/05/2006 06:40)
asio feony kely oe ry ari.malala fa tsy ainay :-D
10. ari.malala ( 10/05/2006 09:48)
zay aza eo^oo^oo^o henon'i chipie 1 v? :-D:-D:-D:-D
11. hery ( 10/05/2006 11:57)
wééé Nampidirin'i ari.malala ao amin'ny http://tononkira.serasera.org ilay izy.
Misaotra bedabe :-)
12. ari.malala ( 10/05/2006 12:19)
:) tsisy fisaorana e :)
13. ari.malala ( 10/05/2006 12:22)
fa le kozy vre v misy we in ry johnny moa fa tsy tadidiko kle!
14. pissoa ( 11/05/2006 09:26)
Le ito ve moa izany kozy vre:

Fony mbola bandy kely tamin'ny tanana aho,
Raha nanao vakansy eny ambanivohitra e,
Ny kilalao mba dia ny miara-milomano
Ao ambanin'ny tetezana.

...

:?:
15. Fiffi ( 11/05/2006 11:11)
andeha hisafidy an'io hira io indray zany aloha de sady harahana @ tonony :)
16. johnny ( 11/05/2006 21:12)
misaotra aloha amin'ny le "fanantenana", fa le "kôzy vré" sisa mba alefaso e. misaotra mialoha e!
17. ari.malala ( 12/05/2006 05:52)
pissoa, tsy tadidiko aky :)

johnny, misy we in alo wa le kozy vre andefaso sombiny itadidiana anle izy fa tssss
18. pissoa ( 12/05/2006 09:24)
Fony mbola bandy kely tamin'ny tanana aho,
Raha nanao vakansy eny ambanivohitra e,
Ny kilalao mba dia ny miara-milomano
Ao ambanin'ny tetezana.
Tena tiako ny miara-milomano,
miaraka amin'ny taritarin'ny tanana.
Tena tiako ny milalao rano,
eny ambanin'ny kidona fiampitana.
Dia iny fa mandalo ireo mpiantsena manja irony,
Mitazana anay, anay ery ambany.
'Zahay ety ambany mba mitifitra ambony,
Mahita koa izahay, mankany mankany.
Eny re dia samy tafita,
ady sahala hoa ka asiako fanindroany.
Eny re fa samy nahita,
iray sy iray hoa ka tampona ny domy.
Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e
Velombelona e ny aina e,
Mahafinaritra ny fiainana.

Dia nitombotombo taona kely teny foana aho,
Entin'i bebe mamonjy mariazy o,
Izay no nahazatra anah nitia ny loko fotsy
Fotsifotsin'ny fitiavana.
Tena tiako ny miara-mikirimba
rehefa drodroka sy leon'ny baskety
Iny lalana anelakela-trano,
Faravohitra ka hatreny Besarety.
Dia mitopy maso kely eny an-davarangana eny
Dia mitsiky kely, fa tsisy miteny
Indreny ireo lamba miahy mitsiky eny ho eny
Manga sy maitso sy mavokely.
Dia io ny fotsifotsy ihany koa,
mitambatambatra somary afovoany.
Eny re dia samy mahazaoa,
iray sy fotsy ity ka tampina ny domy.
Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e,
Velombelona e ny aina e,
Mahafinaritra ny fiainana.

Dia tafakatra segonda tamin'ny lycee aho,
Dia mba tena ho bossista amin'izay e.
Dia miseho hidefie an'ireo bandy siantifika,
Fa ireo no tian'ny siiiiiiipa.
Fa ny tiako dia ny Histo-Geo
Ny Malagasy koa dia reviko lery.
Fa krizy aho vao Matematika
Indrindra moa ka hoe Fizika-Simia.
Ilay prof mba reveko mampianatra anay
Gafian-dry zalahy, tsy vavy tsy lahy.
Ilay madama be tena mahakrizy ahy,
Tsy misy mahasahy, hajain-dry zalahy.
Eny re, samia koa tafita.
Dia hionona aho fa tratra afovoany.
Eny e, de hifankahita.
Telo-Iray fa tsy ho tampona ny domy.
Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e,
Dia marary re ny aina e
Manahirana ny fiainana.

Dia nony hoe hamarana ny Terminale,
vao teo namaky loha nisafidy o.
Ny baka ony less mila famehezan-tena,
nefa zah te hampiaaaaaaaaaraka.
Tena manja ny serie C,
tsy very lalana, krana, mahay.
Fa tsy foiko koa kilasy TA,
vitraky sipa manjakely sy milay.
Dia ny loza koa, ny sipa tiako ho azo sy irina
Dia ireo izay tsy sahiko, tsy haiko kozina.
Kanefa ireo sondenda be tsy tiako irina
Manantona anah, tsy mila kotiana.
Eny less dia aza mime,
aza tratrany ary aza mba voany.
Eny less tsy hita ny aleha.
Iray sy fotsy ity ka tampina ny domy.
Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e,
Dia marary re ny aina e
Manahirana ny fiainana.

Dia ny farany tafakatra an'Ankatso amin'izay,
Ankitolona ny bus isan'andro.
Dia reraka ny saina sady reraka ny aina,
Rotoroto hoa ny fiainana.
Tena tiako ny taxi be,
Fa naingy tsy arako ny sarany isan'andro.
Dia aleoko ihany mionona amin'ny bus,
Na milahatra efa main'ny masoandro.
Fa loza ny ankisisika efa samy noana iny,
Mba samy mijoro ireo [...]
Mba samy mitakisina ka tsisy omen-tsiny
Izy eo aloha, izaho ato aoriana.
Eny re, tsy tantiko intsony,
misy miala Ambohijatovo Rabe.
Tsemboka ny ambany ambony,
dia misaka-paosy vao afaka mandeha.
Oay ayayyayay, fa lasa lavitra ny saina e,
Velombolo e ny aina e,
Mahafinaritra ny fiainana.

Tsy haiko raha io ilay kozy vre fa apetrako eto fotsiny io fa haiko ho an'ny tarika Ny ainga. Dia io nataoko [...] io tsy mety tadidiko mihitsy fa ze mahay mba atoroy ... de ataovy ao amin'ny tononkira rehefa fenoooo :roll:
19. ari.malala ( 12/05/2006 11:00)
Mba samy mijoro ireo mitapa-bolo no tokony ho eo ;)
20. johnny ( 12/05/2006 11:28)
d misôtra fa azo le nangatahina ka, d misôtra atsika aby e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7376