resaka toaka gasy

1. toubib ( 03/05/2006 06:50)
Tato ho ato dia mirongatra izaitsizy ny fahatratrarana olona mitondra toaka gasy amreny lalam-pirenena ireny, rehefa tratra izy ireny (misy hatram 4000l no tratra an). Ny tiako hotsindriana dia izao, tsy aleo ve izy ireny mba ampiasaina amin-javatra hafa fa tsy ariana izany e: anaovana alikaola ampiasaina eny am tobim-pahasalamana ohatra (alefa any am Cie Vidjar ho distiller-na indray mandeha), amzao fotoana izao koa efa ho lamaody ny solika ara-biolojika koa maninona raha arona ami'izany ny famokarana azy io. Ny mahagaga anefa ny paraky tsy dorana fa alefa any am Offmata. Amiko mbola poizina lavitra ny sigara noho ny toaka. ary toa hoatry ny efa nisy fampanantenana tany am roa taona tany fa ho trandrahina ny fanaovana toaka gasy saingy toa resa-be fotsn.
novalian'i toubib ny 12/05/2006 06:54
2. Fiffi ( 03/05/2006 08:13)
fa toa misy fanavakavahana ve zany ny fanariana na ny fandraisana ny zavatra ohatra ny taoka na ny paraky ? fa inona ny antony ? mamaky an'ity aho dia lasa ny saiko: fa raha ianao no mahita ny zavatra rehetra na inona na inona tratran'ny douane de eo no eo de dorana , tsy misy adi-hevitra na kely aza !
3. Ragadona ( 03/05/2006 08:46)
Amiko alo tsy raisonnable mihitsy le fanenjehana toaka sy paraky gasy, ary io no tarazom panjanahan tany ara-toe-karena mbola tsy maha tonga saina antsika ka boriborina fotsiny hoe zava-mahadomelina.Tamin ny andron ny fanjanahan-tany dia ny maha gasy azy no nanenjehana azy mba hampiasantsika mandrakariva ny avy any ivelany(tsy nety nanoro ny lafiny tsara azo anodinana azy mihitsy ny vazaha mba tsy hanimba ny fihinanany). Dia mbola lalàna tamin izany no tazomina ankehitriny, zany ve dia ho lasa. Raha amin ny maha alkaola ny toaka ndray no anenjehana azy dia tsy mitombina koa satria migoka an kalalahana ny toakam bazaha isika, noho izany tsy fanimbana no vahaolana fa ny fanodinana azy, tsy ho foana mihitsy ny toaka gasy na hatao ahoana, toy izany koa ny paraky satria mbola misy ny sigara
4. Fiffi ( 03/05/2006 08:50)
marina mihintsy io lazainao io! ny fandraisan'ny olona azy koa no hoe ratsy foana , asa re maninona eh ? nefa tsy hisy hilaza velively fa ratsy ny taoka vazaha!
5. ari.malala ( 03/05/2006 09:29)
ka hoe tsisy fanarahamaso hono e! nefa firifiry akory ireny olona matin'ny toakam-bazaha ireny! ary asa na lany ihany marina tokoa ilay lalàna nodinihinan'y deputés mikasika ny fanalalahana an'io toaka gasy io...
6. kiali ( 03/05/2006 16:03)
mamo sady zah meritreritra an'izany
7. Fiffi ( 03/05/2006 16:28)
tsy mahagaga :-D:-D:-D:-D:-D
8. Herimiafina ( 03/05/2006 16:34)
Zaho mino fa tsy ariana izany izy ireny fa ny ampahany no arina, fa lasan'ny gendarme ary amidiny amin'ny mpivarotra akamany! Minoa ahy marimarina ianareo fa efa nahita zaho mantsy, toaka gasy sy rongony e! :twisted:
9. kiali ( 03/05/2006 16:48)
fiffi ko ouhh!!
10. ari.malala ( 04/05/2006 05:09)
Herimiafina, raha ny mandeha am tele alo de tena izy firy barika le tratra eny ambony taxi brousse iny no araraka de ra rongony ndray de dorana e, fa ny mahalasa ny saiko hoa d ts mamo eo ampandorana anazy eo v le gendarme mandoro anle rongony e satri tsin entin'ny rivotra manidina anie le setroka e :-D:-D:-D
11. toubib ( 04/05/2006 07:06)
Le izy araha maso ange tsy tokony ho olana raha ny fahitako azy e, afaka asiana sampana manakaiky azy ireny atao fitiliana ny kalitaony dia izay, raha tsy mahafa-po dia asiana torohevitra. Toy ireny "huile essentielle" ireny ihany e, tena saika "artisanale" daholo any ambanivohitra any ny fanaovana azy ireny; manatona ny faritra misy ny akora ilaina dia na ny vazaha mividy azy aza dia manoro teknika isan-karazany, toy izany koa ilay "jatropha". Fa ny fahitako azy tokoa dia toe-tsaina lomorina tam'ny andron'ny fanjanahan-tany izy io. Ny mahagaga ange na ny vazaha nampihatra ilay toe-tsaina aza efa niala taminy fa isika mihitsy no malain-kivoatra.
12. Herimiafina ( 04/05/2006 13:48)
ari.malala:

Herimiafina, raha ny mandeha am tele alo de tena izy firy barika le tratra eny ambony taxi brousse iny no araraka de ra rongony ndray de dorana e, fa ny mahalasa ny saiko hoa d ts mamo eo ampandorana anazy eo v le gendarme mandoro anle rongony e satri tsin entin'ny rivotra manidina anie le setroka e :-D:-D:-D


Ny hitanao amin'ny télé izany. Asa mety 1% ny toaka gasy sy rongony tena tratra angamba izany. Ary tsy maintsy mody dorana satria eo ny Camera hanara-maso.

Ireny no fidirambola any amabnivohitra rehetra any.

Ny danger ao anatin'ny toaka gasy dia ny nature an'ilay alikaola mihintsy satria tsy nandalo colonne de rectification.

Ny tena tadiavina dia ny ETHANOL, aseho amin,ny DEGRÉ GAY LUSSAC izy avy eo.

Ny olana dia ny distillation artisanale tsy ahafahana mahazo quantité ETHANOL maro fa raha atao ny separation dia mety kely dia kely ny ETHANOL anatin'iny toaka gasy iny fa Alcool methilique na METHANOL no betsaka. Ity farany ity anefa dia tadidio fa ratsy dia ratsy tokoa amin'ny fahasalamana.

Indrindra raha mivadika FORMOL (FORMALDEHYDEna ALDEHYDE METHYLIQUE)izy raha oxydé eny ampivarotana azy eny.

Maty dia mety io hevitr'i Toubib io raha izany, asiana contrôle de qualité de rafiner-na dia lasa izao! tsy voatery sotroina foana fa ampiasaina amin'ny zavatra hafa.

Carburol izao na Carburant ternaire (75%essence 25%ethanol) anisan'ny azo ampiasaina azy. :roll:
13. Fiffi ( 05/05/2006 04:38)
Herimiafina: :roll: mivadika formol ? loza zany an!
14. tovolahy007 ( 09/05/2006 23:21)
manaoana e!
Za manokana aloha ry zareo dia mankafy toaka gasy a.Tsy maninona izay hanome tsiny fa za dia mankafy,io no mba vitan'ny taniko dia ankafiziko;ary tsy misy zavatra simika fa natoraly ,io dia anisany itiavako azy.Za refa tonga any Mada,dia efa mampanao kaomandy mitsy mba hovantaniko any.Za zao tany Dago t@ Dec teo dia nitondra 2l za,mba tsara vintana aloha fa tsy traingo e,dia tonga soa amantsara taty le toaka,efa namboariko tany Dago izy io,nasiako vanila;fa nony tonga taty USA hoa dia nantsoiko ireo namako Amerikanina mba hanandrana izany toaka gasy zany,fa dia tsy nisy nikitika hoa ny J&B fa dia le toaka gasy daolo no nifanotofana.Soamry nanenina ndray za avy eo satria lany le toaka gasy e.
15. toubib ( 10/05/2006 11:44)
Toy izany ko ange ireny betsa2 ireny toa misy vazaha ti be an'ireny an!
16. Fiffi ( 11/05/2006 04:04)
toubib: mety mivadika formol marina ve io ?
17. toubib ( 12/05/2006 06:54)
Raha ny fahalalako azy klou d tena misy ampahany mivadika ho izany tokoa. Fa ny alcool methylique io no tsy tena voaavaka tanteraka mandritra ny "distillation"n'ilay toaka gasy. Rehefa mi-distiller azy manko dia manomboka eo @ 70°C (raha tsy diso aho) eo ilay fangarona fary sy "catalyseur" naotrika ka tanehina dia efa misy alikaola mientona.Arakaraka ny fiovana na ny fiakaran'io hafanàna io no mampiova koa ny karazan'ny alikaola azo. Ho an'ny fomba manara-penitra dia voafolaka sy voaaramaso ilay hafanana hany ka mifanandrify amin'izay ilaina ny alkaola azo. Ny alcool méthylique dia tena "neurotoxique" mihitsy tsinona.

Ny resaka formol indray dia "liaison ester" amin'ny alcool sy asidra organika miaraka dia manome an'io "formaldehyde" io na formol hoy isika. Azo atao tsara mantsy ny manolo ny formol amina "mélange 50/50" alcool 90°+ acide acetique raha tsy mahita formol hanindromana faty ohatra (izany no nampianarin'i Pr Gizy RATIAMBAHOAKA anay tamin'ny nanao Anatomopathologie).

Ka raha misy formation-na acide organique miaraka amin'ilay alcool miaraka tanehina ao dia marina tokoa. Raha lasalasa mantsy ny réaction de fermentation'ilay fangaro dia mety hahazo acide acetique (toy ny vinaigre azo avy amin'ny fermentation-na voaloboka nefa misy koa ny divay izay misy alcool ihany koa) ka ilàna fenitra izy io arak'izay ilàna azy, dia izay tsy lasalasa mahazo alcool, dia ireo mifangaro no manome "possibilitén'ny fiforonana formol"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2574