Session admin blaogy.com

1. lapino ( 22/04/2006 05:59)
Hono hoà,

Mba azo angatahana ve mba tsy havela ho expiré ny session ao amin'ny blaogy.com?

Aninkeheo manko za mba nanoratra lahatsoratra lavalava, en ligne. Elaela ihany koa fa sady mieritreritra no manoratra, somary miadam-pisaina ihany :oops: . Nony vita ilay izy, nataoko hoe "tehirizo" dia mahazo hadisoana, fa tsy manana alalana hampiditra an'ilay izy hono aho. Very daholo indray, nefa adiny roa aho no teo!!! :(

Misaotra e! :)
novalian'i hery ny 05/06/2006 19:08
2. pissoa ( 22/04/2006 06:14)
Hihihi, lapino - efa saika nangataka an'io koa izaho fa nieritreritra tampoka aho hoe raha sendra hadinon'ny namana mila mandeha cyber rehefa hitoraka blaogy ny manidy ny session-ny dia sao misy migafy :(

Sa misy fomba hialana amin'izany?
3. lapino ( 22/04/2006 06:21)
Toa isaky ny hanokatra an'ilay blaogy admin dia mila mampiditra anarana sy alahidy foana, sa diso aho?

Sady raha hisy higafy ihany any amin'ny cyber, tsy mbola manana fotoana ho expiré iny dia efa mahavoakitika izy aorian'ny hialanao teo.

Rehefa avy mandeha cyber koa ange tokony mizatra manao an'izao foana e: http://totalfun.no-ip.org/lapino/temp/ie-secure.htm :)
4. hery ( 22/04/2006 07:03)
Gravy indray izany fa miala tsiny.
Hojereko akaiky tokoa fa hitako misy olana rehefa miditra admin.php mivantana

Mandra-paha aloha rehefa manoratra lavalava dia aleo atao amin'ny editeur texte offline (winword ohatra). Mandray ny format rehetra (gras italique sns...) amin'ny alalan'ny copier-coller ilay blaogy.com ka tsy misy olana mihitsy.

Hojereko koa ilay resaka session
5. lapino ( 22/04/2006 07:10)
Tsy hoe maninona be ka! Fa zany hoe mety ho tsy za irery koa no efa tratra fa za fotsiny no niteny. :)

Efa hitako noresahan'i Hery tao amin'ny blaogy tao ihany io mampiasa winword io, fa za koa no tsy tonga saina loatra e. Entim-pahazarana ngamba.

Dia misaotra an'i Hery izany e!
6. hery ( 22/04/2006 07:52)
Izao no zavatra hitako

- Ny halavan\'ny session teo dia par defaut (24 mins) ka nampiakariko ho 120 mins. Rehefa mivoaka izany dia tokony manao logout foana satria raha tsy izany tsy secure.

- Rehefa miditra admin.php (na dia efa nampiditra solonanarana sns aza) dia asainy mampiditra indray RAHA TOA KA tsy mbola tafiditra tao amin\'ny ilay blaogy manokana (izany hoe nanindry ny anaran\'ny blaogy). Tsy fantany tsinona ny blaogyID dia tsy voatahiry ao amin\'ny session. Raha toa ka efa nanindry ny anaran\'ny blaogy dia voatahiry amin\'izay iny blaogy iny ka raha miverina amin\'ny admin.php dia tsy anontaniany intsony.
Amin\'izao dia tsy manana blaogy afatsy anakiray isan\'olona isika ka angamba azo atao ny manao par defaut hoe tonga dia tehiriziny ilay blaogID raha vao tafiditra.
7. ds ( 22/04/2006 09:43)
Sao dia mba lava loatra izany 120 mn izany. Tsy tokony fahalemana ve aloha izay vao fahafinaretana. Safidy ihany anefa izany :-)
8. lapino ( 22/04/2006 10:34)
Ary hono hoà, sao dia mety amboarina ao amin'ny reglages ilay izy, dia averina an'ilay 24 minitra ihany ny par défaut. Amin'izay izay miadam-panoratra ohatra anay manova ny azy manokana?
9. hery ( 22/04/2006 10:58)
Hmmm hevitra iray koa izay.

Somary misy olana eo amin'ny structure anefa satria ny session dia mandeha alohan'ny parametren'ny blaogy. Ka raha any amin'ny parametre-n'ny blaogy no misy an'io dia tsy voaray mihitsy. Ny azo atao angamba dia eo amin'ny login form no hasiana ohatra an'ilay hoe tsarovy ireny.

ds> Nandramako fa dia tena lava be tokoa. Efa tapaka ny connexion-ko teo, nihidy daholo ny browser, fa vao nanokatra an'le admin aho dia tonga dia tafiditra.
10. lapino ( 22/04/2006 11:23)
hery > aleo averina amin'ilay par defaut tam'voalohany ihany ary, fa izay no secure kokoa. Toa aleo asiana lanja ihany ilay fahalemana :D
11. lapino ( 05/06/2006 14:04)
Hery, lasa misy message mipoitra kay rehefa akaiky ho lany ny session. Milay be iny fa misaotra e :)
12. hery ( 05/06/2006 19:08)
lapino> Tsisy fisaorana fa dia mazotoa e :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3331