hatraiza ny tena fitiavana

1. xxx ( 29/03/2006 14:41)
Mba ampio aho ry reto!
misy lhl miaraka amiko, nifampiteraka 1 izahay (3 tona),tena tia sy manaja io olona io aho ka fantany izany ka nohararaotiny, izy aloha tsy mbola tratrako nampirafy, fa isaky ny mahita na namako na cousine-ko na vhv mifanerasera aminay izy dia mampiseho fihetsika mankarary fo ahy foana .

Nandritry ny 3 tona aloha vitako foana ny nanafina ireo alaheloko ireo satria matahotra aho sao vao mainka hararaotiny,fa avy eo tsy tanako intsony...

Rehefa tezitra aminy aho na miteny azy amzay hoe tsy tiako ny fihetsikao @ i ranona iny...(sady lazainy fa tara aminy daholo ireo vhv ireo an)
dia inona fa "taim-bava"(miala tsiny an!) be no azoko. Tsy zakako intsony ny mizaka izany retraretra izany ka mieritreritra ny hiala aminy aho satria ny fahitàko azy dia toy ny olona mbola adoléscent ny fitondran-tenany, ny olana nefa dia ilay zanakay tsy mahafoy azy, no mandraiky manavy mihintsy raha tsy mahita azy elaela, ka mba mangataka toro-hevitra aminareo aho ry reto fa tsy hitako zay atao... tiako ny hahita ny zanako sambatra eo anilan'ny r&reniny nefa zaho lasa mijaly...:cry:
novalian'i Fiffi ny 01/04/2006 09:42
2. Fiffi ( 29/03/2006 15:33)
xxx: mampalhelo tokoa izao toe-javatra izao . Ianareo izany efa niresaka momba an'io raha tena azoko tsara ny resaka saingy rehefa mba miteny @ ianao dia ianao indray no mahazo. Fa t@ nareo niresaka ireny ve dia mba nanontanianao izy raha mbola tianao ? ary maninona izy no manao an'izao nefa efa rain-jaza ? Hay kosa zany mba nahay niala-tsiny izy nefa dia mbola mamerina hiany!!! Ka maninona raha manao carte sur table kely ? marina aloha ny anao fa eo ny zaza tsy manan-tsiny sady tsy mahasaraka aminy , fa ny tsara hatao angamba alohan'ny hisarahana dia mila miresaka ianareo , tena hatao carte sur table mihintsy . Dia aza kivy ambony hiany aloha fa jereo kely ny zanakao an! :-*
3. fitaka ( 29/03/2006 15:52)
slt, raha ny hevitro aloha no anontanianao dia tsotra no havaliko anao dia ny hoe: anontanio azy ny tena antony hanaovany izany fihetsika izany ;sao dia misy zvtr nataonao nefa tsy sitrakiny fony ; ary ny tena vahaolana atolotro dia ny fifampiresahana @ fo tony sy milamina :idea:
4. xxx ( 29/03/2006 16:14)
Dia ohatr'izao nitarainanao teto izao, antsoy izy dia lazao aminy ohatr'izao nolazainao izao izay mampalahelo anao. Ianareo roa aloha no tokony mifandinika voalohany.Ianao mihevitra hoe fantany ny fijalianao na dia tsy dia nolazainaoloatra taminy aza, izy anefa tsy tonga saina hoe hay gravy ity zavatra ataony raha tsy ianao no miteny aminy tsy amin-katezerana fa ohatr'izao.
5. cutie ( 29/03/2006 16:44)
marina daholo reo voalaza reo,tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana ihany no vahaolana.
6. Herimiafina ( 29/03/2006 18:53)
xxx:

Mba ampio aho ry reto!
misy lhl miaraka amiko, nifampiteraka 1 izahay (3 tona),tena tia sy manaja io olona io aho ka fantany izany ka nohararaotiny, izy aloha tsy mbola tratrako nampirafy, fa isaky ny mahita na namako na cousine-ko na vhv mifanerasera aminay izy dia mampiseho fihetsika mankarary fo ahy foana .

Nandritry ny 3 tona aloha vitako foana ny nanafina ireo alaheloko ireo satria matahotra aho sao vao mainka hararaotiny,fa avy eo tsy tanako intsony...

Rehefa tezitra aminy aho na miteny azy amzay hoe tsy tiako ny fihetsikao @ i ranona iny...(sady lazainy fa tara aminy daholo ireo vhv ireo an)
dia inona fa "taim-bava"(miala tsiny an!) be no azoko. Tsy zakako intsony ny mizaka izany retraretra izany ka mieritreritra ny hiala aminy aho satria ny fahitàko azy dia toy ny olona mbola adoléscent ny fitondran-tenany, ny olana nefa dia ilay zanakay tsy mahafoy azy, no mandraiky manavy mihintsy raha tsy mahita azy elaela, ka mba mangataka toro-hevitra aminareo aho ry reto fa tsy hitako zay atao... tiako ny hahita ny zanako sambatra eo anilan'ny r&reniny nefa zaho lasa mijaly...:cry:

Diagnostic:
-Tia azy ianao ary SARO-PIARO: normal amin'ny maha-olombelona, proportionnel amin'ny haben,ny fitiavana ny habetsaky ny fahasarotampiaro, moa koa diso ny fitenenana fa atokisana tanteraka ny olona iray.
-Mahafinaritra azy ny mahita anao saropiaro ary dia vao maika manao izay handrangitana anao izy.
-Lazainy fa tara aminy daholo i babay sy roa vohitra: manana complexe d'inferiorité izy ary manao auto-satisfaction mba hanamboniana ny morale aloha voalohany indrindra ary mba handrangitana anao kely.
-Te hahatsapa mivaingana izy fa tia azy ary tsy mahafoy azy ianao, izay no mahatonga azy mandrangitra anao foana satria tiany be ny mahita anao saropiaro (na dia nafeninao aza izany dia tsapany foana).
-Izy no tena dependant aminao ary izy no mety ho perta raha hisaraka ianareo fa tsy asehony anao izany.

Traitement:
-Manaova hoe tsy saropiaro mihintsy, dia aza mody miraharaha mandritry ny fotoana voafetra rehefa mandrangitra izy, ho hitanao fa tonga saina izy.
-Mody avereno amin'azy ny jeu-ny, mody mandrangita koa, dia mody manaova sortie secrete dia ataovy fantany na dia mody afenimpenina aza.

Mahereza, aza misaraka!!!!:-*


7. meme ( 29/03/2006 19:22)
Ny avy amiko aloha dia izao:tsara ny fifampidinihana eo aminareo roa.Ilaina ny fifandeferana kanefa mila limite sy fandanjalanjana tsara.Anontanio @ fomba tony izy ny @ fihetsiny.Na koa:Odio fanina aloha ka misehoa tsy miraharaha izay fihetsiny ianao dia ho hita eo ny tohiny.Mety mandalo fotsiny koa anefa io fihetsiny io satria mety mbola tsy matotra tsara @ fitiavana izy ka ilaina ny faharetana.
8. sakaizakely ( 29/03/2006 20:20)
Raha amiko manokana aloha, raha vao misy taimbava izany tsy fihetsik'olona tia izany. Sady mampifilafila no tsy manaja anao izy. Zaho tsy mino hoe tia sy sarompiaro anao izy. Ianao miara-miaina aminy no mahalala kokoa ny toetrany ary ianao no mizaka azy. Matoa ianao milaza fa tsy zakanao intsony ny toejavatra dia izay no fahatsapanao zay.
Ny mety kokoa angamba dia mifampiresaka ianareo. Anontanio izy raha mbola tia anao marina na tsia fa toa karazany manao toetra tsy zaka aminao izy fa tiany hiala aminy ianao angamba.

Mikasika ny zanakareo dia tsy aleo ve ray amandreny sambatra sy miadampo misaraka, toy izay RReny miaraka nefa malahelo ampo ? Raha toa misy fisarahana eo aminareo tsy manakana azy mianaka hifankahita akory izany.

Miresaha tsara amin'ny fo milamina fa asa miandry tezitra vao miresaka, manjary raisiny ho provocation ilay izy. Mahereza :-*:-*:-*
9. Veloo ( 29/03/2006 20:34)
misy karazana fitiavana aloha e ka inn no tena fitiavana resahina? :-D:-D:-D
10. Fiffi ( 30/03/2006 04:23)
ny fitiavany ny zanany no nojerena voalohany!
11. kala ( 30/03/2006 04:55)
xxx > tena ny mifampiresaka mivantana aloha no vahaolana azo atao haingana nefa refa hitanao fatsy mety manao izany izy de tohizana @ hevitr'i HM.
andramo ange de mahereza:-*
Somary marary kely aloha ny fo amin'io fa shhhhh aza raharahiana zany fa tsindrio aloha ny fo tsy hitroatra ê! :wink:
de jereo @ endriny pôzitifa ny fiainana an!8)
12. ari.malala ( 30/03/2006 07:55)
Manohana ny hevitrny namana rehetra aho @ ilay hoe miresaha, fa saingy @ fo tony. Raha ny fahitako ilay resakao ery ambony mantsy ry xxx dia tezitra aminy ianao no miteny azy, dia tonga dia taimbava no asetriny anao. Aza mampihandrona hatezerana sy alahelo koa. Ny tiako tenenina anao dia refa misy zavatra tsy zaka d teneno azy eo hoe ts tiko le toy izao, fa aza andrasana ho ampitso na miherina ny andro, fa lazainy mamoha fotamandry ianao. Cas efa hitako io mantsy dia izay no nanaovako azy, ny mahasamihafa azy d t@zany za ts mbola niteraka mo za sy le ol rahateo ts miaraka tsony zao fa t@ zany d zay no nanaovako azy. Mahereza e!
13. ikalakintina ( 30/03/2006 08:13)
xxx a!, le taimbava alo tena tsy zaka e!, de manampy ny namana aho miresaha nareo ra ohatra ka tsy de tafita ny communication de mi insisteva alou!de indrindra mivavaha fa io no manampy be indrindra, de courage
14. soleil ( 30/03/2006 08:13)

Tsy misy ampiana ntsonny angamba ny hevitr'ireo namana rehetra teo aloha fa ny hany lazaiko anao de izao tsy vaha-olana ny misaraka na ho anao na ho an'ny zanakao fa dia araka ny tenin'ireo teo aloha dia miresaha , maka saina tsara aloha , ianao anie tsy manana porofo sy nahita ary mahazo antoka akory fa manao an'izany izy e , dia izany ve no antony hialanao ny tokantranonao ? tsia , mbola betsaka noho izany ary anie ny mijaly sy fadiranovana lavitra noho ianao e ,

fa lasa manimba ny sainao fotsiny ianao diso mieritreritra be zavatra tsy hita fototra akory , zay fandrangitana izany fomba izany aza atao milentika ao an-tsaina sy fo akory , manjary miteraka sorisory ny ahiahinao sy ny remarqeue foana ataonao , aza asiana resaka akory

zay fa mahereza dia mivavaha foana sy hatrany dia aza kivy , maneho fitiavana foana e

soleil
15. xxx ( 30/03/2006 08:59)
Misaotra betsaka anareo rehetra namaly fa efa tena tsy hitako intsony izay hatao eh, ny @ ilay zanako indd indd, ary ireo voalazan'i HM ireo dia marina avokoa satria tsapako fa olona misy complexe io olona miaraka amiko io , ka izaho no lasa victime
Nisy namana niteny moa hoe aza miandry tezitra fa ny tsindriko kely dia zaho izany tezitra (no malahelo koa ) fa rehefa miteny azy aho tsy mampiseho hatezerana:(...
Fa dia misaotra betsaka anareo rehetra namaly fa indd aloha io conseil n'i HM io dia handramana indray dia ho hita eo.
Misaotra betsaka fa tsy irery tokoa ny tena misy anareo rehetra namana eto @ serasera!(l):-*:-*:-*
16. xxx ( 30/03/2006 09:01)
Ny tena tsy tantiko koa dia izaho lasa afa-baràka be @ ireo namako fa na izy ireo aza dia lasa tsy manaja ahy noho ny ataony, na misy aza vaky vava miteny hoe: hm, tena tsy misy fanajàna anao mihintsy ilay vadinao:(
17. Fiffi ( 30/03/2006 09:29)
aza hatao mankarary anao zany lazain'ny namanao zany fa lazao fotsiny ry zareo hoe : olondehibe izy ka mahafantatra ny tokony hataony fa hisy valiny avokoa ny zavatra hatao rehetra.
18. sasa ( 30/03/2006 09:43)
Marina be io tenin'i HM io rehefa mandrangitra anao izy d mba ataovy koa e! amzay izy mahita tsara hoe maharary le izy d tsy ataony tsony
19. mamzelkely ( 30/03/2006 12:42)
marina mitry zany io wa refa avaly aminy ny zvt ataony de ts mahataty izy :wink:
20. Ragadona ( 30/03/2006 13:12)
Ka nga fantatra zay tena ao an tsainy, mety miandry an io valin kafatra atoronare hoampiharin i xxx io izy mba hahafahany mamboly olana mitombina hipitihany fa mety oe te hiala ko anie izy fa mba hafahafa ihany le mipitika tsisy raison e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.338