naninona Ingahy Lahiniriko no zao vao nametrapialana ?

1. ravatorano ( 03/05/2006 06:28)
Inn ny antony nanosika an'Ingahy Lahiniriko Jean hametram pialana amin ny andro fiatombohan'ny fivoriana ara potoana ny antenimieram pirenena ?
Nilaza ny antoko tim fa ny mpikatroka ao amin ny foibe no nanala anazy :-w
novalian'i Lejim ny 07/05/2006 17:40
2. ravatorano ( 03/05/2006 06:36)
tohiny
d naninn no efa niteny hoe hiala izy vao nolazaina fa nesorina ?
Misy filoha lefitra anakiroa izay mambra ao amin 'ny bureau politikan'ny tim nilaza mazava fa tsy manaiky ny hanalana anazy ao ! Inona ny antony ?
Zany hoe misy disadisa zany ao nefa io no antoko lehibe indrindra indray zao eto amitsika ; miankina amin io daholo ny fanapaha kevitra ao amin ny AN
Marina fa misy fahadisoana nataon Ingahy Lahiniriko saingy hatraiza ny fetran izay d naninona ny birao politikan ny tim zao koa vao mandray fepettra.
Sa kosa mbola eo amin ilay resaka "moramora" foana isika ka tsy mahasahy manapakevitra foana :x:x
Nametra pialana ao amin ny tim izany Ingahy Lahiniriko inona koa no tsy nametrahany fialana amin 'ny maha filohan'ny antenimùieram pirenena anazy fa mbola miandry ho esorin ny tim ihany koa
Raha za no teo amin'ny toerana efa ela za no niala tao sa mbola niandry tombotsoa na sosy raha hisy na nisy zany ????????
Mampimé ny fanaovan pilitika eto fa mbola polifika no manjaka eto.
Akaiky ny fifidianana d somary manao scoop kely nefa maro koa anie ny pompier mpamono afo ka atahorako ho afo mololo ihany izao afo entin Ingahy Lahiniriko izao ka midedadeda vetivety ihany fa ho lavenao afaka fotoana fohy ! ! ! ! ! !
3. Ragadona ( 03/05/2006 07:09)
raharahan atoko(particulier) no ialany amin ny atoko TIM ka tsy tokony ho terena hoe refa miala ao izy dia tsy maintsy atao koa zay hanalana azy amin ny maha filohan ny AN azy. Eto dia efa niveau national ndray ka raharaham pirenena fa tsy raharahan ny Tim irery intsony ka hifototra amin ny Tim ihany aoriana kely ao satria sehatra roa tsy mitovy centre d'intéret reo
4. jajaf401 ( 03/05/2006 08:50)
Mety tsy tsara place any @ tim izy fa tsara place ao @ AN fotsiny! De ilay tsara no tazomina; hi hi hi ! tokony tany @ hatsikana zany an!
5. ravatorano ( 03/05/2006 10:47)
raha raky ny lalampanorenana aloha dia manao\"faute grave\"ny filohan ny antenimieram pirenena eo amin \'ny asany zay vao azo esorina eo amin izany toerany izany ary tsy manitsy ampandalovina any amin ny fitsarana avo amin ny lalam panorenana izany.
Amiko tsy d hitak we aiza ilay hadisoana mihoampampana nataony.
Ho sahirana izany ry zalah tim hanala anazy eo !
Io zany ilay hadisoana nataon ny tim voalohany eh Ingahy Lahiniriko dia Arema no nivadika tim ohatran ny anakamaroan ireo deputé reo d zao lery nahazo toerana d nofoanany ny discipline de party d eo nareo tim fa izy efa ery ambony perchoir hiuhihihihih
6. jentilisa ( 03/05/2006 12:16)
Ataoko fa ny lotatenin-gazety ihany dia efa nahitana mazava fa noesorina aloha izy. Dia nanao kabary ny lehilahy avy eo nilaza hoe hiala tsy ho tim.

Ny zavatra faharoa koa dia hoe: hiala tsy ho prezidan'ny AN intsony aho hoy izy t@ 2004. Avy eo angaha izy niala akory!

Ny fahotana lehibe nataony kosa dia araka izay efa nambarako ihany tany amin'ny blaogy hoe milaza zavatra ofisialy tany iran tsy nirahina akory...resaka diplaomasia hanamaimboana ny firenena malagasy ilay izy...lehibe io fa tsy kely velively.
7. ainga ( 03/05/2006 15:26)
Manao fihetsiky ny maivan-doha sy tsy ampy fiheverana ny fahitako an\'io rangahy io na dia tsy te hanompa olona aza aho. Ireny zavatra nataony tany Iran ireny ny vokany. Mbola mitohy izany amin\'ilay filazany hoe niala tsy ho Tim intsony izy ! KOa naninona raha niala hatram\'izay ela-be izay nisian\'ny tsy fifankazoana izay ? Sa nanantena izy hoe tsy azo kasihana, na tsy sahy hanendaka azy ny TIM ?
Izao izy dia mbola milaza indray hoe misy 40 hono no mpanohana azy ! Herimboatay !
8. Rainikarabo ( 03/05/2006 17:54)
manao izay hampalaza tena leiry ka
9. fijo ( 03/05/2006 20:35)
marina fa resaka antoko ilay izy.ka ndao jerena amin'ny maha antoko azy ilay resaka aloha.
tamin'ny fotoana nilatsahany hofidiana,dia tim,no nandrotsaka azy,ary anaran'ny tim no nahalany azy.
ny antoko rehetra,dia misy fifehezana,naiza naiza io."sarko sy UMP"
dia nitranga ny disadisa,taminy sy ireo mpiray donaka.dia nilaza i ranamana fa "tsy tia fiantsaram belatsia ..."
ny TIM koa moa niandry fa tsy nandray fanapahankevitra matotra.

dia ireny niaraha nahita ireny ny fifandraisana taminy sy ny antoko.

za mihevitra,fa rehefa tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny antoko intsony,dia tokony miala,satria tsangakevitra no arahana ao fa tsy olona.
ary izay tsy manaraka izay koa dia tokony roahina.

raha miala ary izy"efa nametrapialana moa"dia ahoana.
_amiko dia izao.tamin'ny naha TIM anao ianao no lahy teo,ka rehefa tsy TIM intsiny ,dia tokony hiala eo koa(raha AREMA izy tsy lany depute akory ngamba)

-ny TIM koa rehefa niala izy,dia tokony manala azy amin'ny toerany.
raha hita fa tsy mahomby ny,tetika hanesorana azy,dia ravao ny solom bavam bahoaka,satria aradalana izany."ary io tetika farany io adinony"

-ny fahadisoana hoe vitany moa ,efa nisy namana nilaza ery ambony.dia ilay nataony tao iran.amin'ny sehatra mikasika ny fitondrana dia azo lazaina fa "famadihana firenena ireny"satria
tsy anjarany ny milaza ny hevitry ny fireneny amin'ny raharaham bahiny."manitsaka ny toeran'ny filoha izy eto"ka tsy zavatra mora izay.
ary iny teny iny fotsiny,dia azo hitsarana azy,sy hanesorana azy eo aradalana.

ary ny TIM koa,hita izay ny lesoka momba ity fandraisana olona mpivadika palitao sy slipo rehetra ity.ka raha tsy izao,dia hovana,ny rafitra sy fomba fiasa ao;dia tsy aharitra roa taona io dia tsy TIM intsony fa lasa tim.
ny tena olana misy amin'ny antoko any dia tsy misy fanomanana ny dimby,fa rehefa tsy eo ilay namotona dia vita.
10. Lejim ( 04/05/2006 00:16)
Zah indray miombon-kevitra amin'ilay hoe: hafa ny raharahan'antoko, dia hafa ny raharaham-panjakana. Tsy kilalaon-jaza izy ity ka hoe, rehefa miady dia averina ny zavatra efa nomena. Aiza nisy institution manao otran'izany.

Zah koa tsy tia olona mamadika palitao, ary tena tsy tiako mihitsy. Raha dinihina anefa ny antoko tim, dia mety ho 95%n'izay olona ao dia olona namadika palitao daholo. Angamba tsy sarotra ny manaporofo izany satria, na vaovao aza ny antoko, ny olona ao tsy vaovao mihitsy raha resaka politika. Raha misy sens de l'unitE ry zalahy dia tsy hotambazana vola mihitsy vao hanaiky izay fepetra raisina @ anaran'ny antoko.

Izay mikasika bombe nucleaire tany Iran indray tsy haiko. Zah tsy matoky ny Iran, ary tsy hankasitraka izay olona mankasitra ny fanamboarana bombe ao satria loza mitatao ho an'ny firenen-drehetra izany. Ny HCC no mandinika hoe, faute grave iny na tsia. Ny hevitro aloha dia faute grave iny (tsy manda an'izany zah)

Ny fehiny angamba dia: Tsy azo antoka ny ankabeazan'ny mpanao politika ao Madagasikara. Ka zah tsy hiaro an'iza n'iza!

11. majinikakely ( 04/05/2006 10:04)
d amin'ny zoma zanyu tsika maita ny tohiny faamin io no hatao ny latsa-bato momba ny fanalana an 'ingahy Lahiniriko.
Raha mandeha mivantana amin 'ny radio io dia alefa tsika mitsitapitapy eto amin ny serasera ny vaovao amin ny alalan'ny chat karajia !
:wink:
12. rabaradaka ( 04/05/2006 10:51)
Zao no izy ry havana isany, nanatrika ny ambiansy rehetra na teny amin'ny Magro Ankorondrano na teny Tsimbazaza aho. Ny TIM aloha dia nanapaka hevitra hoe esorina i Lahiniriko (fa vavy niriko angamba no tiany ?) dia vita iny. Ny antony ? Efa ireny voalaza rehetra ireny fa ny marina dia ity : efa ela no nisy ny disadisa. Ny indro kelin'ny mpandrafitra : ratsy fipetraka ny fotoana nanalana azy ho TIM (tsy nijery tononandro angamba ry TIM). Amin'izao araka ny vaovao avy any antsisin-tany dia mivalaketraka ny vahoaka TIM. Fa ity no henjana : raha tsy feno moa ny isa ilaina amin'ny fifidianana rahampitso zoma 5 may dia ahoana ? Izao ry havana, misy mamahana hoditra akondro ny Filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA ao ary tena voafitaka izy. Izao toedraharaha izao dia mitovy tsy misy valaka ny tamin'ny andron'i zokibenareo Zafy Albert, raha tsy mahay mitandrina ny Filoham-pirenena dia raharaha no hiseho. Ry Zoharimihaja, ry Rakotoarivelo (Midi Madagascar), ry Yves Aimé dia samy tsy misy mahay politika, tena ireo no handavo ny Filoha Marc RAVALOMANANA raha tsy mahay izy. Ity aho hoe !
Rabaradaka
13. mandrindra ( 04/05/2006 12:26)
polifika, fikafika, io voalazan'ny namana ao ambony ao io no tanjona : ho ravana ny antenimiera. hisy krizy institutionnel ao madagasikara. iza no fifidianana alefa aloha ny solombavambahoaka sa ny filohampirenena ?? misavilvol fotsiny eo dia hisy périod ede transition izay ravalomanana ihany nomitondra na tsy transition azano anarany. ny tanjona dia ny hanalavana ny fotoana hitondran'i ravalomanana; ny lalampanorenana dia milaza mazava roa ihany ny mandat azo atao. raha mijery 2012 anefa ny tim dia mbola maizina ho azy izany.
14. manantsoa ( 04/05/2006 14:42)
Dia ho votrotra ve izany ilay volabe avy any iran hanaovana propagandy ?

Dia ho maimbo eo anatrehan' ny firenena mikambana sy ny tsy mankasitraka ilay projet-n' iran daholo izany izay miarakaraka amin'ilery eo an?

Tena May amin' aTany ( azafady nifamadika ny M sy T )ity resaka politik
15. fijo ( 04/05/2006 19:21)
io kirizina andrim panjakana io,dia efa ela no nandrasan'ny frantsay.ny tanjona eo dia ny hanalana an dravalo,ka asa na ahomby na ahoana.
ny vahaolana azon dravalo atao raha tsy voahongana radem vavyniriko,dia ny mandrava ny solom bavam bahoaka.ny loza nefa raha izay,dia ny loholona izay AREMA no maro anisa ao.
izay le tanjon'ny frantsay.
raha voatsaoka eo moa leniriko,dia milamina ny resaka.
16. Lejim ( 04/05/2006 21:02)
fijo> Tsy azoko hoe ahoana ny nampidiranao ny frantsay. Atsika toa efa tsy voazanaka intsony. Izay zavatra miseho amintsika izao dia vokatry ny tsy fahaizantsika miray hina ho an'ny fampandrosoana. Tia fizarazana loatra
17. hjaune ( 05/05/2006 12:05)
fijo:

marina fa resaka antoko ilay izy.ka ndao jerena amin'ny maha antoko azy ilay resaka aloha.
tamin'ny fotoana nilatsahany hofidiana,dia tim,no nandrotsaka azy,ary anaran'ny tim no nahalany azy.
ny antoko rehetra,dia misy fifehezana,naiza naiza io."sarko sy UMP"
dia nitranga ny disadisa,taminy sy ireo mpiray donaka.dia nilaza i ranamana fa "tsy tia fiantsaram belatsia ..."
ny TIM koa moa niandry fa tsy nandray fanapahankevitra matotra.

dia ireny niaraha nahita ireny ny fifandraisana taminy sy ny antoko.

za mihevitra,fa rehefa tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny antoko intsony,dia tokony miala,satria tsangakevitra no arahana ao fa tsy olona.
ary izay tsy manaraka izay koa dia tokony roahina.

raha miala ary izy"efa nametrapialana moa"dia ahoana.
_amiko dia izao.tamin'ny naha TIM anao ianao no lahy teo,ka rehefa tsy TIM intsiny ,dia tokony hiala eo koa(raha AREMA izy tsy lany depute akory ngamba)

-ny TIM koa rehefa niala izy,dia tokony manala azy amin'ny toerany.
raha hita fa tsy mahomby ny,tetika hanesorana azy,dia ravao ny solom bavam bahoaka,satria aradalana izany."ary io tetika farany io adinony"

-ny fahadisoana hoe vitany moa ,efa nisy namana nilaza ery ambony.dia ilay nataony tao iran.amin'ny sehatra mikasika ny fitondrana dia azo lazaina fa "famadihana firenena ireny"satria
tsy anjarany ny milaza ny hevitry ny fireneny amin'ny raharaham bahiny."manitsaka ny toeran'ny filoha izy eto"ka tsy zavatra mora izay.
ary iny teny iny fotsiny,dia azo hitsarana azy,sy hanesorana azy eo aradalana.

ary ny TIM koa,hita izay ny lesoka momba ity fandraisana olona mpivadika palitao sy slipo rehetra ity.ka raha tsy izao,dia hovana,ny rafitra sy fomba fiasa ao;dia tsy aharitra roa taona io dia tsy TIM intsony fa lasa tim.
ny tena olana misy amin'ny antoko any dia tsy misy fanomanana ny dimby,fa rehefa tsy eo ilay namotona dia vita.


Ny tena olana anie ry zalahy dia ny tsy fisian'ilay éthique politique eto @ tanàna e! dia samy manao izay tiany mifanaraka @ tombotsoany ny mpanao politika. Ilay geometrie variable ao @ AN io koa no tena manakorontana. Raha raisoko @ resaka sport io izao dia tsy tokony hisy afaka manao mutation en pleine saison. Dia tokony ho toy izany koa ao @ AN sy izay olom-boafidy rehetra. Rehefa nirotsaka tamin'ny anaran'ny Antoko iray ianao ka lany ; raha miala amin'iny Antoko iny ianao rehefa avy dia tokony hametra-pialana amin'ilay andraikitra nahalany anao (député na maire ohatra...), raha tsy izany dia oainina be hoe tombotsoa manokana no tadiavinao fa tsy tombotsoam-bahoaka
18. Lejim ( 05/05/2006 14:43)
hjaune> Tena tsy azoko ilay raisonoment-nao
Ianao izao ohatra dia Depute voafidy t@ antoko Arema. Rehefa nandeha teo ny volana sy ny taona dia nivaona amin'ny zavatra hitanao fa mitsipaka ny antony voalohany nidiranao tao @ ilay antoko Arema ny zavatra miseho ao.
- Hiala Depute ve ianao satria hitanao fa efa tsy misy ny maha Arema anao intsony?
- Sa hampiasa izay fahefana kely azonao (solombavam-bahoaka), hanampiana ny firenena.

Ny vahoaka no nifidy anao fa tsy ilay antoko, ny vahoaka no tompoinao fa tsy ny antoko, ny vahoaka no mi-payer anao fa tsy ny antoko. Noho izany izay zavatra metimety amin'ny vahoaka no tokony ataonao fa tsy izay metimety @ antoko.
19. fijo ( 05/05/2006 19:38)
lejim,mitombona tsara mihintsy io raisonnement voalazany io.
raha arema no naha lany anao,ka tsy mitovy firehea amin'ny arema intsony enao,dia tokony hiala amin'ny toeranao satria enao le arema no nifidianan'ny olona anao.
mbola le jim ihany;asa na mody fanina ise na ahoana ka tsy ahalala,fa ireo mpanao politika rehetra any afrika anie ka misy firenena ao ambadika ao e.ravalo izao,dia ny be kintana no ao aoriany ao.ny mpanohitra dia ny frantsay.
mazava be io,asa raha tsaroan'ingahy,fa fony samy nitonona ho governementa ny roa tonta tao mada ny 2002.dia izao no zavatra nisy ary navoakan'ny gazety.ny tarik'i ravalo,dia tao amin'ny ambasady amerikanina foana no maka hevitra,moa ny ankilany dia tao amin'ny ambasady frantsay tao foana .
mino aho fa mody fanina ise fa tsy hoe tena tsy mahalala izany.
20. Lejim ( 05/05/2006 21:50)
fijo> Tsy misy zavatra odiako fanina izany.
Ary raha mitombona io lazainao io dia mandrora miantsilany ny fanjakana Malagasy. Aiza ianao no andeha any @ ambassade hafa haka hevitra?
Maninona no tsy maintsy hisy firenena matanjaka foana ao aoriana?
Dia inona ny voka-tsoan'ireo @ vahoaka?

Ho an'izay hamaly dia aoka re mba mitombona reellement ny valiny omena fa tsy supposition be!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4779