Kitoatoa

1. LazaRandri ( 01/05/2006 01:36)
asa ianareo raha mba namaky an'ilay boky hoe sirach ao amin'ny apocrypha? Raha tsy mbola namaky dia aza mamaky fa toy ny "hatsikana sy lalao" ny ao ary mifanohitra tanteraka amin'ny Baiboly sy fampianaran'i Kristy.

Io angamba anisan'ny antony mahatonga ny temoin de Jehovah tsy mino an'i Jesoa? dunno mah! hahaha!
novalian'i marozevo ny 10/05/2006 19:00
2. Fiffi ( 01/05/2006 03:16)
@ ilay voalaza hoe "Ce Jésus était le fils de Sirach, et petit-enfant à Jésus du même nom avec lui:
Tantara .....
3. jentilisa ( 01/05/2006 05:30)
Aiza kosa e! milaza fahendrena tatsinanana eo anatrehan'ny tontolo hafa kosa io boky io. Be ny zava-mahafinaritra ao ary roanjato taona tany ho any talohan'i Jesoa Kristy no nanoratana io boky io fa tsy hoe Jesoa Kristy no nolazainy tamin'io.
4. LazaRandri ( 01/05/2006 05:37)
jenty> ilay izy mifanohitra amin'ny fampianaran'i Jesoa sy izay ao amin'ny Baiboly no tiako tenenina. Kanefa toa nampidirin'ny temoin de Jehovah tao amin'ny "baiboly"!!!!
5. Fiffi ( 01/05/2006 05:48)
Kanefa toa nampidirin'ny temoin de Jehovah tao amin'ny "baiboly"!!!!
nampidirin'ny temoin de Jehovah tao anatin'ny Baiboly ? Baiboly inona ?
6. LazaRandri ( 01/05/2006 05:55)
Asa ry Fy fa baiboly koa no fiantsony an'io a! hahaha!
7. Fiffi ( 01/05/2006 06:08)
dia tsy fantatro indray izany satria ny Baiboly dia tokana hiany amiko aloha io an!

Ny Baiboly
« Ny Baiboly Masina, fitambaran'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, tenin'Andriamanitra, no tokana ahitana ny fahamarinana sady marina, ary fototry ny fiainana kristianina. »

(2 Tim. 3:16).
8. LazaRandri ( 01/05/2006 07:01)
Mino koa aho fa antony iray lehibe tsy itiavan-dry zareo ny adihevitra mikasika ny Baiboly io, satria ny azy misy "FAILLE contradictoire".
9. Fiffi ( 01/05/2006 07:42)
ny mahagaga ahy koa dia raha Kristianina aloha dia tsy maintsy mahafantatra hoe ny Baiboly dia Tokana hiany.
10. sonwin ( 01/05/2006 16:42)
fa ny Témoin kristianina sa tsy kristianina?
11. Fiffi ( 01/05/2006 18:34)
Témoin de Jehovah ve hoy ianao Kristianina ? Tsia !
12. cutie ( 01/05/2006 21:07)
ze manao ny asan'i Kristy ihany no kristiana e :-D
13. marozevo ( 01/05/2006 21:47)
Misy karazany roa ny boky "sirach". Misy ilay atao hoe "Ben-Sirach = Siracide na Ekleziastika". Tena ao anaty Baiboly io.
Misy koa boky "Sirak", tsy ao anaty Baiboly, fa ao amin'ny Apokrifa, ary raha oharina amin'ny TT dia taoriana be izy io no nosoratana.
sao dia afangaron'ilay nanokatra ny loha hevitra ireo. Iza amin'ireo ity lazainao ? Ary iza amin'ireo no hoe "nampidirin'ny Temoins de Jehovah" amin'ny Baiboliny.

Entre-pas! Mahagaga tokoa aloha ilay temoins de Jehovah eh ! Izy tsy Kristianina satria tsy manaiky fa i Kristy dia Zanak'Andriamanitra, nefa dia mampiasa tsy mieritreritra kely akory ny TV. Asa na fantany na tsia fa i Kristy anie no ivon'ny TV eh !
14. LazaRandri ( 01/05/2006 22:24)
Baiboly inona indray koa no misy an'izany ry Marozevo? Ny Baiboly (Tenin'Andriamanitra) mantsy amiko toa tsy misy an'izany boky hafahafa izany.
15. marozevo ( 01/05/2006 23:37)
Hafahafa ahoana hoy ianao ?
Ben-Sirach = na Siracide ho'aho dia ilay atao koa hoe Ekklesiastika. Ao anaty baiboly io ka !
Ilay faharoa efa hoe Apokrifa koa inona indray !
16. Fiffi ( 02/05/2006 04:59)
Mahagaga tokoa aloha ilay temoins de Jehovah eh ! Izy tsy Kristianina satria tsy manaiky fa i Kristy dia Zanak'Andriamanitra, nefa dia mampiasa tsy mieritreritra kely akory ny TV.
normal zany fampihasainy an'io izany mba ahazahoany mandrebireby ny Kristianina mba hanarahany azy , saingy tokony ho fantany dia raha tena Kristianina dia tsy ho azony amin'izany.
Tadidiko fa nisy Témoin ireny tonga nitsidika ny masera taty aminay. Tsy matahotra an'Andriamanitra akory ry zareo sahy milaza an'ireo masera hoe "hitondra vaovao mahafaly ho anareo izahay"
17. marozevo ( 02/05/2006 21:55)
Ny anay aza ry Fiffi tao amin-dry Maopera mihitsy no niditra ry "Ikalamahafinaritra" ah... Tao Ambohimandroso (RN 7) no niseho ny tantara. Nataon'ilay Maopera saika tsy nahazaka ny lambany marina eh... Nihorahan'ny vahoaka. Tsy tantara miampita io fa ny masoko no nahita ary ny vavako no niteny.
18. Achia ( 03/05/2006 12:33)
fa naninona kosa i Mopera no nanao zany e ? za kory tsy tem a
19. Fiffi ( 03/05/2006 12:52)
:roll:
20. marozevo ( 03/05/2006 22:35)
Fomba fiteny angamba ilay hoe nataony tsy nahazaka ny lambany eh.... Fa ny zava-nitranga dia nihaino aloha i Mopera, avy eo nametraka fanontaniana, ka tsy nahavaly ireo Tem de Jeh. Avy eo nambaran'i Mopera taminy fa raha tsy mahavaly izy dia tokony handeha handalina aloha fa tsy manao katro-doha fotsiny. Menatra be ry zareo, ny olona koa moa maro no sendra teo, ka nihomehezan'ny vahoaka ireo Tem de Jeh kely. Nefa tovovavy tsara tarehy anie izany eh...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079