MISY RESAKA TSY LOJIKA AO MADA AO E !!!!

1. xxx ( 30/03/2006 09:09)
Rehefa tena nandinika lalina aho dia misy toetra tena tsy mety ataon'ny malagasy matoa ny mpitondra manararaotra lava izao ....ny mpitondra natao hanompo ny vahoaka fa tsy ny vahoaka no manompo ny mpitondra !!!zava-marina io

Saino lalina fa ny volam-bahoaka daholo anie ireny ividianana ny 4*4n'ny deputé sy ny 737 air force one ireny e!!kanefa rehefa mbà mila ny contre-partie an'ireny ny vahoaka toa geste no ataon'ny mpitondra maro refa azo ny seza dia VELOMA e!!!MAMPALAHELO
novalian'i fijo ny 05/04/2006 19:11
2. Fiffi ( 30/03/2006 10:38)
misy toetra tena tsy mety ataon'ny malagasy matoa ny mpitondra manararaotra lava izao
ka inona hono izany toetran'ny malagasy izany ? fa inona no idiran'ny toetran'ny malagasy @ fanararaotan'ny mpitondra ?
ny mpitondra natao hanompo ny vahoaka fa tsy ny vahoaka no manompo ny mpitondra !!!zava-marina io
fa ahoana no ilazanao fa ny vahoaka no manompo ny mpitondra ?
toa geste no ataon'ny mpitondra maro refa azo ny seza dia VELOMA e!!!
gesta ahoana aloha io eh ? mba hazavao kely aloha !
3. agoago ( 30/03/2006 11:28)
Mba tsy azoko koa ilay lazainao xxx hoe toetrantsika vahoaka malagasy tsy mety sahala @ ahoana, hazavao tsara! f'agaha moa tsy ny mpitondra na any @ firenenkafa aza no mitantana ny volampanjakana, samy manana ny fitanatanany azy.Dia inona no tokony ataon'ny vahoaka hoy ianao, toroy lalàna ary izy e, satria fantatra koa fa vola alina aminy iahnay anie ireny
4. parazy ( 30/03/2006 11:30)
fa zao no tsy azoko e! ilay olona milaza eo ambony io ve afaka manazava tsara fa hita mihintsy hoe sahirana be ilay olona fa toa lasa fanontaniana foana fa tsy misy discusion mihintsy! ary izy miteny io angaha tsy gasy ! ka aoka tsy hanao teo_tsaina sahala@zanu! fa rehefa misy teny tiana avoaka na ambara dia ataovy miariary fa tsy misy tokony hatahorana na hanatsara ianao na hanaratsy ! avoay zay tena tianao ambara tompoko e! dia misaotra anao sahady hamaly ny teniko
5. ravatorano ( 30/03/2006 12:04)
lemenakely< amiko dia atao izay hampahantra ny vahoaka mba hahafahana milalao azy d io ilay toe tsaian tsy mihetsika fa miandry tolorana d izay mpanao politika tonga eo d manao an izay daholo d zao no vokany ka sarotra ny manarina firenena sy toe tsaian ao anatinny taona vitsivitsy fotsiny .
6. lemenakely ( 30/03/2006 12:53)
Izay mihintsy no tena marina e !tsy mbola mahalàla ny tena zony ny vahoaka ao MADAGASIKARA ao ,fahanana lainga ny olona dia refa avy eo azo ny seza dia adino daholo fa ilaozan'ny olom-boafidy mandàny ny volam-bahoaka sy manao affaires maizina IZANY NO ZAVA-MISY fa dia miàla tsiny @ izay tafi-tohina....jereo ny ohatra teto FRANTSA momba ilay ministre des finances teo taloha , izay nanofa trano efa ohatrinona tao BERCY ny zanany efa ho enina sa moa fito ...nanao critiques ny olona fa mandany volampanjakàna izany !!!dia niongana mihintsy moa ilay ministra avy eo asa raha nisy nahatadidy an'iny!!
7. Fiffi ( 30/03/2006 12:55)
marina aloha ny anao ry ravarorano , tokny fantantsika aloha fa tsy mora anie izany mitondra firenena izany an! ary tsy ao anatin'ny taona vitsivitsy marina no ahazahoana fihovana na manarina ny firenena indrindra fa ny nahazo an'ny ity Nosintsika ity.
8. lemenakely ( 30/03/2006 13:26)
Ireto zavatra ireto aloha dia tsy nazava tamiko mihintsy ny anton'ny nanapahan'ny mpitondra ankehitriny décision nefa ny firenena vao nivoaka sempotra t@ krizy efa ho enimbolana:
-Ny nividianana ilay boeing 737 air force one efa ho 15 millions de dollar
-Tao koa ny 4*4 efa ho 120 isa ho an'ny deputé sy ny volkwagen passat sy bora ho an'ny sénateurs.

-Ny karaman'ny ministra 24.000.000 millions tsy afatsy ny avantages matériels ,nanafoana ny kolikoly tokoa ve io sôsy be io?

Afaka ni boycoté an'io ny mpanohitra sy ny vahoaka hoe fa dia nahoana loatra ? sahala @ tokatrano iray efa bokan'ny trosa ve dia mbola henakisoa be mitaka rihatra foana no loaka!
NY VAHOAKA NO TOMPO-MANDIDY, IZANY NO DEMOCRATIE fa tsy ny mpitondra no manao izay tiany atao!!
9. Fiffi ( 30/03/2006 15:05)
ny mahagaga ahy kosa aloha dia izao: samy efa mahita ny fihantran'ny firenena , malaza hoe "M/car fait partie des pays le plus pauvre du monde" dia nofafaina ny "credit" n'i M/car nefa dia neken'ny firenena ary nofohanany ny trosan'i M/car nefa nahavidy an'izany rehetra izany hiany ny firenena.
10. Stone ( 30/03/2006 15:49)
Solotenan'ny vahoaka ny députés sy ny Président satria voafidy t@ suffrage universel ry lemenakely a!
11. andry44 ( 30/03/2006 17:50)
Hoy i Lemenakely:Izay mihintsy no tena marina e !tsy mbola mahalàla ny tena zony ny vahoaka ao MADAGASIKARA ao.
Marina mihitsy ny voalzanao ranamana.Fa izao:iza no tokony nampianatra ny vahoaka malagasy izany?

Amiko ny mpitondra nifandimby teo no samy responsable raha toy izany ny zava-misy.Ary indrindra ireo olona nitondra teo nandritra ny 24 taona.
Azafady aho raha hanzava kely:ny gasy + de 30ans@izao anie ka nobeazina tao@io fitondrana sosialisam io e!t@izany fotonandrony nodradraina fa ny zaza ankehitrio no tompon'nyy taona 2000;tonga ny taona 2000 ity;inona ny zava-misy?BADO NY GASY...Mamapalahelo sady mahamenatra:cry::oops:
an"iza ny tsiny?aoka ny zava-misy ankehitriny sy ny tantara no hitsara!
NY TANTARA TSY MATY!!!
12. lemenakely ( 30/03/2006 18:31)
Stone d'accord aho fa solontenan'ny vahoaka ny députés saingy ny olana ao amitsika dia ny tsy fihainoan'ireo députés ireo indrindra ny tena feom-bahoaka !

Ny mampalahelo koa dia ny MPANOHITRA tsy avela maneho ny heviny loatra fa toa voasakana nefa satan'ny DEMOCRATIE izany ,ilaina ny fanakihanan'ny mpanohitra mbà tsy hanao izay tiany hatao ny mpitondra!!Ny fisondrotan'ny vidim-piainana ankehitriny rien que ny JIRAMA fotsiny ohatra sy ny dévaluation tsy ankijanona aloha dia responsable @ izany ny fitondràna ankehitriny.
13. fijo ( 30/03/2006 20:56)
lemenakely an,voalohany aloha,ianao tsy sahy niseho raha tsy ravato no namoaka ny anaranao.izany hoe enao aza dia efa isan'ireo tsy sahy miseho akory reefa maneho hevitra fa zatra le miforitra.

aza hadino koa,fa ratsiraka vao tonga teo amin'io fitondrana io,di aizay no nisafidianany ny socialisma,io fomba fitantanana io,dia nihezaka nanao izay ahabado ny vahoaka"tsy mahazo manaraka vaovao avy any ivelany,fidiana ny vaovao azo homena azy sy ny fianarana azo atolotra azy"vokany bado sy tsy hafaka,mitsinjo lavitra ny vahoaka,ka rehefa misy zavatra tiana dia homeo dada an.de dada no misafidyizay tiany homena rehetra,ary le vahoaka tsy zatra mitady fa zatra manao "meo meo to any saka"

izany dia natao nandritra ny taranaka iray,ka sarotra be ny hanafoana izany.efa misy ny hezaka izao,saingy sarotra satria le vahoaka mihintsy no efa tsy zatra fa miandry foana.jereo ireo zandry izao,fa maro no efa mihezaka miala amin'izay
14. Stone ( 30/03/2006 22:12)
Fanamarihana kely : tsy nahazo niditra teto Mcar ny ordinateur t@ les années 80 fa tsy maintsy ny STIM, izay M. Rabearivelo Andriamalagasy no Dg, no monopole manafatra izy ireny!!!!
15. lemenakely ( 31/03/2006 05:29)
Ny socialisme dia ny vahoaka malagasy no nifidy an'io aza adino fa aprés 1972 dia nanao referendum hoe hi opter ny socialisme ve sa ny capitalisme izany hoe mijanona ny vazaha dia ny socialisme no nofidian'ny vahoaka !!
Natao mihintsy aprés 72 izay tsy hitiavana ny frantsay na ny fampianarana aza dia teny gasy daholo ..
Tsy ny gasy irery ihany no niaina hoe monopole ohatra ny ordinateurs fa ny firenena socialiste rehetra!

Bon hiverina @ probléme @ izao fotoana aho ny tena olana dia misy tsy fahaiza-mitantana hoy aho. ity fitondràna ity rien que ny INFLATION sy ny DEVALUATIONn'ny vola malagasy taloha raha manana ataoko hoe 500.000fmg aza ianao any ampaosy fantatrao mihintsy hoe mahazo zavatra betsaka izany
izao ny ny isany billet fotsiny ihany aza de 50.000fmg 10 sisa raha hanao plein na 4*4 iray aza mila tsy ho ampy.Hitanao hoe tena sahirana kokoa ny olona e!!
16. gasypantin ( 31/03/2006 06:25)
Ny fototry ny démocratie dia ny séparation de pouvoirs dia ao koa ny mpitondra sy ny mpanohitra!
Isika malagasy dia manaiky aho fa mbola mianatra ny atao hoe democratie izany kanefa dia hita tokoa fa tsy ao MADAGASIKARA ny atao hoe democratie @ izao fitondrànd-ra8 izao...
eo no tena olana !!!

17. xxx ( 31/03/2006 07:39)
i Ravalomanana dia tsy no-forcéna hanao présidentn'i MADAGASIKARA fa sitra-pony iray izay !ary tsy lany olo-manga ny firenena tsy misy olona hoe irremplaçable izany !!!raha napetraka teo izy nefa mbola pire ny fiainana ohatran'izao dia @ 2007 ny valiny e tsy asiana resa-be izany !!

Teny filamatra ny hoe fahamarinana sy ny fahamasinana nefa tsy izany no zava-misy raha mankany @ birao ianao izao ny manam-bola sy ny mahitahita dia prioritaire izay tsy manana miahaka!!
18. Fiffi ( 31/03/2006 11:35)
Ny socialisme dia ny vahoaka malagasy no nifidy an'io aza adino fa aprés 1972 dia nanao referendum hoe hi opter ny socialisme ve sa ny capitalisme izany hoe mijanona ny vazaha dia ny socialisme no nofidian'ny vahoaka !!
raha ny hevitro indray aloha dia izao: raha nifidy ny socialista ny vahoaka dia ny mpitondra aloha no efa socialiste , io aloha dia izay toerana misy ny mpitondra hiany no harahan'ny vahoaka sa ve diso aho ?
19. xxx ( 31/03/2006 12:26)
Nisy ny atao hoe accord de coopération aprés 1972 noderain'ny vahoaka manokana ny ministre des affaires étrangéres t@ izany izay tsy iza ???aleo tsy ho tononina ....
natao voix référendaire tokoa hoe hanao capitalisme v sa socialisme ?
lany ny sôsy a lisme nangoron'entana ny vazaha ary dia nationalisé-na daholo ny ankabeazan'ny orin'asa ...ny olana dia olona incompétent daholo no natao hitondra azy ireny kinanjo FIASCO !!
izay aloha no zava-nisy pendant 27 ans

Niditra ingahy Zefa Albert ,vao maika loza !ny constitution izay nofidiana dia tsy noeritreretina tsara fa natao fotsiny izay contraire rehetra t@ andron'i deba vokany nanaonao foana ,tsy nanana majorité koa tao @ assemblé nationale injato ny 1ér ministre nosoloina..vokany empêché

Niverina ilay iraika lahy taloha ...haintsika ny tohiny...izay niafara t@
gréve efa ho 6 mois izay nanimba ny économie tanteraka indrindra ny société d'état toy ny AIR MAD moa dia saika nanidy varavarana mihintsy!

Izao indray tonga i RA 8 izay nitondra ny slogan hoe:" fahamarinana sy fahamasinana ".
Fitondràna izay azo atao hoe mitavozavoza ,ekena fa mila expérience ny zava-drehetra kanefa dia vao maika mampivandravandra raha ny zavatra iainana @ izao fotoana no lazaina ny privatisation'ny RNCFM izao dia miazoazo nefa tena important io torak'izany koa ny JIRAMA tantely afadr'akotra,ny TELMA aoka fotsiny...Ny inflation tsy lazaina intsony .

METY HISY HITENY ANGAMBA HOE MBA MILATSAHA ARY MBA HO JERENA E!!!ny valiny
izaho ary mbà gaga :-D
20. andry44 ( 31/03/2006 15:19)
Nifidy ny sosialisma ny vahoaka t@72;mino ve nareo fa tena ara-pomba demokratika ny fifidianana t@izany?
Na izany aza naefa de tsy de hitako loatra ny naharatsy ny sosialisma fa ny fitantantana sy ny fanatnterahana ny asa izauy novolavolaina no tsy nisy.Variana nihinana izay azo ny mpitondra ary ny akama mpiaramisôsy no nameno ireo poste stratégies rehetra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1678