Katolika alohan’i Papa !

1. Fiffi ( 30/03/2006 09:03)
Mila tsy ho zakan’ireto mpanao hatsikana malaza ny fanomezan-tsiny nataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fahitalavitra mpandefa ny sangan’asany isan-kariva, mikasika indrindra ny nalefan’izy ireo faramparany teo. Ny nampiasan’ireto mpanan-kanto ny anarana Mompera no nipetrahan’ny olana. Tsy ireo mpana-kanto ihany no gaga fa na ny mpijery fahitalavitra, na ireo nanaraka ny kidaona maraina, eny hatramin’ny relijiozy sasany aza dia mba gaga koa. Malala-tsaina mantsy ireny Relijiozy ireny ka raha sarotiny tamin’izany izy ireny dia efa ela no nanakiana. Efa impiry moa no tafiditra amin’ny hatsikana ny toeran’izy ireny ? Ary efa oviana koa no nahalalan’ny mompera sy ny masera fa tafiditra amin’ny fampihomehezana ataon’ny mpianakavy sy ny mpinamana ny anarany ? Tsy nampiova ny lanjany teo anivon’ny fiaraha-monina izany fa toa namporisika azy hifandray taman’olona aza. Ho lasa fanaon’izay voatonona ao amin’ny « Torak’hehy » ity fanakianana ity ka ny farany dia ho tonga amin’ny fanapotehana ny artista mihitsy. Ho avy koa ry « Tambanivohitra » mba hidrikina, izay tsy ho ny tambanivohitra mihitsy no hiseho sarotiny. Toy izany mantsy io resaka mompera io ka mampitombina ilay fitenenana hoe « Miseho ho katolika alohan’i Papa ».
Hery A : Madagascar Tribune
novalian'i marozevo ny 10/05/2006 19:26
2. Achia ( 30/03/2006 09:23)
8O:-D:-D
3. Fiffi ( 30/03/2006 09:34)
:roll:
4. dadabe ( 30/03/2006 09:53)
samy manana ny tiany io ry Fifi a, izay tsy mahazaka dia aleo tsy mijery
5. Fiffi ( 30/03/2006 10:40)
dia lazao an'izany ary ny nanoratra na ny mpanoratra tao @ gazety fa tsy ny hevitro fa gaga fotsiny aho hoe hay nisy an'izao!!!
6. dadabe ( 30/03/2006 10:42)
:roll::roll::wink:
7. bozimanga ( 30/03/2006 14:49)
nga ry dadabe mba mahita torak' hehy eh??
8. Achia ( 30/03/2006 19:44)
Edrey ko ry Jacky tchane sy ry Jet lee zavatra mitoraka fihomehezana mitsy any ko enao nga ahona a !:°)
9. marozevo ( 30/03/2006 22:02)
Izahay aty Italie tsy mba nahita an'izany ry Fiffi ah. Mba asio santionany kely handraisanay anjara fihomehezana sy mba hahafahanay manolotra ny hevitray eh... hevitro manko eh.... Zatran'ity "nous de majesté" ity, nefa efa tsy nifidy an'ilay raika lahy taloha.
10. Fiffi ( 31/03/2006 04:59)
Izahay aty Italie tsy mba nahita an'izany ry Fiffi ah.
marozevo: zah anie tsy nahita an'io koa eh! fa raha mijery ianao dia "hoy ny gazety Hery A : Madagascar Tribune ka dia nataoko eto an! ary io koa no nolazaiko an'i dadabe fa mba gaga aho hoe hay misy an'izany koa!
11. dadabe ( 31/03/2006 11:48)
fiffi > okay aza e:-*

12. marozevo ( 31/03/2006 23:51)
Hay ve eh... Dia izao ary eh... mba lazaon'i Fiffi ny datin'ilay gazety dia jereko fa misy "manatitra eto" koa manko io gazety io. Dia amin'izay mba mihomehy miaraka isika.
13. Fiffi ( 01/04/2006 06:17)
marozevo: io daty nandefasako azy teto io no datin'ny gazety satria rehefa mandefa lahatsoratra @ gazety eto aho dia ny androny nivoahany hiany io.
14. marozevo ( 02/04/2006 18:27)
Fiffi > Misaotra fa hita eh.. hodinihina
15. Fiffi ( 03/04/2006 04:08)
dia diniho miadana ao ary :)
16. marozevo ( 03/04/2006 22:24)
Fa nahoana no hodinihina MIADANA eh.. Tsy tokony hodinihinba haingana ve mba hahafahana mitondra hevitra ?
17. Fiffi ( 04/04/2006 05:04)
ny ahy aloha , aleko mandinika miadana alohan'ny hilazako zavatra , nohon'ny fitenenana hoe" havadio im-pito ny lela alohan'ny..... sa ahoana hoy ianao ?
Marina fa hoe "aleo miteniteny foana toy izay manaonao foana , ka raha izany dia aleko koa dinihina miadana satria na nandinika miadana aza aho mety mbola hanao fahadisoana hiany .
18. marozevo ( 04/04/2006 22:10)
Marina izany ry Fiffi ah. Mba ni-tsalo kely fotsiny aho teo ambony teo.
Fa hono ho'aho aloha eh. Inona no nahatonga an'i Fiffi nifidy ny fehezan-teny hoe "Katolika alohan'ny Papa" amin'ity loha hevitra ity ?
19. Fiffi ( 05/04/2006 05:16)
marozevo: efa hatramin'ny voalohany no nilazako fa tao @ gazety io lohatsoratra io no nalaiko fa tsy izaho no namorona azy . Toy izany mantsy io resaka mompera io ka mampitombina ilay fitenenana hoe « Miseho ho katolika alohan’i Papa ».
Hery A : Madagascar Tribune
arakin'ny hefa namaliako an'i dadabe koa hatramin'ny voalohany koa!
20. marozevo ( 06/04/2006 21:33)
Dia noverenako novakiana àry ilay fisokafan'ny ady hevitra ary amin'ny voalohany, fa tsy hitako mihitsy izay hifandraisan'ilay resaka amin'ny hoe "Katolika alohan'ny Papa". Tsy miankina amin'i Fiffi anefa izany, fa miankina amin'ilay nanoratra ilay artikla. Dia mbola ho azon'ny fakam-panahy hanao titra manaitra ve ny gazety mba ho lany ny gazety ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1817