MISY RESAKA TSY LOJIKA AO MADA AO E !!!!

21. sonwin ( 31/03/2006 16:50)
xxx:

,ekena fa mila expérience ny zava-drehetra kanefa dia vao maika mampivandravandra raha ny zavatra iainana @ izao fotoana no lazaina ny privatisation'ny RNCFM izao dia miazoazo nefa tena important io torak'izany koa ny JIRAMA tantely afadr'akotra,ny TELMA aoka fotsiny...


Fa aiza aza nareo zany e! refa liana amin'itony resaka politika itony dia araho tsara ihany vaovao:
Resaka RNCFM: efa tamin'ny taona 2003 no vita sy milamina ny amin'io: Mise en consession no natao,ary ny Orinasa Comazar no nanankinana ny fitantanana.

JIRAMA: Ny jirama tsy ho privatiser-na.

TELMA: efa vita tamin'ny 2004 ihany koa ny finalisation momba ny privatisation ary Distacom no actionnaire majoritaire.

22. sonwin ( 31/03/2006 17:05)
fanampiny kely ra-xxx an, efa MADARAIL izao no anarana entin'ny orinasa misahana ny zotran-dalamby
23. Rainimaharavo ( 31/03/2006 19:33)
Miarahaba ny rehetra.
variana dia variana aho namaky ny fanakalozan-kevitrareo. misaotra mifampidinika tsy ankatezerana.
Ny valiteniko dia izao : raha TANORA (25-45 taona)daholo ianareo ireo dia ataovy izay hahatomombana ny fianarana dia ENTO ITY FIRENENA ITY FA IREO GIDRO ANTITRA EFA TSY MIHEVITRA HAFA-TSY NY SEZANY. Izaho efa tsy ao anatin'izany taona izany intsony sady tsy tao anatin'ny mpanao pĂ´litika hatramin'ny niatombohan'ny Repoblika voalohany fa mpanara-maso hatrany. Efa betsaka no resako teo aloha momban'io fa mba jerijereo ny tafa sy dinika teo aloha amin'io anarako io.
Misaotra anareo rehetra dia mahazotoa fa miandry anareo ny FIRENENA.
24. fijo ( 31/03/2006 19:59)
voalaza teo fa :" ny gasy no nifidy ny sicialisme"
aoka hazava,fa rehefa natao ny referendum tamorian'ny 72,dia vahoaka mbola lonilony tamin'ny fitondrana teo aloha no nifidy.ary tamin'izany dia tsy hain'ny olona akory izany atao hoe socialisma izany.za efa nahatsiaro tena tamin'izany.
ny fantatry ny olona dia niala tsiranana"tsakitsaky zato arivo"
ny fomba nampiasaina koa tamin'io fifidianana io dia tsy mazava.vokany lany saika 100% ny ENY.

avy eo vao samy nitaraina daholo.

ny accord de cooperation,dia voavinavina hoe horesahana,asiana fanavaozana.nanaiky ny frantsay.tonga taty ratsiraka nakapony ny varavarana dia nialany ny zone franc(izay fihetsika tsy nankatoavin'ireo mpiara mitondra)isan'izany iramanantsoa.

ny fanagasiana:ny tena notakiana momba ny fanagasiana dia ny hanagsiana ny fampianarana.izany hoe ny tantara ,ny toekarena sns.ny zavatra nataony dia ny "fanagasiana arabakiteny"vokany tsy tao le tanjona.

ary izao isika mbola mizaka ireo rehetra ireo.
manaiky aho fa misy tsy mety koa ny fitantanana izao,fa le takaitra taloha no tena mbola mavesatra
25. Fiffi ( 01/04/2006 12:07)
tena mbola mavesatra tokoa moa io an!
FA IREO GIDRO ANTITRA EFA TSY MIHEVITRA HAFA-TSY NY SEZANY.
:roll:[quote]
26. fijo ( 05/04/2006 19:11)
ny taranany izao no hiadiany toerana ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3994