Vehivavy sy ny fiterahan-jaza

1. lapino ( 06/05/2006 19:59)
Paoly:
14 Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.

15 Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.

I Timoty.5:14-15


Nareo ve mahazo an'io andininy io?
Mba inona àry no ifandraisan'ny fiterahan-jaza sy ny famonjena ny vehivavy? Ny natioran'ilay fahotan'i Eva ve? Dia ahoana anefa izany?
novalian'i Achia ny 23/05/2006 08:21
2. Fiffi ( 06/05/2006 20:58)
satria:
9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy.

10 fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.

11 Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.

12 Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.

Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.

(Ho lazaiko eto ny hevitro rehampitso)
3. dadabe ( 07/05/2006 01:29)
:roll::roll:
4. Fiffi ( 07/05/2006 03:16)
inona ity mahagaga anao ry dadabe ? mba omeo ary ny hevitrao eh!
5. diamondra27 ( 07/05/2006 05:52)
lapino: ny vhv anie rehefa hiteraka dia misy ny atao hoe: "mihetsi-jaza" izay ; ary tena marary manindrona mihitsy e! ka refa hiteraka izany aloha ny vhv de tsy maintsy mijafajafa kely vokan'io fahotana io(eva), ary misy ary ny vhv sasany maty eo ampiterahana... ary tsy misy afa bela @izany. eny fa na de hoe: ora vitsivitsy monja aza. Misy manko ny vhv rehefa miteraka de tsy sarotiny, malaky tonga le zaza, ny an'ny sasany ela be

Dia misy ihany koa hoe: famonjena @ zavatra hafa fa tsy io cas io
6. Fiffi ( 07/05/2006 06:31)
Mba inona àry no ifandraisan'ny fiterahan-jaza sy ny famonjena ny vehivavy?
raha ny fahazahoaka azy aloha de izao:
-satria "voafitaka ny vehivavy ka dia tonga mpanota" ka ny fahalasan'ny vehivavy mpanota anefa dia ho vonjena hiany izy satria ny vehivavy no mitondra ny zaza ao ankibo , ho vonjena izy nohon'ny ota nataony . Satria hoe " Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy."

Izany hoe na dia nanota aza ny vhv dia tsy navelan'ny Tompo fa vao maika ary novonjeny ary hampitombo hatrany ny finoany , "10 fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra." satria izy no mitondra ny zaza ka ho vonjena.
7. Fiffi ( 07/05/2006 06:34)
izany hoe tokony tsy sarahina ny voalaza nanomboka ny aha 9 ka hatramin'ny io nolazainao ry fijo satria mifameno ireo . De ny faha 9 ka hatramin'ny faha 15 zany .Ohatran'ny mazavazava kokoa ny tiana lazaina ao raha jerena miaraka ireo.
8. Fiffi ( 07/05/2006 07:00)
tena mbola fihalantsiny eram'po indray no hataoko fa nisy fahadisoana indray ny nataoko teto. I fijo indray no voasoratro fa tsy i lapino ka mamelà hy hadisoako. Misaotra anareo.
9. LouAnne ( 07/05/2006 08:33)
fijo et lapino , tsy manina mô io ô ! fâ diso kely maman (l):-*
10. lapino ( 07/05/2006 08:38)
Fiffi, LouAnne > tsy misy tsiny re ny fahadisoana. Ilay izy manko, resaka fivavahana sy finoana, tsy mitovy firehana izahay sy i fijo, ka sao dia ... Fa za tsy maninn mihitsy ka! :-*:-*
11. lapino ( 07/05/2006 08:52)
Misaotra anareo aloo amin'ilay hevitra. Ny fanazavan'i Fiffi mbola tsy dia azoko ihany. Ny tsy azoko manko dia ilay fifandraisana hoe:

voafitaka --> fiterahan-jaza --> famonjena

ilay fahotana eo, dia ilay hoe i Eva voafitaka. Afaka amin'ny fiterahan-jaza izany ny fitaka nahazo an'i Eva?

Raha ny fijalian'ny vehivavy miteraka araka ny nazavain'i diams, dia misy azoko kely ihany. Fa ny tsy azoko ohatra, dia hoe, inona no ifandraisany amin'ilay hoe voafitaka. Dia maninona amin'izay no hamonjena ny vehivavy?
12. diamondra27 ( 07/05/2006 09:22)
voafitak'ilay serpent i Eva e!
nolambolambon'i devoly teo de lavo
vakio Genesisy 3 rehetra
de avy eo ny andininy 16 = manambara ny fijalian'ny vhv rehefa hiteraka

momba ny hoe: hamonjena ny vhv indray de

noho i Eve voafitaky satana de tsy maintsy bedin'Andriamanitra satria nandika ny lalàna

na izany aza anefa dia tsy navelan'Atra @ izao isika fa mbola tiany hovonjena
Dia izay noidiran'ny hoe: famonjena car
raha mbola tsy ary akory isika de efa tafiditra ao @ plan de Dieu .....
mbola hitihy fa maika zà
13. Fiffi ( 07/05/2006 11:26)
lapino: misaotra anao :):-*
marina mihintsy ireo voalazan'i diamondra ireo arakin'ny fahazahoako azy aloha!
noho i Eve voafitaky satana de tsy maintsy bedin'Andriamanitra satria nandika ny lalàna
izany hoe tsy ampy finoana ve zany i Eva ? sa azon'ny fakampanahy dia nanota ?
14. diamondra27 ( 07/05/2006 12:06)
fiffi: tsy hoe: tsy ampy finoana i eva fa diniho tsara les versets ; ary ny bibilava no biby fetsy indrindra t@ biby teo antsaha... ny devoly ho'aho mahay malangolango sady manome doute anao de 'zay no nanjo an'i Eve teto. "tsy ho faty ianao raha hihinana an'io voankazo io..." fa nahiratra ny mason'i Eve nahita ny ratsy sy ny tsara....
15. bellla ( 07/05/2006 16:29)
raha azoko tsara zany ry diams de ny tsy ho faty mitsy no tena antony nihinanan'i eva an'ilay voankazo an!
16. cutie ( 07/05/2006 17:58)
bella:-D:-D:-D:-D
17. diamondra27 ( 07/05/2006 22:43)
bellla: tsy izany ka! ka le laingan'ny devoly io filàzany an'i Eva io hoe: tsy ho faty io; fa tsy izany no nolazain'Andriamanitra

tokony mihaino ny tenin'Atra i Eva
kanefa ny devoly dia tia tena mitady ny fanjàkana'Atra ka nahodiny ny sain'i Eva.

Noho izany aza mety ambakain'ny devoly isika fa raha vantanao fa nihodina t@Atra ianao de mifonà haingana mba tsy hakàn'i devoly plasy eo @ fiainanao.
ny ota iray dia miteraka ota hafa
18. bellla ( 08/05/2006 04:56)
mazava ky ry diams a, :-*
19. diamondra27 ( 08/05/2006 08:32)
bella:ezahana hazavaina fa indraindray manko mitovy ny fisainana sy ny hevitra fa ny explication samy manana ny azy
20. Achia ( 08/05/2006 19:23)
Fiffi:

satria:
9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy.

10 fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.

11 Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.

12 Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.

Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.

(Ho lazaiko eto ny hevitro rehampitso)

Eo @ le 12 io otran'ny misy fanontaniana kely . De tokony ahazo manao pasitera ve zany ny vhv ?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1089