nandrora nitsilany ny mpanohitra

1. patrick2002 ( 18/03/2006 22:17)
voalaza ary fa noraisin'I ingahy Koffi Annan ny mpanohitra.
nolazain'izy ireo tamin'izany,ny naha tsiara-dalana ny fifidianana, nahalany an'ingahy Ravalomanana,Ny tokony hanaovana amnistie ny gadra-politika rehetra ,sy fampodiana ireo refugier politique an'i France,ary fnaovana transition.
novalian'i fijo ny 29/03/2006 20:17
2. patrick2002 ( 18/03/2006 22:25)
ka ho leretsy ah! f'angaha ingahy Ravalomanana no nikarakara ny fifidianana.Izany dia midika fa tokony mbola hiampy ny olona hampigadraina satria mbola tsy nigadra ireo olona tsy naha ara-dalana ny fifidianana.
Ary efa impiry impiry no haverina fa tsy misy gadra-politika eto madagasikara,sa rehefa mpanao politika dia tsy azo gadraina,na manao vola-sandoka ,na manolana zaza tsy ampy taona,na mandray kolokolo,na manao fahirano tanana anankiray.
3. xxx ( 18/03/2006 22:26)
Ny UN mihitsy no efa nanao hoe aradalana io fitondrana io ko inona indray. Toa manao resaka aller-retour ry zalahy izany.
4. marozevo ( 19/03/2006 00:05)
Misy migadra koa satria nanapaka tetezana, misy migadra koa satria nanendaka faladian'olona tany amin'ny SAVA, misy migadra koa satria nanao vola sandoka, nanararaotra fahefana sns...
Marina fa sahirana i Ravalomanana ankehitriny, tsotra loatra koa angamba i Ranamana. Jereo indray ity anaovan-dry Ndremanjato azy, ry Lahiniriko sns... Izaho anefa mino fa raha tsy i Ravalomanana no candidat teo, dia ho afaka nagala-bato toy ny fanaony ihany ilay raikalahy taloha.
Inoantsika fa mahay analyse lavitra nohi isika momba ny zava-nisy marina i Koffi Anan, fa tsy hino be fahatany izay lazain'ny olona.
5. gernico ( 19/03/2006 03:07)
Izay zatra ny lalan-dririnina ihany hono no mpanao hitsin-dalana eh !!!
Izay zatra nisaosy sy nambotry ny malagasy efa nampahantrainy ihany ireo mivovoa toy ny ..... ireo satria manimanina ny tongolon'i Ejypta e !
Isika anie efa noezahina ny hahabado antsika @ izay tsy mahatakatra izay zavatra ataon'dry zalahy teo ireo e; ka izao ry zalahy tsy vitan'ny hoe very seza sy kapoaka ihany fa sady very seza no tampina maty hatrany @ fotony mintsy ny hevi-dratsiny ka izany no mahatonga azy ireo hinaonaona handrovin-tsihy toa an'ireo. Ho hitanareo eto tsara anie izao teniko izao fa raha vantany vao manomboka eo ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra @ fifidianana io ( @ izay fotoana izay ) dia haheno pasitera hiteny ratsy @ izay angamba isika fa inty aho eto eh ! satria mantsy efa tsy hitany intsony izay SAVONY hampiasaina dia tsy maintsy hanaonao foana izy @ izay ...Samia isika mahantsiaro io teniko io fa tsy mivaona io . Aza mitora-bato azy anefa @ izay fa MAMELA NY HELONY !!!! ...
Raha izaho no mba maro an'isa tao @ antenimiera sy ny loholona tao dia efa nanolotra volavolan-dalana vaovao aho mba hiverenantsika @ fitondrana faha-mpanjaka indray , satria ny herim-pon'ny rainy tsy maintsy hotandrovin'ny zanany mantsy !
Fa raha toy izao toe-tsain'ireo tsy vanona miseho ho mpanohitra eto izao ireo dia tandremo tsara fa fotaka miharo tain'alika no ao antsain'ireo ary efa tapitra mahalala izany daholo ny 70 ISAN-JATON'NY VAHOAKA MALAGASY FA RY ZAREO NO TENA DISO HEVITRA .
Ny irariana mafy koa dia mba ho be dia be ry zalahy ireo no hirotsaka ho mpifaninana ho fidiana dia mba mitombo @ izay ny vola ao @ kitapom-bolantsika vahoaka satria vola maimaimpoana tsy miverina io ka zavatra 0,10% ve dia mba ho aiza eo eh ???
Samia mamakafaka tsara daholo isika eh !
" Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra ! "

6. zandikely ( 19/03/2006 04:14)
Ny tena mahagaga ahy dia ny fomba fisainany maro any Dago tsy mankasitraka fisiana mpanohitra raha tany tena demokratika, tsy maintsy misy foana izany mpanohitra izany, tany mbola hanjakany jadona tsy misy mpanohitra. Ilaina ny fisiana mpanohitra fa izany hoe ny fomba entina manohitra any Madagascar mila hatsaraina mba tsy ho lasa fanaratsiana olona fa fanoherana ny tsy mety.
Amin'io fitondrana io misy zavatra mety nataon'ireo mpitondra ireo, fa mandainga kosa raha hilaza hoe mety daholo ny ataon'izy ireo.
7. patrick2002 ( 19/03/2006 04:37)
marina ny anaho zandikely ilaina ny mpanohitra ,fa tsy mila mpanakorontana:)
8. andry44 ( 19/03/2006 14:54)
Ny tenmariana de izao:tsy misy mpanohitra tafavondrona any amintsika satria zatran'lay toe-tsaina samy te holohany sy hahazo gateau misy² hany kalasa manaonao foana ny maro.Tsy manana foto-kevitra mazava hanatsarana ny zavamisy fa manatsikera be fahatany sy manaratsy izay mba miasa.
Raha ny @lay Pastera iny aloha ry zareo de samia mailo a!izay no mba teniko.Adinontsika angaha ny t@10 août?Mati² foana ny gasy t@ireny.Miseho ihany anieny marina @izao e!Be fika ireo fa vola ihany no ao an-tsainy!
Mahaiza manavaka ny vary sy ny.....

Homba antsika Andriamanitra!
9. xxx ( 19/03/2006 18:01)
tena mbola tsy misy mahavoan-dRa8 aloha izao
10. xxx ( 19/03/2006 18:29)
Manonofy sy miteniteny foana ny namana sasany ato. F'angaha izy io rehefa dradradraina isanandro vaky hoe tsy misy ny gadra politika dia tena tsy misy tokoa. Kel raisonement (bete peut etre).
Ny mpanohitra nilaza izay zavatra rehetra hitany sy filazany matetika, tsy misy nanampiany na nanesorany ireo fa izay no foto-kevitra ijoroany.
Tsy hitako ny idiran'ny firesahana amin'i Koffi Anan amin'ny resaka fanakorontanana. Noraisina ry zareo fa tsy nanao filaharam-be hoe tsy maintsy raisina.
Demokratika ny tanintsika ry namana isany ka, izay demokratika izay no tokony ataontsika an-tsaina voalohany fa tsy hoe, tsara ny filoha ka tsy maintsy tazomina eo na tian'ny vahoaka na tsia. Zah koa mankasitraka ny filoham-pirenena Ravalomanana ary mirary ny hahalaniany ampanindroany, fa iriko ary tena iriko, raha toa ka lany democratiquement fa tsy amin'ny hala-bato.
Tsy mi-traite an'iza n'iza ho mpangala-bato aho, kanefa y olombelona tsy anjely. Ka sarotra be ny hino hoe, tsy hangalatra ity olona ity raha omena irika hangalarana izy!
Misaotra tompokovavy, mankasitraka tompokolahy
11. rasera ( 19/03/2006 20:41)
Momban'ny fifidianana, tokony ho mailo ny malagasy ka tsy hiverina @ nalohany dia ny saribakolin'ny mpanjanaka fahiny, fa na inona na inona mety tsy fahombiazan'ny mpitondra @ izao fotoana dia ity no tokony ho tsaroana, ireo no niezaka hanala antsika @ tsindry hazo lena lava t@ reny malala fahiny. Tokony tadidiana ny nataon'i Deba, izay nitsipaka a,'i La frantsa sy ny accors de coopération, kanefa rehefa te hiverina eo @ fitondrana dia misolelaka @ la frantsa indray. Tokony handinika ny tantarany ny malagasy mba ahalala izany zava-marina rehetra izany. Aoka izay ny lovan'ny padesm sy ny taranany fa malagasy fotsiny tsy manavaka sy tsy mialon-jazy no tokony apetraka. Ka ny olona marina sy mahitsy mahavita manohitra an'izany no tokony ho fidiana fa tsy olona manaiky hataon'ny la frantsa saribakoly hiaro ny tombon-tsoany fotsiny. Maro ny ohatra @ ireo te hilatsaka.
12. pitchou ( 20/03/2006 10:33)
bla bla bla! le mpanohitra zany efa nahazoazo taona taona efa tokony hanao solomaso loupe daholo vao mahita we nangalatra i ra8, fa fony mbola tanoranora tsy nisy nahita we nangala-bato i deba!
mba nihevitra aho klou we mba olona misaina rizakahy d mba zavatra objectif sy marim-pototra ary mipetrapetraka tsara no ho resahany @ Koffi Annan e! kay nanao rediredy fotsiny! mahamenatra raha otran'ireny no mi-zesta we mpanao politika! sady resaka amam-bolana sisa ko inn no problemany tsy miomana hirotsaka fa laozana mandany andro @ raha tsy hamokatra eo?
13. patrick2002 ( 20/03/2006 17:41)
xxx:

Manonofy sy miteniteny foana ny namana sasany ato. F'angaha izy io rehefa dradradraina isanandro vaky hoe tsy misy ny gadra politika dia tena tsy misy tokoa. Kel raisonement (bete peut etre).
Ny mpanohitra nilaza izay zavatra rehetra hitany sy filazany matetika, tsy misy nanampiany na nanesorany ireo fa izay no foto-kevitra ijoroany.
Tsy hitako ny idiran'ny firesahana amin'i Koffi Anan amin'ny resaka fanakorontanana. Noraisina ry zareo fa tsy nanao filaharam-be hoe tsy maintsy raisina.
Demokratika ny tanintsika ry namana isany ka, izay demokratika izay no tokony ataontsika an-tsaina voalohany fa tsy hoe, tsara ny filoha ka tsy maintsy tazomina eo na tian'ny vahoaka na tsia. Zah koa mankasitraka ny filoham-pirenena Ravalomanana ary mirary ny hahalaniany ampanindroany, fa iriko ary tena iriko, raha toa ka lany democratiquement fa tsy amin'ny hala-bato.
Tsy mi-traite an'iza n'iza ho mpangala-bato aho, kanefa y olombelona tsy anjely. Ka sarotra be ny hino hoe, tsy hangalatra ity olona ity raha omena irika hangalarana izy!
Misaotra tompokovavy, mankasitraka tompokolahy


samy manana ny famaritana ny atao hoe gadra-politika
fanontaniana INONA NO ATAO HOE GADRA-POLITIKA:?:
XXX izay mpanao politika gadraina
patrick 2002:izay mpanao politika migadra noho ny foto-kevitra politika nojorony.
samia tsika mitsara valitenin'iza no marina ,dia samia manome note ianareo mpamaky:lol::lol:
14. Stone ( 21/03/2006 02:31)
Raha ny fahitako azy aloha dia tsy misy nogadraina nohon'ny heviny teo fa nohon'ny zavatra nataony daholo.
Teo ny habibina(Kotity sns), teo ny fahirano, teo ny vola sandoka, manapoaka tetezana sns. Izay hiantsoanao azy fa dia ireo aloha ny antony nanagadrana azireo fa tsy resaka terminologie tsy akory.
15. xxx ( 21/03/2006 14:38)
Ny zavatra tsy azonareo dia ity. F'angaha mba nisy notsaraina koa ireo mpomba an-dRavalomanana izay nanao habibiana. Maro ny example hitan'ny masoko ary henon'ny sofiko amin'izany saingy tsy hitanisa zah. Fa ny fitsarana any Dago dia arbitraire ary tsy independente mihitsy. Na tsy ny hevitra aza notsarana ny olona directe, ankolaka kosa izy. Asa na mazava izay teneniko izay na tsia fa tokony samy hieritreritra ihany!
16. pitchou ( 21/03/2006 16:56)
maninona no ny olon'ny deba tsy mi-gener anao ny miteny hoe iza nanao inona fa noho ny an'i ra8 d tsy sahy tononina? sa misy tsy marim-pototra fa notefitefena fotsiny? lazao eto rangah handinihana azy a! ary mba aoka tsy ireo mody nisandoka sy namadika palitao klou e! manjary sarotra be ny fitsarana
17. Stone ( 22/03/2006 00:01)
@ toe-javatra toy ireny dia tsy maintsy misy foana ny bavure, ohatra 10 août 1991,
dia hogadrainao ve izany i Zafy sy Ndrema satria ireo no responsables an'iny carnage d'Iavoloha iny, sa i Deba izay nanome baiko koa ve hogadraina? Ny valiny dia TSIA tompoko. Ny mpomban-dR8 dia voatery niaro-tena tany Nosy Be, Sambava Diego, sns, raha izay izany no azo hilazana azy. Dia vita eo iny.

18. xxx ( 22/03/2006 08:22)
oh hoe iza no namono an'itpk rolland ravolomaso ????????????????????????????????????
19. ravatorano ( 22/03/2006 08:49)
bozimanga
20. Stone ( 22/03/2006 12:37)
Ny mahagaga ahy dia ny hoe : inona moa no nataon'i Yves Bruno, izay olona mihaja ihany sy DG, niaraka taminy???
Ravolomaso sy Ralipo-be dia bandits, terreurs sady mpisoloky malaza tsy misy ilana azy,tsy malala izany ny eny @ bas quartier.
Mba miresaha an'izany eny Isotry sy Atomika ianao fa hohitanao fa tsy asian'ny olona quoi mihitsy izay nanjo azy any, au contraire faly aza ny olona hoe voa ihany lerony ny farany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0414