Kitoatoa

21. Fiffi ( 04/05/2006 06:22)
hihihih mampihomehy ahy koh i marozevo t@ le hoe "Nefa tovovavy tsara tarehy anie izany eh..." hihihih , nga kosa moa ny endrikin'ny olona no jerena raha hitory teny ? jereo ary fa na dia tsara tarehy ilay tovovavy toa nihomehezan'ny olona fotsiny hiany.
22. marozevo ( 04/05/2006 14:21)
Tsy hoe ny endriky ny olona no jerena, fa na tiana na tsy tiana dia misy fiatraikany amin'ny atao koa ny endrika sy ny bika. Tsy ilay salovan-tava ihany no maha tsara bika fa ny fitafiana koa.

Izany koa angamba no mahatonga ny Fiangonana mametraka karazam-panamiana ampiasain'ny mpitondra. Mba hevero hoe manao malabary sy tsy mikiraro i Maopera rehefa manao lamesa !!

Mba hiverenana amin'ilay tenin'ny loha hevitra hoe "kitoatoa", dia heveriko fa tsy tokony hatao kitoatoa ny fanatanterahana ny asan'Andriamanitra. Miomana tsara ara-tsaina, ara-panahy ary ara-batana.

Sa ahoana hoy ianareo !
23. Fiffi ( 05/05/2006 08:16)
Mba hiverenana amin'ilay tenin'ny loha hevitra hoe "kitoatoa", dia heveriko fa tsy tokony hatao kitoatoa ny fanatanterahana ny asan'Andriamanitra. Miomana tsara ara-tsaina, ara-panahy ary ara-batana.
marina tokoa izany satria misy manko ny hoe mandeha mivavaka any am-piangonana dia efa natao fahazarana fotsiny ny fandehnana , ao koa ny hoe mba tsy hilazan'ny olona hoe "toa tsy tonga nivavaka ra anona androany" ? lasa fijery fotsiny ivelany ny hahatongava hivavaka fa tsy ao am-po sy ny fanahy akory. Misy koa aza raha vao vita ny fivavahana dia tsy maintsy miseho @ olona hoe ity re zah fa tonga niangona eh! indrisy fa tena misy dia misy izany.
24. marozevo ( 05/05/2006 22:48)
Fa ny tiako ho lazaina dia ny mpitondra fivavahana mihitsy. Tsy mbola nahita nanao kitoatoa aho akory, fa ny hendry no anarina.

Ndray mandeha izay fotsiny aho no nahita Maopera nanao akanjo fotsy nisy fotaka be fa fahavaratra ny andro. Tany ambanivohitra be tany izany. kay moa tsy fidiny fa nianjera teny an-dalana i ranamana raha handeha hamangy Fiangonana, ka izay no nampaloto ny fanamiany. Soa fa ny fanamiany ihany no naloto....
25. Fiffi ( 06/05/2006 05:54)
de moa ve ny akanjon maloto no andeha jerena ?
26. marozevo ( 08/05/2006 14:42)
Tsy fitia te hijery ilay akanjo maloto, fa ny maso adala kooo...
Izay indrindra no ilazako hoe soa fa ny fanamiany ihany no maloto.
27. Fiffi ( 09/05/2006 14:11)
io maso adala i indrindra ne tena mbola hanisan'ny fanimbana zavatra , satria io hiany no miteraka ny honohono , fanaovana kitoatoa ny fiainana koa anefa izany satria raha tsy mahery mivavaka sy mangataka an'Andriamanitra mba tsy ho rebireben'ny fankapanahy ka ny maso mijery ary nahita no andehanana hitsarana olona dia heloka aloha io an!
28. marozevo ( 10/05/2006 19:00)
Ny maso mahita kosa aloha mifanohitra amin'ny honohono eh.. Tsy mahatonga honohono izany io.

Ny maso adala koa mahabe fakam-panahy,
mivavaka ho anao mba tsy ho voany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0072